Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Epafra

Epafra

(Epafrà) [fanafohezana ny hoe Epafrodito].

Kristianina tsy nivadika, izay nitory ny vaovao tsara tamin’ny Kolosianina ary nampahafantatra azy ireo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Azo inoana hoe izay no nampisy ny fiangonan’i Kolosia. Tamin’i Paoly nigadra voalohany tany Roma, dia tonga tany i Epafra, nitondra tatitra mampahery momba ny finoana sy ny tsy fivadihan’ilay fiangonana. (Kl 1:4-8) Toa nijanona kelikely tany Roma izy, matoa notononin’i Paoly tao amin’ny taratasy ho an’ny Kolosianina izy hoe anisan’ireo nanao mampamangy. Nanome toky i Paoly tao amin’ilay taratasy fa niezaka mafy foana io mpanompon’i Jesosy Kristy io ‘nivavaka ho azy ireo, mba hitoetra ho matotra izy ireo amin’ny farany sady hatoky tanteraka foana ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.’ Nilaza i Paoly fa nanao ezaka lehibe ho an’ireo rahalahy tany Laodikia sy Hierapolia koa io mpiara-manompo malala io. (Kl 4:12, 13) Rehefa nanoratra ho an’i Filemona koa i Paoly dia nanonona ny anaran’i Epafra ho anisan’ireo nanao mampamangy, ary niantso azy hoe “mpiara-migadra amiko noho ny amin’i Kristy.” (Flm 23) Tsy tokony hafangaro amin’i Epafrodito avy any Filipy i Epafra.