Estaola
(Estôla) [mety hidika hoe Toerana Fanontaniana [an’Andriamanitra]].
Tanàna tany Sefela, nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:20, 33) Voalaza tatỳ aoriana fa tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Dana izy io. (Js 19:40, 41) Tany akaikin’i Estaola i Samsona Mpitsara no nentanin’ny fanahin’i Jehovah voalohany. Tany akaiky tany koa izy no nalevina. (Mpts 13:25; 16:31) Niainga avy tany Estaola sy Zora ireo 5 lahy avy amin’ny fokon’i Dana nirahina hijery taratra an’i Laisy sy ireo 600 lahy namabo an’i Laisy taorian’izay.—Mpts 18:1, 2, 7, 11, 27.
Maro ny manam-pahaizana mihevitra an’i Estaola ho i Eshvaʽ (Estaʼola) ankehitriny, izay misy mponina ny ampahany aminy. Miorina eo ambonin’ny vatolampy marin-tampona izy io, tokotokony ho 21 km any andrefan’i Jerosalema.