Fahafatesana
Fitsaharan’ny fiasan’ny taova rehetra ao amin’ny vatana; ny mifanohitra amin’ny fiainana. (De 30:15, 19) Samy lazaina hoe ‘maty’ na ny olona na ny biby na ny zavamaniry, araka ny teny hebreo sy grika nanoratana ny Baiboly. (Mpto 3:19; 9:5; Jn 12:24; Jd 12; Ap 16:3) Asehon’ny Baiboly anefa fa ny olona sy ny biby ihany no misy ra, izay tena ilaina mba hitanana ny aina. Hoy izy io: “Ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.” (Le 17:11, 14; Ge 4:8-11; 9:3, 4) Resahiny koa fa “maty” ny olona sy ny biby rehefa tsy misy fofonaina (heb.: nishmat haiyim) intsony (Ge 7:21, 22; ampit. Ge 2:7), sy rehefa miala ny hery mamelona (heb.: roah haiyim) azy.—Ge 6:17, f.a.p.; 7:15, 22; Mpto 3:19; jereo FANAHY.
Araka ny Baiboly, inona no atao hoe fahafatesana?
Mifanaraka amin’izay lazain’ny siansa ireo fanazavan’ny Baiboly momba ny fahafatesana ireo. Tsy mikoriana intsony ny ra ka tsy mahazo otrikaina sy oksizenina (azo avy amin’ny fifohana rivotra) ireo sela an’arivony tapitrisa ao amin’ny vatana, rehefa tsy mitepo intsony ny fo. Hoy anefa Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (1987, Boky Faha-5, p. 52b): “Mety holazain’ny dokotera hoe maty ny olona iray rehefa tsy mitepo intsony ny fony, ary tsy miasa intsony ny havokavony. Mety ho mbola tsy tena maty anefa izy, satria mbola velona minitra vitsivitsy ny sela ao amin’ny vatany. Mety ho velona indray àry izy raha miasa indray ny fony sy ny havokavony ka mahazo oksizenina ireo sela. Ny selan’ny atidoha kosa mihamaty rehefa afaka telo minitra eo ho eo, satria tsy maharitra ela ireo raha tsy misy oksizenina. Tsy azo velomina intsony àry ilay olona. Maty tsikelikely koa ny sela hafa. Ny selan’ny taolana sy volo ary hoditra no maty farany, satria mety mbola hitombo mandritra ny ora maro.” Tena ilaina ny rivotra fohina sy ny ra satria mitana an’ilay hery mamelona (roah haiyim) ao anatin’ny sela. Rehefa tsy misy hery mamelona intsony anefa ao anatin’ny sela, vao tena maty ny olona iray, fa tsy hoe rehefa tsy mifoka rivotra intsony izy na tsy mitepo intsony ny fony.—Sl 104:29; 146:4; Mpto 8:8.
Ny nahatonga ny olona ho faty. Ny Genesisy 2:16, 17 no miresaka voalohany momba ny fahafatesana. Nilaza tamin’ny lehilahy voalohany Andriamanitra mba tsy hihinana amin’ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, sao ho faty. Efa voajanahary kosa ny fahafatesan’ny biby, satria tsy noresahina mihitsy tao amin’ilay fitantarana momba ny nahatonga ny fahafatesan’ny olombelona. (Ampit. 2Pe 2:12.) Fantatr’i Adama zanak’Andriamanitra àry hoe manao ahoana ny hoe maty, ary takany fa tsy nivazivazy Andriamanitra raha nampitandrina hoe ho faty izy raha tsy mankatò. Maty tokoa izy rehefa tsy nankatò. (Ge 3:19; Jk 1:14, 15) Niely tamin’ny olona rehetra avy eo ny fahotan’i Adama sy ny fahafatesana.—Ro 5:12; 6:23.
