Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Esara-hadona

Esara-hadona

(Esara-hadòna) [avy amin’ny teny asyrianina, ary midika hoe “Manome Rahalahy i Asyra”].

I Esara-hadona, mpanjaka asyrianina, izay nametraka olona maro hafa firenena tao Samaria

Zanakalahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ary nandimby azy. Voaporofo ao amin’ny asa soratr’i Esara-hadona fa marina ny voalazan’ny Baiboly momba ny nahafatesan-drainy. (Is 37:37, 38) Hoy izy: “Efa tena tapa-kevitra ireo rahalahiko. Nafoiny ireo andriamanitra, ka nitetika ny hanisy ratsy izy ireo sady nampiasa herisetra. ... Novonoin’izy ireo i Sankeriba rainy, satria te hanjaka izy ireo.”​—Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, nataon’i D. Luckenbill, 1927, Boky II, p. 200, 201.

Nilaza i Esara-hadona fa efa voafidy handimby an-drainy izy, talohan’ny nahafatesan’izy io. Toa efa governoran’i Babylona koa izy, talohan’ny naha mpanjakan’i Asyria azy. Nilaza izy fa nenjehiny hatrany Armenia (“Ararata”, 2Mp 19:37) ireo namono an-drainy, ka resiny tany. Nanjaka nandritra ny 12 taona izy.

Vao lasa mpanjaka kelikely i Esara-hadona dia naoriny indray i Babylona, izay efa noravan’i Sankeriba. Namboariny ny tempolin’i Esagila, ary hoy izy: “Nohavaoziko, nohalehibeaziko, nasandratro, ary nataoko tena kanto ... i Babylona.”​—Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, Boky II, p. 244.

Nitantara izy hoe niady tamin’ireo Gimirrai na Simerianina. Azo inoana fa taranak’i Gomera izy ireo. (Ampit. Ge 10:2; Ezk 38:6.) Norobainy koa ny tanànan’i Sidona, ary nanorina tanàna vaovao teo akaiky teo izy, ka nantsoiny hoe Kar-Esarahadona izy io. Misy asa sorany mitanisa mpanjaka 20 teo ho eo nofeheziny, ka anisan’izy ireny i Manase mpanjakan’ny Joda (Menasi mpanjakan’ny Yaodi).

Milaza ny 2 Tantara 33:10-13 fa nosamborin’ny “lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asyria” i Manase, ka nentiny tany Babylona. Nisy nihevitra taloha fa diso ilay hoe Babylona eto, fa tokony ho tany Ninive no nitondrana an’i Manase. Efa hitantsika teo anefa hoe nanorina indray an’i Babylona i Esara-hadona, izay velona tamin’ny andron’i Manase araka ny voalazan’ireo asa sorany. Voalaza koa fa “tsy mba naniry hanatsara an’i Ninive renivohiny, tahaka an’ireo mpanjaka asyrianina hafa” izy. (Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 125) Raha tamin’ny fotoana nanjakan’i Esara-hadona àry i Manase no voasambotra, dia tsy mahagaga mihitsy raha tany Babylona izy no nentina. Nirehareha be momba ny nanamboarany an’io tanàna io mantsy i Esara-hadona. Tsara homarihina anefa fa nilaza koa i Asorobanipala, zanakalahin’i Esara-hadona, fa nandoa hetra taminy i Manase, tamin’izy nanjaka.

Ireo “dimy amby enimpolo taona.” Rehefa naorina indray ny tempolin’i Jerosalema, dia nilaza ny mponina sasany tsy Israelita fa i “Esara-hadona mpanjakan’i Asyria” no nitondra azy ireo nankao Samaria. (Ezr 4:2) Nitohy hatramin’ny fotoana nanjakan’i Esara-hadona àry ny famindran’ny Asyrianina olona avy any an-tany hafa honina tany Samaria, ary ny mponina tao ho any an-tany hafa. Misy milaza fa mety ho azo anazavana ny Isaia 7:8 izany. Voaresaka ao mantsy fa ho aolo i Efraima (sy Samaria renivohiny) rehefa afaka “dimy amby enimpolo taona.” Azo inoana fa nisy 65 taona nanomboka tamin’ny fotoana nanjakan’i Tiglato-pilesera III (izay voalohany nanao sesitany ny mponin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, taoriana kelin’ny naminanian’i Isaia), ka hatramin’ny fotoana nanjakan’i Esara-hadona. “Rava tsy ho firenena intsony” i Efraima, rehefa tapitra io fe-potoana io.

Nandresy an’i Ejipta. Ny nandresen’i Esara-hadona an’i Ejipta no niavaka indrindra tamin’ireo fandresena azony. Resiny ny tafika ejipsianina notarihin’i Tiraka (“mpanjakan’i Etiopia”, 2Mp 19:9) mpanjaka etiopianina, ary lasany ny tanànan’i Memfisa. Nampian’i Esara-hadona hoe “Mpanjakan’ny mpanjakan’i Ejipta” àry ireo anaram-boninahiny maro be.

Nozarazarain’i Esara-hadona ho faritany i Ejipta, ary nanendry governora asyrianina izy ho lehiben’ireo andriana nifehy an’ireny faritany ireny. Nikomy anefa i Ejipta roa taona teo ho eo, tatỳ aoriana. Nankany indray àry ilay mpanjaka asyrianina mba hampitsahatra ilay fikomiana. Maty tao Harana anefa izy, raha mbola tsy tonga tany akory. Izao no nosoratany: “Mahery aho, izaho no tena mahery! Mahery fo sady tena miavaka aho. Tsy misy tahaka ahy!” (Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, Boky II, p. 226) Toy ny olon-drehetra tsy lavorary anefa izy ka andevon’ny Ota sy ny Fahafatesana, izay nanjaka hatramin’izay. Maty ihany àry izy.​—Ampit. Sl 146:3, 4; Mpto 9:4; Ro 5:21.

Efa nalamin’i Esara-hadona talohan’ny nahafatesany hoe i Asorobanipala zanany no handimby azy, mba tsy hisian’ny korontana. I Shamash-shom-o-kin, zanany hafa, kosa no notendreny ho mpanjakan’i Babylona. I Asorobanipala àry no lasa mpanjakan’i Asyria, rehefa maty i Esara-hadona.