Fahafahana
I Jehovah Andriamanitra irery ihany no manana fahafahana tsy manam-petra, satria izy no Mahery Indrindra sy Mpanjakan’izao rehetra izao ary Mpamorona ny zava-drehetra. (Ge 17:1; Je 10:7, 10; Da 4:34, 35; Ap 4:11) Ny hafa rehetra kosa voafetra ihany ny azony atao. Tsy maintsy manaiky ny lalàna mifehy an’izao rehetra izao koa izy ireo (Is 45:9; Ro 9:20, 21), toy ny hery misinton’ny tany, ny fiovana simika, ny herin’ny masoandro, ny fitomboana, ny fitsipi-pitondran-tena, ary ny zo sy ny ataon’ny olona izay misy vokany amin’ny fahafahan’ny hafa. Voafetra ihany àry ny fahafahan’ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra.
Samy hafa ny fahafahana voafetra sy ny fanandevozana. Sambatra ny olona afaka, na dia feran’Andriamanitra aza ny zavatra azony atao. Ory sy tsy sambatra kosa izay andevozin’ny zavaboary hafa, na andevozin’ny tsy fahalavorariana, fahalemena, ary hevi-diso. Ny fahafahana akory tsy midika hoe tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra sy manapa-kevitra samirery ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy. Manitsakitsaka ny zon’ny hafa mantsy izay manao izany ka miteraka korontana, toy izay nitranga tany Edena rehefa nampirisihin’ilay Menarana hahaleo tena i Adama sy Eva. (Ge 3:4, 6, 11-19) Voafetran’ny lalàn’Andriamanitra àry ny tena fahafahana. Afaka mampiseho tsara ny maha izy azy ny olona manana izany fahafahana izany nefa koa manaja ny zon’ny hafa sy manao soa aminy, ka lasa sambatra ny rehetra.—Sl 144:15; Lk 11:28; Jk 1:25.
Manome fahafahana Andriamanitra. Andriamanitra manome fahafahana i Jehovah. Nafahany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta ny firenen’Israely. Nilazany izy ireo fa ho afa-pahasahiranana raha mankatò ny didiny. (De 15:4, 5) Voalazan’ny Lalàna fa azon’ny lehilahy nahantra natao ny nivarotra ny tenany ho mpanompo, mba hamelomana ny tenany sy ny fianakaviany. Nafahana anefa io Hebreo io tamin’ny taona fahafito nanompoany. (Ek 21:2) Rehefa Jobily (isaky ny 50 taona), dia natao antso avo tamin’ny mponina rehetra teo amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana. Nafahana ny mpanompo hebreo tsirairay, ary niverina tany amin’ny lovany ny lehilahy tsirairay.—Le 25:10-19; jereo JOBILY.
Fahafahana omen’i Kristy. Nilaza ny apostoly Paoly fa mila hafahana “amin’ny fanandevozan’ny fahalovana” ny olombelona. (Ro 8:21) Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny Jiosy nino azy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” Nohazavain’i Jesosy fa andevon’ny ota, raha ny marina, ireo nihevi-tena ho olona afaka noho izy ireo taranak’i Abrahama. Hoy koa izy: ‘Tena ho afaka ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.’—Jn 8:31-36; ampit. Ro 6:18, 22.
Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa olona afaka ny mpianatr’i Kristy. Nilaza i Paoly fa “tsy zanaky ny mpanompovavy” izy ireo, “fa zanaky ny vehivavy afaka” (Ga 4:31), dia “ilay Jerosalema any ambony.” (Ga 4:26) Nampirisika àry izy hoe: “Ho amin’izany fahafahana izany no nanafahan’i Kristy antsika. Koa mijoroa tsara, ary aza mety hogejaina indray ao amin’ny ziogan’ny fanandevozana.” (Ga 5:1) Nisy lehilahy nihambo ho Kristianina mantsy teo anivon’ny fiangonan’i Galatia, ka nandresy lahatra an’ireo Kristianina tsy hiraharaha ny fahafahana nomen’i Kristy. Izay mitandrina ny Lalàna, hono, fa tsy izay mino an’i Kristy no ho tonga olo-marina. Hiala ao amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Kristy anefa ny olona toy izany, hoy i Paoly.—Ga 5:2-6; 6:12, 13.