Misy milaza fa efa natao ho faty toy ny biby ihany ny olona. Porofon’izany, hono, ny filazana hoe ‘fitopolo na valopolo taona’ ihany ny androm-piainan’ny olona (Sl 90:10), sy ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Natao ho faty indray mandeha monja ny olona, ary hisy fitsarana avy eo.” (He 9:27) Nosoratana taorian’ny nanotan’i Adama anefa ireo andininy ireo, ary olona tsy lavorary sady mpanota no resahina eo. Ela velona ny olona talohan’ny Safodrano. Porofo izany fa mety ho afaka ny ho velona ela be ny olona, mihoatra lavitra noho ny biby miaina ao anatin’ny tontolo tonga lafatra. (Ge 5:1-31) Maty kosa ny olona noho ny fahotan’i Adama, araka ny fanazavan’ny Baiboly tetsy aloha.
Tafasaraka amin’Andriamanitra ny olombelona noho ny ota, ary ‘andevozin’ny fahalovana.’ (Ro 8:21) Lasa andevo toy izany ny olona noho ny fiasan’ny ota ao amin’ny vatany. Mpanompon’ny ota sy anjakany izay rehetra tsy mankatò an’Andriamanitra, ary “mitarika ho amin’ny fahafatesana” izany. (Ro 6:12, 16, 19-21) “Manan-kery hahatonga fahafatesana” i Satana (He 2:14, 15), ka antsoina hoe “mpamono olona.” (Jn 8:44) Tsy voatery hoe mamono mivantana anefa izy, fa fitahiny sy taominy hanota na hanao ratsy ny olona, ary izany no mitarika ho amin’ny fahalovana sy fahafatesana. (2Ko 11:3) Misy koa ampirisihiny hanana faniriana hamono olona. (Jn 8:40-44, 59; 13:2; ampit. Jk 3:14-16; 4:1, 2.) Tsy namana àry ny fahafatesana, fa “fahavalo.” (1Ko 15:26) Ny olona mijaly mafy na tsy mahatanty ny onjam-piainana intsony no maniry ho faty.—Jb 3:21, 22; 7:15; Ap 9:6.
Ny momba ny maty. “Tsy mahalala na inona na inona” ny maty, ary tsy afaka manao na inona na inona intsony. (Mpto 9:5, 10; Sl 146:4) Mankany amin’ny “vovoky ny fahafatesana” ireo efa ho faty (Sl 22:15), ary avy eo “maty tsy mahefa na inona na inona” intsony. (Oh 2:18; Is 26:14) Tsy afaka miresaka momba an’Andriamanitra na midera azy ny maty. (Sl 6:5; Is 38:18, 19) Oharin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika amin’ny olona matory izy ireo. Mety tsara izany satria tsy mahatsiaro tena izy ireo, nefa koa azo antenaina hoe hifoha indray rehefa atsangana amin’ny maty. (Sl 13:3; Jn 11:11-14) “Voaloham-bokatra amin’ireo matory (ao amin’ny fahafatesana)” i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty.—1Ko 15:20, 21, f.a.p.; jereo HAIDES; SHEÔL.
Nino mafy ny Ejipsianina fahiny sy ny firenena mpanompo sampy hafa, ary indrindra ny filozofa grika, fa manana fanahy (heb.: nefesh; gr.: psykè) tsy mety maty ny olona. Asehon’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina anefa fa ny olona na ny aina no atao hoe nefesh sy psykè. Mety maty izy io (Mpts 16:30; Ezk 18:4, 20; Ap 16:3), ary azo vonjena tsy ho faty. (Js 2:13; Jk 5:20) Naminany i Isaia fa ‘hatolotra ho amin’ny fahafatesana’ ny ain’ny Mesia, ary tanteraka tamin’i Jesosy Kristy izany. (Is 53:12; ampit. Mt 26:38.) Nomelohin’i Ezekiela mpaminany ireo nitetika ny ‘hamono an’izay [nefesh, f.a.p.] tsy tokony ho faty sy hitsimbina an’izay tokony ho faty.’—Ezk 13:19; jereo ZAVAMANANAINA.
