Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Esao

Esao

(Esào) [Voloina].

Lahimatoan’i Isaka sy Rebeka, ary kambana amin’i Jakoba. Razamben’ny Edomita i Esao. Nomena anarana hoe Esao izy, satria tsy mba toy ny olon-drehetra tamin’izy vao teraka fa voloina be. Nantsoina koa hoe Edoma (midika hoe “Mena”) izy, satria lantihy mena no nivarotany ny zon’ny lahimatoa.​—Ge 25:25, 26, 30.

Teraka tamin’ny 1858 T.K. i Esao sy ilay kambana taminy, ary 60 taona i Isaka tamin’izay. Efa hatrany an-kibon-dreniny ireo zaza ireo no niady. Nanontany ny dikan’izany i Rebeka, ka nambaran’i Jehovah taminy fa vahoaka roa no hisaraka avy ao an-kibony, ka ny zokiny hanompo ny zandriny.​—Ge 25:22, 23.

Nohamavoiny ny tombontsoa nomen’i Jehovah. Lasa mpihaza nahay sy tia nisangy loza i Esao, ary azo lazaina hoe olon-dia. Tsy nieritreritra afa-tsy ny hanome fahafaham-po ny tenany izy sady olona araka ny nofo, fa tsy mba toa an’i Jakoba rahalahiny, izay “tsy nanan-tsiny.” (Ge 25:27) Tian’i Isaka anefa i Esao, satria “izy nitondra haza hohaniny.”​—Ge 25:28.

Tonga avy any an-tsaha i Esao, indray andro, ary reraka sy noana. Nahandro lantihy i Jakoba tamin’izay. Nangataka tamin’ilay izy i Esao, ka niteny hoe: “Mba omeo indray mandrapaka amin’io mena io aho! Haingana fa reraka aho! Omeo amin’io mena io aho ho’aho!” Nasain’i Jakoba namidy taminy anefa aloha ny zony amin’ny maha lahimatoa azy. Tonga dia namidin’i Esao tamin’i Jakoba ny zon’ny lahimatoa ka nianiana izy, mba hahazoana lantihy sy mofo indray mihinana. Tsy nanaja zava-masina àry i Esao. Masina mantsy ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama hoe amin’ny alalan’ny taranany ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany no hanao izay hahazoany fitahiana. Tsinontsinona tamin’i Esao, araka izany, ny zon’ny lahimatoa ka tsy nisy vidiny taminy. Tena tsy nanam-pinoana àry izy. Angamba izy tsy te hijaly vokatry ny fahatanterahan’izao tenin’Andriamanitra momba ny taranak’i Abrahama izao: “Ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.”​—Ge 15:13; 25:29-34; Heb 12:16.

I Esao ihany no nifidy izay ho vadiny, rehefa 40 taona izy. Nampirafy izy, ary izay mihitsy no safidiny. Tsy mba nanao toa an’i Isaka rainy izy. I Isaka mantsy namela an’i Abrahama rainy hitady vehivavy nanompo an’i Jehovah mba ho vadiny. I Esao kosa nanambady vehivavy hetita roa mpanompo sampy, dia i Jodita (Oholibama?) sy Basemata (Ada?). Nangidy ny fiainan’i Isaka sy Rebeka, noho ny amin’ireny vehivavy ireny.​—Ge 26:34, 35; 36:2; 24:1-4, 50, 51; jereo BASEMATA No. 1; JODITA.

