Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahamarinana, Fahitsiana

Fahamarinana, Fahitsiana

Avy amin’ny teny hebreo hoe tsedek na tsedakah sy ny teny grika hoe dikaiôsyne, izay ilazana fitsipika mamaritra an’izay mahitsy. Fampiasa amin’ny resaka fitsarana na didim-pitsarana koa ireo teny ireo. Nadika hoe “rariny” àry izy ireo indraindray. (Sl 35:24; 72:2; 96:13; Is 11:4; Ap 19:11) Miverina inefatra ny hoe tsedek ao amin’ny Levitikosy 19:36, izay mandidy ny mpivarotra hoe: “Tokony ho mizana marina sy vatomizana marina no hanananareo, ary koa efaha marina sy hina marina.”

Avy amin’Andriamanitra ilay fitsipika. Hoy i Kenneth Wuest, manam-pahaizana momba ny teny grika: “Andriamanitra irery ihany no mamaritra ny atao hoe dikaiôs [marina], ary ataony izay tsy hiovaovan’ny hevitr’io teny io satria izy Ilay tsy miovaova.” Naveriny avy eo ny tenin’i Cremer manam-pahaizana hafa momba ny teny grika, manao hoe: “Fahitsiana no hevitry ny hoe fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Andriamanitra no manome fitsipika mamaritra ny atao hoe fahamarinana. Manana fitondran-tena mifanaraka amin’izany fitsipiny izany ny olo-marina. Ny fitsipiny momba izay atao hoe marina no tokony ho zava-dehibe indrindra rehefa mifandray aminy sy miara-mandeha aminy. Io ilay hoe dikaiôsone teo (fahamarinan’Andriamanitra) (Ro 1:17) ary izany rahateo no iantsoana azy. Avy amin’Andriamanitra izy io sady sarobidy Aminy, ary fahamarinana mifanaraka amin’ny sitrapony, jereo Ef 4:24. Tamin’ny alalan’ny filazantsara (Ro 1:17) àry no nampiharihariana an’io fahamarinana io tamin’ireo firenena, izay matetika no efa nanaraka fitsipika hafa.”​—Fandalinana ny Voambolana ao Amin’ny Testamenta Vaovao Grika, 1946, p. 37.

Nanazava ny atao hoe olo-marina i Lioka, rehefa nilaza toy izao momba an’i Zakaria mpisorona sy Elizabeta vadiny (ray aman-drenin’i Jaona Mpanao Batisa): “Samy olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady, satria nandeha tsy nisy tsiny araka ny didin’i Jehovah rehetra sy araka izay notakin’ny lalàny.” (Lk 1:6) Olo-marina àry izay manao ny sitrapon’Andriamanitra sy mankatò ny didiny. Mety tsy hitovy ny didy omen’Andriamanitra ny mpanompony, amin’ny vanim-potoana samy hafa. Tsy nisy nodidiany hanao sambofiara, ohatra, afa-tsy i Noa irery ihany, ary tsy nodidiany hanao famorana ny Kristianina. Tsy miova mihitsy anefa ny fitsipik’Andriamanitra momba izay tsara sy ratsy, ny toetrany ary ny maha izy azy, rehefa jerena ny teniny sy ny ataony. Lavorary àry ny fitsipiny, ary mafy orina toy ny ‘vatolampy’ sady tsy miovaova. Izy ireny no amaritana raha mety na tsia ny fitondran-tenan’ny zavaboariny rehetra.​—De 32:4; Jb 34:10; Sl 92:15; Ezk 18:25-31; 33:17-20.

