Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahamamoana

Fahamamoana

Ny vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola, raha be loatra no sotroina. Lazaina hoe mpimamo ny olona zatra misotro toaka mandra-pahamamony.

Anisan’ny zava-pisotro mahamamo resahin’ny Baiboly ny divay vita tamin’ny voaloboka (De 32:14) sy ny zava-pisotro misy alkaola vita tamin’ny varimbazaha na voa hafa. (Is 1:22) Eken’i Jehovah ny isotroana divay na zava-pisotro hafa misy alkaola, raha mahalala onony. Izy mantsy no manome ny “divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty.”​—Sl 104:14, 15; jereo DIVAY SY TOAKA; LABIERA.

Raran’ny Baiboly. Melohin’ny Baiboly ny fimamoana. Manazava ny vokatry ny fisotroana be loatra ny mpanoratra ny Ohabolana. Toy ny hitan’ny maso sady azo porofoina ara-tsiansa ny fanazavany. Hoy izy: “Iza no iharan-doza? Iza no mahatsapa ho tsy metimety? Iza no tia mifanditra? Iza no be tebiteby? Iza no maratra tsy amin’antony? Iza no manana maso mivoaramena? Tsy iza izany fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay, sy izay miditra mba hitady divay misy fangarony. Aza mijery divay amin’izato lokony mena, sy ny famirapiratany ao anaty kaopy [tena mampitelin-drora, manjelanjelatra], ary ny fikorianany midina [misosa mora foana] any an-tenda. Fa amin’ny farany, dia hanaikitra tahaka ny menarana izy, ary hamoaka poizina tahaka ny bibilava [mahatonga aretina (manimba ny selan’ny aty) sy manimba ny saina (mampirediredy sy mampifanintona), ary tena mety hahafaty]. Hahita zavatra hafahafa ny masonao [misy vokany amin’ny atidoha ny alkaola ka lasa tsy afa-miasa ny faritra mifehy ny fihetsika. Lasa tsy mahafehy tena ilay olona; mahita zavatra tsy misy; very tadidy ka mba hanaronana izany dia mamorona tantara mahagaga, ary toa marina erỳ ny filazany azy; manjary manao an’izay zavatra tsy sahiny natao izy], ary hisy eritreri-dratsy hitsiry ao am-ponao [tsy mifehy tena intsony izy fa avoakany izay ao an-tsainy sy izay vetsovetsom-pony].”​—Oh 23:29-33; Ho 4:11; Mt 15:18, 19.

Hazavain’ny mpanoratra ny Ohabolana izay tsapan’ny olona mamo: “Ho sahala amin’ny olona matory eo afovoan-dranomasina ianao [toy ny hoe entin’ny rano milentika, ary farany tsy mahatsiaro tena], ary ho tahaka ny olona matory eny an-tendron’ny andrin-tsambo [eny no tena ahatsapana ny fihozongozon’ny sambo. Midika izany fa atahorana ny ain’ilay olona mamo satria mety hiharan-doza izy, ho tapaka lalan-dra, hiady aman’olona, sy ny toy izany]. Dia hilaza ianao hoe: ‘Nokapohiny aho, nefa tsy nahare naharary. Noveleziny aho, nefa tsy tsaroako akory [hoy izy miteny irery; tsy henony akory izay tena nanjo azy sy izay kapoka natao taminy]. Rahoviana àry aho no hifoha mba hitadiavako divay indray [tsy maintsy matory izy mba hisava ny toakany; efa lasa miankin-doha amin’ny toaka anefa izy ka hitady bebe kokoa azy io indray avy eo]?’” Hahantra izy satria ho lany amin’ny toaka ny volany ary tsy ho azo ianteherana izy sady tsy hahavita hiasa.​—Oh 23:20, 21, 34, 35.

