Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ereka

Ereka

(Erèka).

Iray tamin’ireo tanàna efatra “niandohan’ny fanjakan’i [Nimroda]” tany amin’ny tany Sinara. (Ge 10:10) Dongon-tany maromaro sisa no ahafantarana an’i Ereka. Antsoin’ny Arabo hoe Warka ilay toerana misy an’ireo dongon-tany ireo, fa antsoin’ny Akadianina nonina fahiny tany Mezopotamia hoe Ourouk kosa izy io. Any amin’ny 177 km eo ho eo, any atsimoatsinanan’i Babylona, eo andrefan’ny lalana taloha narahin’ny Reniranon’i Eofrata (Shatt-ek-Kar) no misy azy io. Mety ho any amin’ny 6 km eo ho eo any atsinanan’i Eofrata ankehitriny koa anefa izy io. Nahitana tempoly tranainy miendrika piramida tao, ary dongon-tany sy vatam-paty maro. Toa toeram-pandevenana an’ireo mpanjaka asyrianina fahiny àry i Ereka.

Namindra olona nankany Samaria i Asnapara mpanjaka asyrianina, ary anisan’ireo nafindrany koa ny mponin’i Ereka (na “ny Arkevita”, Prot.).​—Ezr 4:9, 10.