Fahagagana
Zavatra mahavariana na mahatalanjona; zava-miseho hafakely heverina fa avy amin’ny hery lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona sy ny an’ny natiora. Midika koa hoe “fambara” ny teny hebreo hoe môhfet nadika indraindray hoe “fahagagana.” (De 28:46; 1Ta 16:12) Matetika izy io no miaraka amin’ny teny hebreo hoe ʼôht izay midika hoe “famantarana.” (De 4:34) Ny teny grika hoe dynamis (“hery”) no nadika hoe ‘fahaizana’ sy “fahagagana.”—Mt 25:15; Lk 6:19; 1Ko 12:10, f.a.p., Prot.; Kat.; JM; TV.
Variana izay mahita fahagagana satria zavatra tsy ho vitany na tsy tena takatry ny sainy ilay izy. Mahery kokoa na mahay kokoa noho ny tenany ilay manao azy. Tsy fahagagana anefa ilay izy ho an’ilay manao azy satria takatry ny sainy sady vitany. Mahatalanjona ny olona kosa ny zavatra maro ataon’Andriamanitra, nefa fomba anehoany ny heriny fotsiny izy ireny. Izay mino fa misy andriamanitra na mino an’ilay Mpamorona, dia tsy maintsy miaiky fa manan-kery hanaovana zava-mahagaga Andriamanitra.—Ro 1:20; jereo HERIN’ANDRIAMANITRA.
Tsy mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora ve ny fahagagana?
Mandinika an’izao rehetra izao ny manam-pahaizana ka tsikariny fa misy zava-mitranga tsy miovaova, ary misy lalàn’ny natiora mifehy azy ireny. Anisan’izany ny hery misintona. Miaiky izy ireo fa be pitsiny sady azo itokisana ny lalàn’ny natiora. Tsy maintsy ho nisy Mpanao azy àry ireo lalàna ireo. Milaza anefa ny mpitsikera fa ny fahagagana dia mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora izay tsy azo ovana sy tsy azo sakanana. Tsy misy mihitsy àry ny fahagagana, hoy izy ireo. Tsy maintsy takatry ny saina sy azo hazavaina amin’ny alalan’ny lalàn’ny natiora
foana mantsy, hono, ny zava-mitranga rehetra, nefa tsy mba toy izany ny fahagagana.Lasa mailo kokoa anefa ny manam-pahaizana ka tsy maimaika hiteny hoe tsy hitranga mihitsy ny zavatra iray. Hoy ny Profesora John Brobeck avy tao amin’ny Oniversiten’i Pennsylvanie: “Tsy afaka miteny amim-pahatsorana intsony ny mpahay siansa hoe tsy hitranga mihitsy ny zavatra iray. Ny azony lazaina dia hoe mety tsy hitranga ilay izy. Mety ho afaka hiteny ihany anefa izy hoe tsy hitranga ilay izy, raha ny zavatra fantatsika hatramin’izao no jerena. Tsy afaka milaza ny mpahay siansa hoe efa fantatra daholo izao ny karazan-javatra sy karazan’angovo rehetra. ... Hery hafa tsy voazavan’ny siansa ... no mampisy ny [fahagagana]. Ny herin’Andriamanitra no ilazana azy ao amin’ny Soratra Masina.” (Fotoana, 4 Jolay 1955) Vao mainka manamafy an’izany ny fandrosoan’ny siansa atỳ aoriana.
Tsy tena takatry ny mpahay siansa ny zava-drehetra momba ny hafanana, hazavana, fiasan’ny ataoma sy ny heriny, herinaratra, sns, na dia amin’izao fotsiny aza, koa mainka raha misy toe-javatra tsy mahazatra na hafahafa! Vao haingana ihany, ohatra, no nisy fandinihana natao tao anatin’ny hatsiaka be, kanefa maro ny zava-nitranga hafahafa tsikaritra tamin’izay. Tsy mitondra herinaratra ny firamainty nefa rehefa atsoboka ao anaty ranoka heliôma nampangatsiahina ho 271° C ambanin’ny zero izy io, dia lasa mitondra herinaratra sady mahasintona andriamby rehefa misy andriamby eo akaikiny. Toa manohitra ny hery misintona koa ilay heliôma mangatsiaka be, satria mananika an’ilay vera nasiana azy izy ary mivoaka avy ao.—Zavatra Hita Maso, Tranomboky Momba ny Siansa, 1963, p. 68, 69.
