Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ezra, Bokin’i

Ezra, Bokin’i

Tantaran’ny nanafahan’i Jehovah ny Israely tany an-tsesitany tany Babylona sy ny namerenany tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tany Jerosalema, araka ny nampanantenainy. Resahin’ilay boky ny didin’ny mpanjaka hoe mahazo manompo an’i Jehovah any Jerosalema indray ny Jiosy rehefa avy lao 70 taona ilay tany. Nasongadin’i Ezra foana ny ezaka nataon’izy ireo mba hanatanterahana izany, na dia maro aza ny sakana. Izany angamba no antony tsy nitantarany izay nitranga teo anelanelan’ny fotoana resahin’ny toko faha-6 sy 7, ohatra. Tsy ny hitantara ny zava-nitranga rehetra tamin’izany mantsy no tanjony.

Mpanoratra. Mety tsara raha i Ezra no nanoratra an’ilay boky mitondra ny anarany satria mpisorona izy, manam-pahaizana, ary tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra. ‘Nanomana ny fony [koa izy] mba hampianatra ny fitsipika sy ny rariny teo amin’ny Israely’, sy hanitsy izay tsy nety nataon’izy ireo teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Afaka nanao fikarohana izy noho ny fahefana nomen’ny mpanjakan’i Persa azy. Afaka nanoratra ampahany lehibe tamin’ny tantaran’ny fireneny àry izy. (Ezr 7:6, 10, 25, 26) Mety ny nampiasany hoe “aho” na “ahy” ao amin’ny Ezra 7:27–9:15. Eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana koa fa tohin’ny bokin’ny Tantara ny bokin’i Ezra. Hita izany rehefa ampitahaina ny 2 Tantara 36:22, 23 sy Ezra 1:1-3. I Ezra àry no nanoratra ilay boky. Izany koa no lazain’ny lovantsofina jiosy.

Anisan’ny Soratra Masina. Boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo ny Ezra. Horonam-boky iray izy io sy ny bokin’i Nehemia taloha. Boky iray koa izy ireo ao amin’ny Talmoda babylonianina (Bava Batra 14b). Ny Baiboly hebreo natao pirinty nanomboka tamin’ny taonjato faha-16 kosa manasaraka azy ireo, na dia isaina ho boky iray ihany aza izy ireo araka ny fanisana an’ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo ao amin’ireo Baiboly ireo. Asehon’ny Fandikan-teny Katolika fa antsoin’ny Vulgate latinina hoe Voalohan’i Esdrasa sy Boky Faharoan’i Esdrasa izy ireo. Misy boky grika antsoina hoe Ezra III, izay tsy anisan’ny Baiboly. Andininy avy ao amin’ny Tantara Faharoa, Ezra, Nehemia ary angano malaza sasany no ao. Misy koa boky antsoina hoe Ezra Faha-4.

Nosoratana tamin’ny teny hebreo ny ampahany lehibe amin’ny Ezra. Amin’ny teny aramianina kosa ny Ezra toko faha-4-7. Nanao dika mitovy taratasim-panjakana mantsy i Ezra. Anisan’izany ireo taratasy nalefan’ny manam-pahefana “tany ampitan’ny Renirano [Eofrata]” ho an’ireo mpanjakan’i Persa, sy ny valin-tenin’ny mpanjaka, ary ny didy nasainy nampiharin’izy ireny. Nohazavain’i Ezra fohifohy koa ny momba ireo taratasy. Ny teny aramianina no fiteny nifandraisan’ireo firenena sy nifampiraharahany ara-barotra tamin’izany. Nadikan’i Ezra avy tao amin’ny arisivan’ny Jiosy kosa ny fanazavana sasany, ka nataony tamin’ny teny hebreo. Porofoin’izany rehetra izany fa marina ny fitantaran’i Ezra.

Neken’ny Fanjakana Persianina ny nanarahan’ny Jiosy ny Lalàn’i Mosesy. (Ezr 7:23-26) Namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina koa àry ny Persianina. Marina ny filazan’i Ezra ny filaharan’ireo mpanjaka persianina nifandimby. Eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny fa marina ny bokin’i Ezra. “Tsy misy isalasalana fa marina ara-tantara ilay boky”, hoy Ny Diksionera Vaovaon’i Westminster Momba ny Baiboly. (Nataon’i H. Gehman, 1970, p. 921) Azo itokisana àry ilay fitantarana, ary tena nisy i Ezra.

