Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elteke

Elteke

(Eltekè).

Tanànan’i Dana (Js 19:44) nomena ny Levita Kehatita niaraka tamin’ny kijanany. (Js 21:20, 23) Voasoratra eo amin’ilay vaingan-tanimanga antsoina hoe Iraizotongotr’i Taylor fa nirehareha erỳ i Sankeriba mpanjaka asyrianina (niara-belona tamin’i Hezekia 745-717 T.K.) hoe “nanao fahirano sy nandresy ary nandroba an’i Elteke [Altako, amin’ny teny asyr.]” izy rehefa avy nandresy ny tafika ejipsianina sy etiopianina “teo amin’ny lemak’i Elteke.”

Taloha ny ankamaroan’ny manam-pahaizana dia nilaza fa i Kirbet el-Mokannaʽ (Tel Mikne), 36 km any andrefan’i Jerosalema, i Elteke. Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana anefa fa ilay Ekrona resahin’ny Baiboly no tao amin’io toerana io. Mbola tsy fantatra àry izay tena nisy an’i Elteke, nefa misy milaza azy io ho i Tell esh-Shallaf (Tel Shalaf), 18 km any avaratratsinanan’i Asdoda.