Hatsaram-panahy sy fahamarinana. Toa misy fahasamihafana ny hatsaram-panahy sy ny fahamarinana. Hoy mantsy ny apostoly Paoly rehefa niresaka momba ny fahafatesan’i Kristy ho sorona: “Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, fa angamba mety hisy ihany ho sahy ho faty ho an’ny olona tsara fanahy. Andriamanitra kosa anefa naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.” (Ro 5:7, 8) “Olo-marina” ny olona manao tsara ny andraikiny, manao ny rariny, tsy manavakavaka, milaza ny marina, tsy meloka ho nanao fahadisoana na naloto fitondran-tena, ka fantatra ho madio fitondran-tena sy manao izay mahitsy. Toa aleo anefa olona “tsara fanahy” toy izay olo-marina, rehefa dinihina ny tenin’i Paoly. Mazava ho azy fa manao ny marina koa ny olona “tsara fanahy”, saingy misy toetra hafa mampiavaka azy, araka ny hevitry ny teny grika nadika hoe “tsara fanahy.” Vonona hanasoa ny hafa izy, ary mampiseho izany amin’ny ataony. Tsy hoe manao ny rariny fotsiny izy, fa miahy ny hafa koa sady te hanampy.​—Ampit. Mt 12:35; 20:10-15; Lk 6:9, 33, 35, 36; Jn 7:12; As 14:17; Ro 12:20, 21; 1Te 5:15.

Toa te hilaza àry i Paoly fa na dia mety hohajain’ny olona aza ny “olo-marina”, dia mety tsy hisy ho vonona hamoy ny ainy ho azy. Mamy hoditra kosa ny olona tsara fanahy satria sariaka, vonon-kanampy, be fiahiana, mamindra fo, ary manasoa ny hafa. Mety hanohina ny fo ny hatsaran-toetrany, ka mety hisy ho vonona hamoy ny ainy ho azy.

Ampifanoherin’ny Baiboly amin’ny hoe “ratsy” (Jn 5:29; Ro 9:11; 12:9; 16:19; 2Ko 5:10; 1Pe 3:11; 3Jn 11) na “ratsy fanahy” (Mt 5:45), ny hoe “tsara” na “tsara fanahy.” Ny “olo-marina” kosa ampifanoheriny amin’ny hoe “mpanota” (olona tsy marina). (Mr 2:17; Lk 15:7) Mety ho mpanota ny olona iray satria tsy mahavita manaraka an’ireo fitsipika marina, nefa tsy voatery hosokajina hoe “ratsy” na “ratsy fanahy.” Toy izany koa fa mety ho “olo-marina” ny olona iray nefa tsy voatery hosokajina hoe “tsara fanahy”, araka ilay heviny tetsy aloha.

“Tsara toetra sy marina” i Josefa avy any Arimatia, kanefa tsy tamin’ny fomba tonga lafatra satria tsy lavorary izy. (Lk 23:50; ampit. Mt 19:16, 17; Mr 10:17, 18; jereo HATSARAN-TOETRA [Hatsaran-toetran’i Jehovah].) “Masina [avy amin’Andriamanitra]” ny didy sy lalàna nomeny ho an’ny Israely, “sady ara-drariny no tsara [mahasoa amin’ny lafiny rehetra ho an’izay mankatò azy].”​—Ro 7:12; ampit. Ef 5:9.

Jehovah, Ilay Marina. Matetika no ilazana ny zavatra marina sy ara-drariny ataon’Andriamanitra ny teny hebreo hoe tsedek sy tsedakah ary ny teny grika hoe dikaiôsyne: Rehefa mampihatra ny fahefany amin’ny maha Mpanjaka izy (Jb 37:23; Sl 71:19; 89:14), na mitsara sy mampihatra didim-pitsarana (Sl 9:8; 85:11; Is 26:9; 2Ko 3:9), na manasazy an’ireo mihambo ho olony (Is 10:22), na miaro tena eo anatrehan’ny fitsarana (Sl 51:4; Ro 3:4, 5), na manafaka ny vahoakany (Mi 7:9).

“Fonenan’ny fahamarinana” i Jehovah. (Je 50:7) Izy àry Ilay Marina, ary manao ny marina izay zavaboariny mifandray aminy. Tsy mba mandika mihitsy an’ireo fitsipiny marina i Jehovah, ka azon’ny zavaboariny atokisana tanteraka. Hoy ny Daniela 9:7: “Anao ny fahamarinana, Jehovah ô.”

