Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahamasinana

Fahamasinana

Ilazana an’izay masina, “madio na tsy misy loto eo amin’ny lafiny ara-pivavahana.” Ny teny hebreo hoe kôdesh dia midika koa hoe tafasaraka, voatokana ho an’Andriamanitra irery ihany, na nohamasinina ho an’ilay Andriamanitra masina ary natokana ho amin’ny fanompoana azy. Manana heviny hoe nosarahina tamin’ny hafa mba ho an’Andriamanitra koa ny teny grika nadika hoe “masina” (hagiôs) sy “fahamasinana” (hagiasmôs [sy “fanamasinana”]; hagiôtes; hagiôsyne) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ampiasaina koa ireo teny ireo hilazana an’ilay toetran’Andriamanitra hoe masina, sy hilazana fitondran-tena madio na tonga lafatra.

Jehovah. An’i Jehovah ny fahamasinana. (Ek 39:30; Za 14:20) Niantso azy hoe “Ray Masina” i Kristy Jesosy. (Jn 17:11) Hoy koa ireo anjely any an-danitra: “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!” Nambarany fa i Jehovah no fara tampony amin’ny fahamasinana sy ny fahadiovana. (Is 6:3; Ap 4:8; ampit. He 12:14.) Izy no “Ilay Masina Indrindra”, ary masina mihoatra noho ny rehetra. (Oh 30:3; ny teny hebreo nadika hoe “Masina Indrindra” eto dia amin’ny endriny milaza maro enti-manondro fahamboniana sy fahatsarana.) Vita sokitra teo amin’ilay takela-bolamena namirapiratra teo amin’ny satroky ny mpisoronabe ny soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana.” Isaky ny nahita izany ny Israelita dia nahatsiaro hoe avy amin’i Jehovah ny fahamasinana rehetra. Ilay takelaka no “famantarana masina hoe voatokana” hanao fanompoana tena masina ilay mpisoronabe. (Ek 28:36; 29:6) Izao no hiram-pandresena nataon’i Mosesy ary nohirain’ny Israely, rehefa tafampita ny Ranomasina Mena izy ireo: “Iza amin’ireo andriamanitra no tahaka anao, Jehovah ô? Iza no tahaka anao izay fara tampony amin’ny fahamasinana?” (Ek 15:11; 1Sa 2:2) Nianiana tamin’ny fahamasinany i Jehovah, ho antoka fanampiny fa hotanterahiny izay nolazainy.​—Am 4:2.

Masina ny anaran’Andriamanitra, ary natokana mba tsy hisy loto mihitsy. (1Ta 16:10; Sl 111:9) Tokony hohamasinina mihoatra noho ny anarana hafa rehetra ny hoe Jehovah. (Mt 6:9) Mendrika ny ho faty izay manao tsinontsinona azy io.​—Le 24:10-16, 23; No 15:30.

I Jehovah Andriamanitra no Mpanome ny lalàna sy ny toro lalana rehetra (Jk 4:12), ary masina indrindra izy. Matoa àry masina ny olona na zavatra iray dia satria misy ifandraisany amin’i Jehovah sy ny fanompoana azy. Tsy hahira-tsaina sy ho hendry ny olona, raha tsy mahalala an’Ilay Masina Indrindra. (Oh 9:10) Tsy maintsy amin’ny fahamasinana no anompoana an’i Jehovah. Maharikoriko azy izay milaza hoe manompo azy, nefa zatra manao fahalotoana. (Oh 21:27) Nilaza i Jehovah fa hanokatra lalana izy mba ho afaka hiverina tany Jerosalema ny Israelita babo tany Babylona. Hoy izy: “Hisy lalambe hantsoina hoe Lalan’ny Fahamasinana any. Tsy handalo eny ny olona tsy madio.” (Is 35:8) Tena nazoto niverina tany tokoa ny Jiosy sisa tavela, tamin’ny 537 T.K., mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina. Tsara sy masina ny antony niverenan’izy ireo, fa tsy noho ny antony politika na noho ny fitiavan-tena.​—Ampit. Za 14:20, 21.

