Etana
(Etàna) [Mikoriana Foana; Tondraka].
1. Iray amin’ireo lehilahy efatra tena nanam-pahendrena, saingy mbola hendry kokoa noho izy i Solomona. (1Mp 4:31) Mety ho io Etana io no nanoratra ny Salamo faha-89. Milaza mantsy ny soratra mampiditra an’io toko io hoe i Etana Ezrahita no nanoratra azy io. Milaza ny 1 Tantara 2:6 fa zanakalahin’i Zera avy amin’ny fokon’i Joda i Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara. Mety ho ireo ihany àry ireo lehilahy resahin’ny Mpanjaka Voalohany. Voalaza fa rain’i Azaria i Etana.—1Ta 2:8; jereo EZRAHITA.
2. Rain’i Adaia sady zanak’i Zima Levita anisan’ny fianakaviamben’i Gersoma.—1Ta 6:41-43.
3. Levita tao amin’ny fianakaviamben’i Merary, ary zanakalahin’i Kisy (1Ta 6:44) na Kosaia. (1Ta 15:17) Mpihira sy mpampaneno kipantsona i Etana. (1Ta 15:19) Mpinamana akaiky izy sy Hemana, ka nisy nilaza fa izy ihany ilay Jedotona notendren’i Davida hanompo tao amin’ny tranolay masina tany Gibeona, fa novana ho Jedotona ny anarany taorian’ny nanendrena azy. (Ampitahao ny 1Ta 15:17, 19 sy 1Ta 16:39-41 ary 25:1.)—Jereo JEDOTONA No. 1.