Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahababoana

Fahababoana

Maro ny fahababoana resahin’ny Baiboly. (No 21:29; 2Ta 29:9; Is 46:2; Ezk 30:17, 18; Da 11:33; Na 3:10; Ap 13:10; jereo BABO.) Matetika ny teny hoe “ny fahababoana” no ilazana an’ilay nanaovana sesitany ny Jiosy tamin’ny taonjato fahavalo sy fahafito T.K., ary antsoina koa hoe “ny sesitany.” Ny Asyrianina sy ny Babylonianina no nandefa sesitany ny Jiosy avy tao amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Ezr 3:8; 6:21; Mt 1:17; jereo SESITANY.

Efa nilaza mialoha momba an’io zava-doza io i Jeremia sy Ezekiela ary ny mpaminany hafa. Hoy izy ireo: “Ho any amin’ny fahababoana, ireo natao ho amin’ny fahababoana!” “Ho lasa babo ianao sy izay rehetra mipetraka ao an-tranonao, ry Pasora. Ho any Babylona ianao.” ‘Misy fanamelohana ho an’i Jerosalema sy ny taranak’Israely rehetra hoe: “Hatao sesitany sy hobaboina tokoa izy ireo.”’ (Je 15:2; 20:6; Ezk 12:10, 11) Hoy i Nehemia tatỳ aoriana momba ny fiverenana avy tany amin’ilay fahababoana tany Babylona: “Tamin’ireo nataon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sesitany, dia ireto avy ny zanaky ny faritany izay nivoaka avy tamin’ny fahababoana, ka niverina tany Jerosalema sy Joda.”​—Ne 7:6; jereo koa Ezr 2:1; 3:8; 8:35; Ne 1:2, 3; 8:17.

Nesorin’ny Asyrianina tany an-tanindrazany ny mponina tao amin’izay tanàna azony, ary babo avy tany amin’ny faritra hafa eran’ilay fanjakana no nafindrany tao. Toa i Asyria, firenena matanjaka faharoa, no voalohany nampiasa izany paikady izany. Tsy ny Jiosy ihany no nataony toy izany, fa ny mponin’i Damaskosy renivohitr’i Syria koa. Nataony sesitany tany Kira izy ireo, araka ny efa nambaran’i Amosa mpaminany. (2Mp 16:8, 9; Am 1:5) Roa sosona ny vokatr’io paikady io: Tsy ho sahy hikomy ireo olom-bitsy sisa tavela tao an-tanàna, ary tsy dia harisika hanampy an’ilay vahoaka nafindra tao ireo firenena nanodidina, izay naman’ireo olona lasa babo.

Mitovy ny antony nahababo an’ilay fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra sy ilay fanjakan’ny foko roan’ny Joda tany atsimo: Niala tamin’ny fivavahana marina tamin’i Jehovah izy ireo ka nanompo andriamani-diso. (De 28:15, 62-68; 2Mp 17:7-18; 21:10-15) Naniraka mpaminany foana i Jehovah hampitandrina azy ireo, saingy tsy nisy vokany izany. (2Mp 17:13) Tsy nisy tamin’ireo mpanjaka teo amin’ny foko folon’ny Israely nanaisotra tanteraka an’ilay fivavahan-diso noforonin’i Jeroboama mpanjaka voalohany teo amin’ireo foko folo. Tsy nanaraka ny fampitandremana nomen’i Jehovah mivantana koa ny fanjakan’ny Joda, ary tsy naka lesona rehefa lasa babo ny Israely. (Je 3:6-10) Natao sesitany daholo ny vahoakan’ireo fanjakana roa ireo, ary tsy indray mandeha ihany no nitrangan’izany.

Nanomboka ny sesitany. Mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Peka (t. 778-759 T.K.), rehefa tonga hanafika ny fanjakan’ny Israely i Pola (Tiglato-pilesera III) mpanjakan’i Asyria. Faritra midadasika tany avaratra no azon’i Pola, ary nalefany sesitany tany amin’ny faritra atsinanan’ny fanjakany ny mponina tany. (2Mp 15:29) Azony koa ny faritra atsinanan’i Jordana nonenan’ny “Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase”, ka nataony sesitany ireo. “Nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana izy ireo, ka mbola any mandraka androany.”​—1Ta 5:26.

