Fahefana Fara Tampony
Fitondrana fara tampony; fitondran’ny tompo, mpanjaka, filoha, sns..., ka izy io no mamaritra ny rafitra itondrana ny fireneny.
Miverimberina ao amin’ny Soratra Hebreo ny hoe ʼAdônai, ary miseho in-285 ao ny hoe Adônai Salamo 73:28, dia nadika hoe “Tompo ANDRIANANAHARY” (DIEM); “Tompo Andriamanitra” (JM); “Jehovah Tompo” (Prot.); ary “Jehovah Tompo Fara Tampony” (TV).
Yehvih. ʼAdônai no endriny milaza maro amin’ny hoe ʼadôn, izay midika hoe “tompo.” Endriny milaza maro koa ny hoe ʼadônim, ary azo ampiasaina mba hilazana “tompo” olombelona maromaro. Rehefa tsy misy tovana anefa ilay teny hoe ʼAdônai ao amin’ny Baiboly, dia Andriamanitra foana no tiana holazaina, satria manondro hatsarana sy fahamboniana io teny io. Matetika izy io no adika hoe “Tompo.” Rehefa miaraka amin’ny anaran’Andriamanitra kosa izy io (ʼAdônai Yehvih) toy ny ao amin’nyIlazana olona manana fahefana fara tampony, na manana ny fahefana rehetra sady tsy fehezin’iza na iza, ny teny grika hoe despôtes. (Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-3, p. 18, 46) Nadika hoe “tompo” na “tompom-pananana” izy io, fa natao kosa hoe “Tompo” (Prot.; Kat.; DIEM; JM) na “Tompo Fara Tampony” (TV) rehefa ilazana an’Andriamanitra, toy ny ao amin’ny Lioka 2:29, Asan’ny Apostoly 4:24, ary Apokalypsy 6:10.
Na dia tsy manana teny ilazana ny hoe “fara tampony” aza ny teny hebreo sy grika, dia hita ao amin’ny hoe ʼAdônai sy despôtes io hevitra io rehefa ampiasaina amin’i Jehovah Andriamanitra, mba hilazana fa tompo tena tsara izy.
Fahefan’i Jehovah. I Jehovah Andriamanitra no Mpanjakan’izao rehetra izao satria Mpamorona izy, Andriamanitra, ary Mahery Indrindra. (Ge 17:1; Ek 6:3; Ap 16:14) Azy daholo izao rehetra izao, avy aminy ny fahefana sy ny hery rehetra, ary izy no Mpitondra Fara Tampony. (Sl 24:1; Is 40:21-23; Ap 4:11; 11:15) Hoy ny mpanao salamo momba azy: “Nataon’i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany, ary eo ambany fifehezan’ny fanjakany ny zava-drehetra.” (Sl 103:19; 145:13) Hoy koa ny mpianatr’i Jesosy rehefa nivavaka taminy: “Ry Tompo Fara Tampony ô, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.” (As 4:24) Teo am-pelatanan’Andriamanitra ny fahefana rehetra teo anivon’ny firenen’Israely, dia ny fahefan’ny mpitsara, mpanao lalàna ary mpanatanteraka. Hoy mantsy i Isaia mpaminany: “I Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna antsika, Jehovah no Mpanjakantsika, ary izy no hamonjy antsika.” (Is 33:22) Miavaka koa ny fomba niresahan’i Mosesy ny fahefan’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 10:17.
Manana zo sy fahefana hanendry an’izay mpitondra tiany àry i Jehovah. Nataony mpanjakan’ny Israely, ohatra, i Davida ary lazain’ny Baiboly fa toy ny hoe ‘fanjakan’i Davida’ mihitsy ilay izy. Niaiky anefa i Davida fa i Jehovah no Mpitondra Fara Tampony. Hoy mantsy izy: “Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Ary anao ny fanjakana, Jehovah ô, dia ianao izay misandratra ambony noho ny zava-drehetra.”—1Ta 29:11.