Nahazo tsodrano i Jakoba. Te hitso-drano an’i Esao lahimatoany i Isaka rehefa antitra. Nasain’i Isaka nihaza aloha izy, ka hanao sakafo matsiro ho azy. Nandeha àry i Esao satria te hahazo an’ilay tsodrano ho an’ny lahimatoa. Tsy tokony hahazo izany intsony anefa izy, satria efa namidiny ny zony amin’ny maha lahimatoa azy. Efa nanao fifanekena sy fianianana izy tamin’izy nivarotra an’io zony io, nefa vonona ny hivadika tamin’izany izy izao. Niditra an-tsehatra àry i Rebeka, satria tadidiny izay nolazain’i Jehovah taminy talohan’ny niterahany azy roa lahy. Nasain’i Rebeka nankao amin-drainy i Jakoba ka mody nanao hoe Esao mba hahazoany an’ilay tsodrano tokony ho azy. Nanao ny akanjon’i Esao i Jakoba rehefa nankeo anatrehan’ny rainy, izay efa jamba. Hoditra zanak’osy no natao teo amin’ny tanany sy teo amin’ny faritra tsy nisy volo tamin’ny vozony. Izany no tsy nahafantaran’i Isaka azy.​—Ge 25:23; 27:1-23.

Vao avy nitso-drano an’i Jakoba mihitsy i Isaka, dia tonga avy nihaza i Esao ka nanomboka nanomana sakafo matsiro ho an-drainy. Nanao zavatra tsy ara-dalàna i Esao ka mbola nankeo anatrehan’ny rainy ihany mba hahazo an’ilay tsodrano. Rehefa fantany fa efa nitso-drano an’i Jakoba i Isaka, dia “niantsoantso faran’izay mafy sy tamin’alahelo” izy. Nitalaho mafy tamin’ny rainy izy mba hitso-drano azy. Noho ny fitiavan-tena anefa no nanaovany izany. Tsy niova hevitra i Isaka na dia nidradradradra nitomany aza i Esao. Tsy nanafoana an’ilay tsodrano nomeny an’i Jakoba izy. Azo inoana fa tsapan’i Isaka hoe nisy fitarihan’i Jehovah tao. Hoy àry izy tamin’i Esao: “Tsy ho eny akaikin’ny faritra lonaka amin’ny tany ny fonenanao, sady tsy hahazo ny andon’ny lanitra ambony. Ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao. Ary rehefa tsy mahalefitra intsony ianao, dia hotapahinao hiala amin’ny vozonao ny ziogany.”​—Ge 25:33; 27:30-40; He 12:17.

Fantatr’i Esao fa i Jakoba no nanan-jo hahazo an’ilay tsodrano, satria efa azony ara-dalàna ny zon’ny lahimatoa. (Fanaon’ny olona fahiny tany Israely sy ny firenena manodidina azy ny hoe natakalo zavatra ny zon’ny lahimatoa. Manaporofo izany ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nisy soratra hita, ohatra, tany Nouzi, ary voalaza tao fa nisy lehilahy nahazo ondry telo ho takalon’ny anjara lovany.) Nitana lolompo tamin’i Jakoba rahalahiny anefa i Esao, ary nitady hirika hamonoana azy ho faty, mitovy amin’ny nataon’i Kaina. Fantatr’i Rebeka izany ka nasainy nandositra tany Harana, tany amin’i Labana anadahiny, i Jakoba. Tiany ny haneken’i Isaka izany, ka nohazavainy fa halahelo mafy izy raha manambady vehivavy toy ireo zanakavavin’ny Hetita i Jakoba. Naneho hatsaram-panahy izy ka tsy nolazainy tamin’i Isaka ilay fikasan’i Esao hamono an’i Jakoba. Nantsoin’i Isaka àry i Jakoba, notsofiny rano, ary nasainy nankany amin’ny havan’i Rebeka tany Padana-arama mba hitady vady tany. Naka vady fahatelo i Esao rehefa henony izany, ka i Mahalota (Basemata?) zanakavavin’i Ismaela, zanak’i Abrahama, no nalainy.​—Ge 27:41–28:9; 36:3; jereo BASEMATA No. 2.

