Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eofrata

Eofrata

(Eofràta).

Renirano lava indrindra sy lehibe indrindra any Azia atsimoandrefana. Firat Nehri no anarany amin’ny teny tiorka, ary mitovitovy amin’izany ilay anarany amin’ny teny hebreo hoe Perat sy ilay amin’ny teny persianina tranainy hoe Ofrato. Ny Genesisy 2:14 no miresaka azy io voalohany, ary anisan’ireo renirano efatra nipoitra avy tao Edena taloha izy io.

Sisin-tanin’ny Israely. Nanao fifanekena tamin’i Abrahama i Jehovah, ary nilaza fa homeny ho an’ny taranak’i Abrahama ilay tany “hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata, ilay renirano lehibe.” (Ge 15:18) Naverina tamin’ny firenen’Israely io fampanantenana io. (Ek 23:31; De 1:7, 8; 11:24; Js 1:4) Milaza ny 1 Tantara 5:9, fa talohan’ny nanjakan’i Davida, dia nisy taranak’i Robena nonina “hatrany amin’ny fidirana amin’ny tany efitra eo amoron’ny reniranon’i Eofrata.” Mbola 800 km eo ho eo miala any “atsinanan’i Gileada” anefa no misy an’i Eofrata. (1Ta 5:10) Mety ho nanitatra fotsiny ny faritaniny tany atsinanan’i Gileada hatrany amin’ny sisin’ny Tany Efitr’i Syria àry ny Robenita. Tonga hatrany Eofrata mantsy io tany efitra io. (Hoy ny DIEM: “Hatrany akaikin’ny taniefitra izay nampisaraka azy amin’ny ony Eofrata.”) Toa tamin’ny andro nanjakan’i Davida sy Solomona àry vao tena tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah satria tamin’izay vao tafiditra tao anatin’ny sisin-tanin’ny Israely i Zoba, izay faritra nanjakan’ny Aramianina. Tonga hatrany amin’ilay moron’i Eofrata izay mamakivaky ny faritra avaratr’i Syria àry ny sisin-tanin’ny Israely. (2Sa 8:3; 1Mp 4:21; 1Ta 18:3-8; 2Ta 9:26) Renirano malaza i Eofrata, ka matetika no nantsoina fotsiny hoe “ny Renirano.”​—Js 24:2, 15; Sl 72:8.

Loharanony sy ny lalany. Tokotokony ho 2700 km ny halavan’i Eofrata ary manana loharano roa lehibe izy io. I Kara So ilay voalohany. Miainga avy any avaratratsinanan’i Torkia izy io, any amin’ny 100 km eo ho eo avy eo amin’ny tendrony atsimoatsinanana amin’ny Ranomasina Mainty. I Murat Nehri ilay faharoa, izay miainga avy eo anelanelan’ny Farihin’i Van sy ny Tendrombohitra Ararata. Misy lohasaha eo anelanelan’i Kara So sy Murat Nehri, ary eo no mikoriana ny renirano Araks izay heverina fa ilay Reniranon’i Gihona resahin’ny Genesisy 2:13. Samy mikoriana miankandrefana i Kara So sy Murat Nehri, ary mihaona eo akaikin’ny tanànan’i Kebana, izay tokotokony ho 610 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina.

Ny fitambaran’ireo renirano ireo no tena antsoina hoe Eofrata. Efa namakivaky faritra be tendrombohitra 640 km eo ho eo avy any amin’ny loharanon’i Murat Nehri, ilay renirano no mivily 480 km eo ho eo mianatsimo ka indraindray lasa riandrano lehibe sy renirano misasasasa mandra-pahatongany eo amin’ny lemak’i Syria eo akaikin’i Karkemisy fahiny.