Hoy ny Baibolin’ny Mpanazava Teny (Boky II, p. 1015) momba ny 1 Samoela 25:29: “Tsy ny Hebreo fa ny Grika no nino hoe vatana sy fanahy ny olona, ka misaraka amin’ny vatana ny fanahy rehefa maty ilay olona.” (Nataon’i G. Buttrick, 1953) Nanazava koa i Edmond Jacob, mpampianatra momba ny Testamenta Taloha tao amin’ny Oniversiten’i Strasbourg, fa aina no dikan’ny hoe nefesh ao amin’ny Soratra Hebreo, ka “ara-dalàna raha lazaina indraindray hoe miala ny nefesh rehefa ho faty ny olona iray (Gen. 35:18; 1 Mpanj. 17:21; Jer. 15:9 [Prot.]; Jona 4:3). Sarin-teny ilay hoe ‘miala’ ny nefesh satria miara-maty amin’ny vatana izy io, raha ny marina, fa tsy hoe misaraka aminy ary mbola velona any ho any (Nom. 31:19; Mpits. 16:30; Ezek. 13:19). Tsy misy andinin-teny ao amin’ny Baiboly manaporofo hoe misy ‘fanahy’ misaraka amin’ny vatana rehefa maty ny olona.”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 802.
Fanavotana amin’ny fanamelohana ho faty. Hoy ny Salamo 68:20: “I Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no manafaka amin’ny fahafatesana.” Nirahiny ho etỳ an-tany i Kristy Jesosy mba hanao sorona ny ainy, ka lasa “Mpitarika Lehibe Indrindra” notendreny hanome fiainana sy famonjena (As 3:15; He 2:10) ary hanafoana ny fahafatesana. (2Ti 1:10) ‘Maty ho an’ny rehetra’ izy, ary nanome “vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra.” (He 2:9; 1Ti 2:6) Noho ny “asa fanamarinana iray” nataon’i Jesosy no ahafahana manafoana ny fanamelohana ho faty noho ny ota, sy ‘manambara’ ny karazan’olona rehetra “ho marina ho amin’ny fiainana.” (Ro 5:15, 16, 18, 19; He 9:27, 28; jereo MANAMBARA HO MARINA; VIDIM-PANAVOTANA.) Azo lazaina hoe “efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” àry ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. (Jn 5:24) “Mitoetra ao amin’ny fahafatesana” kosa ary melohin’Andriamanitra ireo tsy mankatò ny Zanaka sy tsy maneho fitiavana. (1Jn 3:14; Jn 3:36) Tsy maintsy tarihin’ny fanahin’Andriamanitra sy maneho ny vokatr’izy io ireo te ho afaka amin’ilay fanamelohana sy “ny lalàn’ny ota sy fahafatesana”, satria “ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo [mpanota] dia midika ho fahafatesana.”—Ro 8:1-6; Kl 1:21-23.
Noharin’i Jesosy tamin’ny batisa ny fiainany, izay hiafara amin’ny fahafatesany ho sorona sy ny fananganana azy amin’ny maty. (Mr 10:38, 39; Lk 12:50; ampit. Ef 4:9, 10.) Nilaza i Paoly fa hatao batisa ho amin’ny fahafatesana toy izany koa ny Kristianina voahosotra, ary avy eo hatsangana ho any an-danitra. (Ro 6:3-5; Fi 3:10, 11) Naniry mafy ny ho any an-danitra i Paoly sy ny Kristianina voahosotry ny fanahy. Tsy hoe te ho faty na te ‘hitanjaka’ ao amin’ny fahafatesana akory izy ireo, fa te “hitafy” an’ilay vatana homena azy any an-danitra mba hahafahany “hiara-mitoetra amin’ny Tompo.” (2Ko 5:1-8; ampit. 2Pe 1:13-15.) “Miasa” ao amin’izy ireo ny fahafatesana raha mbola eto an-tany izy ireo. Na izany aza, dia hafatra manome fiainana no ampitainy amin’ny olona.—2Ko 4:10-14; Oh 18:21; jereo BATISA (Batisa ho amin’i Kristy Jesosy, sy ho amin’ny fahafatesany).
Mandray soa avy amin’ny fanompoan’ny Kristianina voahosotra ny vahoaka be, izay manantena ny ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe sy ny hiaina mandrakizay eto amin’ny tany paradisa. Lasa madio eo anatrehan’Andriamanitra koa izy ireo, noho ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy.—1Jn 2:2; Ap 7:9, 14.
