Ezekiela, Bokin’i
Boky mahavariana mitondra ny anaran’ilay mpaminany nanoratra azy. Tany Babylonia angamba i Ezekiela zanak’i Bozy mpisorona no namita ny fanoratana azy io, tamin’ny 591 T.K. tany ho any. Tantara naharitra 22 taona teo ho eo (613 T.K.-t. 591 T.K.) no voaresaka ao.—Ezk 1:1-3; 29:17.
Fahitana, fampitahana, fanoharana no mampiavaka ny bokin’i Ezekiela, ary indrindra fa ireo zavatra misy heviny an’ohatra nampanaovin’Andriamanitra azy. Nanao ny sarin’i Jerosalema teo amin’ny biriky iray izy, ohatra, ary avy eo nanao fahirano azy io mba ho famantarana ho an’ny Israely (Ezk 4:1-17); nanambatra sampan-kazo roa mifanitsy amin’ny Joda sy Israely (37:15-23); ary nandoaka rindrina sy nivoaka avy teo niaraka tamin’ny entany mba hampisehoana fa hatao sesitany ny mponin’i Jerosalema. (12:3-13) Hita ao koa ny fanoharana be tsipiriany momba an’i Ohola sy Oholiba. (Toko 23) Mampiavaka an’ilay boky koa ny daty voafaritra tsara nomen’i Ezekiela rehefa naminany. Tsy ny taona nanaovana sesitany an’i Joiakina Mpanjaka fotsiny, ohatra, no nolazainy fa ny andro sy volana koa.—1:1, 2; 29:1; 30:20; 31:1; 32:1; 40:1.
Anisan’ny Soratra Masina. Tanteraka ny faminaniana nambarany. (Jereo, ohatra, AMONITA; EDOMA, EDOMITA; ; TYRO.) Manamarina an’izay voalaza ao koa ny zavatra hitan’ny mpikaroka. Hoy i W. Albright, Amerikanina mpikaroka malaza: ‘Noporofoin’ireo zavatra hitan’ny mpikaroka fa azo itokisana tanteraka ny Bokin’i Jeremia sy Ezekiela, Ezra sy Nehemia, ary marina ireo trangan-javatra voatantara ao sy ny filaharan’izy ireny.’—Fikarohana Roapolo Taona Manamarina ny Baiboly (1932-1952), 1954, p. 547.
Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa ny bokin’i Ezekiela. Tsy naka teny mivantana na an-kolaka tao ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina, nefa nampiasa teny mitovitovy amin’izay nampiasain’i Ezekiela izy ireo. Samy niresaka momba ny hazo maitso lasa nalazo (Ezk 17:24; Lk 23:31) sy ny fitsarana olona oharina amin’ny ondry sy osy (Ezk 34:17; Mt 25:32, 33), ohatra, i Ezekiela sy Jesosy. Ny Apokalypsy indray mampiasa fanoharana maro mitovy amin’ny an’i Ezekiela.—Ampitahao Ezk 1:28 sy Ap 4:3; Ezk 10:3, 4 sy Ap 15:8; Ezk 12:25 sy Ap 10:6; Ezk 37:10 sy Ap 11:11.
Ahitana ny bokin’i Ezekiela sy Daniela ary Estera ny kôdeksa iray ao amin’ny Papyrus Ara-baiboly Chester Beatty Amin’ny Teny Grika. Dika mitovy
nataon’ny mpanora-dalàna roa tamin’ny voalohandohan’ny taonjato fahatelo io kôdeksa io (nisy takelaka 118 ilay tany am-boalohany). Hita amin’izy io fa tsy niova ny bokin’i Ezekiela tonga hatratỳ amintsika.Misy itovizany be dia be ny faminanian’i Jeremia sy Ezekiela, satria niara-belona izy ireo. (Ampitahao Ezk 18:2 sy Je 31:29; Ezk 24:3 sy Je 1:13; Ezk 34:2 sy Je 23:1.) Toy izany koa ny boky nosoratan’i Daniela sy Ezekiela, izay niara-belona. Naminany momba ny fanjakan’ny Joda, ohatra, i Ezekiela tamin’izy nifatotra, ka nilaza fa “hosoloana taona iray” ny “andro iray” rehefa tanteraka ilay faminaniana. (Ezk 4:4-8) I Daniela kosa niresaka momba ny foto-kazo iray nasiana fehiny (faminaniana momba ilay Fanjakana), mandra-pahatapitry ny fe-potoana iray voafaritra tsara. (Da 4:23) Niresaka momba an’ireo 70 herinandro koa izy, ka ny andro iray hosoloana taona iray rehefa tanteraka io faminaniana momba ny Mesia Mpitarika io.—Da 9:24-27.
