Ezbona
(Ezbôna).
1. Zanakalahin’i Gada ary zafikelin’i Jakoba. (Ge 46:16) Andininy mifanitsy amin’io Genesisy 46:16 io ny Nomery 26:16, saingy Ozny (razamben’ny Oznita) no hita ao, fa tsy Ezbona. Mety ho olona iray ihany àry ireo.
2. Zanakalahin’i Bela ary taranak’i Benjamina. Anisan’ireo lazaina hoe “lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, sady lehilahy natanjaka sy nahery fo” i Ezbona.—1Ta 7:6, 7.