Endrika, Sary
Endri-javatra misy itovizana amin’ny tena izy, na olona izany na zavatra. Resaka fanompoan-tsampy matetika no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe sary. Tsy izany foana anefa no izy.—Mt 22:20.
Hoy Andriamanitra talohan’ny namoronany ny olona: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika [na sarintsika], misy itovizana amintsika.” (Ge 1:26, 27) Midika koa hoe aloka na fitoviana ilay hoe ‘endrika’ voalaza eo. Tsy hoe mitovy endrika ara-bakiteny amin’Andriamanitra ny olona, satria nilaza ny Zanak’Andriamanitra fa “Fanahy” ny Rainy. (Jn 4:24) Midika kosa izany fa manana toetra mitovy amin’ny an’ilay Mpamorona azy ny olona, ary mampiavaka azy amin’ny biby izany. (Jereo ADAMA, I No. 1.) Natao araka ny endrik’ilay Mpamorona azy ny olona, nefa tsy tokony hivavahana na izany aza.
Lazaina hoe zanak’Andriamanitra teto an-tany i Adama noho izy nisy nitovizana tamin’Andriamanitra (Lk 3:38), toy ny ilazana an’i Seta zanak’i Adama hoe “nisy itovizana taminy [tamin’i Adama efa tsy lavorary], araka ny endriny.” (Ge 5:3) Taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa anefa, dia voalaza fa mbola araka ny endrik’Andriamanitra ny olona na dia efa tsy lavorary aza, ka izany no nahatonga an’Andriamanitra hamoaka lalàna hoe tokony hovonoina ho faty izay mamono olona. (Ge 9:5, 6; jereo MPAMALY RA.) Rehefa nomena torohevitra ny vehivavy mba hisaron-doha, dia tsy nasaina nanao izany ny lehilahy, “satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra”, ary ny vehivavy no voninahitry ny lehilahy.—1Ko 11:7.
Inona avy ny dingana nolalovan’i Jesosy vao nisy itovizana tanteraka tamin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy?
Natao araka ny endrik’Andriamanitra ilay Zanany lahimatoa. Lasa olombelona nantsoina hoe Jesosy izy io, tatỳ aoriana. (2Ko 4:4) Efa hatramin’ny namoronana azy izy io no nisy itovizana tamin’ilay Rainy namorona azy, satria azo antoka fa io Zanany io no nitenenan’Andriamanitra hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika.” (Ge 1:26; Jn 1:1-3; Kl 1:15, 16) Lavorary izy tetỳ an-tany, ary nanahaka ny toetran’ny Rainy araka izay mety ho vitan’olombelona. Afaka nilaza àry izy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jn 14:9; 5:17, 19, 30, 36; 8:28, 38, 42) Vao mainka nisy itovizana tamin’ny Rainy anefa izy rehefa natsangana ho fanahy ka nomen’i Jehovah Rainy “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (1Pe 3:18; Mt 28:18) Nasandratr’Andriamanitra “ho amin’ny toerana ambony kokoa” izy, ka nanome taratry ny voninahitry ny Rainy mihoatra lavitra noho ny talohan’ny nidinany tetỳ an-tany. (Fi 2:9; He 2:9) Ary ankehitriny dia efa “mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra” ny maha izy azy.—He 1:2-4.
Efa notendren’Andriamanitra “hanahaka an’ilay modely” ny voahosotra rehetra, izany hoe hitovy endrika amin’ny Zanany. (Ro 8:29) I Kristy Jesosy no modelin’izy ireo eo amin’ny fomba fiainan’izy ireo, satria manara-dia azy sy manahaka azy izy ireo. Modelin’izy ireo koa i Kristy eo amin’ny fomba ahafatesan’izy ireo sy itsanganan’izy ireo. (1Pe 2:21-24; 1Ko 11:1; Ro 6:5) Nitondra ny endrik’ilay tetỳ an-tany na “ilay natao tamin’ny vovoka [Adama]” izy ireo, fa hitondra “ny endrik’ilay avy any an-danitra [Adama farany, Kristy Jesosy]” kosa rehefa ho lasa zavaboary ara-panahy. (1Ko 15:45, 49) Raha mbola eto an-tany anefa izy ireo, dia toy “ny fitaratra manome taratry ny voninahitr’i Jehovah” izay ampitain’ny Zanak’Andriamanitra amin’izy ireo sy mampamirapiratra azy ireo. Izany no mahatonga azy ireo hovana tsikelikely hitovy endrika amin’io Zanaka manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra io. (2Ko 3:18; 4:6) Toy izany no anomezan’Andriamanitra azy ireo toetra vaovao, izay taratry ny toetran’Andriamanitra.—Ef 4:24; Kl 3:10.
