Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eskola

Eskola

(Eskôla) [Sampaho[m-boaloboka]].

1. Rahalahin’i Anera sy Mamre Amorita. (Ge 14:13) Niaraka tamin’i Abrama i Eskola sy ny rahalahiny mba handresy an’ireo mpanjaka mpiray dina avy tany atsinanana.​—Ge 14:14, 24; jereo ANERA No. 1.

2. Lohasaha falehan-driaka, izay azo inoana fa tany avaratra kelin’i Hebrona. Teo amin’io lohasaha io ireo Israelita mpitsikilo no naka sampahom-boaloboka lehibe, ary mety ho avy amin’izany no niavian’ilay anarana. (No 13:23, 24; 32:9; De 1:24) Mbola malaza ho tsara voaloboka iny faritra iny hatramin’izao.