Votoatiny. Milahatra araka ny fotoana sy ny foto-kevitra ny ankamaroan’ny faminaniana sy fahitana ao amin’ny Ezekiela. Maningana kosa ny voalazan’ny Ezekiela 29:17-20 satria tsy nitranga tamin’ireo taona resahin’ny Ezekiela 29:1 sy 30:20, nefa mifanaraka amin’ilay foto-kevitra resahina, dia ny faminaniana momba an’i Ejipta. Faminaniana momba ny handravana an’i Jerosalema sy ny hahalao azy no votoatin’ireo toko 24 voalohany. Izany no nambaran’i Ezekiela hatramin’ny volana fahafolon’ny taona fahasivy nitrangan’ny sesitany voalohany, fa tsy dia noresahiny loatra hoe mbola hody any amin’ny taniny ny Jiosy. Ireo firenena mpanompo sampy hitan’i Jehovah mialoha fa hifaly amin’ny faharavan’i Jerosalema kosa no nomelohiny, rehefa natao fahirano ilay tanàna. Niresaka betsaka momba ny hodian’ny Jiosy any amin’ny taniny izy ao amin’ny tapany farany amin’ilay boky, rehefa reny fa rava i Jerosalema.—33:20, 21.
Nisy nivavaka tamin’i Tamoza andriamanitra babylonianina tao amin’ny tokotanin’ny tempolin’i Jehovah. (Ezk 8:13, 14) Nanjaka tao Joda koa ny herisetra noho ny nafitsok’ireo Jiosy mpivadi-pinoana. Tsy mahagaga àry raha hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana ireo nantsoina hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah. Nasaina nitondra ny fitaovam-piadiany famotipotehana izy ireo ary nasaina nijoro teo anilan’ny alitara tao amin’ny tokotany anatin’ny tempoly. Nodidian’i Jehovah izy ireo handeha hamakivaky an’i Jerosalema, ka hamono an’izay tsy nisy marika satria tsy nanompo azy. Hoy izy: “Aripaho daholo na lahiantitra na tovolahy na virjiny na ankizy madinika na vehivavy. Aza hatonina kosa izay misy an’ilay marika. Atombohy ao amin’ny toerako masina izany.” (9:6) Novonoin’izy ireo voalohany ny anti-panahy 70 nivavaka tamin’ny sampy natao sokitra teny amin’ny rindrin’ny efitrano iray tao amin’ny tokotany anatiny. Novonoina koa ny vehivavy rehetra nipetraka nitomany an’i Tamoza teo am-bavahady, sy ireo mpivadi-pinoana nivavaka tamin’ny masoandro teo amin’ny tilikambo fidirana nankao amin’ny tempoly. (8:7–9:8) Fahitana mialoha an’izay hanjo ny mponin’i Jerosalema izany, rehefa hampiasa an’i Nebokadnezara (Nebokadrezara) Mpanjaka sy ny tafiny i Jehovah mba hampisotro azy ireo ny kaopy misy ny divain’ny fahatezerany.—Je 25:9, 15-18.
Azo antoka fa nampionona an’ireo Jiosy natao sesitany ny faminanian’i Ezekiela hoe mbola hody any amin’ny taniny izy ireo. Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana, tamin’ny taona faha-25 nanaovana sesitany azy (593 T.K.), ny tempoly iray vaovao (nolazain’i Jehovah ny bikabikany) sy ny tanàna iray teo akaikiny nantsoina hoe Jehovah-sama (“Jehovah Mihitsy no Ao”). (Ezk 40:1–48:35) Nanantena àry ireo Jiosy nibebaka tany amin’ny tanin’ny mpanompo sampy, fa mbola hanompo an’ilay tena Andriamanitra ao amin’ny tempoliny izy ireo.
Nasongadin’i Ezekiela ny loha hevitry ny Baiboly, dia ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra sy ny fanamasinana ny anarany amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’i Davida momba ilay fanjakana Andriamanitra, na dia tsy nisy mpanjaka nipetraka elaela aza teo amin’ny seza fiandrianan’izy io. Homeny an’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany ilay Fanjakana. Nisarika ny sain’ny Jiosy ho amin’ny Mesia àry i Ezekiela, toy ny nataon’i Daniela ihany. (Ezk 21:27; 37:22, 24, 25) Naveriny in-60 mahery ny tenin’i Jehovah hoe: ‘Tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.’ Nasandrany koa ny anaran’Andriamanitra rehefa naveriny im-217 ilay hoe “Jehovah Tompo Fara Tampony.”—Ezk 2:4.