Tsy tokony hivavahana ny sary. Melohin’ny Soratra Masina foana ny mankamasina sy mivavaka amin’ny sary. Halan’Andriamanitra izany, raha jerena ny Lalàna nomeny ho an’ny Israely. Voarara ny mankamasina na mivavaka amin’ny sary sokitra na amin’ny “bikabikan-javatra” mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra, na izay etỳ an-tany, na any anaty ranomasina. (Ek 20:4, 5; Le 26:1; Is 42:8) Tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fankamasinana an’ireny, na vita tamin’ny hazo izy ireny na tamin’ny metaly na vato; na natao sokitra na narendrika, na notefena tamin’ny marotoa na fandraka; na nomena endrik’olona na biby na vorona na zavatra tsy mananaina, ary na dia natao ho famantarana fotsiny aza. “Mitady loza” izay manao izany, sady manao ratsy eo imason’i Jehovah, manao zavatra maharikoriko sy mampahatezitra azy, ary mahatonga an’ilay olona ho voaozona. (De 4:16-19, 23-25; 27:15; No 33:52; Is 40:19, 20; 44:12, 13; Ezk 7:20) Mbola maharikoriko an’Andriamanitra izy ireny na dia ravahana volamena sy volafotsy aza, ary mbola maloto eo imasony ka tokony hariana toy ny zavatra “maloto.”—De 7:5, 25; Is 30:22.
Tsy afa-tsiny eo imason’Andriamanitra izay mampiasa sary ivavahana, satria hadalana izany. Olona tsy mieritreritra sy tsy misaina ary tsy mijery ny zava-misy no manao izany. (Is 44:14-20; Je 10:14; Ro 1:20-23) Tsy mitondra soa mantsy ny sary, ary tsy manam-pahalalana, sady tsy afaka miaro na manoro hevitra. Tsy mananaina izy ireny ka tsy miteny ary tsy mahefa na inona na inona. Ho menatra izay mivavaka aminy. (Is 44:9-11; 45:20; 46:5-7; Ha 2:18-20) Nanatanteraka an’izay efa nambarany mialoha i Jehovah, mba tsy hisy tamin’ireo Israelita nivadika ho afaka hiteny hoe ny sary nivavahany no nanao izany.—Is 48:3-7.
Efa nazava ny fampitandreman’Andriamanitra nefa mbola nanao hadalana ihany ny Israelita sy ny olon-kafa, ka nampifangaro ny fivavahana tamin’i Jehovah sy ny fivavahana tamin’ny sary. (Ek 32:1-8; 1Mp 12:26-28; 2Mp 17:41; 21:7) Nanamasina farantsa volafotsy ho an’i Jehovah mihitsy aza ny vehivavy iray tamin’ny andron’ny Mpitsara, nefa nanaovany sary sokitra ilay izy avy eo. (Mpts 17:3, 4; 18:14-20, 30, 31) Nisy sary maromaro naharikoriko koa nampidirina tao amin’ny faritry ny tempoly, talohan’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema. Voalaza fa ‘sampy nahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro’ ny iray, satria nomena an’ilay sary ny dera tokony ho an’Andriamanitra.—Ezk 8:3-12; Ek 20:5.
Nisy kosa sarina zavamaniry, voninkazo, biby na kerobima nasain’i Jehovah natao, ary mety ny nampiasana azy ireny. Nisy heviny an’ohatra nifandray tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah mantsy izy ireny, fa tsy hoe nankamasinina, na nivavahana, na nanaovana sorona.—JereoIreo sary ao amin’ny bokin’i Daniela. Nanonofy i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tamin’ny taona faharoa nanjakany (azo inoana fa taorian’ny nandreseny an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.). Nampiady saina azy ilay nofy ka tsy nahita tory izy. Toa tsy tadidiny tsara ilay nofy ka nasainy nilaza azy io sy nanazava ny heviny ireo olon-kendriny sy mpisorony. Nihambo ho nahay nampiharihary zava-miafina izy ireo nefa tsy nahavita an’izay nangatahin’ny mpanjaka. Namoaka didy àry ny mpanjaka hoe hovonoina ho faty izy ireo. Mety ho novonoina koa i Daniela sy ny namany. Nampian’Andriamanitra i Daniela ka nahavita nilaza an’ilay nofy sy nanazava ny heviny. I Jehovah Andriamanitra àry no noderain’i Daniela sy nisaorany, satria Izy no Loharanon’ny fahendrena sy ny hery, ary Izy no ‘manova fotoana sy vanim-potoana, ary manaisotra mpanjaka sy mametraka mpanjaka.’ (Da 2:1-23) Mazava fa avy tamin’Andriamanitra ilay nofy mba hanambarana mialoha fa manana fahefana feno eo amin’ny tany i Jehovah.
