Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Estera, Bokin’i

Estera, Bokin’i

Boky ao amin’ny Soratra Hebreo nampitondraina ny anaran’ilay olona voaresaka be indrindra ao. Misy Vulgate latinina kosa miantso azy io hoe “Ahasoerosy”, izay anaran’ilay mpanjaka persianina voatantara ao. Ny Jiosy indray miantso azy io hoe Megillat ʼEster na Megillah izay midika hoe “horonana”, satria horonana tena miavaka izy io amin’izy ireo.

Mpanoratra. Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza no nanoratra ny bokin’i Estera. Misy manam-pahaizana milaza fa i Ezra ilay mpanoratra. Azo inoana kokoa anefa hoe i Mordekay ilay izy. Izy mantsy no tena nahalala ny tsipiriany rehetra amin’ilay tantara, toy ny fanahian’izy sy Estera, ny nataon’ny fianakavian’i Hamana, ary indrindra fa izay nitranga tao an-dapan’i Sosana. Afaka nijery an’ireo taratasim-panjakana resahin’ilay tantara koa izy, rehefa lasa praiminisitry ny Fanjakana Persianina. I Mordekay àry no azo inoana kokoa hoe nampanoratin’i Jehovah an’ilay boky. Nanoratra boky ao amin’ny Baiboly mitantara ny fifandraisan’ny Jiosy tamin’ny fanjakan’i Persa koa ry Daniela sy Ezra ary Nehemia, izay nitana toerana ambony tao amin’ilay fanjakana tamin’ny fotoana hafa.

Zava-nitranga ara-tantara. Tamin’ny andron’i Ahasoerosy no nitranga ilay tantara. Izy no nifehy ny Fanjakana Persianina izay nisy faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiopia. (Es 1:1) Neken’i Ezra ho anisan’ny Soratra Masina koa ny bokin’i Estera. Azo inoana àry fa izay nitranga nandritra ny fotoana nanjakan’ny iray tamin’ireto mpanjaka telo malaza ireto no voaresaka ao: Dariosy I (Persianina), Ksersesy I, ary Artaksersesy Lava Tanana. Niahy an’ireo Jiosy i Dariosy I sy Artaksersesy Lava Tanana talohan’ny taona faha-12 nanjakan’izy ireo avy. Ilay Ahasoerosy resahin’ilay boky kosa anefa toa tsy nahalala tsara ny Jiosy sy ny fivavahany sady tsy niahy azy ireo. Azo inoana àry fa i Ksersesy I, zanak’i Dariosy Lehibe mpanjaka persianina, izy io. Misy Baiboly (DIEM) mihitsy aza nanolo an’ilay “Ahasoerosy” amin’ny hoe “Kserksesa.”

Toa nisaina nanomboka tamin’ny taona niarahan’i Ahasoerosy nanjaka tamin-drainy (Dariosy Lehibe) ny taona nanjakany, ao amin’ny bokin’i Estera. Tamin’ny taona fahatelo nanjakany ny zava-nitranga voalohany voatantara ao, ary tamin’ireo taona faramparany nanjakany ny zava-nitranga hafa. Izay nitranga nanomboka tamin’ny 493 T.K. ka hatramin’ny 475 T.K. tany ho any àry no voaresaka ao.​—Jereo PERSA, PERSIANINA (Ny fitondran’i Ksersesy sy Artaksersesy).

Taorian’ny taona faha-12 nanjakan’i Ksersesy ka hatramin’ny taona farany nanjakany (t. 475 T.K.) no nosoratana ny bokin’i Estera. Hita amin’ny fomba fanoratr’ilay mpanoratra fa nanatri-maso ny zavatra noresahiny izy. Azo inoana koa fa tao Sosana tany amin’ny faritanin’i Elama (anisan’i Persa tamin’izany) izy no nanoratra, matoa afaka nijery taratasim-panjakana. (Es 10:2) Manamarina an’izany rehetra izany ny nampiasany teny persianina sy kaldeanina ary hebreo.

Mety ho nentin’i Ezra avy tany Babylona nankany Jerosalema ilay boky tamin’ny 468 T.K. Efa tao amin’ny lisitry ny boky neken’ny Synagoga Lehibe tao Jerosalema ho anisan’ny Soratra Hebreo mantsy izy io talohan’ny 300 T.K. tany ho any, izay taona tsy nisian’ilay Synagoga intsony.

Ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Misy milaza fa tsy azo ekena ho anisan’ny Soratra Masina ny bokin’i Estera, satria tsy miresaka azy ny Soratra Grika Kristianina. Tsy mitombina anefa izany satria misy boky hafa koa tsy resahina ao nefa ekena ho anisan’ny Baiboly, toy ny Ezra sy Mpitoriteny. Anisan’ireo tsy nampiditra ny bokin’i Estera ao amin’ny lisitry ny boky ekeny ho anisan’ny Baiboly i Méliton avy any Sardisy, Grégoire avy any Nazianze, ary Athanase. Niresaka momba an’ilay boky kosa i Jérôme sy Augustin ary Origène. Ao amin’ny kôdeksa iray natambatra tamin’ny voalohandohan’ny taonjato fahatelo ny bokin’i Ezekiela sy Daniela ary Estera. Ao amin’ireo boky nangonin’i Chester Beatty io kôdeksa io izao. Toa tsy nisalasala mihitsy ny Jiosy sy ny Kristianina voalohany hoe anisan’ny Baiboly ny bokin’i Estera. Eo anelanelan’ny Mpitoriteny sy Daniela, ao amin’ilay tapany hoe Hagiografy (Asa Soratra), no ahitana matetika azy io ao amin’ny Baiboly jiosy.

Nisy fanampin’ny bokin’i Estera nosoratan’olona tsy notarihin’ny fanahy masina, tatỳ aoriana. Tamin’ny 100 T.K. tany ho any izany, hoy ny manam-pahaizana sasany, 300 taona teo ho eo taorian’ny nahavitan’ny lisitr’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo.

Misy milaza fa manitatra ny bokin’i Estera, rehefa mitantara fa naharitra 180 andro ilay fanasambe tamin’ny taona fahafatelo nanjakan’i Ahasoerosy. (Es 1:3, 4) Mety ho fitsinjovana an’ireo manam-pahefana be dia be avy tany amin’ny faritany maro anefa izany. Tsy niaraka tonga sy nijanona mandra-pahavitan’ilay fanasambe daholo mantsy izy ireo, noho ny adidiny. Tsy milaza koa ilay andininy hoe naharitra ela toy izany ilay fanasambe, fa hoe nasehon’ny mpanjaka azy ireo nandritra ny 180 andro ny harenan’ny fanjakany sy ny voninahiny. Samy miresaka fanasambe ny Estera 1:3 sy 1:5, nefa mety ho fanasambe iray ihany ireo. Mety ho ilay naharitra fito andro nanasana ny rehetra tao an-dapa taorian’ireo 180 andro ihany ilay resahin’ny Estera 1:3.​—Fanazavana ny Testamenta Taloha, nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch, 1973, Boky III, Estera, p. 322-324.

Misy milaza fa tsy ara-pivavahana ilay boky satria tsy miresaka momba an’Andriamanitra. Resahiny anefa hoe nifady hanina sy ‘niantso vonjy’, izany hoe nivavaka, ny Jiosy. (Es 4:3, 16; 9:31) Azo inoana koa fa Andriamanitra no tsy nampahita tory ny mpanjaka indray alina (6:1), ary mety ho efa fikasany ny hahalasa an’i Estera ho vadin’ny mpanjaka. (4:14) Nivavaka tamin’i Jehovah koa i Mordekay, matoa izy tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana Agagita fahavalon’Andriamanitra, izay mety ho taranaka mpanjaka amalekita.​—3:1-6; Ek 17:14.

Porofo ara-tantara sy hitan’ny mpikaroka. Porofoin’ny tantara sy izay hitan’ny mpikaroka fa marina, ohatra, ny voalazan’ny bokin’i Estera momba ny fanaon’ny Persianina rehefa manome voninahitra olona (Es 6:8), ary hoe fotsy sy manga (na volomparasy) ny akanjon’ny mpanjaka persianina. Nanao “akanjom-boninahitra vita tamin’ny lamba manga sy lamba rongony” i Mordekay, sady nanao akanjo ivelany volomparasy somary mena.​—Es 8:15.

“Nitsangana teo amin’ny tokotany anatiny teo anoloan’ny tranon’ny mpanjaka [i Estera]. Tao an-tranony ny mpanjaka, sady nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany tandrifin’ny fidirana. Vao hitan’ny mpanjaka nitsangana teo amin’ilay tokotany i Estera, dia nahazo sitraka taminy.” (Es 5:1, 2) Manamarina an’io voalaza io ny zavatra nofongarin’ny mpikaroka. Nisy lalantsara tokoa avy tao amin’ny Tranom-behivavy nankeo amin’ny tokotany anatiny, ary terỳ amin’ny sisin’ilay tokotany tandrifin’ilay lalantsara ny efitra nisy ny seza fiandrianana. Teo akaikin’ny rindrina farany anatiny, teo afovoany, ilay seza fiandrianana, ka tazan’ny mpanjaka avy teo ambadiky ny ridao ny vadiny izay te hihaona aminy. Misy tsipiriany hafa koa resahin’ilay boky, ka hita fa nahalala tsara ny tao an-dapa ilay mpanoratra. Tsy mitombina àry ny filazana fa diso sy tsy mifanaraka amin’ny tantara ny fomba amam-panao persianina resahin’ilay boky.

