Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Enoka

Enoka

(Enôka) [Ilay Nampiofanina; Notokanana [izany hoe voatokana, nanomboka nampiasaina]].

1. Zanakalahin’i Kaina, ary rain’i Irada. Teraka tany amin’ilay tany atao hoe Fandosirana i Enoka, taorian’ny namonoan’i Kaina an’i Abela.​—Ge 4:17, 18.

2. Zanakalahin’i Jareda, naterany tamin’izy 162 taona. Taranaka fahafito avy tamin’i Adama i Enoka. Niteraka an’i Metosela izy tamin’izy 65 taona. Nanan-janaka lahy sy vavy hafa koa anefa i Enoka. Anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona”, izay tena nanam-pinoana, izy. “Niara-nandeha foana tamin’Andriamanitra i Enoka.” (Ge 5:18, 21-24; He 11:5; 12:1) Mpaminanin’i Jehovah izy ka nilaza mialoha fa ho tonga Andriamanitra, miaraka amin’ny anjeliny masina an’alinalina, mba hampihatra didim-pitsarana amin’izay tsy natahotra an’Andriamanitra. (Jd 14, 15) Azo inoana fa niharam-panenjehana izy noho izany. Tsy navelan’Andriamanitra hovonoin’ny mpanohitra anefa i Enoka. “Nalain’Andriamanitra” izy, izany hoe nofaranany teo amin’ny faha-365 taonany ny fiainany. Nateza lavitra noho izany anefa ny ankamaroan’ireo niara-belona taminy. ‘Nafindra toerana i Enoka mba tsy hahita fahafatesana.’ Mety hidika izany fa nataon’Andriamanitra nahita fahitana momba ny hoavy izy, ary tamin’izay indrindra no nofaranan’Andriamanitra ny fiainany mba tsy handrenesany ny fanaintainan’ny fahafatesana. (Ge 5:24; He 11:5, 13) Tsy nalefa tany an-danitra anefa izy, satria mazava ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:13. Toa nataon’i Jehovah nanjavona sahala amin’ny fatin’i Mosesy ny fatin’i Enoka satria “tsy hita na taiza na taiza.”​—De 34:5, 6; Jd 9.

Tsy i Enoka no nanoratra ny “Bokin’i Enoka.” Tsy anisan’ny Baiboly izy io, ary tsy ny fanahy masina no nitarika ny mpanoratra azy. Taonjato maro tatỳ aorian’i Enoka izy io no nosoratana, angamba nandritra ny taonjato faharoa sy voalohany T.K.

3. Tanàna voalohany voaresaka ao amin’ny Baiboly. I Kaina no nanorina azy io, tany amin’ilay tany atao hoe Fandosirana, tany atsinanan’i Edena. Nampitondrainy ny anaran’i Enoka zanany izy io.​—Ge 4:17.