Nanao fahirano an’i Samaria ny tafika asyrianina notarihin’i Salmanesera Faha-5, tamin’ny 742 T.K. (2Mp 18:9, 10) Resy i Samaria tamin’ny 740 T.K., ka nifarana hatreo ilay fanjakan’ireo foko folo. Natao sesitany àry ny mponina tao ka lasa “tany Hala sy tany Habora izay eo amin’ny reniranon’i Gozana, ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.” Hoy ny Soratra Masina: “Tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny mantsy izy ireo, fa nivadika tamin’ny fifanekena nataony, eny, nivadika tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah. Tsy nihaino izy ireo sady tsy nankatò.”​—2Mp 18:11, 12; 17:6; jereo SARGONA.

Babo avy tany amin’ny faritra maro samihafa no nafindra tao amin’ireo tanànan’i Samaria. “Tatỳ aoriana, dia nitondra olona avy any Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata ary Sefarvaima ny mpanjakan’i Asyria. Ary napetrany hisolo ny zanak’Israely tao amin’ireo tanànan’i Samaria ireo olona ireo. Dia naka an’i Samaria ho fananany izy ireo, ka nonina tao amin’ireo tanàna tao.” (2Mp 17:24) Mpanompo sampy ireo olona ireo ary nentiny nanaraka azy ny fivavahany. ‘Samy nanao ny andriamaniny avy ny firenena tsirairay.’ Tsy niraharaha na nanaja an’i Jehovah izy ireo, “ka nandefasan’i Jehovah liona. Dia namono olona teo amin’izy ireo ny liona.” Nampody mpisorona israelita iray àry ny mpanjakan’i Asyria, mba ‘hampianatra [azy ireo] ny fomba hatahorana an’i Jehovah.’ Hoy ihany ny fitantarana: “I Jehovah no nanjary natahoran’izy ireo, nefa ny andriamaniny ihany no nivavahany, araka ny fivavahan’ireo firenena niaviany talohan’ny sesitany.”​—2Mp 17:25-33.

Mbola imbetsaka ny Asyrianina no nanao sesitany, nandritra ny taonjato iray teo ho eo taorian’ny naharavan’ilay fanjakana tany avaratra. Nanafika tanàna samihafa tany Joda, ohatra, i Sankeriba tamin’ny 732 T.K., taona nampietren’Andriamanitra azy sy nampilavo lefona azy. Naka babo 200 150 avy tao amin’ireo tanàna sy toerana voaro mafy tany Joda izy, araka ny tantara nosoratany. Hita amin’ny teniny anefa fa toa tafahoatra loatra io isa io. (2Mp 18:13) Samy nitondra babo nankany an-tany hafa na i Esara-hadona mpanjaka nandimby azy, na i Asnapara (Asorobanipala) mpanjaka nandimby an’i Esara-hadona.​—Ezr 4:2, 10.

