Etiopia
[Gr.: Aitiôpia, “Faritr’ireo Tarehy Main’ny Masoandro”], Etiopianina.
Etiopia no niantsoan’ny Grika fahiny an’ilay faritr’i Afrika teo atsimon’i Ejipta. Io faritra io ihany àry ilay “Kosy” resahin’ny Soratra Hebreo, dia i Soudan ankehitriny miampy ny farany atsimon’i Ejipta ankehitriny. I Keesh kosa no niantsoan’ireo soratra ejipsianina an’ilay faritra. Saika nadika foana hoe “Etiopia” ny hoe “Kosy” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, afa-tsy ao amin’ny boky roa monja. (Ge 10:6-8; 1Ta 1:8-10) Toy izany koa no nataon’ny Fandikan-teny Protestanta, afa-tsy ao amin’ny Genesisy 2:13. Mitovy amin’ny an’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo koa ny nataon’ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara, afa-tsy ao amin’ny Genesisy 2:13 sy Jeremia 46:9. Ny Baiboly sasany (TV) kosa mampiasa hoe Kosy rehefa tsy azony antoka hoe i Etiopia fahiny no resahina. Azo antsoina hoe Kosy koa ireo firenena any Arabia.—Jereo KOSITA; KOSY No. 2.
Hoatran’ny ahoana izao ilay faritra nantsoina fahiny hoe Etiopia? Tany lemaka tsy dia misy orana ny any avaratra, tany lavavolo sy lembalemba no eo afovoany, ary alan’ny tany mafana ny any atsimo. I Napata sy Méroé no renivohiny taloha. Mpanjaka no nitondra tao Méroé, ary ny zanaky ny mpanjakavavy fa tsy ny zana-badiny no nanan-jo handimby ny mpanjaka. Mety ho ilay mpanjakavavy mihitsy koa indraindray no nitondra. Nilaza ny mpanoratra grika sy latinina fa maromaro ny mpanjakavavin’i Etiopia nitondra ny anaram-boninahitra hoe Kandasy. Azo inoana fa anisan’ireny ilay resahin’ny Asan’ny Apostoly 8:27.
Ionoka na lehilahy novosirina ve ilay tandapa etiopianina nitorian’i Filipo?
‘Niadidy ny harenan’i’ Kandasy Mpanjakavavy ilay “ionoka” (JM) na tandapa etiopianina nitorian’i Filipo. Lehilahy voafora nanaraka ny Fivavahana Jiosy izy io. (As 8:27-39) Tsy noheverina ho anisan’ny hafa firenena àry izy, ka tsy azo lazaina hoe izy no hafa firenena voalohany lasa Kristianina talohan’i Kornelio. (As 10) Tsy maintsy ho efa nanaraka ny Fivavahana Jiosy sy noforana ilay Etiopianina, matoa afaka nivavaka tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. (Ek 12:48, 49; Le 24:22) Tsy lehilahy novosirina izy, satria nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’Israely ny lehilahy toy izany. (De 23:1) Tsy ho afaka nanaraka ny Fivavahana Jiosy àry ilay tandapa etiopianina raha novosirina. Tsy ho nanao batisa azy koa i Filipo raha tsy nanaraka ny Fivavahana Jiosy izy, satria mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara ireo hafa firenena tsy mifora. Tsara homarihina fa mety hidika koa hoe manam-pahefana ny teny hebreo nadika hoe “ionoka” na “tandapa” (saris). Antsoina hoe saris, ohatra, i Potifara, manamboninahitra tao an-dapan’i Farao, ao amin’ny Genesisy 39:1. Lehilahy nanambady anefa izy.
Anisan’ny tany nandefasana an’ireo Jiosy natao sesitany i Etiopia (Kosy), rehefa resin’i Babylona i Joda. (Is 11:11) Mety ho nifandray tamin’ireo Jiosy tao amin’io faritra io na tamin’ireo Jiosy maro tany Ejipta àry ilay tandapa etiopianina. Azo inoana fa Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (dika mitovy tamin’ilay natao tany Aleksandria, any Ejipta) ilay horonam-bokin’i Isaia novakiny. Tsy mahagaga koa raha nahay namaky teny grika izy, satria somary efa nanaraka ny kolontsaina grika ny fanjakana etiopianina, nanomboka tamin’ny andron’i Ptolémée II (308-246 T.K.). Tanteraka ny Salamo 68:31 rehefa nanaraka ny Fivavahana Jiosy ilay Etiopianina, ary avy eo niova ho Kristianina.
Fiteny tany Etiopia. Tsy tena fantatra hoe inona no fiteny nampiasaina tany Etiopia tany am-boalohany. Ny soratra ejipsianina fahiny miendrika kisarisary kosa no nampiasain’ireo manam-pahefana etiopianina, tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahavalo T.K. Teny sy soratra nantsoina hoe meroitika indray no nampiasaina nanomboka tamin’ny taonjato voalohany T.K., ary nitohy nandritra ny taonjato vitsivitsy izany. Ny teny etiopianina kosa no fiteny nampiasain’ny ankamaroan’ny olona tany hatramin’ny taonjato faha-14. Fiteny semitika izy io, toy ny fiteny amharique fampiasa any Etiopia ankehitriny ihany.