[Efajoro, pejy 482]
HEVITRA MISONGADINA: EZEKIELA
Faminaniana momba ny hoe horavan’i Babylona i Jerosalema ary hody any amin’ny taniny ireo sisa tsy nivadika. Asongadiny ny hoe: ‘Tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah’
Nosoratana tany Babylona nandritra ny enin-taona talohan’ny nandravana an’i Jerosalema (607 T.K.), afa-tsy ny ampahany kely natao tamin’ny 591 T.K. tany ho any
Nataon’i Jehovah mpitily i Ezekiela (efa natao sesitany tany Babylonia) (1:1–3:27)
Nomena fahitana momba ny voninahitr’i Jehovah, sy ireo kerobima nanana tarehy efatra, ary ireo kodiarana feno maso
Andraikitra lehibe ny an’ny mpitily
Fampitandremana ho an’i Joda sy Jerosalema nivadika (4:1–24:27)
Nasaina nandry 390 andro tamin’ny ilany havia sy 40 andro tamin’ny ilany havanana teo anoloan’ny biriky iray i Ezekiela: Midika izany fa hatao fahirano i Jerosalema; noferana ny sakafony sy ny rano nosotroiny
Ho lao ilay tany sy ireo toerana nanompoana sampy; ho ringana ireo nivadika, hisy sisa ho tafavoaka velona; tsy hahavonjy ny volamena sy volafotsy
Tezitra be i Jehovah satria nisy nanompo sampy tao amin’ny tempoly, tsy hamindra fo izy; izay nisy marika nataon’ilay mpitan-tsoratra manao akanjo rongony ihany no ho voatsimbina
Nitondra entana nivoaka avy teo amin’ny loaka teo amin’ny rindrina i Ezekiela, mba hampisehoana fa handositra i Zedekia Mpanjaka sy ny vahoaka
Nomelohin’i Jehovah ireo mpaminany sandoka
Ankamantatra momba ny voromahery sy foto-boaloboka: Ho ratsy fiafara izay nitady fanampiana tamin’i Ejipta
Arakaraka izay ataon’ny tsirairay fa tsy ny fahotan’ny rainy no hitsaran’i Jehovah azy
Esorina ny satroboninahitr’i Zedekia mpanjaka ratsy fanahy, tsy hisy taranak’i Davida hanjaka mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna
Oharina amin’i Ohola sy Oholiba mpivaro-tena i Samaria sy Jerosalema nivadika; tsy hiantra an’i Jerosalema ireo lehilahiny taloha
Toy ny vilany mahamay i Jerosalema natao fahirano, ary toy ny hena ao anatiny ny mponina tao
Fanamelohana an’ireo firenena hitan’i Jehovah mialoha fa hifaly amin’ny faharavan’i Jerosalema (25:1–32:32)
Ho lao i Amona, Moaba, Edoma, ary Filistia
Hataon’i Nebokadnezara fahirano i Tyro ka ho lao; ho toy ny sambo tsara tarehy rendrika miaraka amin’ny entany izy; tsy hanana mpanjaka intsony satria nirehareha sy namitaka
Handroba an’i Ejipta i Nebokadnezara ho setrin’ny fanompoana nataony noho izy nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Tyro; toy ny hazo sedera hokapaina i Farao sy ny vahoakany
Hafahana ny vahoakan’Andriamanitra ary hody (33:1–48:35)
Hangonin’i Jehovah indray ny olony na ny ondriny, ary hotendreny ho mpiandry azy ireo i Davida mpanompony
Ho lao i Edoma, fa ny tanin’ny Israely kosa ho lasa toy ny zaridainan’i Edena
Toy ny taola-maina tsy nisy aina ny Israelita tany Babylona, nefa ho velona indray
Hatambatra ny sampan-kazo roa mifanitsy amin’i Josefa sy Joda: Ho lasa firenena iray eo ambany fitarihan’i Davida ireo hody avy any an-tsesitany
Hotafihin’i Goga ny vahoakan’i Jehovah tafaverina any amin’ny taniny, nefa harovan’i Jehovah izy ireo ary haringany ny tafik’i Goga
Fahitana momba ny tempoly sy ny ao anatiny; misy renirano mivoaka avy ao mankany amin’ny Ranomasina Maty, ka sitrana ny ranomasina ary miroborobo ny jono; hamoa voa fihinana ny hazo eny amoron’ilay renirano, ary ho fanasitranana ny raviny
Notsinjaraina ilay tany; ny momba an’ilay tanàna hoe “Jehovah Mihitsy no Ao”