Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ely, I

Ely, I

(Elỳ).

1. [Niakatra]. Mpisoronabe teo amin’ny Israely; toa taranak’i Itamara zanakalahin’i Arona fahefatra. (Ampit. 2Sa 8:17; 1Mp 2:27; 1Ta 24:3; Ek 6:23.) Mpisoronabe i Ely, ka nitsara ny Israely nandritra ny 40 taona. Tamin’ny androny i Samoela no nanomboka ny asan’ny mpaminany. (1Sa 4:18; 3:10-13, 19-21) Mosarena ara-panahy ny Israely, satria “nahalana ny teny avy tamin’i Jehovah tamin’izany andro izany, sady tsy dia nisy firy ny fahitana.”​—1Sa 3:1.

Ny bokin’ny Samoela Voalohany no miresaka voalohany an’i Ely. Nipetraka teo amin’ny seza teo akaikin’ny tolàm-baravaran’ny tranolay masina izy, ary niteny mafy an’i Hana, izay noheveriny fa mamo. Tsy mamo anefa izy fa naharitra nivavaka tamin’i Jehovah teo anoloan’ny tranolay masina. Nohazavainy hoe tsy mamo izy fa be loatra ny adin-tsainy sy ny fahoriany matoa izy niteny irery. Nasain’i Ely nandeha soa aman-tsara izy avy eo. Nahazo valim-bavaka tamin’i Jehovah i Hana, ka niteraka lahikely, izay nantsoiny hoe Samoela. Nanatanteraka ny voadiny izy, ka raha vao nosarahi-nono ilay zanany, dia nateriny tany amin’ny tranolay masina mba hanao fanompoana tany.​—1Sa 1:9-18, 20, 24, 28; 2:11, 18.

Tsy nanafay zanaka. Sady ray i Ely no mpisoronabe, nefa tsy hentitra tamin’ny fampiharana ny famaizan’i Jehovah. Mpisorona am-perinasa i Hofinia sy Finehasa zanany lahy, nefa “olona tsy manjary”, satria tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hameno ny kibony sy ny hanao firaisana. Tsy nianina tamin’izay tokony ho anjarany avy tamin’ireo zavatra natao sorona, araka ny lazain’ny lalàn’Andriamanitra, izy ireo. Naniraka mpanompo hangataka hena manta tamin’izay nanao sorona kosa izy ireo, na dia mbola tsy nodorana hidona-tsetroka teo amin’ny alitara aza ny tavin-kena. Izy ireo indray no naka ny anjarany talohan’i Jehovah. Tsy nety afa-po sy adalam-piraisana ny zanak’i Ely, ka nanararaotra ny fahefany tao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo mba hangalarana sy hanaovan-dratsy, fa tsy mba ny fivavahana madio tamin’i Jehovah no notohanany. Nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana tao amin’ny tranolay masina izy ireo, nefa mbola tsy nesorin’i Ely tamin’ny andraikiny ihany, fa noteneniny moramora fotsiny. Ny zanany foana no nomeny voninahitra fa tsy i Jehovah.​—1Sa 2:12-17, 22-25, 29.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nisy mpaminany nirahin’Andriamanitra hampitandrina hoe: Hesorina ny hery sy ny fahefana ananan’ny ankohonan’i Ely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra eo aminy. Ho faty ao anatin’ny iray andro koa ireo zanak’i Ely mpanararao-pahefana. (1Sa 2:27-36) Nasain’i Jehovah nanamafy ny fanamelohana hanjo ny ankohonan’i Ely i Samoela kely. (1Sa 3:11-14) Tsy sahy nampita an’ilay hafatra izy, fa nolazainy ihany ilay izy noho ny fiangavian’i Ely. Nanaiky tamim-panetren-tena i Ely hoe: “Avy amin’i Jehovah izany! Aoka hataony izay hitany fa mety.”​—1Sa 3:15-18.

Notsarain’i Jehovah ny ankohonany. Tanteraka ilay sazy efa nolazain’Andriamanitra. Lehilahy israelita 4000 no matin’ny Filistinina, tany an’ady. Nanapa-kevitra àry ny Israelita fa haka ny Vata masina tany Silo, ka hitondra izany tany an-toby. Nihevitra mantsy izy ireo fa hanafaka azy tamin’ny fahavalo izany. Vao mainka anefa nohamafisin’ny Filistinina ny fanafihany, ka Israelita 30 000 no maty. Lasa babo ilay Vata masina. Maty koa i Hofinia sy Finehasa, izay niaraka tamin’ny Vata masina. Nisy lehilahy benjaminita nihazakazaka avy tany an’ady mba hilaza ny vaovao tamin’i Ely. Efa 98 taona i Ely, sady efa osa no jamba. Nipetraka teo amin’ny seza teo amoron-dalana izy, satria nangitakitaka ny fony noho ny amin’ny Vata masina. Rehefa henony hoe lasa babo ny Vata masina, dia nianjera nidaboka nankany aoriana izy, ary tapaka ny vozony ka maty izy.​—1Sa 4:2-18.

Nihatra tamin’ny ankohonan’i Ely ny sazy fanampiny rehefa nodidian’i Saoly Mpanjaka haripaka ny mpisorona tao Noba, izay taranak’i Ely avy tamin’i Ahitoba zanakalahin’i Finehasa. (1Sa 14:3; 22:11, 18) I Abiatara, zanakalahin’i Ahimeleka, ihany no afa-nandositra, ka tsy maty. Mbola mpisorona izy nandritra ny andro nanjakan’i Davida. (1Sa 22:20; 2Sa 19:11) Nesorin’i Solomona tsy ho mpisorona anefa izy, noho izy nanohana an’i Adonia mpikomy. (1Mp 1:7; 2:26, 27) Tanteraka àry ny fanamelohana nampiharin’i Jehovah tamin’ny ankohonan’i Ely. Tsy nisy mpisoronabe intsony ny taranany nanomboka teo.​—1Sa 3:13, 14.

2. Ahohita anisan’ny lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Toa izy ihany ilay Zalmona resahin’ny 2 Samoela 23:28.​—1Ta 11:26, 29.