Era
(Èra) [Mifoha; Miarina].
1. Lahimatoan’i Joda tamin’ilay vadiny kananita. Nalain’i Joda ho vadin’i Era i Tamara. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah anefa i Era ka novonoiny. Mbola tsy nanan-janaka izy tamin’izay.—Ge 38:1-7; 46:12.
2. Zanakalahin’i Sela. I Sela kosa zanakalahy fahatelon’i Joda tamin’ilay vadiny kananita.—Ge 38:2-5; 1Ta 4:21.
3. Razamben’i Jesosy Kristy. Zanakalahin’i Jesosy (Josesy) i Era sady rain’i Elmadama.—Lk 3:28.