Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Etera

Etera

(Etèra).

Tanàna tany Sefela tao amin’ny faritanin’i Joda, fa nomena ny fokon’i Simeona. (Js 15:33, 42; 19:1-9) Maro ankehitriny no mihevitra azy io ho i Kirbet el-ʽAtera (Tel ʽEter), tokotokony ho 1,5 km any avaratrandrefan’i Beit Jibrin (Eleoteropolisy; Bet Govrin). Andininy mifanitsinitsy ny Josoa 19:7 sy ny 1 Tantara 4:32 ary tsy i Etera no ao amin’ny 1 Tantara 4:32 fa i Tokena.

Misy boky milaza fa roa ny Etera: Ny iray resahin’ny Josoa 15:42, ka teo anelanelan’i Libna sy Maresa (any Kirbet el-ʽAtera voalaza etsy aloha), ary ilay iray kosa resahin’ny Josoa 19:7 any atsimo any akaikin’i Ziklaga. Marina fa any atsimo avokoa ireo tanàna resahin’ny Josoa 19:7 ary any avaratra kokoa ny ankamaroan’ny tanàna resahin’ny Josoa 15:42, nefa samy manonona an’i Asana ireo andininy ireo, ka sarotra avahana ireo Etera ireo.