Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eseka

Eseka

(Esèka).

1. [mety hidika hoe Mahery Setra]. Taranak’i Saoly Mpanjaka. Milaza ny Soratra Masina fa nanan-janaka telo lahy io Benjamita io, ka i Olama no lahimatoa. “Lehilahy natanjaka sy nahery fo ary nahay nampiasa tsipìka ny zanakalahin’i Olama, sady nanana zanaka aman-jafy maro niisa dimampolo amby zato.”​—1Ta 8:1, 33, 39, 40.

2. [Fifandirana]. Lavadrano nisy rano madio, nohadin’ny mpanompon’i Isaka teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Gerara. (Ge 26:20) Nilaza anefa ireo Filistinina mpiandry ondry fa azy ireo ilay lavadrano. Ny ‘fifandirana’ naterak’izany teo amin’izy roa tonta no nahatonga ny anaran’ilay lavadrano. (Ge 26:12-20) Tsy tena fantatra ny toerana misy azy io ankehitriny.