Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Estera

Estera

(Estèra).

Zazavavy jiosy kamboty, avy amin’ny fokon’i Benjamina, ary taranak’ireo Jiosy natao sesitany niaraka tamin’i Joiakina (Jekonia) Mpanjaka tamin’ny 617 T.K. Hadasa (midika hoe “Mirta”) no anarany amin’ny teny hebreo. (Es 2:5-7) Zanak’i Abihaila, dadatoan’i Mordekay, izy. (Es 2:15) Nitaiza azy i Mordekay, izay zokiny kokoa, sady “mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahadiny” tao an-dapan’i Sosana, tamin’ny andron’i Ahasoerosy (Ksersesy I, tamin’ny taonjato fahadimy T.K.) mpanjakan’i Persa. (Es 2:7; 3:2) Nolavin’i Ahasoerosy tsy ho vadiny intsony i Vasty satria tsy nankatò azy. Nasainy nangonina daholo avy eo ny tovovavy virjiny tsara tarehy, mba hokarakaraina tsara ny bika aman’endriny. Tamin’izy ireo no hifidianan’ny mpanjaka an’izay ho solon’i Vasty. Anisan’ireo nentina tany an-tranon’ny mpanjaka àry i Estera, mba hokarakarain’i Hegay mpiambina ny vehivavy. Tsy niteniteny mihitsy i Estera hoe Jiosy izy, satria efa nofeperan’i Mordekay. (Es 2:8, 10) Voafidy ho vadin’ny mpanjaka i Estera, tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Ahasoerosy. (Es 2:16, 17) Nifandray tamin’i Mordekay foana anefa izy, ka nanaraka ny toroheviny. Niresaka tamin’ny mpanjaka tamin’ny anaran’i Mordekay izy, rehefa nampahafantarin’i Mordekay azy fa nisy nitetika ny hamono ny mpanjaka.​—Es 2:20, 22.

Nitetika ny handripaka ny Jiosy rehetra tao amin’ireo faritany 127 nanerana an’ilay fanjakana i Hamana Agagita, tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Ahasoerosy. Nomen’ny mpanjaka alalana hamoaka didy hanatanterahana izany izy. (Es 3:7-13) Nampahafantarin’i Mordekay an’i Estera anefa ilay teti-dratsy. Notoroany hevitra koa i Estera ka niresaka tamin’ny mpanjaka. Tezitra be ny mpanjaka, nefa vao mainka nahatezitra azy ny nataon’i Hamana tamin’izay. Nasainy nahantona àry i Hamana. (Es 4:7–7:10) Nanaiky ny fangatahan’i Estera ny mpanjaka, ka namoaka didy hafa namela ny Jiosy hiaro tena rehefa tonga ilay andro handripahana azy. (Es 8:3-14) Nanampy ny Jiosy handresy tanteraka an’ireo fahavalony ny governora sy manam-pahefana, noho ilay didin’ny mpanjaka sy noho ny tahotra an’i Mordekay, izay lasa praiminisitra solon’i Hamana. (Es 9) Namoaka didy i Mordekay hoe tokony hankalaza ny Fetin’ny Porima isan-taona ny Jiosy, ary nohamafisin’i Estera ilay didy. Mbola ankalazaina io fety io hatramin’izao.​—Es 9:20, 21, 29.

Marina fa tsy hita ao amin’ny bokin’i Estera ny anaran’Andriamanitra. Hita tamin’izay nataon’i Mordekay sy Estera anefa fa samy mpanompon’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy ireo. Naneho toetra mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra i Estera. “Sady tsara bika no tsara tarehy” izy (Es 2:7), nefa nanana an’ilay “toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika.” (1Pe 3:4) Nahazo sitraka tamin’i Hegay sy tamin’ny mpanjaka àry izy. Tsy zava-dehibe taminy ny haingo sy firavaka marevaka, ka “tsy nisy na inona na inona nangatahiny afa-tsy izay nolazain’i Hegay.” (Es 2:15) Tena nahay nandanjalanja sy nifehy tena koa izy. Nanaiky ny fahefan’i Ahasoerosy vadiny izy, ary nahay nandanjalanja sy feno fanajana rehefa nitalaho taminy mba hitsimbinana ny ainy sy ny ain’ny fireneny. Nahay nangina izy rehefa tsy tokony hiteny, nefa koa sahy sy tsy natahotra niteny rehefa nilaina izany. (Es 2:10; 7:3-6) Nanaraka ny torohevitr’i Mordekay zana-drahalahin’ny rainy izy, na dia nety hahatandindomin-doza ny ainy aza izany. (Es 4:12-16) Tena tiany ny firenena jiosy izay nanaovan’Andriamanitra fifanekena, ary tsy nivadika tamin’izy io izy.​—Jereo MORDEKAY No. 2.