Fanahy masina. Hery ampiasain’i Jehovah ny fanahiny masina. Voafehiny tsara izy io ary manatanteraka ny fikasany foana. Madio sy masina izy io, ary natokana mba hampiasain’Andriamanitra. Izany no iantsoana azy io hoe “fanahy masina.” (Sl 51:11; Lk 11:13; Ro 1:4; Ef 1:13) Mahatonga ny olona hanana fitondran-tena madio sy masina izy io. Manohitra na ‘mampalahelo’ azy io ny olona zatra manao fahalotoana na manao ratsy. (Ef 4:30) Marina fa tsy hoe olona ny fanahy masina. Azo lazaina hoe ‘malahelo’ anefa izy io, satria izy io no ampiasain’Andriamanitra anehoana ny fihetseham-pony sy ny toetrany masina. Mety ‘hamono ny afon’ny fanahy’ ny fanaovan-dratsy, na inona izany na inona. (1Te 5:19) ‘Halahelo’ ny fanahy masina raha tohizina ilay fanao ratsy. Mety ho lasa fahavalon’Andriamanitra ilay manao izany satria mikomy. (Is 63:10) Mety ho tonga hatramin’ny fanevatevana ny fanahy masina ny olona mampalahelo azy io. Nilaza i Jesosy Kristy fa tsy ho voavela heloka ny olona toy izany, na amin’izao fiainana izao na amin’ilay ho avy.​—Mt 12:31, 32; Mr 3:28-30; jereo FANAHY.

Jesosy Kristy. I Jesosy Kristy no Ilay Masin’Andriamanitra, ary miavaka mihitsy izy. (As 3:14; Mr 1:24; Lk 4:34) I Jehovah no nanao azy ho masina tamin’izy namorona an’io Zanany lahitokana io. Masina foana i Jesosy tany an-danitra noho izy niaraka akaiky indrindra tamin’ilay Rainy. (Jn 1:1; 8:29; Mt 11:27) Nafindra tao an-kibon’ilay virjiny hoe Maria ny ainy, tatỳ aoriana, ary nateraka ho olona masina sady Zanak’Andriamanitra izy. (Lk 1:35) Izy ihany no olombelona masina foana, izany hoe, lavorary foana sady tsy nisy ota mihitsy. ‘Tsy nivadika, tso-po, tsy nisy loto, tafasaraka tamin’ny mpanota’ koa izy, hatramin’ny faran’ny fiainany teto an-tany. (He 7:26) Nambara ho marina àry izy noho ny ezaka nataony. (Ro 5:18) Noho ny fahamasinany dia lasa misy olon-kafa koa ambara hoe masina eo anatrehan’Andriamanitra. Mila mino ny sorom-panavotan’i Kristy anefa izy ireo mba hahazoany izany. ‘Finoana masina’ izany, ary mitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona manana azy io foana.​—Jd 20, 21.

Olona hafa. Nekena ho masina ny firenen’Israely satria Andriamanitra no nifidy sy nanamasina azy, ka nanao fifanekena taminy mba ho lasa fananany manokana. Nilaza tamin’ny Israelita izy fa “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” izy ireo, raha nankatò azy. (Ek 19:5, 6) ‘Ho masina eo anatrehan’Andriamaniny’ izy ireo raha nankatò. Nananatra azy ireo toy izao Andriamanitra: “Aoka ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.” (No 15:40; Le 19:2) Nanome azy ireo lalàna momba ny sakafo sy ny fahadiovana ary ny fitondran-tena Andriamanitra, ary ireny lalàna ireny no nampahatsiahy azy ireo foana hoe vahoaka voatokana izy ireo ary masina teo imason’Andriamanitra. Hentitra ireny lalàna ireny ka nisakana azy ireo tsy hifanerasera tamin’ireo mpanompo sampy nanodidina, ary niaro azy ireo mba ho masina foana. Tsy ho masina teo imason’Andriamanitra intsony ilay firenena, raha tsy nankatò ny lalàny.​—De 28:15-19.

