Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eonika

Eonika

(Eonìka) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mandresy”].

Vehivavy jiosy anisan’ireo lasa mpino, ary zanak’i Loisa. Grika ny vadiny ary tsy mpino. I Timoty kosa no zanany. (As 16:1) Toa tamin’ny dia misionera voalohany nataon’ny apostoly Paoly tany Lystra, tany Azia Minora, no nihaonany tamin’i Eonika. Lasa Kristianina izy sy Loisa reniny tamin’izay, rehefa nandre ny fitorian’i Paoly. (As 14:4-18) Nanana finoana “tsy mihatsaravelatsihy” i Eonika. (2Ti 1:5) Mpanompo sampy ny vadiny, nefa modely tsara i Eonika satria “mbola zazakely” i Timoty zanany lahy dia efa nampianariny “ny Soratra Masina.” Azo antoka fa nampianariny ny Fivavahana Kristianina koa io zanany io rehefa lasa Kristianina izy. (2Ti 3:15) Grika ny vadin’i Eonika, ka tsy noforan’izy ireo i Timoty.​—As 16:3.