Elyma
(Elỳma) [Mpilalao Ody].
Anarana niantsoana an’ilay lehilahy “mpilalao ody sady mpaminany sandoka”, noho ny asany. Izany no niantsoana an’i Barjesosy, Jiosy nonina tany Sipra, tamin’ny taonjato voalohany. (As 13:6-8) Hoy i Lioka: “Mpilalao ody—izany no anarany raha adika.” Tsy ilay anarana hoe Barjesosy no nohazavainy teo, fa ilay hoe Elyma. Fanaon’ireo Jiosy nonina tany amin’ny toerana nanjakan’ny kolontsaina grika tamin’izany ny nampiasa herin’ny maizina sy nilalao ody, ary ny naka anarana grika.—As 8:9-11; 19:17-19; jereo BARJESOSY.