Tamin’ny 628 T.K., dia nofatoran’i Farao Neko mpanjakan’i Ejipta ilay mpanjakan’ny Joda atao hoe Joahaza, zanak’i Josia, ary nentiny ho babo tany Ejipta. (2Ta 36:1-5) Folo taona mahery tatỳ aoriana anefa, tamin’ny 617 T.K., vao natao sesitany tany Babylona ireo babo voalohandohany avy tany Jerosalema. Nanafika an’i Joda, tanàna mpikomy, i Nebokadnezara ka nataony sesitany ny olona ambony saranga tao, anisan’ireny i Joiakina Mpanjaka sy ny reniny, ary i Ezekiela, Daniela, Hanania, Misaela, Azaria, mbamin’ny ‘andriana ary ny lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra mbamin’ny mpanao asa tanana rehetra sy ny mpanorina manda fiarovana rehetra. Iray alina ny isan’izy rehetra. Tsy nisy navelany afa-tsy ny vahoaka ambany saranga.’ Nataony sesitany tany Babylona koa ny tandapa, mbamin’ny olona ambony tao Jerosalema. “Nentin’ny mpanjakan’i Babylona natao sesitany tany Babylona avokoa ny lehilahy matanjaka mpiady rehetra, dia ny lehilahy mahery fo niisa fito arivo, sy lehilahy arivo mpanao asa tanana sy mpanorina manda fiarovana.” Naka be dia be tamin’ireo zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly koa izy. (2Mp 24:12-16; Es 2:6; Ezk 1:1-3; Da 1:2, 6) Navelany tany Jerosalema kosa i Zedekia dadatoan’i Joiakina, ary nataony mpanjaka teo ambany fahefany. Nisy olo-manan-kaja vitsivitsy koa nijanona tany, anisan’ireny i Jeremia mpaminany. Olona be dia be no lazain’ny 2 Mpanjaka 24:14 hoe lasa babo, fa ny Jeremia 52:28 kosa milaza hoe 3023 monja. Toa ireo olona ambony na ireo loham-pianakaviana ihany àry no noresahin’i Jeremia, fa tsy anisan’izany kosa ny vady aman-janak’izy ireo niisa an’arivony.

Azon’i Nebokadnezara ihany i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., rehefa avy nataony fahirano nandritra ny herintaona sy tapany. (2Mp 25:1-4) Efa tsy nisy mponina firy intsony tao tamin’izay. Olona ambany saranga sisa no navela hijanona tao mba “hikarakara tanimboaloboka” sy hanao “asa an-terivozona” teo ambany fifehezan’i Gedalia tany Mizpa. (Je 52:16; 40:7-10; 2Mp 25:22) Nentina ho babo tany Babylona kosa “ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga sy ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana ... ary ny sisa tamin’ireo mpiasa tena mahay.” Nahoana ny Baiboly no milaza hoe “sisa tao an-tanàna”? Satria toa maro be no matin’ny mosary na aretina na afo, na koa maty tamin’ny ady. (Je 52:15; 2Mp 25:11) Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina ho faty ny zanakalahin’i Zedekia, ny andrianan’ny Joda, ny tandapa, ny mpisorona sasany, ary ny olona ambony maro. (2Mp 25:7, 18-21; Je 52:10, 24-27) Izany no nahatonga an’ireo natao sesitany ho somary vitsy, satria 832 monja. Angamba loham-pianakaviana fotsiny izy ireo, fa tsy nisaina kosa ny vady aman-janany.​—Je 52:29.

Nandositra tany Ejipta ny Jiosy sisa tavela, roa volana teo ho eo tatỳ aoriana, taorian’ny namonoana an’i Gedalia. Nentin’izy ireo koa i Jeremia sy Baroka. (2Mp 25:8-12, 25, 26; Je 43:5-7) Mety ho nisy Jiosy nandositra koa tany amin’ireo firenena nanodidina, ary mety ho avy tany ireo loham-pianakaviana 745 nataon’i Nebokadnezara sesitany, dimy taona tatỳ aoriana. Nampiasain’i Jehovah ho toy ny kibay teny an-tanany i Nebokadnezara tamin’izay, mba hanorotoro an’ireo firenena nanodidina an’i Joda. (Je 51:20; 52:30) Dimy taona taorian’ny naharava an’i Jerosalema, hoy i Josèphe, dia nandresy an’i Amona sy Moaba i Nebokadnezara ary avy eo nidina tany Ejipta mba hamaly faty.​—Rakitry ny Ela Jiosy, X, 181, 182 (ix, 7).

