Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elona

Elona

(Elôna) [mety hidika hoe Hazobe].

1. Lehilahy hetita rafozandahin’i Esao. “Nangidy” ny fiainan’i Isaka sy Rebeka, ray aman-drenin’i Esao, noho ilay zanakavavin’i Elona nalain’i Esao ho vady.​—Ge 26:34, 35; 27:46; 28:8; 36:2.

2. Ny faharoa tamin’izy telo lahy zanakalahin’i Zebolona. Anisan’ny nandeha tany Ejipta niaraka tamin’i Jakoba raibeny i Elona, rehefa nankany ny ankohonan’i Jakoba. Izy koa no lohan’ny fianakaviamben’ny Elonita.​—Ge 46:14; No 26:26.

3. Mpitsara teo amin’ny Israely ary taranak’i Zebolona. Nitsara nandritra ny folo taona izy, ary nalevina tany Aialona tao amin’ny faritanin’i Zebolona, rehefa maty.​—Mpts 12:11, 12.

4. Tanàna iray an’ny fokon’i Dana, ary voatonona eo anelanelan’i Jitla sy Timna ny anarany ao amin’ny lisitra. (Js 19:42, 43) Tsy tena fantatra hoe taiza no nisy azy io.