Fotoana nanoratana azy sy zava-nitranga. Nosoratana tamin’ny 460 T.K. tany ho any ilay boky, niaraka tamin’ireo bokin’ny Tantara. Ny didy navoakan’i Kyrosy mpanjaka persianina izay namela ny Jiosy hody avy tany Babylona no noresahin’i Ezra voalohany. Tamin’ny taona voalohany nanjakany izy no namoaka ilay didy. (Ezr 1:1) Lasa lao i Joda sy Jerosalema tamin’ny faramparan’ny taona 607 T.K., rehefa nankany Ejipta ireo Jiosy notsimbinin’i Nebokadnezara. Tokony hifarana tamin’ny faramparan’ny taona 537 T.K. àry ny taona faha-70 naha lao an’i Jerosalema (noteren’i Jehovah hanao sabata 70 taona ilay tany). Tsy maintsy ho tamin’ny faramparan’ny taona 538 T.K. na teo am-piandohan’ny taona 537 no namoahan’i Kyrosy ilay didy, noho ireto antony roa ireto: Ho lao ilay tany mandra-pahatapitry ny taona faha-70, ary ho voatery nody tamin’ny fotoana nanorana sy nangatsiaka ny Israelita raha navoaka volana vitsivitsy talohan’izay ilay didy. Azo inoana àry fa navoaka teo am-piandohan’ny taona 537 T.K. ilay izy, ka afaka nody tamin’ny fotoana tsy nisy orana ny Jiosy. Tonga tany Jerosalema izy ireo, ary nanorina ny alitara ny andro voalohan’ny volana fahafito (Tisry) na 29 Septambra (kalandrie gregorianina) tamin’ny 537 T.K.​—Ezr 3:2-6.

Notantarain’i Ezra ny nankalazana ny Paska sy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, rehefa vita ny tempoly tamin’ny 515 T.K. Tsy izay nitranga taorian’izay no notantarainy avy eo, fa izay nitranga tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persa, tamin’ny 468 T.K. Nampiasa ny hoe “aho” na “ahy” i Ezra ao amin’ny Ezra 7:27–9:15. Nampiasa hoe “izy” na “i Ezra” indray anefa izy manomboka amin’ny toko faha-10, satria nifantoka tamin’izay nataon’ireo andriana, mpisorona, Levita, Jiosy hafa, ary indrindra fa ireo nanambady vehivavy hafa firenena.

[Efajoro, pejy 487]

HEVITRA MISONGADINA: EZRA

Naorina ny tempolin’i Jerosalema ary naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, taorian’ny sesitany

Tantara naharitra 70 taona teo ho eo taorian’ny nodian’ny Jiosy avy tany Babylona

Namoaka didy hanafahana ny Jiosy i Kyrosy, ka nisy niverina tany Jerosalema (537 T.K.) mba hanorina indray ny tempoly (1:1–3:6)

Naorina indray ny tempoly (3:7–6:22)

Nalatsaka ny fototra ny taona faharoa taorian’ny sesitany

Nanelingelina foana ireo fahavalo, ary nampitsahatra an’ilay asa fanorenana; nitohy indray rehefa nentanin’i Zakaria sy Hagay ny vahoaka, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy I (520 T.K.)

Hita tao amin’ny antontan-taratasin’ny Persianina tany Babylona sy Ekbatana fa nanome alalana hanorenana indray ny tempoly i Kyrosy, ka nandidy i Dariosy I hoe tohizina ilay asa, ary hovonoina ho faty izay mandika an’ilay didy

Vita ilay tempoly tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy I (515 T.K.), ary notokanana; nankalazaina ny Paska

Nankany Jerosalema i Ezra (468 T.K.) hitondra fanomezana ho an’ny tempoly sy hanendry mpitsara (7:1–8:36)

Navelan’i Artaksersesy (Lava Tanana) mpanjaka persianina handeha

Niainga avy teo amoron’ny reniranon’i Ahava i Ezra, ny lehilahy 1500 teo ho eo, ny Levita sy Netinima 258 avy any Kasifia, nitondra volamena, volafotsy, ary fitaovana ho an’ny tempoly; tonga tany Jerosalema rehefa afaka telo volana sy tapany

Nodiovina ny Israelita sy ny mpisorona (9:1–10:44)

Nivavaka sy nibaboka ampahibemaso i Ezra, satria nisy nandoto tena nanambady vehivavy hafa firenena

Niaiky heloka i Sekania ary nilaza fa vonona hanao fifanekena hoe horoahina ireo vehivavy hafa firenena sy ny zanany

Nasaina nivory tao Jerosalema ireo rehetra natao sesitany taloha; tapaka fa hamotopototra momba ireo nanambady hafa firenena ny andriana

Nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanak’ireny ny mpisorona, Levita, ary ny lehilahy hafa