Marina sady mamindra fo. Tsy milefitra amin’ny fahotana mihitsy i Jehovah satria marina izy, manao ny rariny, masina ary madio. (Sl 5:4; Is 6:3, 5; Ha 1:13; 1Pe 1:15) Tsy afaka ny hamela ny fahotan’ny olona amin’izao fotsiny àry izy, fa tsy maintsy misy antony ara-dalàna sy ara-drariny vao mamela izany izy. Noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, dia nomeny ny Zanany mba ho sorona fampihavanana hanaronana ny fahotana. Rariny àry raha mamindra fo amin’ireo mpanota manaiky an’io fandaharana io izy. Hoy i Paoly: “Aseho ankehitriny fa afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona, nefa tsy amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna. Eny, afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy ... Fa samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra. Toy ny fanomezana maimaim-poana anefa ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy ... mba ho marina [Andriamanitra] rehefa manambara fa marina ny olona [nandova ota] mino an’i Jesosy.”​—Ro 3:21-26; jereo MANAMBARA HO MARINA.

Katsaho ny fahamarinan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny [fahamarinan’Andriamanitra], dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Mt 6:33) Mila mikatsaka foana an’ilay Fanjakana ny Kristianina, izany hoe tsy maintsy maniry ny hahatongavan’izy io ary tsy mivadika aminy. An’Andriamanitra ilay Fanjakana, ka tsy maintsy manao ny sitrapon’Andriamanitra izy ary manaraka ny fitsipiny momba izay tsara sy ratsy. Tsy maintsy ‘manavao ny sainy’ koa izy, mba hifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny lafiny rehetra amin’ny fiainany. (Ro 12:2) Tsy maintsy ‘tafiny ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.’​—Ef 4:23, 24.

Nihevitra ny Jiosy fa tsy maintsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra anefa izy ireo fa nitady hanamarina ny tenany. (Ro 10:1-3) Hoy àry i Jesosy tamin’ny mpianany: “Lazaiko aminareo fa tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy mihoatra lavitra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo.” Toy ny hoe olo-marina ny Fariseo, satria nankatò ny zavatra sasany notakin’ny Lalàna sy nanaraka fomban-drazana. Nataony tsy nanan-kery anefa ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazany. Nolaviny koa i Kristy, nefa amin’ny alalan’i Kristy no mety hanambaran’Andriamanitra azy ireo ho marina.​—Mt 5:17-20; 15:3-9; Ro 10:4.

Tsy mahatonga ny olona ho marina ny ataony. Tsy afaka ny ho olo-marina amin’ny fomba tonga lafatra ny olona tsy lavorary. Tsy ho vitany mantsy ny hanaraka an-tsakany sy an-davany an’izay lazain’Andriamanitra fa marina, na dia mankatò ny Lalàn’i Mosesy aza izy na manao izay heveriny fa marina. (Ro 3:10; 9:30-32; Ga 2:21; 3:21; Tit 3:5) Nantsoin’Andriamanitra hoe “olo-marina” kosa ireo naneho finoana azy. Tsy nanao izay noheveriny fa mety izy ireo fa naneho ny finoany tamin’ny nataony kosa, araka ny fitsipika marin’Andriamanitra.​—Ge 15:6; Ro 4:3-9; Jk 2:18-24.