Masina ny firenen’Israely manontolo, nefa koa nisy Israelita sasantsasany noheverina ho masina tamin’ny fomba niavaka. Natokana mba hanompo tao amin’ny toerana masina, ohatra, ny mpisorona ary indrindra fa ny mpisoronabe. Nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Masina àry izy ireo, ary tsy maintsy nitandrina mba ho masina foana ka ho afaka hanao ny fanompoany ary hoheverin’Andriamanitra ho masina foana. (Le 21; 2Ta 29:34) Masina koa ny mpaminany sy ireo lehilahy nahazo ny herin’ny fanahy masina mba hanoratra ny Baiboly. (2Pe 1:21) Nantsoin’ny apostoly Petera hoe “masina” ny vehivavy sasany fahiny izay tsy nivadika tamin’Andriamanitra. (1Pe 3:5) Noheverina ho masina koa ny miaramila israelita tany an’ady, satria adin’i Jehovah no nataon’izy ireo. (No 21:14; 1Sa 21:5, 6) Masina ho an’i Jehovah ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israely, satria notsimbinin’i Jehovah izy ireny tamin’ny Paska tany Ejipta, ka tsy maty. An’i Jehovah izy ireny. (No 3:12, 13; 8:17) Tsy maintsy nentina tany amin’ny toerana masina àry ny lahimatoa rehetra mba havotana. (Ek 13:1, 2; No 18:15, 16; Lk 2:22, 23) Masina ny lehilahy na ny vehivavy nivoady ho Nazirita, tamin’ny andro rehetra nanefany voady. Fotoana natokana tanteraka hanaovana fanompoana manokana ho an’i Jehovah izany. Tsy maintsy nanao izay notakin’ny lalàna ilay Nazirita. Raha nandika izany izy, dia naloto ary tsy maintsy nanao sorona manokana taorian’izay mba ho masina indray. Tsy isaina ireo andro teo aloha nanefany ny voadiny, fa voatery naverina hatramin’ny voalohany.​—No 6:1-12.

Toerana. Lasa masina ny toerana iray, rehefa eo i Jehovah. (Tsy izy mivantana no niseho tamin’ny olona fa anjely no nisolo tena azy; Ga 3:19.) Lasa masina, ohatra, ny tany nijoroan’i Mosesy rehefa niresaka taminy avy tao anaty voaroy nirehitra ny anjely iray nisolo tena an’i Jehovah. (Ek 3:2-5) Lasa masina koa ilay toerana nijoroan’i Josoa rehefa niseho taminy sy nijoro teo anoloany ny anjely iray lehiben’ny tafik’i Jehovah. (Js 5:13-15) Nantsoin’i Petera hoe “tendrombohitra masina” ny toerana nitrangan’ny fiovan-tarehin’i Kristy sy nitenenan’i Jehovah tamin’izay fotoana izay.​—2Pe 1:17, 18; Lk 9:28-36.

Masina ny tokotanin’ny tranolay. Voalazan’ny lovantsofina fa tsy nanao kapa ireo mpisorona rehefa nanompo tao amin’ny toerana masina, satria toy ny hoe tao i Jehovah. Nantsoina hoe “ny Toerana Masina” sy “ny Masina Indrindra” ireo efitra roa tao, arakaraka ny toerana nisy azy raha oharina amin’ny toeran’ilay Vata misy ny fifanekena. (He 9:1-3) Masina koa ilay tempoly naorina tao Jerosalema taorian’izay. (Sl 11:4) Masina ny Tendrombohitra Ziona sy Jerosalema satria tao no nisy ny toerana masina sy ny “seza fiandrianan’i Jehovah.”​—1Ta 29:23; Sl 2:6; Is 27:13; 48:2; 52:1; Da 9:24; Mt 4:5.

