Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Etanima

Etanima

(Etanìma) [mety hidika hoe [Renirano] Mikoriana Foana; [Renirano] Tondraka].

Volana fahafito tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa voalohany kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (1Mp 8:2), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Septambra sy voalohandohan’ny Oktobra. Tisry no anarany taorian’ny sesitany tany Babylona. Ny asa soratra taorian’ny sesitany, fa tsy ny Baiboly, no ahitana io anarana io.

Hoy i Josèphe, mpahay tantara, momba ny fety nanomboka ny 15 Etanima (na voalohandohan’ny Oktobra): “Efa hanomboka ny ririnina tamin’ny fahadimy ambin’ny folon’io volana io. Nasain’i Mosesy niomana sy nanangana tranolay àry ny fianakaviana tsirairay, mba ho voaro amin’ny hatsiaka.”​—Rakitry ny Ela Jiosy, III, 244 (x, 4).

Fiandohan’ny taom-pambolena. Lasa volana voalohany tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy ny Abiba (na Nisana), taorian’ny nanafahana azy ireo tany Ejipta. Ny Etanima kosa no mbola volana voalohany tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana izay kalandrie nanaraka ny taom-pambolena, satria efa ho vita daholo ny fijinjana, ka nifarana ny taom-pambolena teo aloha. Nanomboka avy ny orana ka nandena ny tany izay hasaina sy hovolena indray. “Faramparan’ny taona” no nilazan’i Jehovah ny volana Etanima, izay nankalazana ny fetin’ny fanangonam-bokatra. (Ek 23:16; 34:22) Mahaliana koa fa ny volana Etanima fa tsy Abiba ny taon-jobily no nanomboka.​—Le 25:8-12.

Lasa hoe Tisry (midika hoe “Fiandohan’ny Taona”) ny anaran’ilay volana tatỳ aoriana. Ny 1 Tisry no mbola ankalazan’ny Jiosy ny Taom-baovao na Rosh Hashanah (“Lohan’ny Taona”).

Volana be fety. Be fety ny volana Etanima. “Andro fitsofana trompetra” ny andro voalohany. (Le 23:24; No 29:1) Notsofina isaky ny tsinam-bolana koa anefa ny trompetra. Azo inoana àry fa bebe kokoa ny fitsofana trompetra ny 1 Etanima. (No 10:10) Nankalazaina ny 10 Etanima ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:29, 30; 23:27; No 29:7) Ny 15-21 Etanima kosa no Fetin’ny Trano Rantsankazo, na Fetin’ny Fanangonam-bokatra, ary fivoriambe nanetriketrika ny 22 Etanima. (Le 23:34-36) Volana fanaovana fety tokoa àry ny Etanima.

Zava-nitranga nandritra ny Etanima. Milahatra araka ny fotoana nisehoany ny zava-nitranga resahin’ny Baiboly manomboka amin’ny Genesisy. Ny halavan’ny androm-piainan’i Adama anefa no anisan’ny taona resahin’ny Baiboly voalohany. Mety ho tamin’ny Etanima àry no niandohan’ny fiainan’i Adama, matoa io volana io no nataon’ny olona fahiny volana voalohany. (Ge 5:1-5) Ny andro voalohan’ny volana voalohany (Etanima tatỳ aoriana) i Noa no nanaisotra ny saron’ny sambofiara ka nahita fa ritra ny ranon’ny Safodrano, rehefa avy nijanona folo volana mahery tao anaty sambofiara izy. (Ge 8:13) Tamin’ny Etanima koa no nitokanan’i Solomona ny tempolin’i Jerosalema, 1 300 taona mahery taorian’izay. (1Mp 8:2; 2Ta 5:3) Lao tanteraka i Joda, rehefa rava i Jerosalema (607 T.K.) ary nisy namono i Gedalia Governora ka nandositra tany Ejipta ny Israelita sisa tavela, tamin’ny volana Etanima. (2Mp 25:25, 26; Je 41:1, 2) Izany no nahatonga ny Jiosy hanao ‘fifadian-kanina tamin’ny volana fahafito.’ (Za 8:19) Tamin’ny Etanima koa ny Israelita nody avy tany an-tsesitany tany Babylona no nanomboka nanorina indray ny tempolin’i Jerosalema, 70 taona tatỳ aoriana.​—Ezr 3:1, 6.

Voaporofo koa fa tamin’ny Etanima i Jesosy no teraka sy natao batisa ary nohosorana ny fanahy masina.​—Jereo JESOSY KRISTY.