Zava-nitranga tatỳ aoriana. Naharitra 20 taona ny tsy naha teo an’i Jakoba. I Esao kosa nampitombo ny fananany tany Seira, tany amin’ny faritr’i Edoma, tao anatin’io fe-potoana io. (Ge 32:3; Js 24:4) Toa taona maro tatỳ aoriana izy vao tena nifindra tany Seira, ary nentiny ny fianakaviany sy ny fananany rehetra. (Ge 36:6-8) Rehefa niverina ho any Kanana i Jakoba, dia natahotra mafy satria nilaza taminy ireo olona nirahiny tany amin’i Esao hoe efa eny an-dalana hitsena azy i Esao, miaraka amin’ny 400 lahy. Nitondra an’ireo 400 lahy ireo i Esao, satria tiany ho hitan’ny rahalahiny angamba hoe mahery kokoa izy, na mety ho tiany haseho fa efa mpiadidy tena mahery izy izao. Nivavaka tamin’i Jehovah àry i Jakoba, ary nandefa fanomezana be dia be nialoha azy, izany hoe biby fiompy 550 mahery. Nanetry tena i Jakoba rehefa nahita an’i Esao, ka “niankohoka tamin’ny tany impito, mandra-pahatongany teo akaikin’ny rahalahiny.” Nihazakazaka nitsena an’i Jakoba i Esao, namihina azy, nanankina ny lohany teo amin’ny vozony, ary nanoroka azy. Samy nitomany izy mirahalahy. Tsy nety nandray an’ireo biby fiompy nataon’i Jakoba fanomezana i Esao tamin’ny voalohany, ka nilaza hoe: “Efa manana be dia be aho, ry rahalahiko, ka aoka ho anao ihany ny anao.” Noraisin’i Esao ihany anefa ilay fanomezana rehefa nisisika i Jakoba. Nilaza i Esao fa vonona ny hiara-dalana tamin’i Jakoba izy. Nanda anefa i Jakoba, ary nolanjalanjainy tsara ny teniny. Nanipy hevitra indray i Esao, avy eo, hoe hanome olona hanampy azy, angamba mba hiaro azy. Nolaviny koa anefa izany. Lasa niverina tany Seira àry i Esao sy ny olony. Milaza ny Baiboly fa 23 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia niara-nandevina an’i Isaka rainy i Esao sy Jakoba, rehefa maty i Isaka.​—Ge 32:6, 7, 10-15; 33:1-3, 8, 9, 11-16; 35:29.

Ahitana ny fomba fihevitr’i Jehovah. Hita avy amin’ny toetran’i Esao fa tsy hoe niangatra na nifidifidy olona i Jehovah Andriamanitra rehefa nifidy an’i Jakoba ho razamben’ilay Taranaka nampanantenaina. Tsy nankasitraka ny tombontsoa nomen’i Jehovah i Esao, sady tsy nieritreritra afa-tsy ny hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofony, ka tsy mendrika ny ho razamben’ilay Taranaka nampanantenaina. Izany no nahatonga an’i Jehovah hilaza toy izao tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Tiako anefa i Jakoba, fa i Esao kosa halako.” Mitanisa an’ireo vavolombelona maro be nanam-pinoana i Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Tsy nataony anisan’izy ireny anefa i Esao, satria nanoratra izy hoe finoana no nahatonga an’i Abrahama ‘hitoetra an-tranolay niaraka tamin’i Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova aminy an’io fampanantenana io.’​—Ml 1:2, 3; He 11:8, 9; 12:1.

I Jakoba no nofidin’i Jehovah fa tsy i Esao. Mazava àry fa tsy miankina amin’ny fisainan’olombelona ny safidin’Andriamanitra. Nataon’ny apostoly Paoly fanoharana io tantara io mba hampisehoana fa izay manana finoana toy ny an’i Abrahama no tena zanak’i Abrahama, fa tsy voatery hoe ny taranany ara-bakiteny na ireo miantehitra amin’izay ataon’ny tenany.​—Ro 9:6-12.

Misy fampitandremana ho an’ny Kristianina ny tantaran’i Esao. Mila mitandrina izy ireo sao ho lasa olona araka ny nofo toa an’i Esao, ka tsy hanaja zava-masina na tsy hankasitraka ny tombontsoa omen’Andriamanitra.​—He 12:16; jereo EDOMA, EDOMITA.