Nampahatsiahivina ny tafiky ny Israely fa tsy tokony havelany hisy diky na loto hafa tao an-toby. “Mandehandeha ao an-tobinao mantsy i Jehovah Andriamanitrao ... Koa aoka ho masina ny tobinao mba tsy hahita zavatra manafintohina eo aminao izy, ka hiala ary tsy hiaraka aminao intsony.” (De 23:9-14) Hita eo fa misy ifandraisany ny hoe madio sy masina.

Fotoana. Nisy andro na fotoana voatokana ho masina ho an’ny Israely. Tsy hoe ilay andro na fotoana amin’izao fotsiny no masina. Masina kosa izy io satria andro fety nifandray tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah. Nanokana ireny andro ireny Andriamanitra mba hahasoa sy hampahery ny vahoakany. Anisan’ireny andro ireny ny Sabata isan-kerinandro, (Ek 20:8-11) izay fotoana nahafahan’ny olona nifantoka tamin’ny lalàn’Andriamanitra sy nampianatra izany an’ireo zanany. Anisan’ny fivoriambe masina na Sabata koa ny andro voalohan’ny volana fahafito (Le 23:24), ary ny Andro Fandrakofam-pahotana tamin’ny andro fahafolon’io volana fahafito io ihany. (Le 23:26-32) Nanao “fivoriambe masina” ny olona rehefa fety, indrindra fa tamin’ny andro sasany nandritra ireny fety ireny. (Le 23:37, 38) Ireto avy izany fety izany: Paska sy Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (Le 23:4-8); Pentekosta na Fetin’ireo Herinandro (Le 23:15-21); ary Fetin’ny Trano Rantsankazo na Fanangonam-bokatra.​—Le 23:33-36, 39-43; jereo FIVORIANA, FIVORIAMBE.

Taona sabata koa isaky ny taona fahafito, ka masina ilay taona manontolo. Tsy tokony hovolena ny tany mandritra ny taona sabata. Nanjary nanam-potoana bebe kokoa àry ny Israelita mba hianarana ny lalàn’i Jehovah, sy hisaintsainana izany, ary hampianarana izany an’ireo zanany, toy ny fanaony rehefa sabata isan-kerinandro ihany. (Ek 23:10, 11; Le 25:2-7) Eo koa ny taon-jobily isaky ny 50 taona, izay nekena ho taona masina koa. Taona sabata koa izy io, sady fotoana fanarenana ny toe-karen’ilay firenena mba ho toy ny nanaovan’Andriamanitra azy tamin’ny fotoana nizarana an’ilay tany. Taona masina nisian’ny fahafahana sy fialan-tsasatra ary famelombelomana izy io.​—Le 25:8-12.

Nasain’i Jehovah ‘nampahory tena’ ny vahoakany tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, izay andro “fivoriambe masina.” Midika izany fa tokony hifady hanina sy hiaiky ny fahotany izy ireo ary hanenina noho izany. (Le 16:29-31; 23:26-32) Tsy tokony hitomany na halahelo anefa ny vahoakan’i Jehovah, mandritra ny andro masina amin’i Jehovah. Tokony hifaly sy hidera an’i Jehovah kosa izy ireo, noho izay rehetra nataony vokatry ny hatsaram-panahiny sy ny fitiavany.​—Ne 8:9-12.

Andro fitsaharan’i Jehovah. Asehon’ny Baiboly fa tokotokony ho 6 000 taona lasa izay, dia nanomboka nitsahatra tamin’ny asa famoronana Andriamanitra, ka nanambara ny “andro” fahafito ho masina. (Ge 2:2, 3) Nasehon’ny apostoly Paoly fa maharitra ela be io andro fitsaharan’i Jehovah io. Nilaza mantsy izy fa mbola tsy nifarana izy io tamin’ny androny satria mbola afaka niditra tamin’izy io ny Kristianina nino sy nankatò. Andro masina izy io, ary mahatsiaro ho maivamaivana sy ho faly ny Kristianina miaina amin’izany, na dia eo amin’ny tontolo mandreraka sy feno ota aza.​—He 4:3-10; jereo ANDRO.