Nilaza i Jesosy fa manana “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana” izy (Ap 1:18), mba hanafahany an’ireo voagejan’ny fahafatesana. (Jn 5:28, 29; Ap 20:13) Nafahan’i Jehovah Andriamanitra tao amin’ ny Fasana i Jesosy, ka izany no ‘antoka ho an’ny olona rehetra’ fa hisy andro voatondron’Andriamanitra hitsarana na hanaovana ampamoaka, ary hatsangana ireo ao amin’ny Fasana. (As 17:31; 1Ko 15:20, 21) Resin’ireo mpandova ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahafatesana sy ny ‘fanindronany’, rehefa atsangana ho any an-danitra izy ireo ary lasa tsy mety maty.—1Ko 15:50, 54-56; ampit. Ho 13:14; Ap 20:6.
Ho foana ny fahafatesana. ‘Hofoanan’Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ (Is 25:8) Ny ota no fanindronana mahatonga ny fahafatesana (1Ko 15:56), ka miasa ao amin’ny vatan’ny olona mpanota sy tsy lavorary ny fahafatesana. (Ro 7:13, 23, 24) Tsy maintsy hofoanana àry ny ota vao ho foana ny fahafatesana. Tsy hanam-pahefana amin’ny olona intsony izy io rehefa foana tanteraka ny ota. Hofoanana koa ny fahafatesana, mandritra ny fanjakan’i Kristy. (1Ko 15:24-26) “Tsy hisy intsony” àry ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. (Ro 5:12; Ap 21:3, 4) Toy ny hoe hatsipy ao amin’ny “farihy afo” izy io amin’izay.—Ap 20:14; jereo FARIHY AFO.
Fahafatesana faharoa. “Ny fahafatesana faharoa” ilay “farihy afo” hanipazana ny fahafatesana, ny Fasana, ny “bibidia”, “ilay mpaminany sandoka”, Satana sy ny demoniany, ary izay mpanao ratsy tsy mety mibebaka. (Ap 20:10, 14, 15; 21:8; Mt 25:41) Tsy ilay fahafatesana nolovana tamin’i Adama mpanota ny “fahafatesana faharoa.” Tsy ho afaka avy any intsony izay lasa any. Mitovy amin’izay hanjo an’ireo voalazan’ny Hebreo 6:4-8; 10:26, 27 sy Matio 12:32 ny hanjo an’ireo any amin’ny “fahafatesana faharoa.” Tsy ho azon’ny fahafatesana faharoa mihitsy kosa ireo mahazo ny “satroboninahitry ny fiainana” sy manana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany.” (Ap 2:10, 11) Lasa tsy mety maty sy tsy mety lo ireo hiara-manjaka amin’i Kristy, ka tsy ‘hanam-pahefana’ amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa.—1Ko 15:50-54; Ap 20:6; ampit. Jn 8:51.
Heviny an’ohatra. Oharina amin’ny ‘mpanjaka’ mifehy ny olona hatramin’ny andron’i Adama ny fahafatesana sy ny ota. (Ro 5:14; 6:12) Mampihatra ny ‘lalàny’ amin’ny olom-peheziny àry ireo mpanjaka roa ireo. (Ro 8:2) Soa ihany anefa fa nanome ny vidim-panavotana i Kristy, ka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa indray no manjaka amin’ireo manaiky ny fanomezan’Andriamanitra mba ‘hahazoany fiainana mandrakizay.’—Ro 5:15-17, 21.
Misy olona tsy miraharaha ny fikasan’Andriamanitra ka manao fifanekena amin-dRafahafatesana. Tsy hahomby anefa izy ireo. (Is 28:15, 18) Toy ny mpitaingin-tsoavaly miriotra aorian’ny ady sy mosary ny fahafatesana, ka mandripaka an’ireo mponin’ny tany.—Ap 6:8; ampit. Je 9:21, 22.
