Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahamarinana

Fahamarinana

Avy amin’ny teny hebreo hoe ʼemet, izay mety hidika hoe mafy orina, azo itokisana, tsy miovaova, tsy mivadika, marina na tena izy. (Ek 18:21; 34:6; De 13:14; 17:4; 22:20; Js 2:12; 2Ta 18:15; 31:20; Ne 7:2; 9:33; Es 9:30; Sl 15:2; Mpto 12:10; Je 9:5) Mifanohitra amin’ny hoe fitaka na tsy fahamarinana ny teny grika hoe aleteia, ary midika hoe ara-drariny na mifanaraka amin’ny zava-misy. (Mr 5:33; 12:32; Lk 4:25; Jn 3:21; Ro 2:8; 1Ko 13:6; Fi 1:18; 2Te 2:10, 12; 1Jn 1:6, 8; 2:4, 21) Misy teny maromaro tany am-boalohany koa azo adika hoe “fahamarinana”, arakaraka ny teny manodidina.

Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana. “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Sl 31:5) Mendri-pitokisana izy amin’izay rehetra ataony. Azo antoka ny fampanantenany satria tsy mahay mandainga izy. (No 23:19; 1Sa 15:29; Sl 89:35; Tit 1:2; He 6:17, 18) Mitsara araka ny marina izy, izany hoe mifanaraka amin’ny tena zava-misy, fa tsy mitsara ivelany. (Ro 2:2; ampit. Jn 7:24.) Madio sy tsy misy tsiny izay rehetra avy aminy. Marina ny didim-pitsarany, ny lalàny, ny didiny, ary ny teniny. (Ne 9:13; Sl 19:9; 119:142, 151, 160) Ara-drariny foana izy ireny, ary mifanohitra amin’ny hoe tsy marina sy diso.

Izay porofoin’ny zavaboary. Porofoin’ny zavaboary fa misy Andriamanitra. Nanafina an’izany fahamarinana izany anefa ny olona sasany “nahalala an’Andriamanitra”, hoy i Paoly. Nanao sy nanompo sampy mantsy izy ireo, fa tsy nanompo an’Andriamanitra mifanaraka amin’ilay fahamarinana fantany momba ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy. Tsy tena andriamanitra ny sampy, fa lainga sy fitaka fotsiny. (Je 10:14) Fantatr’ireo olona ireo ny marina momba an’Andriamanitra nefa natakalony “lainga.” “Nanompo zavatra noforonina sy nivavaka tamin’izany” izy ireo, “fa tsy tamin’ny Mpamorona”, ka nanjary nanao an’izao fanao mamoafady rehetra izao.​—Ro 1:18-31.

Misongadina kokoa rehefa nanota ny olona. Tsy nampiova ny toetran’ilay Mpamorona mihitsy ny fanao mamoafady nataon’ny tsy Jiosy, sy ny tsy fankatoavan’ny Jiosy ny lalàn’Andriamanitra. Vao mainka aza nisongadina kokoa ny fahamarinany sy ny fahamasinany, ka nitondra voninahitra ho azy. Tsy tokony hisy hilaza anefa hoe tsy rariny ny handringanan’Andriamanitra ny mpanao ratsy. Zavaboarin’Andriamanitra mantsy ny olombelona, ka tsy manan-jo hanao ratsy sy hanimba tena.

Izany no nasongadin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Hoy izy: ‘Raha mampiharihary ny fahamarinan’Andriamanitra ny tsy fahamarinantsika, inona no holazaintsika? Tsy rariny ve ny ataon’Andriamanitra rehefa mampihatra ny fahatezerany izy?​—Miteny toy ny fanaon’ny olona aho.​— Sanatria izany! Raha manao ny tsy rariny Andriamanitra, hataony ahoana no fitsara izao tontolo izao? Raha noho ny laingako [ampit. Sl 62:9] anefa no nahatonga ny fahamarinan’Andriamanitra hisongadina kokoa ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota ihany? Ary maninona moa raha miteny hoe: “Andao hanao ratsy mba hiavian’ny soa”? Izany mantsy no fanendrikendrehana atao amintsika sy lazain’ny sasany fa tenenintsika. Ara-drariny ny fanamelohana an’ireny olona ireny.’ (Ro 3:5-8) Nanafaka ny vahoakany Andriamanitra mba hiainan’izy ireo mifanaraka amin’ny fahamarinana ka hanomezany voninahitra azy, fa tsy hanotan’izy ireo. Hoy i Paoly: “Aoka ny vatanareo tsy hatolotrareo ho an’ny ota ho fitaovam-piadian’ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an’Andriamanitra kosa ny tenanareo izay toy ny efa maty fa velona ankehitriny, eny, atolory azy ny vatanareo ho fitaovam-piadian’ny fahamarinana.”​—Ro 6:12, 13.

Inona no dikan’ilay hoe i Jesosy Kristy no “fahamarinana”?