Zavatra. Natokana hampiasaina tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny zavatra sasany. Lasa masina koa izy ireny satria nohamasinina ho amin’ny fanompoana. Masina izy ireny nefa tsy midika hoe manana hery mahagaga ka afaka miaro na mitondra fitahiana. Anisan’ireny, ohatra, ny Vata misy ny fifanekena. Nentina tany an’ady izy io rehefa niady ny Filistinina sy ny Israely, ary nanaraka azy io tany izy roa lahy ratsy fanahy zanak’i Ely. Hita hoe tsy nanan-kery mahagaga hiarovana ilay izy tamin’izay. (1Sa 4:3-11) Ireto koa ny zavatra sasany nasain’Andriamanitra nohamasinina: Ny alitara (Ek 29:37), ny menaka fanosorana (Ek 30:25), ny emboka manitra (Ek 30:35, 37), ny fitafian’ny mpisorona (Ek 28:2; Le 16:4), ny mofo aseho (Ek 25:30; 1Sa 21:4, 6), ary ny fanaka rehetra tao amin’ny toerana masina, anisan’izany ny alitara volamena fandoroana emboka manitra, ny latabatra nisy ny mofo aseho, ny fitoeran-jiro, ary ny fitaovana niaraka tamin’ireo. (1Mp 7:47-51) Niavaka ny fahamasinan’izy ireny, satria tandindon’ireo zavatra any an-danitra izy ireny sady nampiasaina an’ohatra mba hahasoa an’ireo handova famonjena.​—He 8:4, 5; 9:23-28.

Antsoina hoe “ny Soratra Masina” ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Notarihin’ny fanahy masina mantsy ny olona nanoratra azy io. Manana hery hanamasinana an’izay mankatò an’ireo didy voasoratra ao anatiny koa izy io.​—Ro 1:2; 2Ti 3:15.

Biby sy vokatra. Neken’i Jehovah hoe masina ny lahy voalohan-teraky ny omby sy ondry ary osy, ka tsy azo avotana fa tokony hatao sorona. Nomena an’ireo nohamasinina ho mpisorona ny ampahany tamin’ilay izy. (No 18:17-19) Masina koa ny voaloham-bokatra sy ny ampahafolon-karena ary ny sorona sy ny fanomezana rehetra nohamasinina ho an’ny fanompoana tao amin’ny toerana masina. (Ek 28:38) Tsy tokony hatao tsinontsinona, na hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro, na hozimbazimbaina ny zavatra heverin’i Jehovah hoe masina. Ahitana izany, ohatra, ny lalàna momba ny ampahafolon-karena. Raha nisy lehilahy nanokana ampahafolon-karena tamin’ny vokatra varimbazaha, nefa nisy tamin’ny ankohonany na ny tenany koa aza naka tsy nahy tamin’ilay izy ary nampiasa izany tao an-trano, angamba nahandro an’ilay izy, dia meloka ho nandika ny lalàna momba ny zava-masina ilay lehilahy. Nasain’ny Lalàna nanonitra an’ilay izy tany amin’ny toerana masina izy sady mbola nanampy ampahadiminy, ary nitondra ondrilahy tsy misy kilema hatao fanatitra. Natao izany mba hanajana fatratra ny zava-masin’i Jehovah.​—Le 5:14-16.