Sarivongana ngezabe no hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofy. Toy ny olona no fahitana azy io. Metaly sarobidy kokoa sy malemy kokoa ireo tapany ambony. Raha jerena avy any ambony ka hatrany ambany anefa ilay sary, dia hita fa nihanihena ny hasarobidin’ireo metaly, fa nihanitombo kosa ny hamafiny. Volamena, ohatra, ny lohany, fa vy kosa ny tongony. Vy sy tanimanga nifangaro anefa ny tongony sy ny rantsantongony. Nisy vato avy tamin’ny tendrombohitra iray namely an’ilay sary, ka torotoro toy ny vovoka ilay izy. Nameno ny tany ilay vato avy eo.—Da 2:31-35.
Inona avy no dikan’ireo tapany samihafa tamin’ilay sarivongana?
Misy ifandraisany amin’ireo fanjakana matanjaka indrindra teto an-tany sy ny fikasan’i Jehovah momba azy ireo ilay sary, araka ny fanazavana nomen’Andriamanitra an’i Daniela. I Nebokadnezara no loha volamena. Navelan’Andriamanitra ho lasa mpanjaka natanjaka indrindra eran-tany izy, ary afaka nandrava ny fanjakan’ny Joda mihitsy aza, izany hoe ilay taratry ny Fanjakan’Andriamanitra tetỳ an-tany. Toa tsy i Nebokadnezara irery anefa no tian’i Daniela hambara rehefa niteny izy hoe: “Ianao ilay loha volamena.” Manondro fanjakana daholo mantsy ireo tapany samihafa tamin’ilay sary. Tsy inona àry ilay loha fa ireo mpanjaka babylonianina nifandimby nanomboka tamin’i Nebokadnezara ka hatramin’i Nabonida sy Belsazara zanany, izay nanjaka tao Babylona tamin’ny fotoana naharava azy.—Da 2:37, 38.
Nandresy an’i Babylona ny fanjakana medianina-persianina, tamin’ny 539 T.K. Io fanjakana matanjaka io àry no mifanitsy amin’ilay tratra sy sandry volafotsy. “Ambany kokoa” noho ny fanjakana babylonianina izy io. Tsy midika anefa izany hoe kely kokoa ny faritra nanjakany, na hoe tsy dia natanjaka ny tafiny na ny toe-karenany. Ambony kokoa i Babylona satria nandrava an’ilay fanjakana tao Jerosalema, izay taratry ny Fanjakan’Andriamanitra tetỳ an-tany. Izany no nampiavaka an’i Babylona tamin’i Media-Persa. I Dariosy III (Codoman) no mpanjaka farany nitondra an’i Media-Persa, satria nomontsanin’i Aleksandra makedonianina ny tafiny tamin’ny 331 T.K. I Gresy àry no fanjakana mifanitsy amin’ny kibo sy fe varahina tamin’ilay sarivongana.—Da 2:39.
Naharitra ny fanjakan’i Gresy, na dia nizarazara aza. Resin’ny fanjakan’i Roma anefa izy io tamin’ny farany. I Roma àry no Firenena Matanjaka nifanitsy tamin’ny ranjo vy tamin’ilay sarivongana. Metaly ambany karazana ny vy nefa mafy kokoa. Asehon’ny tantara fa natanjaka tokoa i Roma ka nahatorotoro an’izay fanjakana nanohitra azy, araka ny nambaran’ilay faminaniana. (Da 2:40) Tsy i Roma ihany anefa no tondroin’ny ranjo sy tongotra tamin’ilay sary. Efa tsy fanjakana natanjaka intsony mantsy i Roma rehefa tanteraka ilay nofy, izany hoe rehefa niendaka avy tamin’ny tendrombohitra ilay vato an’ohatra ka nanorotoro an’ilay sarivongana manontolo ary nameno ny tany avy eo.
Misy mpivaofy teny ara-baiboly mitovy hevitra amin’i M. Unger, izay nilaza hoe: “Manazava ny fizotran’ny ‘andron’ny jentilisa’ sy ny fiafarany ilay nofin’i Nebokadnezara nohazavain’i Daniela. (Lk 21:24; Ap 16:19) Tsy inona ny andron’ny jentilisa fa ny andron’ny firenena matanjaka jentilisa, izay horavan’i Kristy rehefa ho avy fanindroany izy.” (Diksionera Ara-baibolin’i Unger, 1965, p. 516) Nilaza tamin’i Nebokadnezara koa i Daniela fa manambara “ny zavatra hitranga any am-parany” ilay nofy. (Da 2:28) Manondro ny Fanjakan’Andriamanitra ilay vato an’ohatra. Azo antenaina àry fa ilay fanjakana mifanitsy amin’ny ranjo sy tongotra vy dia mbola hisy hatramin’ny fotoana hiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hatramin’ny fotoana ‘hanorotoroan’izy io sy hanafoanany ireo fanjakana rehetra ireo.’—Da 2:44.
