Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahaterahana

Fahaterahana

Midika hoe ‘miteraka’ ny teny hebreo hoe yalad. (Ge 4:1, 2; 16:15; 30:39; 1Ta 1:10) Teny iray tarika amin’izy io ny hoe yeled (“zaza” [Ge 21:8]), sy môhledet (nahaterahana; trano; havana [Ge 31:13]), ary tôhledôht (tantara; tantaran’ny fiaviana; fiterahana; tetirazana [Ge 2:4; Mt 1:1]). Nadika hoe miteraka ny teny hebreo hoe hil (na hol) ao amin’ny Joba 39:1 sy Ohabolana 25:23, na dia manaintaina rehefa mihetsi-jaza aza no tena hevitra ampiasana an’io teny io. (Ampit. Is 26:17, 18; jereo FANAINTAINAN’NY MIHETSI-JAZA.) Gennaô sy tiktô kosa no teny grika midika hoe ‘miteraka.’​—Mt 1:2, 21; Lk 1:57; Jn 16:21; Mt 2:1.

“Misy fotoana ahaterahana”, hoy i Solomona. (Mpto 3:2) Matetika no teraka ny vehivavy rehefa avy nitondra vohoka 280 andro teo ho eo. Matetika no faly be ny ray aman-dreny amin’ny andro ahaterahan’ny zanany kely. Nilaza anefa i Solomona mpanjaka hendry fa ny andro ahaterahana mbola tsy mahaleo ny andro ahafatesana, raha nanao soa sy tsara laza teo imason’Andriamanitra ilay olona nandritra ny androm-piainany.​—Lk 1:57, 58; Mpto 7:1.

Efa ela no nisy mpampivelona nampiteraka. Nininginingina teo ambony vato roa na biriky roa na zavatra hafa roa ilay vehivavy mba hanampy azy sy ilay mpampivelona. (Ek 1:16, f.a.p.) ʼÔvnayim no teny hebreo nadika hoe “toerana fiterahana” ao amin’io andininy io, ary iray tarika amin’ny teny hebreo nadika hoe “vato” izy io. Ny Jeremia 18:3 ihany no andininy hafa ahitana an’io teny hebreo io. Nadika hoe ‘milina mihodinkodina fampiasan’ny mpanefy tanimanga’ izy io ao. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena: “Amin’ny endriny milaza roa io teny io ao amin’ireo andininy roa ireo. Midika izany fa misy lelany roa ilay milina fampiasan’ny mpanefy tanimanga, ary roa koa ilay zavatra nipetrahan’ny vehivavy rehefa hiteraka.” (Boky I, 1979, p. 516) Asehon’ny soratra fahiny miendrika kisarisary fa nampiasaina tany Ejipta koa ny fitaovana toy izany.

Ny mpampivelona matetika no nikarakara ny zaza vao teraka. Niresaka an’ohatra momba izany fikarakarana izany ny Ezekiela 16:4. Notapahina ny tadim-poitra ary nampandroina ilay zaza. Nokosehina tamin’ny sira izy, angamba mba hahatonga ny hodiny ho maina tsara sy halambolambo, ary mba hampadinika ny mason-kodiny. Nofehezina tamin’ny lamban-jaza na lamba lavalava ilay zaza hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany (toy ny natao tamin’i Jesosy), mba hampahafana sy hampahitsy ny vatany. (Lk 2:7) Nampandalovina teo ambany saokany ilay lamba, ary nahodidina ny lohany, mba hanazarana azy hiaina amin’ny orony, hono. Efa hatry ny ela no nanarahana izany fomba izany matoa i Joba niresaka momba ny lamba lavalava namonosana zaza.​—Jb 38:9.

Rehefa voakarakara ilay zaza sy ny reniny, dia nentina tany amin-drainy ilay zaza na nambara fa nahazo zazakely ilay fianakaviana. Neken’ilay ray fa zanany ilay zaza. (Je 20:15) Toy izany koa fa raha nisy vehivavy momba, dia nekena ho zanany izay zaza nateraky ny vadiny tamin’ny mpanompovaviny. (Ge 16:2) Azo inoana fa izany no tian’i Rahely hatao rehefa niangavy an’i Jakoba hanao firaisana tamin’i Bilaha mpanompovaviny izy, mba hiterahan’izy io ‘eo ambony lohaliny’, ka ‘hahazo zaza avy aminy’ i Rahely. (Ge 30:3, f.a.p.) Tsy ara-bakiteny ilay hoe hiteraka teo ambony lohalik’i Rahely i Bilaha. Midika kosa izany hoe handrotsirotsy an’ilay zaza eo am-pofoany i Rahely toy ny hoe tena zanany ilay izy.​—Ampit. Ge 50:23.

Ny rainy na ny reniny no nanome anarana an’ilay zaza raha vao teraka izy na rehefa noforana valo andro tatỳ aoriana. Rehefa nisy adihevitra kosa, dia ny rainy no tompon’ny teny farany. (Ge 16:15; 21:3; 29:32-35; 35:18; Lk 1:59-63; 2:21) Matetika no ilay reny ihany no nampinono azy (Ge 21:7; Sl 22:9; Is 49:15; 1Te 2:7), na dia nilaina koa aza indraindray ny vehivavy mpampinono. (Ek 2:7) Matetika no tsy nosarahi-nono ny zaza raha tsy efa roa na telo taona na mihoatra an’izany. Toa dimy taona i Isaka tamin’izy nosarahi-nono, ary nisy fety be tamin’izay.​—Ge 21:8; 1Sa 1:22, 23.

Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa naloto 7 andro ny vehivavy raha tera-dahy, ary tsy maintsy nidio nandritra ny 33 andro fanampiny izy. Naloto 14 andro kosa izy raha tera-bavy, ary tsy maintsy nidio nandritra ny 66 andro fanampiny. Rehefa tapitra ny fotoana fidiovany, dia nitondra fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota izy: Ondrilahy kely iray sy domohina iray na zana-boromailala iray, na koa domohina roa na zana-boromailala roa, arakaraka izay ananan’izy mivady. (Le 12:1-8; Lk 2:24) Raha lahimatoa ilay zaza, dia tsy maintsy nandoa sekely volafotsy dimy (11 dolara) izy ireo mba hanavotana azy.​—No 18:15, 16; jereo LAHIMATOA, VOALOHAN-TERAKA.

Imbetsaka ny Soratra Masina no miresaka an’ohatra momba ny fahaterahana. (Sl 90:2; Oh 27:1; Is 66:8, 9; Jk 1:15) Manaintaina mafy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka mety tsara izany hanoharana ny fijaliana hafa tsy azo ialana. (Sl 48:6; Je 13:21; Mi 4:9, 10; Ga 4:19; 1Te 5:3) Tsy maintsy “ateraky ny rano sy ny fanahy” ny olona vao afaka miditra ao amin’ilay Fanjakana, hoy i Jesosy. Midika izany fa tsy maintsy atao batisa amin’ny rano izy, ary ateraky ny fanahy masina ka ho lasa zanak’Andriamanitra ary handova an’ilay Fanjakana any an-danitra. (Jn 3:3-8; 2Ko 5:17; 1Pe 1:3, 23) Miresaka an’ohatra momba ny vehivavy iray tany an-danitra ny Apokalypsy. “Tera-dahy” ilay vehivavy rehefa avy “narary nihetsi-jaza.”​—Ap 12:1-5.