Fahefan’olombelona. Voafetra ihany ny fahefan’ireo mpitondra eto an-tany. Avelan’i Jehovah Tompo Fara Tampony hitondra izy ireny, fa tsy hoe izy no manome hery na fahefana azy ireny. Manamarina izany ny Apokalypsy 13:1, 2 izay milaza fa ilay Dragona, na Satana Devoly, no manome “hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe” an’ilay bibidia manana tandroka folo sy loha fito.—Ap 12:9; jereo BIBY AN’OHATRA.
Navelan’Andriamanitra hifandimby teto an-tany àry ireo mpitondra samy hafa. Niaiky toy izao anefa ny mpanjaka mahery iray, rehefa avy naseho taminy fa i Jehovah ihany no manana fahefana fara tampony: “Ny fitondrany dia fitondrana mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ny fanjakany haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby. Tsinontsinona ny mponina rehetra amin’ny tany, raha ampitahaina aminy. Manao araka izay sitrapony izy, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponin’ny tany. Tsy misy mahasakana ny tanany, na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’”—Da 4:34, 35.
Tokony hankatò an’ity didy nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina ity àry isika, raha mbola avelan’Andriamanitra hisy koa ny fitondram-panjakan’olombelona: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” Nohazavain’i Paoly avy eo fa toy ny hoe mpanompon’Andriamanitra ireny “manam-pahefana” na mpitondra ireny (na dia tsy hoe mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika aza), rehefa manasazy an’ireo manao ratsy ka mampihatra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’izy ireo.—Ro 13:1-6.
Marina fa milaza ny Baiboly hoe “napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy” ireny manam-pahefana ireny. Tsy midika anefa izany hoe izy mihitsy no manangana na manohana ny fitondran’izy ireny. Ampiasainy kosa izy ireny mba hanatanterahana ny fikasany sy ny sitrapony momba ny mpanompony eto an-tany. Hoy i Mosesy: “Fony nanome lova ho an’ireo firenena ilay Avo Indrindra, fony izy nanasaratsaraka ny taranak’i Adama, dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena, araka ny isan’ny zanak’Israely.”—De 32:8.
1Ta 29:23) Hitany tamin’izay fa hotendrena ho Mpanjaka ny Zanak’Andriamanitra, ary i Jehovah, Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be, no hanome fahefana azy. Hoy i Daniela: “Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava.” (Da 7:13, 14) Azo antoka fa i Jesosy Kristy ilay “zanak’olona”, rehefa ampitahaina amin’ny Matio 26:63, 64 ireo andininy ireo. Nentina teo anatrehan’i Jehovah izy ary nomena azy ny fitondrana.—Ampit. Sl 2:8, 9; Mt 28:18.
Mpanjaka ny Zanak’Andriamanitra. Nahazo fahitana i Daniela mpaminany, rehefa niongana ny mpanjaka farany nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” tao Jerosalema. (Nisy nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Nanomboka nisy ny faharatsiana, tsy ela taorian’ny namoronana ny olombelona. Maty foana ny olona hatramin’izay, ary nitombo ny ota sy ny fandikan-dalàna. (Ro 5:12, 15, 16) Nataon’Andriamanitra tonga lafatra anefa ny fiainan’ny olombelona tany am-boalohany. Ahoana àry no nampisy ny ota sy ny tsy fahalavorariana ary ny faharatsiana? Nahoana no mbola avelan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra hisy izany hatramin’izao? Satria nisy nanohitra ny zony hitondra, ary voakasik’ilay adihevitra lehibe naterak’izany ny olombelona.
Izay takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony. Noporofoin’i Jehovah Andriamanitra tamin’izay nolazainy sy nataony hatramin’izay, fa be fitiavana sy be hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy. Ara-drariny foana ny zavatra ataony sy ny fitsarany, ary mamindra fo amin’ireo miezaka ny hanompo azy izy. (Ek 34:6, 7; Sl 89:14; jereo FAHAMARINANA; FAMINDRAM-PO.) Tsara fanahy izy na dia amin’ireo tsy mankasitraka sy ratsy fanahy aza. (Mt 5:45; Lk 6:35; Ro 5:8) Finaritra izy mampihatra amim-pitiavana ny fahefany.—Je 9:24.