Tsy natao toy ireo tanàna hafa azon’ny fahavalo i Jerosalema. Rehefa azon’i Asyria, ohatra, i Samaria dia nitondrany babo avy tany amin’ny faritra hafa eran’ilay fanjakana mba honina tao. Nataon’ny Babylonianina lao sy tsy nisy mponina kosa i Jerosalema sy ny manodidina, araka ny efa nambaran’i Jehovah, na dia tsy izany aza no fanaon’ny Babylonianina amin’izay tanàna azony. Misy mpitsikera Baiboly tsy mino hoe “lasa aolo tsy nisy mponina” tampoka teo i Joda, nefa tanàna nandroso tsara. Tsy misy porofo ara-tantara na firaketana an-tsoratra anefa manamarina hoe tsy lao i Joda. (Je 9:11; 32:43) Hoy kosa ilay mpikaroka antsoina hoe Ernest Wright: “Voaporofo fa niharan’ny herisetra i Joda ... ary asehon’ny fikarohana fa nanjary lao tsirairay ireo tanàna tamin’izay fotoana izay, ka tsy nonenana intsony ny ankamaroany.” (Arkeolojia Momba ny Baiboly, 1962, p. 182) Niaiky koa i William Albright hoe: “Tsy nisy na tanàna iray aza tao Joda fantatra hoe nisy mponina foana nandritra ny sesitany.”​—Ny Fikarohana Momba An’i Palestina, 1971, p. 142.

Ny fiainana tany an-tsesitany. Matetika no fampijaliana sy famoretana no tonga ao an-tsaina amin’ny hoe fahababoana. Nilaza i Jehovah fa tsy namindra fo tamin’ny Israely i Babylona, fa ‘na ny lahiantitra aza nampitondrainy zioga mavesatra be.’ (Is 47:5, 6) Azo inoana fa nitakiana haba na hetra na vola hafa ireo babo, arakaraka ny vokatra na ny vola azony, toy ny natao tamin’ny babo hafa ihany. Efa azo lazaina hoe famoretana ny nandrobana sy nandravana an’ilay tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, sy ny namonoana na nanaovana sesitany ny mpisorona tao, ary ny namaboan’ny firenen-kafa an’ireo mpivavaka tao.

Tsy nijaly be anefa ny babo tany an-tanin’olona raha oharina amin’izay namidy ho andevo mandra-pahafaty, na koa novonoina ho faty tamin-kabibiana toy ny fanaon’ny Asyrianina sy ny Babylonianina. (Is 14:4-6; Je 50:17) Toa afaka nivezivezy ihany ireo Jiosy babo, sady afaka nitantana ny raharaha sasany teo amin’ny samy Jiosy. (Ezr 8:1, 16, 17; Ezk 1:1; 14:1; 20:1) Hoy i Jehovah tamin’ny olona rehetra nalefany sesitany avy tao Jerosalema ho any Babylona: “Manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy. Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy. Akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka zazalahy sy zazavavy. Ary aoka hihabetsaka ianareo fa tsy hihavitsy. Dia katsaho izay hampiadana an’ilay tanàna nandefasako sesitany anareo. Mivavaha amin’i Jehovah ho an’ilay tanàna, satria raha miadana io dia hiadana koa ianareo.” (Je 29:4-7) Nanjary nahay asa isan-karazany ny Jiosy sasany, ary tena nahasoa azy ireo izany taorian’ny sesitany. (Ne 3:8, 31, 32) Nanjary havanana tamin’ny raharaham-barotra izy ireo. Nifandray tamin’ny hafa firenena ny Jiosy noho ny varotra sy ny fiaraha-monina, ka nanjary nifangaro teny aramianina ny teny hebreo.