Anisan’ny zava-niseho maro nampitolagaga ny mpahay siansa sy nahavoatery azy ireo hiova hevitra izany. Koa raha Andriamanitra no manao fahagagana izay toa mahazendana ny olona, nahoana izy no lazaina fa manohitra ny lalàn’ny natiora noforoniny? Voafehin’ny Mpamorona tsara ny zavatra noforoniny, ka azony ampiasaina araka izay tiany mifanaraka amin’ny lalàn’ny natiora. (Jb 38) Hainy ny mampisy fahagagana. Hainy koa ny manafaingana, mampiadana, manafoana fiovana simika na manolo singa ao amin’ilay izy. Afaka manao hoatr’izany koa ny anjely, izay mahery noho ny olombelona, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah.—Ek 3:2; Sl 78:44-49.
Tsy hoe manova na manohitra ny lalàna fizika akory ny mpahay siansa rehefa mampitombo ny hafanana na hatsiaka na oksizenina eo amin-javatra anaovany fikarohana, mba ho haingana kokoa na hiadana kokoa ilay fiovana simika. Milaza anefa ny mpitsikera fa tsy nisy ireo fahagagana resahin’ny Baiboly, anisan’izany ny famoronana. Toy ny manizingizina izy ireo hoe fantany daholo ny toe-javatra sy fiovana simika efa nitranga hatrizay, ary tsy vitan’ny Mpamorona ny manao zavatra ankoatra izay takatry ny sain’izy ireo momba ny lalàna mifehy ny zavatra hita maso.
Niaiky anefa i H. Alfvén, mpikaroka soedoà momba ny fizika niokleary, fa voafetra ny fahaizan’ny mpahay siansa. Hoy izy ao amin’ny boky iray momba ny fizika niokleary sy ny any ambony tsy taka-maso any, tamin’ny 1966: “Eken’ny rehetra fa misy lalàna fizika sy ataomika mifehy ny atmosferan’ny tany. Mety ho tena sarotra amintsika anefa ny mamantatra hoe ahoana no ifandraisan’ireo lalàna ireo sy izay mitranga eo amin’ny atmosfera.” Ny niandohan’izao rehetra izao no noeritreretiny tamin’izy nilaza an’izany. Andriamanitra no nanao ny lalàna mifehy ny tany sy masoandro ary volana, ary mahavita zavatra mahazendana ny olona raha manaraka an’ireny lalàna ireny. Tsy sarotra amin’Andriamanitra àry ny mampiasa azy ireny mba hanaovan-javatra tsy ampoizin’ny olona, toy ny nanasaraka ny Ranomasina Mena mba “ho toy ny manda” teo amin’ny andaniny roa ny “rano.” (Ek 14:22) Fahagagana ho an’ny olona koa ny mandeha eny ambony rano, nefa mora foana izany ho an’ny olona ampian’ilay “mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana.” Andriamanitra koa no namorona sy mifehy ny zava-drehetra eny amin’ny lanitra. “Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.”—Is 40:21, 22, 25, 26.
Matoa misy ny lalàna fizika, toy ny hery misintona, dia nisy nanao izy ireny, ary mahay sy mahery lavitra noho ny olombelona Ilay nanao azy. Tsy ho vitany àry ve ny hanao zava-mahagaga, izay mety tsy ho takatry ny sain’ny olona na mbola tsy hitany mihitsy? Nilaza i Joba fa alefan’Andriamanitra ao anaty haizina sy ataony lasa adala ireo manohitra ny fahendreny.—Jb 12:16-25; ampit. Ro 1:18-23.