Nafahana tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ary ny tahotra (“Fa Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina”) ny Kristianina voalohany. Porofon’izany ny fahasahian’ny apostoly nitory ny vaovao tsara. (2Ti 1:7; As 4:13; Fi 1:18-20) Niaiky izy ireo fa tena ilaina ny manana fahasahiana miresaka momba an’i Kristy, ka mety ny mivavaka mba ho sahy hiteny bebe kokoa sy ho sahy hiteny foana, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—He 3:6; Ef 6:18-20.
Tsy tokony hohararaotin’ny Kristianina. Nankasitrahan’ireo mpanoratra Baiboly ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy (“Efa voantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy”). Nampirisihiny imbetsaka àry ny Kristianina mba hiaro ny fahafahany, ka tsy hanararaotra izany mba hanaranam-po amin’ny asan’ny nofo (Ga 5:13) na hanaronana ny ratsy. (1Pe 2:16) Niresaka ny amin’ny ‘fijerena tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana’ i Jakoba, ary nilaza fa ho sambatra izay maharitra mankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino.—Jk 1:25.
Faly i Paoly fa nomen’i Kristy fahafahana, nefa nitandrina koa izy tsy hampiasa ny fahafahany mba hanaovana izay tiany fotsiny na izay hampalahelo ny hafa. Nanoratra ho an’ny Korintianina izy fa tsy te hanao zavatra mety hampisalasala na hanafintohina an’ireo olona kely fahalalana na hanimba ny feon’ny fieritreretan’izy ireo, na dia omen’ny Soratra Masina fahafahana hanao an’ilay zavatra aza izy. Noresahiny, ohatra, ny amin’ny fihinanana hena namidy teny an-tsena rehefa avy natolotra ho an’ny sampy. Mety ho nanakiana ny fomba nampiasan’i Paoly ny fahafahany ny olona nanana feon’ny fieritreretana malemy, raha nahita azy nihinana hena toy izany. Mety ho nitsara azy koa ilay olona, nefa tsy mety ny mitsaratsara. Hoy àry i Paoly: “Nahoana ny fahafahako no tsarain’ny feon’ny fieritreretan’ny olon-kafa? 1Ko 10:23-33.
Raha mihinana aho sady misaotra, nahoana aho no haratsina amin’izay anaovako fisaorana?” Tapa-kevitra ny hampiasa ny fahafahany mba hampaherezana ny hafa anefa izy, fa tsy hanimbana ny finoan’izy ireo.—Ady ataon’ny Kristianina sy ny fanantenan’ny olombelona. Nilaza i Paoly fa ‘efa nanafaka [ny Kristianina] tamin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana ny lalàn’ny fanahy. Io fanahy io dia manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy.’ (Ro 8:1, 2) Mety hamoy ny fahafahany anefa ny Kristianina satria mitady hanandevo azy indray ny lalàn’ny ota sy fahafatesana ao amin’ny vatany. Tsy maintsy mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny fanahy àry izy, raha te handresy.—Ro 7:21-25; 8:5-8.
Nantsoin’i Paoly hoe “zanak’Andriamanitra” ireo mpiara-mandova amin’i Kristy, fa “zavaboary” kosa ny olon-kafa. Hoy izy momba ny fikasan’Andriamanitra: “Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Ro 8:12-21.
Heviny an’ohatra. Noharin’i Joba tamin’ny fanafahana an’ireo olona ory ny fahafatesana, tamin’izy te ho faty fa nijaly mafy. Tena mafy ny fiainan’ny mpanompo, ka hoy i Joba: “Afaka amin’ny tompony ny mpanompo [rehefa maty.]”—Jb 3:19; ampit. 3:21, 22.