Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahalalana

Fahalalana

Fahafantaran-javatra vokatry ny zavatra iainana na dinihina na ianarana. Ampirisihin’ny Baiboly isika hikatsaka ny fahalalana marina, sy hihevitra izany ho sarobidy noho ny volamena. (Oh 8:10; 20:15) Nasongadin’i Jesosy fa tena ilaina ny mahalala marina tsara azy sy ny Rainy. Resahina imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina koa fa zava-dehibe ny fahalalana.​—Jn 17:3; Fi 1:9; 2Pe 3:18.

Ilay manome fahalalana. I Jehovah no manome fahalalana. Avy aminy ny aina, ary izay velona ihany no afaka mahazo fahalalana. (Sl 36:9; As 17:25, 28) Namorona ny zava-drehetra koa Andriamanitra, ka ny fandinihana ny zavaboariny no ahazoana fahalalana. (Ap 4:11; Sl 19:1, 2) Nampanoratra ny Teniny koa izy mba hahalalan’ny olona ny sitrapony sy ny fikasany. (2Ti 3:16, 17) I Jehovah àry no fototry ny tena fahalalana rehetra. Tokony hatahotra azy ny olona mikatsaka an’izany mba tsy hampahatezitra azy. Io tahotra io no fiandoham-pahalalana. (Oh 1:7) Afaka ny hahazo fahalalana marina tsara àry ny olona matahotra azy, fa ho mora hanatsoaka hevi-diso momba izay hitany kosa ny olona tsy miraharaha azy.

Lazain’ny Baiboly hoe “Andriamanitry ny fahalalana” sy “tapitr’ohatra amin’ny fahalalana” i Jehovah.​—1Sa 2:3; Jb 36:4; 37:14, 16.

Mitana toerana lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ny Zanany, ka hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: ‘Tsara afina ao aminy tokoa ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’ (Kl 2:3) Tsy afaka ny hahatakatra ny tena votoatin’ny Soratra Masina àry ny olona tsy mino hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Tsy ho takany koa ny fomba ahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra voambara mialoha.

Handinika an’ireo teny hebreo sy grika nadika matetika hoe “fahalalana” isika izao, ary hahita ny ifandraisan’ny fahalalana amin’ny fahendrena, fahiratan-tsaina, fahaiza-misaina, ary fahaiza-manavaka. Ho azontsika kokoa ny hevitry ny hoe fahalalana sy ny maha zava-dehibe azy io.

Hevi-teny. Teny maromaro ao amin’ny Soratra Hebreo no azo adika hoe “fahalalana” ary misy ifandraisany amin’ny matoanteny hoe yadaʽ, izay midika hoe “mahalala (rehefa nilazana)”, “mahalala (rehefa nandinika)”, “mahalala (avy amin’ny zavatra niainana)”, na “za-draharaha, mahay.” Ny teny manodidina no ahafantarana ny tena hevitry ny teny iray sy ny fomba tokony handikana azy. Nilaza, ohatra, Andriamanitra fa ‘fantany’ i Abrahama, ka azony antoka fa handidy ny ankohonany hankatò Azy io lehilahy nanam-pinoana io. Tsy hoe fantatr’i Jehovah fotsiny ny fisian’i Abrahama, fa fantany tsara koa izy satria efa hitany fa nankatò Azy sady nanaraka ny fivavahana marina an-taonany maro.​—Ge 18:19, TV, Prot., f.a.p.; Ge 22:12; ampit. JEHOVAH (Ilay anarana ao amin’ny Soratra Hebreo, sy ny heviny).

Manana heviny hoe mahalala zavatra, toy ilay matoanteny hoe yadaʽ (mahalala) ihany, ny teny hebreo hoe daʽat nadika hoe “fahalalana.” Mety hanana heviny hafa koa anefa izy io. Nisy fotoana, ohatra, tsy nisy “fahalalana an’Andriamanitra” teo amin’ny Israely. (Ho 4:1, 6) Tsy hoe tsy fantatry ny Israelita akory fa i Jehovah no Andriamanitra nanafaka sy nitarika azy ireo fahiny. (Ho 8:2) Namono olona sy nangalatra ary nanitsakitsa-bady anefa izy ireo. Nolavin’izy ireo àry ny tena fahalalana satria tsy nifanaraka tamin’izany ny fomba fiainany.​—Ho 4:2.

Ilazana firaisana ara-nofo koa indraindray ny hoe yadaʽ. Ao amin’ny Genesisy 4:17 io teny io, ary nisy Baiboly nandika azy io ara-bakiteny hoe “nahalala.” (Prot.; Kat.; JM) Mety kokoa anefa ny nandikana azy io hoe ‘nanao firaisana.’ (TV; DIEM) Hoatran’izany koa ny nandikana ny matoanteny grika hoe ginôskô ao amin’ny Matio 1:25 sy Lioka 1:34.

