Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahasambarana

Fahasambarana

Lazaina hoe sambatra ny olona raha finaritra, nefa tsy hoe finaritra vetivety fotsiny fa maharitra. Tsy hoe mahatsiaro ho afa-po fotsiny koa izy fa tena faly mihitsy mahatsapa hoe mamy ny miaina, ary tiany raha mitohy foana izany. Tsy fahafinaretana fotsiny àry ny fahasambarana, satria zava-mitranga tsy ampoizina na zavatra manaitaitra fotsiny dia efa ahazoana fahafinaretana.

ʼEsher no teny hebreo nadika hoe “sambatra” (Sl 40:4), ary midika kosa hoe ‘atao hoe sambatra’ ny matoanteny hoe ʼashar iray tarika aminy. (Ge 30:13) Ampiasaina amin’ny olona ireo teny hebreo ireo, ary matetika no manondro an’izay tsapa rehefa manao ny tsara, ohatra hoe miahy ny mahantra na matahotra an’i Jehovah. (Sl 41:1; 112:1) Makariôs kosa no teny grika nadika hoe “sambatra.”

“Tahina” no andikan’ny Baiboly sasany ilay teny hebreo hoe ʼashar sy ilay teny grika hoe makariôs, ao amin’ny Salamo sy Ohabolana ary indrindra ao amin’ilay toriteny nataon’i Jesosy Kristy teo an-tendrombohitra. “Sambatra” anefa no dikan-teny marina kokoa, satria teny hebreo sy grika hafa no midika hoe “mitahy” (heb.: barak; gr.: eolôgeô). Ankoatra izany, dia midika hoe mahazo fitahiana ny hoe “tahina”, fa ny hoe “sambatra” kosa manondro an’izay tsapan’ireo notahin’Andriamanitra. Baiboly maoderina maro no mandika ny ʼashar sy makariôs hoe “sambatra, fahasambarana” (Prot., Kat., DIEM, TV).

Jehovah sy Jesosy Kristy. “Andriamanitra falifaly” na sambatra i Jehovah, ary antsoina hoe “Tompom-pahefana falifaly” na sambatra i Jesosy Kristy. (1Ti 1:11; 6:15) Marina fa nolavina ny zon’i Jehovah hitondra, rehefa nanomboka nisy faharatsiana tany an-danitra sy teto an-tany. (Jereo JEHOVAH.) Sambatra foana anefa izy satria azony antoka fa ho tanteraka ny fikasany, ary tsy mitranga ny zavatra iray raha tsy avelany hitranga. (Is 46:10, 11; 55:10, 11) Misy zava-kendrena sy antony mazava tsara koa matoa izy mahari-po ka mamela ny faharatsiana hisy na dia vitany aza ny manafoana izany. Nilaza tokoa ny apostoly Paoly fa nandefitra Andriamanitra sady “be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika haringana, na dia te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza ... Nanao izany izy mba hampahafantarany ny harenan’ny voninahiny amin’ny fanaky ny famindram-po, izay nomaniny mialoha hahazo voninahitra.”​—Ro 9:22-24.

Hoy àry ny mpanao salamo: “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny voninahitr’i Jehovah. Hifaly amin’ny asany i Jehovah.” (Sl 104:31) Izy no malala-tanana indrindra eo amin’izao rehetra izao, ary na tsy mankasitraka izany aza ny zavaboariny, dia tsy miova izy na lasa sosotra, fa mbola malala-tanana sy mamindra fo ary be fitiavana foana. “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra izany. Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.” (Jk 1:17) Sambatra i Jesosy Kristy Zanany, satria matoky tanteraka an-dRainy sady manao izay sitrany foana. (Jn 8:29) Faly foana izy tany anatiny tany, na dia nandia fitsapana sy nijaly aza.​—He 12:2; ampit. Mt 5:10-12.

Inona no tena mahasambatra?

Tena ilaina ny mifandray tsara amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fahasambarana ampanantenain’ny Baiboly. Tsy maintsy tia an’i Jehovah sy manompo azy ary tsy mivadika aminy mantsy ny olona, izay vao ho sambatra. Tena ilaina koa ny mankatò an’i Jehovah. Mahasambatra ny fitahian’Andriamanitra, izay anisan’ny “fanomezana tsara” sy “fanomezana tonga lafatra” avy aminy.

Tsy ny harem-be na ny fahefana be no mahasambatra. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (As 20:35) Sambatra ny olona miahy ny mahantra satria izy manome. Izao no ampanantenaina ny olona toy izany: “I Jehovah hiaro azy sy hitsimbina ny ainy. Hambara ho sambatra izy eto an-tany.” (Sl 41:1, 2) Anisan’ny tena mahasambatra koa ny fahalalana an’i Jehovah, ny fahendrena omeny, ary na dia ny fananarany sy ny famaizany aza. (Oh 2:6; 3:13, 18; Sl 94:12) Ny olona tena sambatra dia matoky an’i Jehovah (Oh 16:20), mandeha araka ny lalàny sady finaritra mankatò izany (Sl 1:1, 2; 112:1), manao ny rariny (Sl 106:3), ary matahotra an’Andriamanitra (Sl 128:1).

