Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahavalo

Fahavalo

Ny teny hebreo hoe ʼôhyev sy ny teny grika hoe ektrôs dia ilazana an’izay manohitra na mankahala. (Ek 23:22; Mt 5:43) Ilay “menarana” no fahavalo voalohany. Niresaka tamin’i Eva izy io ka nanendrikendrika an’Andriamanitra ho mpandainga. (Ge 3:4, 5) Nampahafantarin’ny Baiboly, tatỳ aoriana, fa i Satana Devoly izy io. (Ap 12:9) Nilaza i Jesosy Kristy fa mpamono olona io anjely io, ary “mpandainga izy sady rain’ny lainga.”​—Jn 8:44; jereo SATANA.

Ireo fahavalon’Andriamanitra. Lasa fahavalon’Andriamanitra àry i Satana nanomboka hatreo, sady fahavalony lehibe indrindra. (Mt 13:25, 39) Mitaona ny olona izy, ary ny olona koa manaiky hotaominy. Lasa “eo ambany fahefan’ilay ratsy” àry “izao tontolo izao manontolo” (1Jn 5:19), ka nanjary fahavalon’Andriamanitra koa. (Jk 4:4) Mahari-po amin’ny fahavalony anefa Andriamanitra, ary mamindra fo raha misy amin’izy ireo te hanompo azy. Nomeny ny soron’i Jesosy Kristy mba ho afaka hihavana aminy izy ireny. (Ro 5:10; Kl 1:21, 22) Nanendry an’ireo olona tafaray amin’i Kristy koa Izy mba ho “ambasadaoro” eo amin’ilay tontolo ratsy, ka hanao fanompoana fampihavanana.​—2Ko 5:18-21.

Be dia be no nitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra, ka ireto avy ny sasany: I Satana sy ny demonia, izay manangona an’ireo firenena mba hanohitra an’Andriamanitra (Ap 16:13-16); ilay “lehilahy mpandika lalàna”, izay sady mivadi-pinoana no manohitra an’Andriamanitra (2Te 2:3, 4); i “Babylona Lehibe”, izay voalaza fa “efa niavosa hatrany amin’ny lanitra ny fahotany” (Ap 17:5; 18:5); ilay “bibidia” niakatra avy tao amin’ny ranomasina, sady nahazo hery sy fahefana avy tamin’ilay dragona na i Satana (Ap 13:1, 2, 6); ilay “bibidia” manan-tandroka roa sady mampirisika ny olona hivavaka amin’ilay “bibidia” avy tao an-dranomasina (Ap 13:11, 12); ilay “bibidia mena midorehitra”, izay “feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra” (Ap 17:3); ary ny olona mikiry manohana an’ireo fahavalo rehetra ireo (Ap 19:17-21). Haringan’Andriamanitra daholo ireo.​—De 32:41; Is 59:18; Ap 20:10.

Ireo fahavalon’i Kristy. Fahavalon’i Kristy koa ireo fahavalon’Andriamanitra. (Jn 8:42-47; Mt 10:40) Nampijalijalin’izy ireny izy tetỳ an-tany, nefa tsy namaly faty ary tsy nitady hanisy ratsy azy ireny. (1Pe 2:21-23) Nositraniny mihitsy aza ny lehilahy iray anisan’ireo nitondra kibay sy sabatra mba hisambotra azy.​—Lk 22:49-51; Jn 18:10, 11.

Rehefa natsangana tamin’ny maty anefa i Jesosy, dia “nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra”, ka ‘niandry mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.’ (He 10:12, 13; Lk 20:41-43) Faminaniana ao amin’ny Salamo 110 io, ary mirakitra ny baiko nomen’i Jehovah ny Zanany hoe: “Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.” (Sl 110:2) Voalaza eo fa fahavalon’i Jehovah sy ilay “voahosony” ireo “firenena”, sy “ny firenena samy hafa”, “ny mpanjakan’ny tany”, ary “ny manam-pahefana.” (Sl 2:1-9) Milaza ny Apokalypsy 19:11-21 fa mitarika ny tafiky ny lanitra mba hiady amin’ny fahavalony i Kristy, izay lazaina hoe “Mendri-pitokisana sy Marina”, sy “Ny Tenin’Andriamanitra”, ary “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” Eto ireo fahavalo ireo dia antsoina hoe “ilay mpaminany sandoka” ary “ilay bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny.” Haringan’i Kristy daholo ireo.