Hoy i Jehovah tamin’ilay niaraka taminy tamin’izy namorona (Jn 1:1-3), rehefa nihinana tamin’ny voankazo voarara i Adama sy Eva (Ge 2:17; 3:5, 6): “Efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Ge 3:22) Toa tsy midika fotsiny izany hoe nahalala izay tsara sy ratsy ho an’ny tenany izy mivady, satria ny didin’Andriamanitra efa nampahafantatra azy an’izany. Tsy hoe lasa nahalala ny ratsy koa izy ireo rehefa nanao ratsy, satria nilaza i Jehovah fa lasa tahaka azy izy ireo. (Ge 3:22) I Jehovah anefa tsy nanao ratsy vao nahalala ny ratsy. (Sl 92:14, 15) Nahalala ny tsara sy ny ratsy àry i Adama sy Eva, amin’ny heviny hoe izy ireo indray no namaritra ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy. I Jehovah anefa no manan-jo hamaritra an’izany satria faran’izay hendry izy. Nanandra-tena ho ambony noho Andriamanitra àry izy ireo ka tsy nankatò azy fa namorona lalàna ho an’ny tenany. Tsy toy ny an’i Jehovah anefa ny fahalalany ny atao hoe tsara sy ratsy, ka nitondra fahoriana ho azy izany.​—Je 10:23.

Samy nadika hoe “fahalalana” ny teny grika hoe gnôsis sy epignôsis, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Misy ifandraisany amin’ny matoanteny hoe ginôskô, midika hoe “mahalala, mahazo, mahatakatra” izy ireo. Manana heviny koa anefa io matoanteny io hoe mifandray tsara ny olona iray sy ilay olona ‘fantany.’ (1Ko 8:3; 2Ti 2:19) Mampirisika antsika hahazo fahalalana (gnôsis) ny Soratra Grika Kristianina. Tsy izay antsoin’ny olona hoe “fahalalana” anefa dia tsara hananana daholo. “Atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka”, ohatra, ny filozofia sy ny fomba fihevitra sasany. (1Ti 6:20) Ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany kosa no tokony hokatsahina. (2Pe 1:5) Tsy ampy anefa ny mahalala ny zava-misy, satria mba mahalala izany ihany ny olona maro tsy mino an’Andriamanitra. Ilaina koa ny fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy. (Jn 17:3; 6:68, 69) Mety hanambony tena ny olona manam-pahalalana. Isika kosa mahalala “ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra noho ny fahalalana”, satria miezaka manahaka an’izany fitiavany izany. Izany no manampy antsika hahay handanjalanja sy hahay hampiasa tsara ny fahalalana azontsika.​—Ef 3:19.

Fanamafisana ny hoe gnôsis ny hoe epignôsis (epi, midika hoe “fanampiny”), satria matetika no midika hoe “fahalalana marina tsara, na fahalalana feno” izy io. Nilaza, ohatra, i Paoly fa nisy nianatra (nandray fahalalana) ‘nefa tsy nety nahalala marina tsara [‘tsy nahatratra ny fahalalana’, Prot., Kat.] ny fahamarinana mihitsy.’ (2Ti 3:6, 7) Nivavaka koa izy mba ‘hofenoina fahalalana marina tsara ny sitrapon’Andriamanitra’ ny Kristianina tany Kolosia izay efa nahalala izany sitrapony izany, “ka hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara.” (Kl 1:9) Tokony hikatsaka an’io fahalalana io ny Kristianina rehetra (Ef 1:15-17; Fi 1:9; 1Ti 2:3, 4), mba hahafahany hitafy ny “toetra vaovao” sy hahazo fiadanana.​—Kl 3:10; 2Pe 1:2.

Ny ifandraisany amin’ny toetra hafa. Matetika ny fahalalana no ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny toetra hafa, toy ny fahendrena, fahiratan-tsaina, fahaiza-manavaka ary fahaiza-misaina. (Oh 2:1-6, 10, 11) Ilaina ny manavaka an’ireo toetra ireo mba hahazoana ny hevitra fonosin’ny andinin-teny maro. Tsara homarihina anefa fa tsy misy teny malagasy mifanitsy tsara amin’ny teny hebreo sy grika tsirairay. Arakaraka ny teny manodidina sy ilay teny fidina koa mantsy ny heviny. Misy maha samy hafa azy ihany anefa ny fahalalana, fahendrena, fahiratan-tsaina, fahaiza-manavaka, ary fahaiza-misaina.

Fahendrena. Ny fahaizana mampiasa fahalalana no atao hoe fahendrena. Misy olona manam-pahalalana be nefa tsy mahay mampiasa izany satria tsy manam-pahendrena izy. Aseho amin’izay atao ny fahendrena, satria hoy i Jesosy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’ (Mt 11:19) Nangataka fahendrena tamin’Andriamanitra i Solomona, ankoatra ny fahalalana, ary nomeny azy izany. (2Ta 1:10; 1Mp 4:29-34) Naneho izany fahendrena izany i Solomona rehefa nandamina ny adin’ny vehivavy roa niady zaza iray. Fantany mantsy fa tia zanaka ny reny. (1Mp 3:16-28) “Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra” satria tsy dia misy ilana ny fahalalana raha tsy eo izy io. (Oh 4:7; 15:2) Manana fahalalana sy fahendrena be dia be i Jehovah, ary vonona ny hanome izany.​—Ro 11:33; Jk 1:5.

