Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

En-rogela

En-rogela

(En-rôgela) [Loharanon’i Rogela (Tongotra)].

Loharano na lavadrano akaikin’i Jerosalema, eo amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Joda sy Benjamina. (Js 15:7; 18:16) Tao En-rogela i Jonatana sy Ahimaza, mpitsikilo nirahin’i Davida, no niandry mba handre ny fizotran’ny fikomian’i Absaloma. (2Sa 17:17) Teo akaiky teo koa tatỳ aoriana, i Adonia zanakalahin’i Davida no nanao fanasambe ho an’ireo mpanohana azy, tamin’izy nitady handrombaka ny seza fiandrianana.​—1Mp 1:9.

Maro no mihevitra an’i En-rogela ho i Bir Ayyob na lavadranon’i Joba. Eo atsimon’ny zorony atsimoatsinanana amin’ny mandan’i Jerosalema no misy azy io, eo amin’ny sisiny andrefana amin’ny Lohasahan’i Kidrona, tokony ho 100 m eo atsimon’ny fihaonan’io lohasaha io amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Misy loharano na rano mikoriana any amin’ny farany ambanin’ilay lavadrano, ka rehefa avy ny orana, dia tafakatra hatreny amin’ny vavan’ilay lavadrano ny rano.