Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

En-ganima

En-ganima

(En-ganìma) [Loharanon’ny Zaridaina].

1. Tanàna jodianina tany Sefela na faritra iva, ary tanisain’ny Josoa 15:33-35 miaraka amin’i Adolama. Mety ho i Beit Jimal ankehitriny, tokotokony ho 2,5 km any atsimon’i Beti-semesy i En-ganima, na mety ho toerana iray eny akaiky eny. Misy kosa milaza an’i En-ganima ho i Omm Jina, tokotokony ho 1 km any andrefan’i Beti-semesy. Tsy mitombina anefa izany satria tsy misy loharano any.

2. Tanàna tao amin’ny lovan’ny fokon’i Isakara. (Js 19:17, 21) Mety ho io ilay tanàna nantsoin’i Josèphe hoe Ginae. Maro no mihevitra azy io ho i Jenina, tanàna eo amin’ny sisiny atsimo amin’ny lemak’i Megido, na Jezirela, tokotokony ho 18 km any atsimoatsinanan’i Megido ary 8 km any avaratratsinanan’i Dotana, eo amin’ny lalambe mampitohy an’i Jerosalema sy Nazareta. Ahitana saham-boankazo sy zaridaina ary loharano ao Jenina, ka mifanentana tsara amin’ny dikan’ny anarana hoe En-ganima.

Nomena ho an’ny taranak’i Gersona i En-ganima sy ny kijanany, ka lasa tanànan’ny Levita. (Js 21:27-29) Antsoin’ny 1 Tantara 6:73 hoe Anema izy io.