Porofoin’ny tantara fa naharitra ny Fanjakana Romanina, satria mbola anisany ny Fanjakana Romanina Masin’ny Firenena Alemà. Nihena anefa
ny herin’ny Fanjakana Romanina ka i Grande-Bretagne, izay efa teo ambany fahefany, no nandimby azy. Mifankahazo tsara sy miray hina i Grande-Bretagne sy Etazonia, ary matetika no antsoina hoe Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Io no firenena matanjaka indrindra eran-tany ankehitriny.Ny karazana fitondrana politika farany tsy maintsy hisy eto an-tany no mifanitsy amin’ny tongotra vy nifangaro tanimanga. Ampiasain’ny Soratra Masina koa ny tanimanga mba hilazana olombelona nofo aman-dra, izay natao tamin’ny vovoky ny tany. (Jb 10:9; Is 29:16; Ro 9:20, 21) Toa manondro ny “taranak’olombelona” ilay tanimanga, araka ny fanazavan’i Daniela. Lasa malemy àry izay mifanitsy amin’ny tongotra sy ny rantsantongotr’ilay sary, rehefa nifangaro tanimanga. Midika izany fa hihena ny herin’izay fanjakana matanjaka farany hisy eto an-tany ary tsy hisy firaisan-kina eo anivony, na dia mafy toy ny vy aza izy io. (Da 2:41-43) Ny sarambabem-bahoaka no hanana fahefana lehibe kokoa eo amin’ny fitantanana ny fitondrana.
Tsy tena misy ifandraisany amin’ilay sarivongana nonofisin’i Nebokadnezara ilay sarivongana volamena natsangany teo amin’ny Lemak’i Dora tatỳ aoriana. Nisy 60 hakiho (27 m) ny haavon’ilay izy ary 6 hakiho (2,7 m) fotsiny ny sakany (ampahafolon’ny haavony), ka toa sarotra inoana hoe toy ny bikan’olona ny bikan’ilay izy, raha tsy hoe avo be angaha ny zavatra nitoerany, izany hoe avo kokoa noho ilay sarivongana. Iray ampahefatry ny halavan’ny olona fotsiny mantsy no refin’ny fivelaran’ny vatany. Mety ho sary natao hanana heviny an’ohatra àry ilay izy, angamba toy ireny vatolahy tany Ejipta fahiny ireny.—Da 3:1.
Sarin’ilay bibidia. Nahita bibidia manan-doha fito niakatra avy tao amin’ny ranomasina ny apostoly Jaona. Nahita bibidia hafa manan-tandroka roa niakatra avy tamin’ny tany izy, avy eo. Niteny toy ny dragona io bibidia io, ary nilaza tamin’ny mponin’ny tany “mba hanao ny sarin’ilay bibidia [manan-doha fito].” (Ap 13:1, 2, 11-14) Oharin’ny Baiboly amin’ny bibidia ny fitondram-panjakan’olombelona. Ny fitondrana politika eran-tany àry ilay bibidia manan-doha fito. Midika izany fa tsy maintsy maneho ny toetra mampiavaka an’io bibidia io sy manao ny sitrapony ny sarin’izy io. Tokony hanana loha fito sy tandroka folo toa an’ilay bibidia avy tao amin’ny ranomasina koa ilay sariny. Tsara homarihina fa miresaka bibidia hafa iray manan-doha fito koa ny Apokalypsy toko faha-17, ary hafa noho ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina izy io. Hazavain’ilay lahatsoratra hoe BIBY AN’OHATRA ny dikan’izy io sy ilay bibidia manan-doha fito ary ilay manan-tandroka roa.
Ny Apokalypsy toko faha-13 no miresaka voalohany an’ilay sarin’ny bibidia. Resahina miaraka amin’ilay bibidia foana izy io avy eo, indrindra rehefa miresaka momba ny olona mivavaka amin’ilay bibidia sy mandray ny mariky ny bibidia. Ary rehefa manao toy izany amin’ilay bibidia ny olona dia manao toy izany amin’ny sarin’ilay bibidia koa.—Ap 14:9-11; 15:2; 16:2; 19:20; 20:4; jereo MARIKA.