Firenena sambatra. Mety ho sambatra ny firenena na vahoaka manontolo raha tena manao an’i Jehovah ho Andriamaniny sy mankatò ny lalàny. (Sl 33:12; 144:15) Tsy nanana ahiahy sady sambatra ny firenen’Israely, tamin’i Davida nampanjaka ny fahamarinana, sy tamin’i Solomona Mpanjaka mbola nankatò ny lalàn’i Jehovah. “Toy ny fasika eny amoron-dranomasina” ny Israely, “sady nihinana sy nisotro ary nifaly.” (1Mp 4:20, 25; 10:8; 2Ta 9:7) Hita amin’izany fa tsara ny vokany rehefa manao ny marina ny mpitondra. (Ampit. Oh 29:2, 18.) Nohazavain’i Jesosy tamin’ny Jiosy hoe inona no mahatonga ny firenena iray ho sambatra. Nihevitra anefa ireo Jiosy tia tanindrazana ireo fa izy ireo ilay ‘firenena sambatra manana an’i Jehovah ho Andriamaniny’, satria taranak’i Abrahama sy Jakoba izy ireo. (Sl 33:12) Notsorin’i Jesosy anefa hoe hesorina amin’izy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra ka “homena” an’izay “firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana.” (Mt 21:43) Nohazavain’i Petera tatỳ aoriana fa ireo Jiosy ara-panahy tafaray amin’i Kristy io “firenena” io. Hoy izy: ‘Ianareo dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay” niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’​—1Pe 2:9.

Iza no lazain’i Kristy hoe sambatra? Nanaitra ny saina ny teny nanombohan’i Jesosy ny toriteniny teo an-tendrombohitra. Nitanisa toetra sivy mahasambatra izy, izany hoe toetra ilaina mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra sy handovana ny Fanjakan’ny lanitra. (Mt 5:1-12) Hita amin’izany fa tsy ny zavatra sendra mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona iray na ny fanaovany asa soa no mahasambatra. Ny tena mahasambatra kosa dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fanompoana azy, ary ny fahatanterahan’ny fampanantenany. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy” (Kat.), na mazava kokoa hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 5:3) Hoy koa izy: “Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina.” (Mt 5:4) Mazava ho azy fa tsy izay ory rehetra no tiany holazaina eo, fa izay ory satria mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, malahelo noho izy mpanota, mijaly noho ny ataon’ny mpanota, ary noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Ho hitan’Andriamanitra izany olona ory izany ary hankasitrahany. Hotahiny izy ka ho afa-po, araka ny efa nampanantenain’i Jesosy hoe: “Izy no homena fahafaham-po.”​—Ampit. 2Ko 7:10; Is 61:1-3; Ezk 9:4.

Nanambara zavatra fito mahasambatra i Jesosy Kristy ao amin’ny Apokalypsy, ary naniraka anjely izy mba hilaza izany. (Ap 1:3; 14:13; 16:15; 19:9; 20:6; 22:7; 22:14) Izao no voalaza eo am-piandohan’ilay boky: “Sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny.” (Ap 1:3) Izao koa no lazainy any amin’ny faran’ilay boky: “Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany zo hankeo amin’ny hazon’aina sy mba hahafahany hiditra amin’ny vavahady ho ao amin’ilay tanàna [Jerosalema Vaovao].”​—Ap 22:14.

Aoka ianao ho finaritra amin’i Jehovah. Raha fintinina, dia ilay ‘firenena masin’Andriamanitra’ (1Pe 2:9) sy izay rehetra miaraka amin’io firenena io no tena sambatra. Manompo sy mankatò an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izy ireo. Hoy ny mpanao salamo: “Mifalia amin’i Jehovah, ry olo-marina, ary isaory ny anarany masina, izay tokony hotsarovana.” (Sl 97:12) Hoy koa ny apostoly Paoly tamin’ny fiangonana kristianina: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo, eny, hoy indray aho: Mifalia!” (Fi 4:4) Tsy ny harena na ny fahendrena na ny zava-bita na ny hery àry no mahasambatra, fa ny fahalalana an’i Jehovah. Hoy mantsy izy: “Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, ary ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, ary ny manankarena tsy hirehareha amin’ny harenany. Fa izay mirehareha kosa dia aoka hirehareha amin’izao zavatra izao: Ny fahafantarany tsara ahy sy ny fahalalany hoe izaho no Jehovah, dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany, satria toetra tena mahafinaritra ahy ireo.”​—Je 9:23, 24.