Fahadisoana
Tsirambina, tsininy na tsy fahombiazana eo amin’izay atao. Mety hidika hoe tsy fanaovana izay tokony hatao koa izy io. Lazaina hoe diso ny olona iray raha izy no tompon’andraikitra tamin’ny zavatra tsy nandeha tsara na zava-dratsy natao. (Ek 5:16; Sl 50:20; Mt 18:15) Matetika no ampiasain’ny Baiboly io teny io rehefa misy olona omen-tsiny na manao zavatra mahatonga azy tsy hahazo sitraka.
Fiheveran’i Jehovah ny olombelona. Tonga lafatra sy tsy misy diso (heb.: tamim, ilazana zavatra tsy misy kilema, tonga lafatra, tsy misy diso) izay ataon’i Jehovah Andriamanitra, ary toy izany koa izay rehetra lazainy sy tontosainy. (De 32:4) Mahery Indrindra koa izy. Rariny àry izy raha afaka nanontany an’i Joba raha nisy “mpanakiana”, na mpitsongoloka fahadisoana [a.b.t.: mpanitsy, mpananatra, mpanafay], ho afaka hifandahatra aminy. (Jb 40:1, 2) Nilaza ny apostoly Paoly fa manan-jo hanao izay tiany amin’ny zavaboariny Andriamanitra, toy ny mpanefy tanimanga manao izay tiany rehefa mamolavola tanimanga mba hahazoana izay zavatra tiany ho azo. Mandefitra amin’ny “fanaky ny fahatezerana” anefa i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Farao, ary misy antony matoa izy manao izany. Sady mandefitra amin’izy ireny izy no mamindra fo amin’ny “fanaky ny famindram-po”, ary tsy misy amintsika afaka manakiana azy amin’izany.—Ro 9:14-24.
Ny olombelona kosa manao fahadisoana matetika. Nandova ota sy fahadisoana avy tamin’i Adama mantsy izy rehetra. (Ro 5:12; Sl 51:5) Na tsy manao fahadisoana mihitsy aza i Jehovah, dia “fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Sl 103:13, 14) Nilaza izy fa “tsy nisy tsiny [i Noa] teo amin’ny mpiara-belona taminy”, satria tsy nivadika sy nankatò. (Ge 6:9) Nandidy an’i Abrahama koa izy hoe: “Mandehana eo anatrehako, ka aoka ianao tsy hanan-tsiny.” (Ge 17:1) Samy tsy lavorary sy mety maty i Noa sy Abrahama. “Mijery ny fo” anefa i Jehovah, ka tsy nihevitra azy ireo ho nanao fahadisoana. (1Sa 16:7; ampit. 2Mp 20:3; 2Ta 16:9.) Nandidy ny Israely izy hoe: “Aoka ianao tsy hanan-tsiny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.” (De 18:13; 2Sa 22:24) Nanome ny Zanany tsy misy tsiny izy (He 7:26) mba ho sorom-panavotana. Amin’izay dia sady azony ambara ho “marina” (na tsy manao fahadisoana) ny olona maneho finoana sy mankatò no tsy voatohintohina koa ny maha Mpitsara marina sy tsy mety diso azy.—Ro 3:25, 26; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA; TSY FIVADIHANA.
Ny fifaneken’ny Lalàna. Nilaza i Paoly fa “avy amin’Andriamanitra” ny Lalàna sady “tsara.” (Ro 7:14; 1Ti 1:8) Niresaka momba ny didy fahafolo, ohatra, izy ary hoy izy avy eo: “Masina ny Lalàna, ary masina ny didy, sady ara-drariny no tsara.” (Ro 7:7-12) Nahoana àry izy no niteny hoe: “Raha tsy nisy tsininy [na tsy hita izay naha diso azy] ilay fifanekena voalohany, dia tsy nisy nilana fifanekena faharoa”? (He 8:7) Hoy ihany i Paoly: ‘Tena nanome tsiny ny [na nahita fahadisoana tamin’ny] vahoaka’ i Jehovah, tamin’ny alalan’i Jeremia. (He 8:8, 9; ampit. Je 31:31, 32.) Inona no antony? Nolazain’i Paoly any amin’ny andininy hafa fa nisy zavatra tsy vitan’ny Lalàna, satria “nampahalemy azy ny nofo.” (Ro 8:3) Tsy nahatonga ny olona ho lavorary ny fisoronan’ny Levita, ka tsy maintsy novana izy io sy ny Lalàna izay nahatonga azy hanan-kery. “Tsy nahatonga na inona na inona ho lavorary” koa ny Lalàna. “Tsy mahalavorary ny feon’ny fieritreretan’ny olona manao fanompoana masina” ny fanomezana sy ny sorona.—He 7:11, 12, 19; 9:9.
Rehefa misy manao fahadisoana. Hoy ny Baiboly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kl 3:13) Raha ny fahadisoantsika rehetra tokoa mantsy no anamelohana antsika, dia ho meloka daholo isika. Fahadisoana maro àry no azo odian-tsy hita fotsiny, ary azo antoka fa tsy tokony hampiharihary ny fahadisoan’ny rahalahiny ny Kristianina. Ny olona ratsy toetra no lazain’ny Baiboly fa ‘mipetraka manaratsy ny rahalahiny, ary miresaka ny fahadisoan’ny zanaky ny reniny.’—Sl 50:16, 20.
Ahoana anefa raha nisy nanao fahotana lehibe? Natoron’i Jesosy Kristy ny zavatra voalohany tokony hataon’ny mpianany. Hoy izy: “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany [a.b.t.: anaro izy]. Raha mihaino anao izy, dia hahatafaverina ny rahalahinao ianao.” Natorony koa hoe inona no tokony hatao raha tsy mahomby izany.—Mt 18:15-17; jereo koa Ga 6:1.