Voalaza fa ‘eo akaikin’ny vavahadin’ny fahafatesana’ ireo ory na marary ara-panahy. (Sl 107:17-20; ampit. Jb 38:17; Sl 9:13.) Mankao amin’ny “trano hihaonan’ny velona rehetra” (Jb 30:23; ampit. 2Sa 12:21-23) sy ny “efitranon’ny fahafatesana” (Oh 7:27, Prot.) ireo miditra amin’ilay ‘vavahady.’ Tsy mety feno mihitsy io trano io. (Ha 2:5) Oharina amin’ny ondry andrasan’ny fahafatesana ireo mankany amin’ny Fasana.—Sl 49:14.
“Ny fanaintainan’ny fahafatesana.” Milaza ny Asan’ny Apostoly 2:24 (Prot.) fa nafahana tamin’ny ‘fanaintainan’ny fahafatesana i Jesosy, satria tsy laitr’izany hohazonina Izy.’ Ny teny grika hoe ôdin no nadika eto hoe ‘fanaintainana.’ Ilazana fanaintainan’ny vehivavy mihetsi-jaza (1Te 5:3) na asa mafy na loza na fahoriana koa izy io. (Mt 24:8) Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa nampiasa an’io teny io rehefa nandika ny teny hebreo hoe hevel, izay midika hoe “tady.” (2Sa 22:6; Sl 18:4, 5) Midika hoe “fanaintainana rehefa mihetsi-jaza” ny teny hebreo iray tarika amin’ny hoe hevel. Misy mpivaofy teny sy mpanao diksionera àry milaza fa manana an’io heviny io koa ilay teny grika hoe ôdin ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:24, fara faharatsiny tamin’ny andron’ireo apostoly. Izany no nahatonga ny Baiboly sasany handika an’ilay andininy hoe “fatoran’ny fahafatesana” (TV, Kat.). Mamandrika an’izay olona tiany halaina ny fahafatesana (Oh 13:14; 14:27), ka toy ny hoe mamatotra azy amin’ny tady sy mahatonga azy ho ‘azom-pahoriana toy ny efa any amin’ny Fasana.’ (Sl 116:3) Marina fa tsy mahalala na inona na inona intsony ny maty, ary tsy nanaintaina velively i Jesosy tamin’izy maty. Voalaza anefa fa mangidy ny fahafatesana (1Sa 15:32; Sl 55:4; Mpto 7:26), satria mijalijaly izay efa ho faty (Sl 73:4, 5), ary tsy afaka manao na inona na inona intsony koa izay gejain’ny fahafatesana. Mety ho amin’izay heviny izay àry no nilazana fa ‘nafahana tamin’ny fanaintainan’ny fahafatesana’ i Jesosy rehefa natsangana, izany hoe tsy voagejany intsony.
Fiovana. Azo lazaina hoe maty ara-panahy ity tontolo ratsy ity. Nilaza àry i Jesosy hoe: “Avelao ny maty handevina ny maty.” (Lk 9:60) Nilaza koa i Paoly fa “efa maty” ny vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo “na dia mbola velona aza.” (1Ti 5:6; Ef 2:1) Afaka amin’ny trosany na ny adidiny ny olona efa maty. (Ro 6:7) Azo lazaina hoe maty àry ny Kristianina iray rehefa nafahana tamin’ny ota (Ro 6:2, 11) sy ny fanamelohan’ny Lalàn’i Mosesy. (Ro 7:2-6) “Maty” izy amin’ny heviny hoe tsy andevon’ny ota intsony sady afaka amin’ny adidiny taloha. Mbola velona anefa izy, raha ny marina, ka afaka manara-dia an’i Kristy ary lasa mpanompon’ny fahamarinana.—Ro 6:18-20; Ga 5:1.
Oharina amin’ny fahafatesana koa ny fiovan’ny fiainan’ny firenena iray. Oharina amin’ny taolana Ezk 37:1-12) “Ho velona indray” anefa izy ireo, ka hamponenina any amin’ny taniny. (Ezk 37:13, 14) Misy fanoharana mitovitovy amin’izany koa ao amin’ny Apokalypsy 11:3, 7-12 sy Lioka 16:19-31.
maina sy amin’ny olona maty sy nalevina, ohatra, ny vahoakan’Andriamanitra izay natao sesitany tany Babylona. (