Ela be ny Jiosy no babo, satria nahatratra 80 taona mihitsy aza ny an’ny sasany, ka nisy vokany teo amin’ny fomba nanompoany an’i Jehovah Andriamanitra izany. Tsy afaka nanolotra fanatitra isan’andro izy ireo, satria tsy nisy tempoly na alitara na asa fisoronana. Afaka nanao famorana, nifady sakafo noraran’ny Lalàna, nitandrina Sabata, ary nivavaka tsy tapaka ihany anefa ireo Jiosy tsy nivadika, na dia nesoina aza. ‘Nanompo an’Andriamaniny mandrakariva’, ohatra, i Daniela, ary nahafantatra tsara izany i Dariosy Mpanjaka sy ny hafa. Nisy lalàna nanameloka ho faty an’izay nanao fangatahana tamin’iza na iza afa-tsy tamin’ny mpanjaka. Na izany aza, dia mbola “nandohalika sy nivavaka ary nidera an’Andriamaniny intelo isan’andro [i Daniela], araka ny efa fanaony talohan’izay.” (Da 6:4-23) Tsy afaka nanompo an’Andriamanitra an-kalalahana ireo babo. Tsy nivadika anefa izy ireo, ka izany no nanampy azy tsy hanadino hoe vahoakan’i Jehovah izy ireo. Nahasoa azy ireo koa ny nahatsapa hoe tena tsotra ny fivavahana tamin’i Jehovah, fa ny Babylonianina kosa tia harena sy tia sehoseho ary nanompo sampy. Nampahery azy ireo koa ny fisian’ny mpaminanin’i Jehovah toa an’i Ezekiela sy Daniela.​—Ezk 8:1; Da 1:6; 10:1, 2.

Nihamaro ny synagogan’ny Jiosy, ka nanjary nila natao dika soratra ny Soratra Masina mba ho an’ny Jiosy babo nanerana an’i Media sy Persa ary Babylonia. Voalaza fa “tena havanana” i Ezra “tamin’ny fanaovana dika soratra ny lalàn’i Mosesy.” Mazava àry fa nisy kopian’ny Lalàn’i Jehovah nentina avy tany Joda, ary natao dika soratra. (Ezr 7:6) Azo inoana fa anisan’ireny horonam-boky sarobidy ireny ny Salamo, ary mety ho nosoratana nandritra ny fahababoana na taoriana kelin’izany ny Salamo 137, ary angamba koa ny Salamo 126. Nohiraina nandritra ny fetin’ny Paska lehibe, taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona, ireo salamo enina antsoina hoe Hallel (Salamo 113-118).

Nampodina ary niparitaka. Tsy nanantena ny ho afaka izay babo tany Babylona, satria ny Babylonianina tsy namela nahazo. Efa nila fanampiana tamin’i Ejipta ny Jiosy taloha. Rehefa babo tany Babylona anefa ny Jiosy, dia tsy afaka nanampy azy i Ejipta, satria tsy natanjaka ny tafiny. Ny firenena hafa koa tsy afaka nanampy, ary nisy mihitsy aza nankahala azy ireo. Ny faminaniana nambaran’i Jehovah sisa no tsirim-panantenana ho azy ireo. Efa hatramin’ny taonjato maro i Mosesy sy Solomona no nilaza fa hampodina ny Israelita babo. (De 30:1-5; 1Mp 8:46-53) Nisy mpaminany hafa koa nanome toky fa hafahana avy any an-tsesitany izy ireo. (Je 30:10; 46:27; Ezk 39:25-27; Am 9:13-15; Ze 2:7; 3:20) Niresaka mazava tsara momba ny fampodiana ny Jiosy i Isaia, ao amin’ireo toko 18 farany (49-66) amin’ny faminaniany. Nilaza anefa ny mpaminany sandoka fa hafahana tsy ho ela ny Jiosy. Diso fanantenana izay natoky azy ireny.​—Je 28:1-17.

Marina kosa ny faminanian’i Jeremia. Nilaza mantsy izy fa ho 70 taona no hahalao an’i Jerosalema sy Joda, ary hampodina ny Israelita avy eo. (Je 25:11, 12; 29:10-14; 30:3, 18) “Nandinika an’izay noraketin’ny boky” koa i Daniela, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy medianina, ‘ka nahafantatra ny isan’ireo taona aharavan’i Jerosalema, araka ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia mpaminany. Fantany àry fa fitopolo taona izany.’​—Da 9:1, 2.

Firy ireo babo niverina tany Jerosalema avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K.?