Manaja ny lalàny foana Andriamanitra. Tsy mba miovaova ilay Mpamorona ary tsy mandika ny lalàny mihitsy izy. (Ml 3:6) Nanao lalàna momba izay mety sy tsy mety koa izy. Mifanaraka amin’ny lalàna fizika ireny lalàna ireny saingy avo lenta kokoa. Tsy milefitra amin’ny fanaovan-dratsy mihitsy, ohatra, izy satria manao ny rariny foana. Hoy ny mpaminaniny: “Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy, ary tsy mahajery faharatsiana ianao.” (Ha 1:13; Ek 34:7) Anisan’ny lalàna nomeny ny Israely ny hoe: “Aina ho solon’ny aina, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, ary tongotra ho solon’ny tongotra.” (De 19:21) Tsy maintsy manana antony ara-dalàna amelana ny heloky ny mpanota mibebaka Andriamanitra, ho fanajana ny lalàny. (Ro 5:12; Sl 49:6-8) Nataony sorona àry ny Zanany lahitokana mba ho vidim-panavotana noho ny fahotan’ny olombelona. (Mt 20:28) Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘tamin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy’ i Jehovah no afaka ‘naneho ny fahamarinany, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy.’ (Ro 3:24, 26) Foin’Andriamanitra natao sorona ny Zanany malala, ho fanajany ny lalàny. Raha takatsika izany, dia tsy ho sarotra amintsika koa ny hahatakatra fa tsy “handika” ny lalàna fizika napetrany mihitsy izy mba hanaovana izay tiany.
Mbola tsy fahitan’ny olona mihitsy ve? Ny filazana fotsiny hoe tsy nisy ny fahagagana dia tsy porofo hoe tsy nisy izy ireny. Mety hisy olona ankehitriny hilaza hoe tsy tena nisy teo amin’ny tantara ny zava-nitranga iray, satria tsy hitany ilay izy ary efa maty daholo ny olona nahita an’ilay izy. Tsy mampiova ny tantara anefa ny filazany izany. Misy koa milaza fa tsy nisy ny fahagagana, satria, hono, tsy mifanaraka amin’izay eken’ny olona fa marina sy izay hitany ary izay novakiny tao amin’ny boky. Raha tery saina hoatr’izany anefa ny mpahay siansa, dia tsy hikaroka na hamorona zava-baovao intsony. Tsy hikaroka fomba hitsaboana aretina “tsy misy fanafany” intsony, ohatra, izy ireo, na hikaroka fomba handehanana any amin’ny planeta hafa na any ambony tsy taka-maso any. Mbola mikaroka foana anefa izy ireo, ary mahavita zava-baovao indraindray. Ho zendana ny olona fahiny raha mahita ny zava-bita ankehitriny, ary hoheveriny ho fahagagana ny zavatra maro fahitantsika andavanandro.
“Tsy tena asan’Andriamanitra.” Misy mpitsikera milaza fa azo hazavaina amin’ny alalan’ny siansa ireo fahagagana resahin’ny Baiboly. Zava-nitranga voajanahary fotsiny, hono, izy ireny, fa mody nolazain’ny mpanoratra Baiboly hoe asan’Andriamanitra. Marina fa nisy horohoron-tany, ohatra, nandritra ny fahagagana sasany. (1Sa 14:15, 16; Mt 27:51) Tsy porofo anefa izany hoe tsy Andriamanitra no nanao an’ilay fahagagana. Sady nahagaga ilay izy (toy ireo horohoron-tany voalaza teo) no voafidy tsara ny fotoana nitrangany, ka tsy azo lazaina hoe kisendrasendra fotsiny. Intỳ misy ohatra: Misy milaza fa ditin-kazo mamy avy amin’ny hazo tamariska sy hazo madinidinika ny mana nomena ny Israelita tany an-tany efitra. Na marina aza izany, dia mbola fahagagana ihany ny fotoana nahazoan’ny Israely an’ilay mana, satria tsy hita teo amin’ny tany ilay izy isaky ny andro fahafito. (Ek 16:4, 5, 25-27) Namoaka olitra sy maimbo koa ilay izy raha namelana ny ampitso, afa-tsy rehefa notehirizina hohanina tamin’ny Sabata. (Ek 16:20, 24) Tsy tena mitovy amin’ilay mana resahin’ny Baiboly koa ilay hoe ditin-kazo. Teny amin’ny tany mantsy ilay mana, ary nitsonika rehefa mitataovovonana. Azo nototoina tao anaty laona na tamin’ny vato fikosoham-bary ilay izy, ary azo natao tao anaty lafaoro na nandrahoina.—Ek 16:19-23; No 11:8; jereo MANA.
Azo itokisana ireo nitantara. Fahagagana ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ary fototry ny finoan’ny Kristianina izy io. (1Ko 15:16-19) Maro be ny porofon’izy io, satria 500 mahery ny vavolombelona afaka nanamarina hoe tena nitsangana izy.—1Ko 15:3-8; As 2:32.