Ireo fahavalon’ny olombelona. Fahavalon’ny olombelona koa ireo fahavalon’Andriamanitra, satria misakana azy ireo tsy hihavana amin’Andriamanitra sady manohitra ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Manakantsakana ny fitoriana ny fahamarinana izy ireny, ka lasa manohitra an’izay hahasoa ny olona rehetra, toy ny nataon’ireo nanenjika ny Kristianina voalohany ihany.​—1Te 2:15.

Antsoin’ny Baiboly hoe ‘fahavalon’ny’ olombelona koa ny fahafatesana. Niely tamin’ny olona rehetra izy io, vokatry ny fahotan’i Adama. (1Ko 15:26; Ro 5:12) Tsy misy olombelona maharesy ny fahafatesana. (Sl 89:48) I Jehovah Andriamanitra ihany no hahavita hanafoana an’io fahavalo io, ka i Jesosy Kristy no hasainy hanao izany.​—1Ko 15:24-26; Is 25:8.

Mpanohitra. Lazaina koa hoe fahavalo ny olona miady amin’ny olona iray na manohitra azy na mifanandrina aminy. Tsar no teny hebreo hafa nadika hoe “fahavalo”, ary avy amin’ny fototeny midika hoe “manao ankasomparana; manisy ratsy” izy io. (No 25:18; Sl 129:1) Olona “mitory” any amin’ny fitsarana kosa (Lk 12:58; 18:3), amin’ny ankapobeny, no dikan’ny teny grika hoe antidikôs. Mety hidika hoe fahavalo koa anefa izy io.​—1Pe 5:8.

Efa voalaza fa i Satana Devoly no Fahavalo ratsy indrindra. Nanohitra an’Andriamanitra sy ny olombelona izy, ary nitaona olona sy anjely hanao toy izany koa (jereo DEMONIA). Tao Edena no nasehony voalohany izany: Notaominy mangingina mba hikomy i Eva, ary avy eo i Adama, ka nahatonga ny taranak’olombelona ho mpanota sy ho faty. Nasehon’i Satana ny maha mpanohitra azy tamin’izy tany an-danitra, satria nilaza izy fa notambazan’i Jehovah zavatra i Joba matoa tsy nivadika. Tsy i Joba ihany no nampangaina toy izany, fa ny zavaboary rehetra koa.​—Jb 1:6-11; 2:1-5; jereo SATANA.

Nanohitra an’ireo mpanompon’i Jehovah hatramin’izay koa ilay Fahavalo, ka nampiasa an’ireo solontenany izy tamin’izany. Rehefa niverina avy tany Babylona, ohatra, ny vahoakan’Andriamanitra sisa tavela, dia notoherina mafy mba tsy hanorina ny tempoly sy ny manda. (Ezr 4:1; Ne 4:11) Nanahaka ny Devoly i Hamana. Nankahala ny Jiosy izy ary lasa fahavalon’izy ireo mihitsy, tamin’ny andron’i Estera.​—Es 7:6.

Rehefa nivadika tamin’i Jehovah ny vahoakany, dia navelany handroba sy handresy azy ireo ny fahavalon’izy ireo. (Sl 89:42; Ft 1:5, 7, 10, 17; 2:17; 4:12) Nandika vilana an’izany anefa ireo fahavalo ireo, ka nihevitra fa izy ireo no tena mahery, ary nidera an’ireo andriamaniny izy ireo. Nihevitra koa izy ireo fa tsy hanao ampamoaka azy i Jehovah, noho izay nataony tamin’ny vahoakan’i Jehovah. (De 32:27; Je 50:7) Voatery nampietry an’ireo fahavalo nirehareha sy nieboebo ireo àry i Jehovah (Is 1:24; 26:11; 59:18; Na 1:2), noho ny anarany masina.​—Is 64:2; Ezk 36:21-24.