Fiampitana tao Karkemisy. Tao Karkemisy no tena fiampitan’ny miaramila sy ny mpanao dia lavitra avy any avaratr’i Mezopotamia mankany avaratr’i Syria. Tatỳ aoriana, dia lasan’ny Asyrianina i Karkemisy, izay tanàna lehibe sady voaro mafy. (Is 10:5-9) Azon’i Farao Neko indray io tanàna io tamin’ny 629 T.K. tany ho any. Teny an-dalana ho any izy no niady tamin’ny tafik’i Josia tao Megido, ka novonoiny ilay mpanjakan’ny Joda. (2Mp 23:29; 2Ta 35:20-24) Telo na efa-taona tatỳ aoriana (625 T.K.), dia niampita an’i Eofrata i Nebokadnezara sy ny tafiny, ary resiny tao Karkemisy ny Ejipsianina. Nihavitsy nanomboka teo ireo tanàna tany Syria sy Palestina nofehezin’i Ejipta, ka tsy nisy intsony izany tatỳ aoriana.​—Je 46:2, 6, 10; 2Mp 24:7.

Eo Karkemisy ka hatrany amin’ny Hoala Persika. Tokony ho 160 km fotsiny avy eo amin’ny Ranomasina Mediterane i Eofrata rehefa mandalo an’i Karkemisy. Tonga dia mivily anefa ilay renirano avy eo, ka mianatsimoatsinanana mankany amin’ny Hoala Persika, izay any amin’ny 1100 km mahery. Ny faritra “antenatenany” amin’i Eofrata dia eo Karkemisy ka hatrany amin’ny tanànan’i Hit, toerana be lavaka godorao. Eo amin’iny faritra iny no mivarina ao amin’i Eofrata ny reniranon’i Balikh sy Khabour. Midina mamakivaky ny lemaka lonak’i Mezopotamia i Eofrata rehefa afaka an’i Hit. Mifanakaiky amin’ny Reniranon’i Tigra izy io rehefa miala 80 km eo ho eo an’i Hit, any akaikin’i Bagdad, ka 40 km fotsiny no elanelan’i Tigra sy Eofrata. Iva kokoa iny faritra iny ka lasa mikoriana miadana be ilay renirano eo amin’ireo honahona midadasika sy lakandrano maro efa simba.

Mitambatra amin’izay i Eofrata sy Tigra any akaikin’i Bassora, ary Shatt-al-Arab no iantsoana an’ilay renirano manomboka eo ka hatrany amin’ny Hoala Persika. Nilaza i Pline sy ny mpahay tantara fahiny maro fa nivarina mivantana tany an-dranomasina i Eofrata taloha, fa tsy nitambatra tamin’i Tigra. (Tantaran’ny Zavaboary,VI, XXVI, 128-131) Voalaza fa ny antsanga nentin’ireo renirano roa ireo no nampisy an’ilay vinany eo amoron’ny Hoala Persika, ary lavitra be tany avaratra no tena nisy ny morontsiraka taloha, angamba aza tonga hatrany Oran’ny Kaldeanina, tanàna fahiny niavian’i Abrahama.

Rehefa Septambra no marivo indrindra ny ranon’i Eofrata. Miakatra tsikelikely ilay rano hatramin’ny volana Mey, mandra-pahatongany eo amin’ny haavony mahazatra. Tondraka ny rano amin’ny lohataona satria miempo ny ranomandry. Angamba io tondra-drano isan-taona eo amin’i Eofrata sy Tigra io no nahatonga an’i Isaia hilaza an’i Babylonia ho “tany efitra any amin’ny ranomasina.” (Is 21:1, 2) Nanao fefiloha sy vavahadin-drano ny olona fahiny mba hamiliana ny rano tondraka ho amin’ireo lakandrano sy lavaka fanangonan-drano. Ireny lakandrano maro be nifandray teo anelanelan’i Eofrata sy Tigra ireny no nahatonga ny faritra ivan’i Babylonia hamokatra be. Lasa tsentsina sy tototra anefa ireny lakandrano ireny taonjato maro tatỳ aoriana, ary nanjary be sira ny tany vokatry ny fanondrahana tafahoatra ka mihasimba ny fambolena any amin’iny lohasaha nahavokatra be fahiny iny.

Tanàna lehibe. Maro ny tanàna niorina teny amoron’i Eofrata fahiny, anisan’ireny i Ora, Ereka, Kisy, ary Babylona. Toa nikisaka niankandrefana anefa ny lalan’ilay renirano ka lasa nihataka be any atsinanan’izy io ankehitriny ny ankamaroan’ireny tanàna ireny.

