Enaima
(Enàima) [mety hidika hoe Loharano Roa].
Toerana iray tsy lavitra an’ilay toerana mody nisehoan’i Tamara ho mpivaro-tena ka nanaovany firaisana tamin’i Joda. Bevohoka izy ary niteraka an’i Pereza sy Zera. (Ge 38:14-16, 21, 29, 30) Toa teo anelanelan’i Adolama sy Timna no nisy an’i Enaima. (Ge 38:12) Misy mpahay jeografia milaza fa i Enama any Sefela ihany i Enaima. (Js 15:34) Tsy tena fantatra anefa ankehitriny ny toerana nisy azy io.