Fahamasinan’ny Kristianina. Ny Zanak’Andriamanitra no Mpitarika ny Kristianina. Masina izy tamin’izy nateraka ho olombelona (Lk 1:35), ary mbola masina foana nandritra ny fiainany teto an-tany. (Jn 17:19; As 4:27; He 7:26) Masina tanteraka izy ary tonga lafatra ny fahamasinany, ka hita tamin’izay noeritreretiny sy nolazainy ary nataony izany. Niezaka mba ho masina foana izy mandra-pahafatiny ho sorona, ka nanjary nisy olon-kafa koa afaka ny ho masina. Nantsoina tamin’ny “fiantsoana masina” àry ireo nantsoina hanara-dia azy. (2Ti 1:9) Lasa voahosotr’i Jehovah sy rahalahin’i Jesosy Kristy izy ireo, sady antsoina hoe “olona masina.” (Ro 15:26; Ef 1:1; Fi 4:21) Lasa masina izy ireo, satria mino ny sorom-panavotan’i Kristy. (Fi 3:8, 9; 1Jn 1:7) Tsy hoe izy ireo mihitsy àry no masina, ary tsy noho ny ezaka nataony no naha masina azy fa noho i Jesosy Kristy kosa.​—Ro 3:23-26.

Imbetsaka ny Soratra Masina no miantso an’ireo anisan’ny fiangonana hoe “olona masina” na “olo-masina.” Asehon’ireny andininy ireny fa tsy olona na fikambanana no manendry ho olona masina, ary mbola velona izy ireo dia efa “olo-masina” fa tsy miandry azy ho efa maty. “Olona masina” izy ireo satria nantsoin’Andriamanitra ho mpiara-mandova amin’i Kristy. Mbola eto an-tany izy ireo dia efa heverin’Andriamanitra ho masina, ary manantena izy ireo fa hiaina any an-danitra, any amin’ny misy an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ary ny anjely masina.​—1Pe 1:3, 4; 2Ta 6:30; Mr 12:25; As 7:56.

Tokony hadio fitondran-tena foana. Miezaka mba ho masina toa an’Andriamanitra sy Kristy ireny olona masina ireny, ary manampy azy ireny amin’izany ny fanahin’Andriamanitra. (1Te 3:12, 13) Midika izany fa mila mianatra sy mankatò ny Teny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo. (1Pe 1:22) Mila manaiky ny famaizan’i Jehovah koa izy ireo. (He 12:9-11) Raha tena masina àry ny olona iray, dia hiezaka foana hanana fitondran-tena masina sy madio ary mahitsy. Nampirisihina ny Kristianina mba hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra ho sorona masina sy ankasitrahana, toy ny sorona masina natolotra fahiny tao amin’ny toerana masina. (Ro 12:1) Nodidiana koa izy ireo hoe: “Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.’”​—1Pe 1:15, 16.

“Mpiray firenena amin’ny olona masina sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra” ireo anisan’ny vatan’i Kristy. (Ef 2:19) Ampitovina amin’ny tempoly masina (tempoly vita amin’ny vato velona) ho an’i Jehovah izy ireo. Anisan’ny “firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana” izy ireo. (1Pe 2:5, 9) Tsy maintsy manadio ny tenany izy ireo “ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2Ko 7:1) Tsy tia an’Andriamanitra na tsy matahotra azy ny Kristianina raha zatra mandoto na manimba ny tenany, na raha mampianatra zavatra na manaraka fitondran-tena mifanohitra amin’ny Baiboly. Manao izay tsy hahamasina ny tenany intsony koa izy. Tsy misy mantsy olona manao fahalotoana ka hoe mbola ho masina foana.

Tokony hanaja zava-masina. Raha mandoto ny tenany ny olona anisan’ilay tempoly an’ohatra, dia tsy ny tenany ihany no lotoiny sy simbainy fa ny tempolin’Andriamanitra koa. “Raha misy mandrava ny tempolin’Andriamanitra, dia haringan’Andriamanitra izy. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, ary ianareo izany tempoly izany.” (1Ko 3:17) Navotan’ny ran’Ilay Masin’Andriamanitra ny olona anisan’ilay tempoly. (1Pe 1:18, 19) Hosazin’i Jehovah izay olona manazimbazimba ny zava-masin’i Jehovah, na tenan’ilay olona ihany izany zava-masina izany na zavatra hafa natokana ho an’Andriamanitra. Hosaziny koa izay olona manimba na manisy ratsy olona hafa heverin’Andriamanitra ho masina.​—2Te 1:6-9.