Teo am-piandohan’ny taona 537 T.K., dia namoaka didy i Kyrosy II mpanjakan’i Persa hoe afaka miverina any Jerosalema sy manorina ny tempoly indray ny Jiosy babo. (2Ta 36:20, 21; Ezr 1:1-4) Nanomboka ny fiomanana, tsy ela taorian’izay. I Zerobabela Governora sy Jesoa Mpisoronabe no nitarika an’ireo 42 360 nody avy any an-tsesitany, niampy mpanompo sy mpihira 7537, ary naharitra efa-bolana teo ho eo ny dia. Tsy mitovy amin’izay nolazain’i Ezra ny nolazain’i Nehemia hoe isan’olona avy amin’ny fianakaviambe niverina tany Jerosalema, nefa mitovy ihany ny fitambaran’izy rehetra nolazain’izy roa lahy. (Jereo NEHEMIA BOKIN’I.) Efa tafapetraka tao amin’ny tanànany avy izy ireo, tamin’ny volana fahafito. (Ezr 1:5–3:1) Noho ny fitondran’Andriamanitra, dia nisy foana ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida, izay hipoiran’i Kristy. Samy taranak’i Davida mantsy i Joiakina (Jekonia) sy Zerobabela. Nitohy koa ny taranak’ireo mpisoronabe levita, satria samy mpisoronabe levita i Jozadaka sy Jesoa zanany lahy.​—Mt 1:11-16; 1Ta 6:15; Ezr 3:2, 8.

Mbola nisy babo niverina tany Palestina, taorian’izay. Nisy olona 1750 mahery, ohatra, niaraka tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K. Toa lehilahy daholo izy ireo. (Ezr 7:1–8:32) Indroa, fara fahakeliny, i Nehemia no niverina tany Jerosalema avy tany Babylona, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Tsy fantatra anefa ny isan’ny Jiosy niara-niverina taminy.​—Ne 2:5, 6, 11; 13:6, 7.

Tsy nisy fiavahany intsony ny Joda sy ny Israely rehefa nentina ho babo. Tsy nanavaka an’ireo babo arakaraka ny foko niaviany mantsy ny mpamabo azy. Hoy i Jehovah: “Samy nampahorina ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.” (Je 50:33) Nisy solontena avy tamin’ny foko rehetran’ny Israely ireo Jiosy voalohany nody, tamin’ny taona 537 T.K. Rehefa voaorina indray ny tempoly, dia nisy osilahy 12 natao sorona, “araka ny isan’ny fokon’ny Israely.” (Ezr 6:16, 17) Efa nilaza mialoha ny faminaniana fa ho tafaray indray ny Jiosy, aorian’ny fahababoana. Nampanantena, ohatra, i Jehovah hoe: “Haveriko any amin’ny kijana nisy azy ny Israely.” (Je 50:19) Hoy koa izy: “Hampodiko avy any amin’ny fahababoana ny olon’i Joda sy Israely. Ary hanorina azy ho toy ny tamin’ny voalohany aho.” (Je 33:7) Nanao fanoharana momba ny sampan-kazo roa nikambana ho iray i Ezekiela (37:15-28), ka midika izany fa ho lasa firenena iray indray ireo fanjakana roa ireo. Nilaza mialoha koa i Isaia fa ho vato mahalavo “ho an’ny fanjakana roan’ny Israely” i Jesosy Kristy. (Is 8:14; Mt 10:5, 6; 1Pe 2:8) Tsy ilay fanjakan’ny Israely tany avaratra no resahiny eo, satria sarotra inoana hoe nitory tamin’ny taranaky ny Israelita tany amin’ireo faritra lavitra tany Media i Jesosy. Tsy nitory tany koa ireo mpianany 12 nirahiny nandritra ny fitoriana fahatelo nataony tany Galilia. Tao Jerosalema i Ana mpaminanivavy tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, nefa i Ana avy amin’ny fokon’i Asera izay anisan’ilay fanjakana tany avaratra.​—Lk 2:36.

