Fahalalahan-tanana
Toetran’olona tsara fanahy sy be fitiavana ary vonona hanampy ny hafa, ka manome an-tsitrapo fa tsy kahihitra. Nadika koa hoe ‘manam-paniriana’ (Sl 51:12) ny teny hebreo hoe nadiv, izay nadika hoe “malala-tanana.” (Is 32:8) Nadika koa hoe “olona ambony” ny hoe nadiv, mba hilazana olona tia manome. (No 21:18) Midika hoe “fahatsorana” (2Ko 11:3; Ef 6:5) ny teny grika hoe haplôtes (“fahalalahan-tanana” [2Ko 8:2; 9:11]; “halala-tanana” [Ro 12:8]). I Jehovah no malala-tanana indrindra. Manome izay rehetra ilain’ny zavaboariny mankatò izy, “mifanaraka amin’ny sitrapony.” (1Jn 5:14; Fi 4:19) Avy aminy ny fanomezana tsara sy tonga lafatra rehetra, anisan’izany ny fahendrena izay tsy azo tsapain-tanana.—Jk 1:5, 17.
Nampirisihin’i Mosesy halala-tanana ny Israelita, na dia afaka naka antoka aza izy ireo rehefa nampisambotra ny mahantra. “Aza manamafy fo, ary aza mafy tanana amin’ny rahalahinao mahantra. Fa tokony hanokatra ny tananao aminy ianao ka halala-tanana ... Tena tokony homenao izy, ary tsy tokony ho kahihitra ny fonao rehefa manome azy ... Izany no andidiako anao hoe: ‘Tokony hanokatra ny tananao ianao ka halala-tanana amin’ny rahalahinao ory sy mahantra, izay eo amin’ny taninao.’”—De 15:7-11.
Hoy ny ohabolana: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana [a.b.t.: olona manao fanomezana ho fisaorana], ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.” (Oh 11:25) Izao no fomba nilazan’i Jesosy Kristy izany: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (As 20:35) Hoy koa izy: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”—Lk 6:38.
Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Izao koa no fomba nilazan’ny apostoly Paoly an’io fahamarinana voalaza tetsy aloha io: “Izay kahihitra ka mamafy kely dia hijinja kely, fa izay malala-tanana ka mamafy be kosa dia hijinja be.” Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2Ko 9:6, 7) Nilaza i Paoly avy eo fa i Jehovah no modely amin’ny fahalalahan-tanana, satria manome voa betsaka ho an’ny mpamafy sy mofo betsaka hohanina izy, ary nataony manankarena amin’ny zava-drehetra ireo rahalahy tany Korinto, “mba haneho fahalalahan-tanana isan-karazany” amin’ny hafa. ‘Nahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra’ izany fahalalahan-tanana izany, hoy i Paoly.—2Ko 9:8-13.
Mbola nampirisika ny Kristianina tany Roma halala-tanana i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Izay mizara, dia aoka izy hanao izany ka halala-tanana.” (Ro 12:8) Hoy koa izy tamin’ny Hebreo: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (He 13:16) Modely niavaka ireo Kristianina tany Makedonia satria tena nalala-tanana. Faly izy ireo nanome “mihoatra noho izay zakany”, na dia nahantra aza. Hita amin’izany fa ‘naneho fahalalahan-tanana lehibe’ izy ireo.—2Ko 8:1-4.
Marina fa mampirisika halala-tanana ireo andininy ireo, nefa tsy mifanohitra amin’ny andininy hafa manameloka ny olona kamo sy tsy mahay mankasitraka. Tsy mety miasa tany, ohatra, ny kamo rehefa ririnina ka tsy tokony homena na inona na inona raha mangataka amin’ny fotoam-pijinjana. Tsy mendrika ny hampiana koa ny olona tsy mety miasa. (Oh 20:4; 2Te 3:10) Izay mpitondratena mahafeno fepetra ihany no hatao ao amin’ny lisitr’ireo mendrika ny hahazo fanampiana. (1Ti 5:9, 10) Tsy natao ho an’ireo mpanompo sampy sahirana ny fanomezan’ireo fiangonana eran’i Galatia sy Makedonia ary Akaia, fa ho an’ireo “olona masina” mahantra.—1Ko 16:1; 2Ko 9:1, 2.