Niorina teo ambonin’i Eofrata ny tanànan’i Babylona fahiny, toy ny hoe nisabaka teo amin’izy io, ka ny ranon’ilay renirano no nameno an’ilay hadivory lalina nanodidina ny tanàna sy nameno ireo lakandrano namakivaky ilay tanàna tao anaty manda. Resy i Babylona tamin’ny 539 T.K., rehefa navilin’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata mba hahafahan’ny miaramilany handeha teo, ka hiditra tao amin’ilay tanàna tsy nanampo na inona na inona. “Ritra” àry ny ranon’i Eofrata. (Is 44:27, 28; 45:1) An’ohatra no ilazan’ny Apokalypsy 16:12 fa ho ritra koa ny ranon’i “Eofrata, ilay renirano lehibe”, rehefa handraraka ny ao “am-biliany” ny anjely fahenina. Resahin’ny toko manaraka ny fandravana an’i “Babylona Lehibe” an’ohatra, “izay mipetraka eo ambonin’ny rano maro.” Tsy inona izany rano izany fa “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny.”​—Ap 17:1, 5, 15-18.

Sisin-tany; toerana nalehan’i Jeremia. Ny Reniranon’i Eofrata no ilany avaratra tamin’ny sisin-tanin’i Palestina sy Syria (faritra nifandrombahan’i Ejipta sy Babylona), ka io renirano io no lasa nanasaraka ny Atsinanana sy ny Andrefana tamin’ny andron’ny Fanjakana Persianina. Manamarina izany ilay fomba fiteny hoe any “ampitan’ny Renirano.” (Ezr 4:10, 11; 5:3; 6:6; Ne 2:7) Lasa ilany atsinanana tamin’ny sisin-tanin’ny Fanjakana Romanina koa i Eofrata tatỳ aoriana.

Niteraka adihevitra ny Jeremia 13:1-7 satria raha niainga tany Jerosalema i Jeremia ka nankany amin’ny Reniranon’i Eofrata tokoa, na dia tany amin’ny faritra akaiky indrindra tany atsimon’i Karkemisy aza, dia tsy maintsy nandeha 500 km mahery izy nandroso, ary toy izany koa niverina. Voalaza koa fa mety ho indroa izy no nankany (tsy voalaza kosa ny fotoana teo anelanelan’ireo dia roa ireo). Misy àry milaza fa tsy tena i Eofrata io voalaza io fa ny tanànan’i Para (Js 18:23) any akaikin’i Anatota sady tsy lavitra an’i Jerosalema. “Perat” mantsy, hono, no hita ao amin’ny fandikan-tenin’ny Fikambanana Jiosy Mpamoaka Boky, izany hoe ireo litera hebreo fotsiny no nadikany. Miverina inefatra ao amin’ilay fitantarana anefa ny anarana hoe Perat (Eofrata), ka porofo izany fa misy dikany lehibe io toerana io amin’ilay faminaniana nasehon’i Jeremia tamin’iny zavatra nataony iny. Tanàna kely tsy nalaza anefa i Para ka sarotra inoana hoe hisy dikany be amin’ilay tantara izy io. Misy indray milaza fa tsy ahitana an’ilay teny hebreo hoe nahar (renirano) ao amin’ilay andininy miresaka an’i Perat. Tsara homarihina fa tsy hita ao amin’ny Jeremia 51:63 koa io teny io, nefa tonga dia fantatra hoe ny Reniranon’i Eofrata no tiana holazaina. Toa tsy marim-pototra mihitsy àry ny filazana hoe tsy ny Reniranon’i Eofrata no tian’ny Jeremia 13:1-7 holazaina.

Azo inoana fa nafenin’i Jeremia tany akaikin’i Eofrata ilay fehikibo, angamba tany amin’ilay faritra niampitan’ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara tamin’izy ireo handrava tanteraka an’i Joda sy Jerosalema. Na ahoana na ahoana, dia tsy maintsy nanaitra ny sain’ireo olona nivadika tao Joda ilay fampitandremana, rehefa hitan’izy ireo ny nandehanan’i Jeremia nankany Eofrata (mety ho indroa mihitsy aza).​—Ampit. Je 2:18, 19.