Marina ny Lalàna. Tsy hoe tsy ahitana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny atao hoe marina akory ny Lalàn’i Mosesy. Hoy mantsy i Paoly: “Masina ny Lalàna, ary masina ny didy, sady ara-drariny no tsara.” (Ro 7:12; De 4:8) Nahatratra ny zava-kendren’Andriamanitra izy io, satria nampiharihary ny fandikan-dalàna sady mpitaiza nitarika ny Jiosy tso-po ho amin’i Kristy, ary aloky ny zavatra tsara ho avy. (Ga 3:19, 24; He 10:1) Tsy afaka ny ho lasa olo-marina amin’ny fomba tonga lafatra anefa ireo teo ambanin’ny Lalàna. Mpanota daholo mantsy izy ireo, ka tsy afaka nitandrina azy io an-tsakany sy an-davany. Tsy nahafoana ny fahotan’izy ireo koa ny sorona sy fanompoana nataon’ny mpisoronabe. Tsy afaka ny ho olo-marina àry izy ireo, raha tsy nanaiky ny fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany. (Ro 8:3, 4; He 7:18-28) Nambara ho marina ireo nanaiky an’i Kristy, tsy noho izy ireo mendrika izany akory, fa noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra. I Kristy no tonga “fahendrena avy amin’Andriamanitra” ho azy ireo, “sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” Amin’ny alalan’i Kristy ihany àry no tena ahafahana ho tonga olo-marina. Manandratra an’i Jehovah izany, satria mampiseho fa avy aminy ny fahamarinana rehetra fa tsy avy amin’olona na avy amin’izay ataon’ny olona, “mba ho araka ny voasoratra hoe: ‘Izay mirehareha, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.’”​—1Ko 1:30, 31; Ro 5:17.

Soa azo avy amin’ny fahamarinana. Tian’Andriamanitra ny olo-marina sady karakarainy. Hoy i Davida: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Sl 37:25) Hoy koa i Solomona: “Tsy havelan’i Jehovah ho noana ny olo-marina, fa holaviny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.” (Oh 10:3) Hotsarain’Andriamanitra araka ny marina amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny tany onenana. Hamorona “lanitra vaovao sy tany vaovao” hitoeran’ny fahamarinana koa izy. (As 17:31; 2Pe 3:13) Ny olo-marina no nampanantenaina fa handova ny tany. Ny ratsy fanahy kosa hesorina tsy ho amin’ny tany mba ‘hanavotana’ ny olo-marina, satria tsy hiadana mihitsy izy ireo raha mbola eo ny ratsy fanahy. Ho lasan’izy ireo ny fananan’ny ratsy fanahy, araka ity voalaza ity: “Ny harenan’ny mpanota kosa tehirizina ho an’ny marina.”​—Oh 13:22; 21:18.

Hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy amin’ny olona tso-po, dieny izao sy ho mandrakizay, ny olo-marina tsy mivadika. “Ny fahatsiarovana ny olo-marina dia hitondra fitahiana ho azy [fitahiana “mandritra ny fotoana tsy voafetra”], fa ho lo kosa ny anaran’ny ratsy fanahy.”​—Oh 10:7; Sl 112:6.

Hajao sy ekeo ny olo-marina. Hendry izay manaja an’ireo olona heverin’i Jehovah fa marina, sy manaiky ny torohevitra sy fananarana mahasoa omen’izy ireo. Anisan’ny olo-marina ny mpanompon’Andriamanitra sy ny mpaminaniny. Ireny no nampiasainy hananatra an’i Davida, izay nilaza hoe: “Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany. Ary raha mananatra ahy izy, dia toy ny menaka ahosotra amin’ny loha izany ka tsy holavin’ny lohako.”​—Sl 141:5.

“Ny fahitsiana ho fiarovan-tratra.” Hoy ny Baiboly: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Oh 4:23) Mila mitafy “ny fahitsiana ho fiarovan-tratra” àry ny Kristianina. (Ef 6:14) Tena ilaina ny manao an’izay lazain’Andriamanitra fa marina, mba hiarovana ny fo tsy hiova ho ratsy. Mamitaka sy sarotra fehezina mantsy ny fon’ny olona tsy lavorary, ka mila fanitsiana sy tari-dalana. (Je 17:9) Tsy hahafehy ny fony ny Kristianina raha tsy manaraka tsara ny voalazan’ny Soratra Masina, izay nolazain’i Paoly fa “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” Tokony hekeny sy hankasitrahany ny fanitsiana omen’ny olo-marina izay mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra.​—2Ti 3:16, 17.