Nampahafantarin’Andriamanitra tamin’ny Israely hoe ahoana no fiheverany ny fanazimbazimbana ny fananany masina. Nanome lalàna mantsy izy hoe tsy tokony hatao toy ny zavatra fampiasa amin’ny fiainana andavanandro na hozimbazimbaina ny zavatra voatokana ho masina, ohatra hoe ny voaloham-bokatra sy ny ampahafolon-karena. (Je 2:3; Ap 16:5, 6; Lk 18:7; 1Te 4:3-8; Sl 105:15; Za 2:8) Eritrereto koa izao: Nosazin’Andriamanitra ny Babylonianina noho izy ireo nanazimbazimba ny fitaovana tao amin’ny tempoly, sy noho izy ireo nambabo an’ilay firenena masina. (Da 5:1-4, 22-31; Je 50:9-13) Matetika àry ny Kristianina no nampahatsiahivina mba ho tia sy hikarakara an’ireo olona masin’i Jehovah, izany hoe ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy Kristy. Noderaina ireny Kristianina ireny rehefa nanao izany.​—Ro 15:25-27; Ef 1:15, 16; Kl 1:3, 4; 1Ti 5:9, 10; Flm 5-7; He 6:10; ampit. Mt 25:40, 45.

Eken’Andriamanitra ho masina. I Jesosy no mpialoha lalana ho any an-danitra ary izy koa no nanokatra ny lalana mankany. Talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany anefa, dia efa nisy olona nekena ho masina. Tsy iza izany fa ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika fahiny. (He 6:19, 20; 10:19, 20; 1Pe 3:5) Afaka ny ho masina eo imason’Andriamanitra koa àry ny “vahoaka be”, tsy anisan’ny 144 000 “voaisy tombo-kase.” Aseho ho manao akanjo madio sy voasasa tamin’ny ran’i Kristy mantsy izy ireo. (Ap 7:2-4, 9, 10, 14; jereo VAHOAKA BE.) Amin’ny farany, dia ho masina daholo izay miaina any an-danitra sy etỳ an-tany, satria “ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”​—Ro 8:20, 21.

Tokantrano heverin’i Jehovah ho masina. Heverin’Andriamanitra ho masina ny fianakavian’ny olona iray masina. Raha Kristianina masina eo imason’Andriamanitra, ohatra, ny olona iray, dia mandray soa amin’izany fahamasinany izany ny vady aman-janany, na dia tsy nanokan-tena hanompo an’Andriamanitra aza izy ireo. Nanoro hevitra toy izao àry ny apostoly Paoly: “Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. Fa hamasinina noho ny amin’ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin’ny rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tena tsy madio ny zanakareo, nefa masina izy ireo izao.” (1Ko 7:12-14) Tsy hoe heverina ho maloto àry ilay Kristianina satria hoe tsy Kristianina ny vadiny. Tsy heverin’Andriamanitra ho maloto ilay fianakaviana. Noho ny fiarahan’ilay Kristianina amin’ny fianakaviany kosa aza, dia tena mety ho lasa Kristianina koa ireo mbola tsy Kristianina, sady ho afaka hanatsara ny toetrany sy hanolotra ny tenany ho “sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra.” (Ro 12:1; Kl 3:9, 10) Sambatra ilay fianakaviana satria ahitana fomba fiaina madio sy masina ao an-tokantrano, noho ilay vady manompo an’Andriamanitra.​—Jereo FANAMASINANA (Eo anivon’ny tokantrano).