Ely, II
(Èly).
Efa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, tamin’ny ora fahasivy na tamin’ny 3 ora tolakandro teo ho eo. Niantso mafy izy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?” (“Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”) (Mt 27:46; Mr 15:34) Noheverin’ireo olona nijoro teo fa niantso an’i Elia izy. Tsy azon’izy ireo tsara angamba ny tenin’i Jesosy noho izy efa nijaly mafy na noho ny tenim-paritra nampiasainy. (Mt 27:47; Mr 15:35) Notanterahin’i Jesosy anefa tamin’izay ny Salamo 22:1. Niantso an’ilay Rainy any an-danitra sy Andriamaniny mantsy izy.