Fahiratan-tsaina. Ny fahaizana mahita ny lafin-javatra rehetra tafiditra amin’ny toe-javatra iray sy mahita ny fomba ifandraisan’izy ireny, no atao hoe fahiratan-tsaina. Midika hoe “manasaraka” na “manavaka” ny matoanteny fototeny hebreo hoe bin, ka matetika adika hoe “mahazo hevitra” na “mahay manavaka.” Mitovitovy amin’izany koa ny hevitry ny teny grika hoe syniemi. Milaza, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 28:26 (izay namerina ny Is 6:9, 10) fa nihaino sy nandre ny Jiosy saingy tsy nahazo ny hevitr’izay reny. Tsy hainy ny nampifandray an’ireo hevitra samy hafa reny, ka tsy azony hoe inona no fianarana tokony horaisiny. Hoy ny Baiboly: “Ny fahalalana an’Ilay Masina Indrindra no atao hoe fahiratan-tsaina.” (Oh 9:10) Midika izany fa mifandray foana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany ny tena fahiratan-tsaina. Hain’ny olona mahira-tsaina ny mampifandray ny zava-baovao ianarany amin’izay efa fantany. Marina àry ilay hoe: ‘Mora amin’ny mahira-tsaina ny mahazo fahalalana.’ (Oh 14:6) Tsy afa-misaraka ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina, ka samy tokony hokatsahina.​—Oh 2:5; 18:15.

Fahaiza-manavaka. Misy ifandraisany amin’ny hoe binah na “fahiratan-tsaina” ny teny hebreo (tevonah) adika matetika hoe “fahaiza-manavaka.” Samy hita ao amin’ny Ohabolana 2:3 izy ireo. Hoy ilay andininy: “Raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazoana fahaiza-manavaka.” Ny fahaizana mahita ny lafin-javatra rehetra no atao hoe fahaiza-manavaka, toy ny amin’ny fahiratan-tsaina ihany, fa miampy fahaizana mamantatra hoe iza amin’ireo lafiny ireo no zava-dehibe kokoa. Mahafehy ny vavany sy tony ny olona manam-pahalalana sady mahay manavaka. (Oh 17:27) Tsy mahay manavaka kosa izay manohitra an’i Jehovah. (Oh 21:30) Omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany ny fahaiza-manavaka (fahatakarana tsara).​—2Ti 2:1, 7.

Fahaiza-misaina. Misy ifandraisany amin’ny fahalalana koa ilay adika indraindray hoe “fahaiza-misaina” (heb.: mezimmah). Mety hanana heviny ratsy (hevi-dratsy, teti-dratsy) na tsara (fahamalinana, fahendrena) io teny hebreo io. (Sl 10:2; Oh 1:4) Mety hanana tanjona tsara na ratsy àry ny olona iray, arakaraka izay ampifantohany ny sainy sy ny eritreriny. Hiaro ny fahaizany misaina izy ka hampiasa tsara izany, raha mandinika ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra sy manongilan-tsofina amin’izay lazainy momba ny sitrapony sy ny fikasany. (Oh 5:1, 2) Tsy ho voataona haloto fitondran-tena izy raha mahay misaina tsara sy mahay mampiasa ny fahendrena sy fahalalana omen’Andriamanitra.​—Oh 2:10-12.

Mila mitandrina izay mahazo fahalalana. Hoy i Solomona: “Rehefa be ny fahendrena dia be koa ny fahasosorana, hany ka mitombo ny fahorian’izay mitombo fahalalana.” (Mpto 1:18) Toa mifanohitra amin’ny voalazan’ny Baiboly momba ny soa entin’ny fahalalana izany. Tian’i Solomona hasongadina eo anefa fa zava-poana ny ezaka rehetra ataon’ny olona, raha tsy arahiny ny didin’Andriamanitra. (Mpto 1:13, 14) Mety hahazo fahalalana momba ny sehatra maro ny olona iray, na mety handalina momba ny zavatra iray izy, ka hahazo fahendrena. Tsy misy maha ratsy an’izany, na dia tsy misy ifandraisany amin’ny fikasan’Andriamanitra aza ilay izy. Mety hitombo ny fahalalan’ilay olona sy ny fahendreny. Vao mainka anefa ho tsapany fa tsy afaka mampiasa izany firy izy, satria fohy ny androm-piainany ary be ny olana sy faharatsiana eto amin’ity tontolo ity. Ho sosotra sy kivy àry izy. (Ampit. Ro 8:20-22; Mpto 12:13, 14; jereo MPITORITENY.) “Mandreraka ny tena” koa ny fahalalana azo avy amin’ny ‘fifantohana amin’ny boky maro’, raha tsy hoe ampiasaina hanatanterahana ny didin’Andriamanitra angaha.​—Mpto 12:12.