Ireo manompo azy satria tia azy sy tia an’ireo toetrany tsara àry no iriny hofehezina. Tsy maintsy tia an’Andriamanitra aloha izy ireo, ary avy eo tia ny namany. (Mt 22:37-39) Tsy maintsy tia ny fitondran’i Jehovah koa izy ireo, ary aleony izy io toy izay fitondrana hafa. (Sl 84:10) Na dia afaka ny hahaleo tena aza izy ireo, dia aleony ny fitondran’Andriamanitra satria fantatr’izy ireo fa faran’izay hendry izy, ary ara-drariny sy tsara kokoa noho ny an’ny hafa ny fitondrany. (Is 55:8-11; Je 10:23; Ro 7:18) Tsy noho ny tahotra an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra fotsiny na noho ny fitiavan-tena akory no anompoan’izy ireo azy. Tian’izy ireo kosa i Jehovah, satria manao ny rariny sy hitsiny ary hendry. Fantatr’izy ireo koa fa lehibe izy sady be hatsaram-panahy feno fitiavana. (Sl 97:10; 119:104, 128, 163) Miombon-kevitra amin’ny apostoly Paoly àry izy ireo, ka manao hoe: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany! Fa ‘iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, ary iza no lasa mpanoro hevitra azy?’ Na, ‘iza no nanome azy aloha, ka tsy maintsy valiany koa avy eo?’ Fa avy aminy ny zava-drehetra, ary izy no nampisy izany sady ho azy izany. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay! Amena.”—Ro 11:33-36.
Nanjary nahafantatra an’Andriamanitra izy ireo, izany hoe nanjary tia azy sady tsy mivadika amin’ny fitondrany. Hoy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra tafaray foana aminy dia tsy zatra manota. Izay zatra manota dia sady tsy nahita azy no mbola tsy mahalala azy.” Hoy koa izy: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.” (1Jn 3:6; 4:8) I Jesosy no tena mahalala an-dRainy. Hoy izy: “Natolotry ny Raiko ahy ny zava-drehetra, ary tsy misy tena mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na tena mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana azy.”—Mt 11:27.
Tsy ampy fitiavana sy fankasitrahana. Tsy tena nahalala an’Andriamanitra sady tsy niezaka ny hahalala sy ho tia azy bebe kokoa ilay anjely nanohitra ny zony hitondra, na dia nandray soa tamin’ny fitondrany aza. Notanterahiny ilay tetika hanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra, rehefa napetraka teto an-tany i Adama sy Eva. Notaominy tsy hanaiky ny fahefan’Andriamanitra aloha i Eva (izay voafitany tokoa), ary avy eo i Adama. Nikasa ny hifaninana tamin’i Jehovah mantsy izy.
Tsy nankasitraka an’ilay Andriamanitra namorona azy mihitsy i Eva, sady tsy niezaka ny hahafantatra azy. Nihaino feona zavaboary ambany kokoa izy, izay niseho tamin’ny endrika menarana, nefa anjely mpikomy, raha ny marina. Tsy milaza ny Baiboly hoe gaga izy nahare menarana niteny, fa milaza kosa hoe ny menarana “no malina indrindra tamin’ny bibidia rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra.” (Ge 3:1) Tsy resahin’ny Baiboly raha nihinana tamin’ny “voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” nandrarana ny olombelona ilay menarana, ary avy eo lasa toy ny hoe hendry sy afaka niteny. Nampiasa an’io menarana io ilay anjely mpikomy mba hilazana tamin’i Eva fa afaka ny hahaleo tena izy (araka ny fiheverany azy), ka ‘ho tahaka an’Andriamanitra, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’ Nataony koa izay hinoan’i Eva fa tsy ho faty izy.—Ge 2:17; 3:4, 5; 2Ko 11:3.