Tsara homarihina koa ny antony ninoan’ny Kristianina hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesosy. Marina fa maro ny olona enjehina na maty noho ny finoany na ny firehan-keviny ara-politika, ohatra, mba hitakiana ny zony na hahazoana fahefana na harena. Tsy nahazoan’ny Kristianina tombony na harena na toerana ambony na fahefana anefa ny niaretany fijaliana. Vao mainka aza nafoin’izy ireo izany rehetra izany matetika. Tsy nampiasa herisetra koa izy ireo mba hampielezana ny finoany na mba hiarovan-tena, rehefa nitory hoe nitsangana i Jesosy. Tsy nafana fo tafahoatra izy ireo rehefa nandresy lahatra, fa nahay nandanjalanja. Tia ny mpiara-belona taminy izy ireo matoa nitory.
Ny mampiavaka an’ireo fahagagana resahin’ny Baiboly. Matetika izy ireny no natao teny imason’olona, tsy nisy fisehosehoana be, ary tsara ny antony nanaovana azy. Nisy natao tao an-trano na teo anatrehan’ny olona vitsivitsy (1Mp 17:19-24; Mr 1:29-31; As 9:39-41), nefa matetika kokoa izy ireny no natao teny imason’ny olona an’arivony na an-tapitrisany mihitsy aza. (Ek 14:21-31; 19:16-19) Tsy niafinafina i Jesosy nanao fahagagana fa teny imason’ny olona. Nositraniny daholo izay nanatona azy, fa tsy nisy tsy sitrana satria hoe tsy ampy finoana.—Mt 8:16; 9:35; 12:15.
Tsy nisy fisehosehoana be ireo fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy nanasitrana na nampitony rivotra, ohatra. (Mr 4:39; 5:25-29; 10:46-52) Tsy nisy fitaovana na jiro na sehatra manokana, na fombafomba toy ny ataon’ny mpanao mazia ireo fahagagana resahin’ny Baiboly. Matetika izy ireny no natao noho ny fangatahan’olona na natao tamin’izay nifanena teny an-dalana na teny amin’ny toerana tsy nampoizina.—1Mp 13:3-6; Lk 7:11-15; As 28:3-6.
Ny hanome voninahitra an’Andriamanitra no tena antony nanaovana fahagagana, fa tsy hoe ny halaza na hanampy olona ho lasa mpanankarena. (Jn 11:1-4, 15, 40) Tsy fombafomba nifono mistery tsy takatry ny saina na natao hahaliana akory ny fahagagana, fa natao hanampiana olona foana. Nomena izay nilain’ny vatany izy ireo indraindray, nefa nomena izay nilainy ara-panahy foana koa mba hitarihana azy hanaraka ny fivavahana marina. “Ny fitoriana an’i Jesosy no anton’ny faminaniana [“fanahin’ny faminaniana”].” Noporofoin’ny fahagagana maro koa fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy.—Ap 19:10.
Mt 8:24-27), natsahatra dia natao avy indray ny orana (1Mp 17:1-7; 18:41-45), ary novana ho ra na divay ny rano (Ek 7:19-21; Jn 2:1-11). Nositranina daholo koa ny karazan’aretina rehetra, toy ny habokana “tsy misy fanafany” (2Mp 5:1-14; Lk 17:11-19) sy ny fahajambana hatrany an-kibon-dreny. (Jn 9:1-7) Porofoin’ireny fahagagana isan-karazany ireny fa avy amin’ny Mpamorona ny fahaizana nanao azy ireny, satria Izy ihany no afaka mifehy ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’olombelona sy ny zava-drehetra etỳ an-tany.