Voarara eo anivon’ny fiangonana kristianina. Mora mitabataba ny mpimamo, sady tsy mahalala fomba, tsy mahafehy tena, ary manao hadalana, ka manala baraka. (Oh 20:1; Sl 107:27; Is 19:14) Tsy leferina eo anivon’ny fiangonana kristianina àry ny fimamoana. Ahitana ny fiheveran’Andriamanitra momba ny fimamoana ny Lalàna nomeny ho an’ny Israely. Tokony hotoraham-bato ho faty ny zanaka mafy loha sy manohitra, izay sady tendan-kanina no mamo lava. (De 21:18-21) Mandidy ny Baiboly hoe tokony horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina ny mpimamo tsy mibebaka. (1Ko 5:11-13) Anisan’ny “asan’ny nofo” ny “fibobohan-toaka” sy ny “lanonana feno filibana”, izay samy fanaon’ireo firenena. Efa nodiovina kosa ny Kristianina, ka tsy manao izany intsony. Raha miverina manao izany indray anefa izy ary tsy mibebaka, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (1Ko 6:9-11) Tsy tokony handany fotoana hanao ny sitrapon’izao tontolo izao intsony izy, izany hoe tsy tokony hiboboka divay na hifaninana hisotro. (1Pe 4:3) Tsy maintsy miezaka mafy kosa izy mba hanana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra.​—Ga 5:19-24.

Tokony hahay handanjalanja sy hisaina tsara àry ny Kristianina. Izany no takina amin’ny mpiandraikitra (1Ti 3:1-3; Tit 1:7); amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana (1Ti 3:8); amin’ny lehilahy sy vehivavy zokiolona (Tit 2:2, 3); amin’ny lehilahy sy vehivavy tanora (Tit 2:4-8); ary amin’ny zanaka (indrindra fa ny zanaky ny mpiandraikitra).​—Tit 1:6.

Niresaka momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny apostoly Paoly, ary nananatra an’ireo Kristianina tany Korinto. Nisy mantsy nitondra sakafo sy zava-pisotro tany am-pivoriana. Nihinana sy nisotro be loatra izy ireo nefa tsy mba nanome an’ireo rahalahiny sahirana, ka nataony izay hahamenatra an’ireny rahalahiny ireny. Rehefa nankalazaina amin’izay àry ny Sakafo Harivan’ny Tompo, dia tsy mendrika ny hihinana ny mofo sy hisotro tamin’ny divay ny sasany satria vao avy nihinana tafahoatra, ary ny sasany kosa noana. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Misy noana ary misy mamo.”​—1Ko 11:20-22.

Raran’ny Lalàna ny misotro zava-pisotro misy alkaola alohan’ny hanaovana zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony hisotro divay na toaka ny mpisorona teo amin’ny Israely rehefa nanao ny andraikiny. Mety ho faty izy raha nandika izany.​—Le 10:8-11.

Nahoana ny Baiboly no milaza hoe mamo ny lehilahy toa an-dry Noa sy Lota?

Maromaro ny fitantarana momba ny olona mamo resahin’ny Baiboly. Nosoratana izy ireny, satria mifandray amin’ny zava-dehibe tsara ho fantatsika. Voalaza, ohatra, fa nanao tanimboaloboka i Noa taorian’ny Safodrano, ary “nisotro divay izy ka mamo.” Tantaraina ao amin’ny Soratra Masina izany mba ho azontsika hoe nahoana izy no nanozona an’i Kanana. (Ge 9:20-27) Nampisotro divay be an’i Lota koa ny zanany roa vavy, indroa alina, mba hahamamo azy ka hahafahan’izy roa hanao firaisana taminy. (Ge 19:30-38) Io tantara io no ahafantarantsika ny niandohan’ny firenen’i Moaba sy Amona ary ny rohim-pihavanan’izy ireo tamin’ny Israely. Azo inoana fa mamo be i Lota ka tsy nisaina tsara intsony. Tsy mamo tampona anefa izy matoa afaka nanao firaisana taminy izy roa vavy. Mandrara mafy ny fimamoana ny Tenin’Andriamanitra ka azo antoka fa tsy hoe zatra niboboka divay ireo lehilahy marina ireo, ary tsy mpimamo. Hita eo anefa fa tsy manafina na manamboamboatra ny tena zava-nisy ny Baiboly rehefa mitantara zavatra, mba ho azontsika tsara izay ilaintsika ho fantatra. Nisy olon-kafa mamo koa resahin’ny 1 Samoela 25:36-38; 2 Samoela 11:13; 1 Mpanjaka 20:15-21.

