Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Estemoa

Estemoa

(Estemoa), Estemo (Estemo) [mety hidika hoe Toerana Fihainoana [izany hoe fihainoana ny tenin’Andriamanitra]].

1. Zanakalahin’i Jisba, na mety ho tanàna tany Joda nonenan’ny taranak’i Jisba.​—1Ta 4:17.

2. Makatita taranak’i Hodia.​—1Ta 4:19.

3. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, ary antsoina koa hoe Estemo. An’ny fokon’i Joda izy io tany am-boalohany, nefa nomena ny Levita izy io sy ny kijanany tatỳ aoriana. (Js 15:50; 21:14; 1Ta 6:57) Ny tanàna kelin’i es Samoʽ (Estemoa) ankehitriny izy io, tokotokony ho 15 km any atsimo atsimoandrefan’i Hebrona. Mety ho izy ihany ilay Estemoa No. 1.

Anisan’ny toerana nivezivezen’i Davida tamin’izy nandositra i Estemoa. Nandefasany fanomezana avy tamin’ny zavatra azo babo ireo namany tany, rehefa resiny ireo Amalekita mpandroba.​—1Sa 30:26-28.