Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elkosita

Elkosita

(Elkosìta) [An’i Elkosy].

Mponin’i Elkosy. I Nahoma mpaminany ihany no voalaza fa “Elkosita.” (Na 1:1) Misy milaza fa tany Galilia no nisy an’i Elkosy. Toa tany Joda anefa i Nahoma no nanoratra ny boky mitondra ny anarany. (Na 1:15) Misy àry mihevitra an’i Elkosy ho i Beit Jibrin (Bet Govrin), toerana iray any Jodia, tokony ho 6 km any avaratratsinanan’i Lakisy. Mbola tombantombana ihany anefa izany.