Fiheveran-diso. Nilatsaka tamin’ireo mpianatr’i Kristy ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Niteny tamin’ny fiteny samy hafa izy ireo, ka nahatonga ny olona hilaza hoe: “Mamon-divay mamy ireo.” Hoy anefa i Petera: “Tsy mamo, araka ny fiheveranareo azy, ireo olona ireo satria vao ora fahatelo amin’ny andro izao”, izany hoe tamin’ny 9.00 maraina teo ho eo, nisaina nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro (tamin’ny 6.00 teo ho eo). (As 2:1-4, 13-15) Nanana ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany ireo olona nankalaza ny Pentekosta ireo. Izao no voalazan’i Isaia: “Lozan’izay mifoha maraina mba hitady toaka.” (Is 5:11) Tsy fanaon’ny olona ny manao fety na fanasambe amin’izany vao maraina be izany, raha ny marina. Sarotra inoana àry hoe mamo daholo ireo olona 120 ireo tamin’izany ora izany. “Amin’ny alina” mantsy, hoy i Paoly, “no fimamoan’izay mpimamo.”​—1Te 5:7.

Fahamamoana karazany hafa. Voalaza fa “mamon-divay” ireo mpitondra tao amin’ny fanjakan’ny foko folo (ny fokon’i Efraima no maro an’isa tao). Fahamamoana karazany hafa anefa izany. Toy ny mamo mantsy izy ireo matoa tiany ny tsy niankina tamin’ny fanjakan’ny Joda, ary matoa izy ireo nanao fifanarahana tamin’ireo fahavalon’ny Joda. Ireo mpanjakan’ny Joda anefa no nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah.” (1Ta 29:23) Azo inoana fa mamo ara-bakiteny koa izy ireo. Vita fifanekena tamin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, nefa toy ny hoe mamo ka sahy nandika an’ilay fifanekena ary nanala baraka an’Andriamanitra.​—Is 28:1-4.

Lazaina koa hoe mamo ny mpisorona sy ny mpitondra tao Joda. Fahamamoana karazany hafa koa izany. Izy ireo mantsy no mpitarika teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra nefa nampianatra lovantsofin’olombelona izy ireo sady nilaza lainga momba ny firenena masin’Andriamanitra. Tamin’i Asyria indray izy ireo no nitady fanampiana, fa tsy tamin’Andriamanitra. (Is 29:1, 9-14; 2Mp 16:5-9) Araka ny voalaza mialoha, dia nobaboin’i Asyria tamin’ny 740 T.K. i Israely izay toy ny mamo. Nivadi-pinoana i Joda, tatỳ aoriana, ka voatery nisotro tamin’ny kaopin’ny fahatezeran’Andriamanitra ary nivembena toy ny mamo rehefa nalefa sesitany tany Babylona tamin’ny 607 T.K. (Is 51:17-23) Nisotro tamin’izany kaopy izany koa i Babylona (“ny mpanjakan’i Sesaka”), 68 taona tatỳ aoriana, satria nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra.​—Je 25:15-29.

Lazain’ny Baiboly hoe vehivavy mpivaro-tena mamon-divay i “Babylona Lehibe”, ary nitazona kaopy volamena “feno zava-maharikoriko sy zava-maloton’ny fijangajangany.” Mamon’ny “divain’ny fijangajangany” ny mponin’ny tany. Izy koa aza “mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy.” Naloto fitondran-tena izy ka ho ringana mandrakizay.​—Ap 17:1-6, 16; 14:8; 18:8; jereo BABYLONA LEHIBE.