Ity no porofo mavesa-danja indrindra fa marina ny bokin’i Estera: Mbola ankalazain’ny Jiosy ankehitriny ny Fetin’ny Porima na ny Antsapaka, ary vakina manontolo any amin’ny synagoga ilay boky mandritra ilay fety. Misy soratra miendri-pantsika tao Borsippa koa miresaka momba ny manam-pahefana persianina atao hoe Mardoka (Mordekay?), izay nipetraka tany Sosa (Sosana) tamin’ny taona faramparany nanjakan’i Dariosy I na teo am-piandohan’ny fotoana nanjakan’i Ksersesy I.​—Zeitschrift für die alttestamentliche Wissenschaft, 1940/41, Boky Faha-58, p. 243, 244; 1942/43, Boky Faha-59, p. 219.

[Efajoro, pejy 474]

HEVITRA MISONGADINA: ESTERA

Tantaran’i Estera, izay nanaiky ny tari-dalan’i Mordekay zana-drahalahin’ny rainy ka nampiasain’Andriamanitra hamonjy ny Jiosy

Nosoratan’i Mordekay, ary toa nitranga tamin’ny 493-t. 475 T.K.

Lasa vadin’ny mpanjaka tao Sosana i Estera

Nampanantsoin’i Ahasoerosy Mpanjaka (Ksersesy I) i Vasty vadiny mba haseho amin’ireo nasaina ny hatsaran-tarehiny, nefa tsy nety i Vasty; nolavin’ilay mpanjaka tsy ho vadiny intsony (1:1-22)

I Estera no voafidy tamin’ireo virjiny tsara tarehy rehetra ka lasa vadin’ny mpanjaka; nofeperan’i Mordekay tsy hilaza hoe Jiosy ny tenany (2:1-20)

Tsy nahomby ny tetik’i Hamana handripaka ny Jiosy

Nasandratra ho ambony noho ny andriana hafa rehetra i Hamana Agagita, nefa tsy nety niankohoka teo anatrehany i Mordekay (3:1-4)

Tezitra be i Hamana ka nitetika ny handripaka ny Jiosy; noreseny lahatra ny mpanjaka, nofidina ny daty hanatanterahana ilay tetika, ary navoaka ny didy (3:5-15)

Nasain’i Mordekay niresaka tamin’ny mpanjaka i Estera, na dia mety hamoy ny ainy aza satria tsy nasaina niseho teo anatrehany (4:1-17)

Noraisin’ny mpanjaka i Estera; nasainy ilay mpanjaka sy Hamana; nasainy indray izy ireo ny ampitso (5:1-8)

Semban-drahona ny hafalian’i Hamana satria tsy nety niankohoka teo anatrehany indray i Mordekay; nampanao tsato-kazo avo be izy ary saika hangataka tamin’ny mpanjaka talohan’ilay fanasana mba hahantona eo i Mordekay (5:9-14)

Tsy nahita tory ny mpanjaka ny alin’iny, novakina taminy ny boky mirakitra ny tantara, hay mbola tsy novalian-tsoa i Mordekay rehefa nitatitra fa nisy nitady hamono ny mpanjaka; nanontaniana i Hamana ny ampitso ny amin’izay hatao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra; nihevitra i Hamana fa izy ilay izy, ka nasainy nohindrahindraina teo imasom-bahoaka izy io; nodidiana hanao toy izany tamin’i Mordekay izy (6:1-13; 2:21-23)

Nilazan’i Estera ny mpanjaka tamin’ilay fanasana fa namidin’i Hamana izy sy ny fireneny mba haringana; tezitra be ny mpanjaka ka nasainy nahantona tamin’ilay tsato-kazo saika hanantonana an’i Mordekay i Hamana (6:14–7:10)

Nasandratra i Mordekay ary voavonjy ny Jiosy

Nomen’ny mpanjaka an’i Mordekay ilay peratra fanombohan-kaseny teny amin’i Hamana (8:1, 2)

Neken’ny mpanjaka ny hamoahana didy hoe mahazo miaro tena sy mandripaka ny fahavalony ny Jiosy amin’ilay andro handringanana azy ireo; an’arivony ny fahavalon’izy ireo maty (8:3–9:19)

Nodidiana hankalaza isan-taona an’ilay fanafahana ny Jiosy (9:20-32)

Nanarakaraka ny mpanjaka i Mordekay ary nanao soa ho an’ny fireneny (10:1-3)