Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eorakylona

Eorakylona

(Eorakylôna).

Rivo-mahery avy any avaratratsinanana, izay namely ny sambo nitondra an’i Paoly avy tany amin’i Seranana Kanto ho any Foiniksa, seranana iray any amin’ny morontsiraka atsimon’i Kreta. (As 27:14) Fantatr’ireo tantsambo mipetraka any amin’ny faritr’i Mediterane io rivotra io. Izy io no rivotra mahery indrindra mitsoka eo amin’io ranomasina io. Mety tena hampidi-doza an’ireo sambo misy lay lehibe ny oram-baratra arahina tafio-drivotra toy izany, satria mety hampivadika azy mora foana. Izany no nahatonga an’ireo tantsambo ‘hampidina ireo tady nihazona ny lay’, rehefa tsy nahatohitra an’ilay rivotra ilay sambo. Navelan’izy ireo ‘hoentin’ny rivotra’ ilay sambo. Natahotra mantsy izy ireo sao izy io hidona tamin’ireo dongom-pasika mandrevo teny akaikin’ny morontsirak’i Afrika Avaratra. (As 27:15-17) Milaza ny manam-pahaizana momba ny toetrandro fa misy karazany dimy io rivo-mahery avy any avaratratsinanana io. Inona no mahatonga azy ireny? Ambany ny tsindrin’ny rivotra eo ambonin’i Libya na eo ambonin’ny Hoalan’i Gabès raha oharina amin’ny tsindrin’ny rivotra any amin’ny faritra manodidina, ka misarika rivo-mahery avy any Gresy. Ireo Baiboly nadika avy tamin’ny Soratra Voaray (soratra niaingana rehefa nandika ny Soratra Grika ho amin’ny teny maro hafa), dia miantso an’ilay rivotra hoe “Eoroklydona” (avy amin’ny hoe eorôs [rivotra avy any atsimoatsinanana na atsinanana] sy klydôn [ranomasina manonja be]). Ireo sora-tanana sasany azo antoka indrindra anefa mampiasa an’ilay teny hoe Eorakylôn, izay nadika hoe Eorakylona (avy amin’ny teny latinina hoe eurus [rivotra avy any atsinanana (na atsimoatsinanana)] sy ny hoe aquilo [rivotra avy any avaratra]). Ilay teny hoe Eorakylona àry no marina kokoa, satria manondro hoe avy any atsinanana avaratratsinanana ilay rivotra.