“Feno hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fahamarinana” toa an’i Jehovah Rainy i Jesosy Kristy. (Jn 1:14; Ef 4:21) Nilaza ny marina reny tamin’ny Rainy izy tetỳ an-tany. (Jn 8:40, 45, 46) “Tsy nanota izy, ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.” (1Pe 2:22) Ny tena zava-misy no noresahiny. Tsy hoe ‘feno fahamarinana’ fotsiny i Jesosy, fa izy mihitsy no “fahamarinana” ary tonga tamin’ny alalany izy io. Hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” (Jn 14:6) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Koa satria nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ny Lalàna, dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy kosa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahamarinana.”​—Jn 1:17.

Tsy te hilaza akory i Jaona eo hoe diso ny Lalàn’i Mosesy. Marina izy io satria masina sy ara-drariny ary tsara, mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra. (Sl 119:151; Ro 7:10-12) Mpitaiza nitarika ho amin’ny Kristy anefa izy io (Ga 3:23-25), ary aloky ny zavatra tena izy sy lehibe kokoa. (He 8:4, 5; 10:1-5) Tsy ny fahamarinana rehetra anefa no hita tao. Tsy maintsy nosoloana àry izy io rehefa tonga ny tena izy. Nanamafy izany i Paoly hoe: “Aoka tsy hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, na ny andro fety na ny fankalazana tsinam-bolana, na fitandremana sabata. Fa aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia an’i Kristy.” (Kl 2:16, 17) ‘Tonga tamin’ny alalan’i Jesosy ny fahamarinana’, rehefa notanterahiny ny zavatra nambaran’ny Lalàna mialoha. Izy àry no “fahamarinana” satria tsy aloka izy fa ilay tena izy. Tonga ‘mpanompo’ koa izy “mba hanaporofoana fa marina Andriamanitra.” Notanterahiny mantsy izay nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny razamben’ny Jiosy, rehefa nanompo an’ireo Jiosy voafora sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy.​—Ro 15:8; jereo JESOSY KRISTY (‘Nanambara ny marina’).

Nilaza koa i Paoly fa misy “fahamarinana ao amin’ny Lalàna.” (Ro 2:20) Tsy midika anefa izany hoe nisy diso ny Lalàna, fa te hilaza fotsiny izy hoe tsy ny fahamarinana rehetra no hita tao.

“Ny fanahin’ny fahamarinana.” Madio sy masina ny fanahy avy amin’i Jehovah Andriamanitra. “Fanahin’ny fahamarinana” izy io. (Jn 14:17; 15:26) Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny. Fa rehefa tonga izy, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana, dia hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra, satria tsy araka ny nahim-pony no hitenenany, fa izay reny no holazainy, ary hambarany aminareo ny zavatra ho avy.”​—Jn 16:12, 13.

Ny fanahin’Andriamanitra no hampianatra azy ireo an’izay rehetra tokony ho fantany mba hanatanterahana ny asa nanirahana azy ireo. Hampahatsiahy azy ireo ny zavatra tsy azony tamin’ny fampianaran’i Jesosy koa izy io, ary hanampy azy ireo hahatakatra izany. (Jn 14:26) Hanambara amin’izy ireo “ny zavatra ho avy” izy io. Mbola tsy azon’ny mpianatra, ohatra, tamin’izany hoe nahoana no ho faty sy hatsangana amin’ny maty i Jesosy, satria tatỳ aoriana izany vao nitranga. (Mt 16:21-23; Lk 24:6-8, 19-27; Jn 2:19-22; 12:14-16; 20:9) Nanampy azy ireo hanambara ny hoavy koa ny fanahin’Andriamanitra. (As 11:28; 20:29, 30; 21:11; 1Ti 4:1-3) “Fanahin’ny fahamarinana” ny fanahy masina ka tsy hampianatra lainga mihitsy, fa hiaro azy ireo kosa amin’ny fampianaran-diso. (Ampit. 1Jn 2:27; 4:1-6.) Hanambara ny marina momba an’i Jesosy Kristy koa izy io. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nanampy an’ireo mpianany izy io hahazo ny hevitr’ireo faminaniana manaporofo fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Ireny faminaniana ireny avy eo no nampiasain’izy ireo rehefa nitory. (Jn 15:26, 27; ampit. As 2:14-36; Ro 1:1-4.) Efa talohan’ny Pentekosta anefa ny “fanahin’ny fahamarinana” no vavolombelona nanambara fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra (1Jn 5:5-8), satria izy io no nanosorana azy. Nanampy azy hahavita fahagagana koa izy io.​—Jn 1:32-34; 10:37, 38; As 10:38; jereo FANAHY.

Ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. Milaza ny tena zava-misy ny Tenin’Andriamanitra. Mampahafantatra ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany ary ny didiny izy io, ary koa ny toe-javatra misy ny olombelona. Hazavainy hoe inona no takina amin’ny olona iray raha tiany ny ho masina foana eo anatrehan’i Jehovah sy hampiasainy. Nivavaka ho an’ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.” (Jn 17:17; ampit. Jk 1:18.) Nanadio ny fiainan’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka nohamasinina izy ireo rehefa nankatò azy io. (1Pe 1:22) ‘Tsy anisan’ilay tontolo’ tsy nanaraka ny fahamarinan’Andriamanitra àry izy ireo.​—Jn 17:16.