Tsy ny Jiosy rehetra no niara-niverina tamin’i Zerobabela tany Jerosalema, fa ny “sisa tavela” ihany. (Is 10:21, 22) Vitsy kely tamin’ireo nody no efa nahita an’ilay tempoly voalohany. Maro ny zokiolona tsy sahy niverina, satria sarotra ny dia. Nisy koa nifidy ny hijanona na dia afaka niverina aza. Efa mba netinety koa ny fiainan’ny maro rehefa nipetraka elaela tany Babylona, ka naleony tsy nody. Nampidi-doza rahateo ny dia, ary mbola tsy hay hoe hanao ahoana ny fiainana any Jerosalema. Raha tsy zava-dehibe tamin’ny Israelita iray àry ny hanorina ny tempolin’i Jehovah, dia tsy hazoto handeha izy. Azo antoka koa fa tsy te hody ireo mpivadi-pinoana.

Niparitaka àry ny Jiosy sasany, ka nanjary nantsoina hoe Diaspora, na “Fiparitahana.” Nisy Jiosy maro, ohatra, tany amin’ny faritany 127 eran’i Persa, tamin’ny taonjato fahadimy T.K. (Es 1:1; 3:8) Mbola nitana toerana ambony teo amin’ny fanjakana ny sasany tamin’ny taranak’ireny babo ireny, anisan’izany i Mordekay sy Estera teo ambany fitondran’i Ahasoerosy mpanjaka persianina (Ksersesy I), sy i Nehemia mpandroso zava-pisotro an’i Artaksersesy Lava Tanana. (Es 9:29-31; 10:2, 3; Ne 1:11) Nilaza i Ezra tamin’izy nanoratra ny bokin’ny Tantara fa “mbola any mandraka androany” (t. 460 T.K.) ireo Jiosy niparitaka tany amin’ireo tanàna tany atsinanana. (1Ta 5:26) Nihanatanjaka ny Fanjakana Grika taorian’izay, ka Jiosy maro no nentin’i Aleksandra Lehibe tany Aleksandria, ilay tanànany vaovao tany Ejipta. Nianatra teny grika izy ireny tany, ary tany no nanomboka nadika ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika ho amin’ny teny grika), tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Nisy Jiosy maro nafindra tany Azia Minora sy tany Ejipta, vokatry ny adin’ny Syrianina sy ny Ejipsianina. Nitondra Jiosy ho andevo tany Roma i Pompée rehefa nandresy an’i Jerosalema, tamin’ny 63 T.K.

Anisan’ny nahatonga ny fampianarana kristianina hiely haingana ny fiparitahan’ny Jiosy eran’ny Fanjakana Romanina. Tao Israely ihany i Jesosy Kristy no nitory, fa nandidy ny mpanara-dia azy kosa izy mba hanitatra ny fanompoan’izy ireo hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (As 1:8) Nisy Jiosy maro tonga tao Jerosalema, avy tany amin’ny faritra maro eran’ny Fanjakana Romanina mba hanatrika ny fetin’ny Pentekosta taona 33. Nandre an’ireo Kristianina nitory momba an’i Jesosy tamin’ny fiteny samihafa izy ireo, anisan’izany ny fitenin’ny olona avy tany Partia, Media, Elama, Mezopotamia, Kapadokia, Ponto, faritanin’i Azia, Frijia, Pamfylia, Ejipta, Libya, Kreta, Arabia, ary Roma. An’arivony no nanjary nanana finoana vaovao ka nitondra izany tany amin’ny taniny. (As 2:1-11) Saika nisy synagoga foana ny toerana nalehan’i Paoly, ka afaka niresaka nivantana tamin’ireny Jiosy niparitaka ireny izy. Nihaona tamin’i Timoty izy tany Lystra, ary Jiosy ny renin’i Timoty. Vao tonga avy tany Roma i Akoila sy Prisila, tamin’i Paoly tonga tao Korinto tamin’ny taona 50 tany ho any. (As 13:14; 14:1; 16:1; 17:1, 2; 18:1, 2, 7; 19:8) Be dia be ny Jiosy tao Babylona sy ny manodidina, ka nisahirana nankany i Petera mba hanohy ny fanompoany teo amin’ireo “voafora.” (Ga 2:8; 1Pe 5:13) Na dia taorian’ny taona 70 naharavan’i Jerosalema aza, dia mbola maro tamin’ireo Jiosy ireo no nonina tany akaikin’i Babylona, ka nisy foiben’ny Fivavahana Jiosy tany.