Nisy zavatra tsy mananaina koa nanaovana fahagagana. Natao lasa tony, ohatra, ny rivotra sy ny ranomasina (Antony nanaovana fahagagana teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany. Nisy maromaro ny antony nanaovana fahagagana, fa ny tena lehibe indrindra dia ny hanaporofoana fa nomen’Andriamanitra fahefana sy nampiany ilay nanao azy. (Ek 4:1-9) Niaiky an’izany izay nahita an’i Mosesy sy Jesosy nanao fahagagana. (Ek 4:30, 31; Jn 9:17, 31-33) Nampanantena Andriamanitra fa hisy mpaminany tahaka an’i Mosesy. Hitan’ny olona avy tamin’ny fahagagana nataon’i Jesosy fa izy ilay mpaminany. (De 18:18; Jn 6:14) Nanao fahagagana sady nitory ireo anisan’ny fiangonana kristianina voalohany, mba hahitan’ny olona hoe tsy ny Fivavahana Jiosy intsony fa ny Fivavahana Kristianina indray no nankasitrahan’Andriamanitra. (He 2:3, 4) Nitsahatra anefa ny fahaizana mahagaga tamin’ny taonjato voalohany, satria tsy nilaina intsony rehefa nihamafy orina ny fiangonana kristianina.—1Ko 13:8-11.
Resahin’ny Asan’ny Apostoly fa mahery ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah, satria vetivety dia nisy fiangonana maro niforona ka lasa mafy orina ny Fivavahana Kristianina. (As 4:4; toko 13, 14, 16-19) Teo anelanelan’ny taona 33 sy 70 fotsiny, dia nisy mpino maro be teo anivon’ny fiangonana maro hatrany Babylona ka hatrany Roma, ary angamba hatrany andrefana aza. (1Pe 5:13; Ro 1:1, 7; 15:24) Vitsy anefa ny Soratra Masina tamin’izany. Ny mpanankarena ihany no nanana horonam-boky na boky. Tsy fantatry ny mpanompo sampy ny Baiboly, ary tsy fantany i Jehovah ilay Andriamanitra resahin’izy io. Saika nampitaina am-bava foana koa ny fahalalana sy fampianarana. Tsy nisy boky na rakipahalalana manazava Baiboly. Tena nilain’ny fiangonana àry ny fahaizana mahagaga toy ny fahalalana manokana, fahendrena, fahaizana fiteny samihafa, ary fahaiza-mamantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy. (1Ko 12:4-11, 27-31) Hitsahatra anefa izy rehetra ireo rehefa tsy ilaina intsony, hoy ny apostoly Paoly.
Hafa ny ankehitriny. Tsy omen’Andriamanitra fahaizana manao fahagagana ny Kristianina mpanompony ankehitriny. Efa eo daholo mantsy ny zava-drehetra anampiana ny olona mahay mamaky teny eran-tany. Afaka manampy an’ireo tsy mahay mamaky teny nefa vonon-kihaino koa ny Kristianina matotra sy hendry ary mahay, izay tia mianatra sy ampy traikefa. Tsy mila manao fahagagana intsony koa Andriamanitra mba hanaporofoana hoe i Jesosy Kristy no nirahiny hamonjy, na hoe manampy ny mpanompony Izy. Na dia omeny fahaizana hanao fahagagana aza ny mpanompony, dia tsy handresy lahatra ny olona rehetra izany, satria tsy izay rehetra nanatri-maso ny fahagagana nataon’i Jesosy no nino ny fampianarany. (Jn 12:9-11) Ampitandremana anefa ny mpaneso hoe mbola hanao zava-mahagaga lehibe Andriamanitra rehefa handringana an’ity tontolo ratsy ankehitriny ity.—2Pe 3:1-10; Ap toko 18, 19.
Izay milaza àry hoe tsy misy ny fahagagana, dia tsy mino hoe misy ilay Andriamanitra Mpamorona. Na koa tsy mino izy ireo hoe naneho ny heriny tamin’ny fomba mahagaga Izy rehefa avy namorona. Tsy mahafoana ny Tenin’Andriamanitra anefa ny tsy finoan’izy ireo. (Ro 3:3, 4) Lasa matoky an’Andriamanitra isika rehefa mamaky ny fitantaran’ny Baiboly momba an’ireo fahagagana nataony noho ny antony tsara, izay mifanaraka foana amin’ireo fahamarinana sy toro lalana ao. Lasa mino mafy koa isika fa miahy ny olombelona Andriamanitra, ary afaka miaro sady hiaro ny mpanompony. Santatr’izay hitranga amin’ny hoavy ireo fahagagana, ka mahatonga antsika hino hoe mbola hanao fahagagana Andriamanitra rehefa hanasitrana sy hitahy an’ireo tsy mivadika aminy.—Ap 21:4.