‘Mandeha amin’ny fahamarinana.’ Tokony handeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra sy hanompo azy amim-pahatsorana ireo te hahazo sitraka aminy. (Js 24:14; 1Sa 12:24; Sl 25:4, 5; 26:3-6; 43:3; 86:11; Is 38:3) Midika izany fa tokony hanao izay takiny izy ireo, ary tsy hivadika aminy. Hoy i Jesosy Kristy: “Ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy. Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jn 4:23, 24) Tsy zavatra foronin’ny saina no arahin’izy ireo, fa zavatra tena misy, mifanaraka amin’izay lazain’Andriamanitra momba azy sy ny fikasany ao amin’ny Teniny.

Ny Fivavahana Kristianina no “lalan’ny fahamarinana” (2Pe 2:2), ary “mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana” (3Jn 8) ireo manampy ny hafa hampandroso an’io fivavahana io. Antsoina hoe “fahamarinana” na “fahamarinan’ny vaovao tsara” ny fampianarana kristianina rehetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy “mandeha” amin’io fahamarinana io na manaraka azy io izay te ho voavonjy. (Ro 2:8; 2Ko 4:2; Ef 1:13; 1Ti 2:4; 2Ti 4:4; Tit 1:1, 14; He 10:26; 2Jn 1-4; 3Jn 3, 4) Manaraka ny fahamarinana izay manaraka ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ka mandray soa. Mendrika ny halain-tahaka àry ireo tsara fitondran-tena. (3Jn 11, 12) Tsy “mandeha” amin’ny fahamarinana intsony kosa izay tsy manaraka ny fampianarana kristianina, fa lasa ratsy fitondran-tena na mampianatra hevi-diso. Anisan’ireny ireo nanizingizina fa tsy maintsy forana izay te ho voavonjy. Nifanohitra tamin’ny fahamarinana ny zavatra nampianarin’izy ireo, ka tsy nankatò ny fahamarinana intsony izay nanaiky ny fampianarany. (Ga 2:3-5; 5:2-7) Nahitsin’i Paoly koa ny apostoly Petera rehefa tsy “nandeha” araka “ny fahamarinan’ny vaovao tsara”, fa nihatakataka tamin’ny tsy Jiosy.​—Ga 2:14.

“Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.” “Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” ny fiangonana kristianina, satria arahiny tsara ny fahamarinana ary arovany ny fahadiovan’izy io. (1Ti 3:15) Mila manazava “ny tenin’ny fahamarinana” amin’ny fomba marina tsara àry ny mpiandraikitra. Miaro ny fiangonana amin’ny fampianaran-diso izy ireo rehefa mahay mampiasa ny Tenin’Andriamanitra, ka mampianatra “an’ireo tsy mora manaiky, fa angamba Andriamanitra hamela azy hibebaka, ka hahalala marina tsara ny fahamarinana izy.” (2Ti 2:15-18, 25; ampit. 2Ti 3:6-8; Jk 5:13-20.) Tsy ny rehetra eo anivon’ny fiangonana anefa no mahafeno fepetra hampianatra toy izany. Tsy tokony hirehareha hoe mahafeno fepetra ho mpampianatra ny lehilahy be fialonana sy tia mifanditra, satria lainga fotsiny izany. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Iza aminareo no hendry sy mahira-tsaina? Aoka izy haneho izany amin’ny alalan’ny fitondran-tena tsara, ka ho hita eo amin’izay ataony fa maneho fahalemem-panahy avy amin’ny fahendrena izy. Raha be fialonana sy tia mifanditra anefa ianareo ao am-ponareo, dia aza mirehareha na mandainga hanohitra ny fahamarinana.”​—Jk 3:13, 14.

Tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana ny Kristianina tsirairay, mba hahatonga ny fiangonana ho “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.” (Ef 5:9) Tokony ho tsara fitondran-tena foana izy, toy ny hoe ‘ataony fehikibo eo amin’ny andilany ny fahamarinana.’ (Ef 6:14) Tsy ny fahadiovan’ny tenany ihany anefa no tsy maintsy tandroviny, fa ny an’ny fiangonana koa. Nampitandrina ny amin’ireo olona tsy tan-dalàna mandoto ny fiangonana i Paoly. Hoy izy: “Esory ny lalivay efa ela, mba ho koba vaovao ianareo, satria tsy tokony hisy lalivay ianareo. Fa efa natao sorona tokoa i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska. Koa aoka isika hankalaza ilay fety, tsy amin’ny lalivay efa ela, na amin’ny lalivain’ny faharatsiana sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny mofon’ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.” (1Ko 5:7, 8) Indray mandeha monja i Jesosy Kristy, ilay tena zanak’ondrin’ny Paska, no nanao sorona ny ainy (ampit. He 9:25-28), ary oharina amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ny fiainan’ny Kristianina iray manontolo. Tsy tokony hanao ratsy na haneho haratsiam-panahy mihitsy àry ny Kristianina. Tsy maintsy vonona hanaisotra an’izay mety handoto ny tenany na ny fiangonana izy, ka ‘hankalaza ilay fety amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny mofon’ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.’