Ny ady ataon’ny Kristianina. Hoy ny apostoly Paoly: “Tafio daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly. Isika mantsy tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Ef 6:11, 12; ampit. 2Ko 10:4.) Tsy miady amin’olona àry ny Kristianina, fa miady amin’ireo fanahy ratsy miezaka hampiala azy amin’Andriamanitra. Tokony ho mailo izy ka hiambina ary hiady mafy hiaro ny finoany, satria maro ny teti-dratsin’ilay Fahavalo. Hoy i Petera: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka. Tohero anefa izy ka manàna finoana matanjaka.” (1Pe 5:8, 9) Nohazavain’i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany fa hankahala azy ireo sy hamono azy mihitsy aza ny olona (Mt 10:22; 24:9; Jn 16:2), ary indraindray dia ny ankohonany ihany no ho fahavalony.​—Mt 10:36.

Ahoana raha misy mitsangan-ko fahavalon’ny Kristianina? Hoy i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva amin’izay mankahala anareo.” (Lk 6:27, 28) Hoy koa izy: “Efa renareo fa voalaza [ao amin’ny lovantsofina, fa tsy ao amin’ny Baiboly] hoe: ‘Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Mt 5:43, 44) Hoy ny apostoly Paoly: “Raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo.” (Ro 12:20) Azo inoana fa ny Ohabolana 25:21 no tao an-tsainy. Hoy koa ny Lalàna: “Raha diso lalana ny ombin’ny fahavalonao na ny ampondrany ka mifanena aminao, dia tokony haverinao any aminy. Raha hitanao mivalampatra voatsindrin’ny entana ny ampondran’ny olona mankahala anao, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona. Tsy maintsy manampy azy hanala ilay entana ianao.”​—Ek 23:4, 5.

Mankatò izany ny mpanompon’i Jehovah, hany ka maro amin’ireo fahavalony no tsy mankahala azy ireo intsony sy tsy mankahala an’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 16:7 momba izany: “Rehefa sitrak’i Jehovah ny ataon’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.” (Ampit. Ro 12:17, 18, 21; 1Pe 2:19, 20; 3:9.) Niavaka ny famindram-pon’i Jesosy Kristy tamin’ilay fahavalony taloha, dia i Saoly avy any Tarsosy izay lasa apostoly Paoly.​—As 9:1-16; 1Ti 1:13; ampit. Kl 1:21, 22.

Hoy i Jehovah Andriamanitra: “Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.” (De 32:35; Ro 12:19; He 10:30) Tsy mamaly faty àry ny mpanompon’i Jehovah. Tsy maniry loza ho an’ny fahavalony koa izy mba hampitonena ny fahatezerany. Tsaroany foana kosa ilay torohevitra feno fahendrena hoe: “Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao, ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha solafaka izy.” (Oh 24:17) Milaza ny Lalàna hoe raha nisy vonoan’olona, ka tsy fantatra hoe fanahy iniana ve ilay izy sa tsia, dia tsy ho afa-maina ilay voampanga raha efa nankahala an’ilay olona maty izy taloha, na efa nikasa hanisy ratsy azy, na efa namely azy mihitsy noho ny fankahalany azy.​—No 35:20-25.

Tsy ireo fahavalo ara-bakiteny ihany no tsy maintsy resen’ny Kristianina, fa “fahavalo” maro hafa tena mampidi-doza koa. Ho lasa fahavalon’Andriamanitra mantsy ny Kristianina raha manaiky ho resin’izy ireny. Hoy ny apostoly Paoly: “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo. Sady tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra mantsy ny nofo, no tsy mety ho toy izany.” (Ro 8:7; Ga 5:17) Milaza ny Soratra Masina fa misy hery roa mifanohitra ao anatin’ny Kristianina: 1) “Ny lalàn’Andriamanitra” izay lazain’i Paoly hoe mifehy ny sainy. Antsoina koa hoe “ny lalàn’ny fanahy” izy io, sady “manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy”; 2) ‘ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatana’ na “ny lalàn’ny ota sy fahafatesana.” (Ro 7:22-25; 8:2) Nampirisika ny Kristianina koa ny apostoly Petera mba ‘hifady hatrany ny fanirian’ny nofo’, izay misakana azy ireo tsy hahazo ny fiainana. (1Pe 2:11) I Jakoba rahalahin’i Jesosy koa niresaka momba ny “fanirianareo fatratra fahafinaretan’ny nofo, dia faniriana miady ao amin’ny vatanareo.” (Jk 4:1) Tsy maintsy eken’ny olona iray hoe fahavalo izy ireny vao ho vitany ny hanohitra azy ireny.