Eva
[Ilay Velona; mety hisy ifandraisany amin’ilay matoanteny heb. hoe hayah, izay midika hoe “miaina”].
Ilay vehivavy voalohany, ary ny zavaboary farany voalaza fa noforonin’Andriamanitra teto an-tany.
Mpamorona i Jehovah ka fantany fa tsy tsara raha irery foana i Adama. Talohan’ny namoronany vehivavy anefa, dia nentiny teo amin’i Adama ny biby sy ny voro-manidina maro samihafa. Nomen’i Adama anarana izy ireny, nefa tsy hitany izay azony natao mpanampy. Tamin’izay no nataon’i Jehovah renoky ny torimaso lalina i Adama ka nesoriny ny taolan-tehezany iray, ary nakatony ny nofo teo. Nataony vehivavy ilay taolan-tehezana nalainy tamin’ilay lehilahy. Azo inoana fa Andriamanitra, izay Mpamorona sady Rain’i Adama, no nilaza nivantana tamin’i Adama hoe ahoana no nampisy an’ilay vehivavy. Faly i Adama nandray azy io ho vady, ka hoy izy: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” Hitany sy tsapany tokoa ny fahamarinan’izany. Famenon’i Adama ny vadiny ka nantsoiny hoe ʼish·shah (vehivavy, na lehilahy vavy raha ara-bakiteny), “satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.” (Ge 2:18-23) Avy eo, dia nitso-drano azy mivady ilay Andriamaniny sady Rainy, ka nilaza hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” Tokony hataon’izy mivady koa izay hahatonga ny biby rehetra hanaiky azy. (Ge 1:28) Asa tanan’Andriamanitra ilay vehivavy, ka tena nety tsara ho famenon’i Adama vadiny sy ho renin-janany.
Voafitaka ary tsy nankatò. Sendra teo akaikin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ilay vehivavy, indray andro, ary tsy niaraka taminy ny vadiny. Nisy menarana iray teo. Bibilava malina izy io, ary izy io no fitaovana hita maso nampiasain’ny zavaboary tsy hita maso iray. Nataony toy ny hoe niteny ilay menarana, ary toa tamim-pahatsorana ilay fanontaniany hoe: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Namaly azy araka ny marina ilay vehivavy satria efa nampahafantatra azy momba an’ilay voankazo voarara ny vadiny, izay loham-pianakaviana sady nofo iray aminy. Niova àry ny fahitany an’ilay hazo, rehefa nanohitra an’izay nolazain’Andriamanitra ilay menarana, ary nilaza fa ho tahaka an’Andriamanitra izy ireo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy, raha mandika ny didin’Andriamanitra. Lasa “mahate hihinana ilay hazo sady mahafinaritra ny maso, eny, mahafinaritra ny mijery azy.” Nilaza koa ilay menarana hoe ho tahaka an’Andriamanitra ilay vehivavy raha mihinana amin’izy io. (Ampit. 1Jn 2:16.) Tena voafitak’ilay menarana izy ary nanantena mafy handray soa avy amin’ny fihinanana an’ilay voankazo voarara, ka nandika ny lalàn’Andriamanitra. (1Ti 2:14) Nanatona an’i Adama vadiny àry izy rehefa avy nandika lalàna, ka nitaona azy tsy hankatò an’Andriamanitra koa. Nanaraka ny tenim-badiny i Adama.—Ge 3:1-6.
Tonga dia nahatsiaro menatra izy mivady raha vao avy nandika lalàna. Naka ravin’aviavy àry izy ireo ka nataony sikina. Niafina tany ambadiky ny hazo tao amin’ny zaridaina izy mivady, rehefa nandre ny feon’i Jehovah. Nanontany an’ilay vehivavy momba izay nataony Andriamanitra. Namaly izy hoe nihinana an’ilay voankazo satria nofitahin’ny menarana. Namoaka didim-pitsarana àry i Jehovah, ary nilaza fa hihamafy ny fanaintainan-dravehivavy rehefa bevohoka sy hiteraka. Nilaza taminy koa Andriamanitra fa ny vadiny no hiantefan’ny faniriany ary hanjaka aminy.—Ge 3:7-13, 16.
Voalaza fa nantsoin’i Adama hoe Eva ny vadiny taorian’ny nandikan’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra, satria “izy no renin’ny olombelona [na ny velona] rehetra.” (Ge 3:20) Talohan’ny nandroahan’i Jehovah azy mivady avy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiatrika ny mafy eo amin’ilay tany voaozona, dia tena tsara fanahy taminy Andriamanitra ka nanao akanjo lava vita tamin’ny hoditra ho azy ireo.—Ge 3:21.
Marina ve ilay tenin’i Eva hoe “noho ny fanampian’i Jehovah” no niterahany an’i Kaina?
Hoy i Eva rehefa niteraka an’i Kaina lahimatoany, tany ivelan’ny Paradisa: “Tera-dahy aho noho ny fanampian’i Jehovah.” (Ge 4:1) I Eva no olona voalohany voalaza fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Midika izany fa efa hatrany am-boalohany ny olombelona no nahafantatra ilay anarana hoe Jehovah. Niteraka an’i Abela i Eva tatỳ aoriana, ary mbola nahazo zanaka lahy sy vavy hafa koa. Niteraka zanakalahy nantsoiny hoe Seta izy, tamin’i Adama 130 taona. Hoy i Eva tamin’izay: “Andriamanitra efa nanome ahy zanaka hafa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.” Afaka nilaza tokoa i Eva fa noho ny fanampian’i Jehovah no niterahany an’i Kaina sy Seta, satria efa napetrak’Andriamanitra tao amin’izy sy Adama ny fahafahana hiteraka. Tena tsara fanahy koa Andriamanitra ka tsy namono an’i Eva avy hatrany taorian’ny nandikany ny didiny, hany ka mbola afaka niteraka izy. Mifarana eo amin’ny nahaterahan’i Seta ny tantaran’i Eva ao amin’ny Genesisy.—Ge 4:25; 5:3, 4.
Olona tena nisy. Hita tamin’izay nolazain’i Kristy Jesosy fa olona tena nisy i Eva. Niresaka momba ny namoronana ny lehilahy sy ny vehivavy tantaraina ao amin’ny Genesisy mantsy i Jesosy, rehefa namaly ny fanontanian’ny Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana. (Mt 19:3-6) Eo koa ny tenin’i Paoly tamin’ny Korintianina hoe natahotra izy sao hiova ny sain’izy ireo, “tahaka ny nitaoman’ny menarana an’i Eva tamin-kafetsena.” (2Ko 11:3) Nanazava ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana kristianina koa i Paoly, ka nilaza fa tsy havelany “hampianatra, na hanana fahefana eo amin’ny lehilahy” ny vehivavy, satria i Adama no natao voalohany ary tsy mba voafitaka izy, fa “ny vehivavy [kosa] no voafitaka tanteraka, ka nanjary nandika lalàna.”—1Ti 2:12-14.