Nanaiky ho voataonan’i Eva i Adama, fa tsy mba naneho fankasitrahana sy fitiavana an’ilay Mpamorona sady Mpamelona azy, rehefa nikomy ny vadiny. Nivadika izy fa tsy mba niandany tamin’ilay Andriamaniny, rehefa niharam-pitsapana. Tsy nino an’Andriamanitra intsony izy na nino hoe ho vitany ny hanome izay zava-tsoa rehetra ilain’ny mpanompony tsy mivadika. (Ampitahao amin’izay nolazain’i Jehovah tamin’i Davida taorian’ny nanotan’izy sy Batseba, ao amin’ny 2Sa 12:7-9.) Toa sosotra tamin’i Jehovah koa i Adama, satria izao no navaliny rehefa nanontaniana ny amin’ny zavatra tsy mety nataony izy: “Ilay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy ny voan’ilay hazo, ka nihinana aho.” (Ge 3:12) Tsy toa an’i Eva izy satria tsy ninoany ny laingan’ilay Menarana hoe tsy ho faty izy ireo. Samy nifidy ny hahaleo tena kosa anefa izy mivady, ka ninia nikomy tamin’Andriamanitra.—1Ti 2:14.
Tsy afaka ny hiteny i Adama hoe: “Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” Tanteraka taminy kosa ilay hoe: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.’ (Jk 1:13-15) Nomen’Andriamanitra safidy malalaka ilay anjely sy Eva ary Adama, kanefa nifidy ny hanota sy hikomy taminy.—Jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA; OTA.
Ilay raharaha niadian-kevitra. Inona àry no niadian-kevitra teto? Iza no nalam-baraka sy nendrikendrehin’ilay anjely (nantsoina hoe Satana Devoly tatỳ aoriana), izay niandanian’i Adama? Ny fahefana fara tampony ananan’i Jehovah ve no niadian-kevitra, na nisy nitady handrombaka? Tsia, satria i Jehovah no manana ny fahefana sy ny hery fara tampony, ary tsy misy afaka mandrombaka izany na any an-danitra na eto an-tany. (Ro 9:19) Ny tena niadian-kevitra àry dia ny hoe manan-jo sy mendrika hitondra ve Andriamanitra, ary ara-drariny ve ny fitondrany, izany hoe mety sy tena mahasoa ny olom-peheziny ve ny fomba fitondrany. Ahitana izany ilay fanontaniana napetraka tamin’i Eva hoe: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Toy ny nilaza ilay Menarana fa tena tsy mampino hoe nofeperan’Andriamanitra be loatra izy mivady, ka tsy nomeny an’izay zavatra tokony ho azy.—Ge 3:1.
Inona ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”?
Nikomy i Adama sy Eva rehefa nihinana tamin’ny voan’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Zon’ilay Mpamorona, izay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, anefa ny nandrara an’i Adama tsy hihinana tamin’ilay voankazo. Zavaboariny mantsy i Adama, ka voafetra ihany ny zavatra azony atao ary nila nanaiky izany izy. Tokony heken’ny zavaboary rehetra manan-tsaina fa manan-jo hitondra ilay Mpamorona ary tokony hanohana izany izy ireo, raha tiana hiadana sy hilamina izao rehetra izao. Ho nasehon’i Adama fa nanaiky an’izany koa izy, raha tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo. Ho lasa rain’ny olombelona rehetra eto an-tany mantsy izy ka tokony ho nankatò sy tsy nivadika, na dia tamin-javatra madinika aza, araka ilay toro lalana hoe: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lk 16:10) Azon’i Adama natao tsara ny nankatò tanteraka. Tsy hoe nisy poizina akory ilay hazo. (Tsy firaisana ara-nofo koa ilay voankazo voarara, satria nandidy azy mivady mba ‘hameno ny tany’ Andriamanitra. [Ge 1:28] Voankazo ara-bakiteny kosa ilay resahin’ny Baiboly eto.) Manazava ny dikan’ilay hazo ny fanamarihana ambany pejin’ny Genesisy 2:17 ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema (1966) hoe:
“Natokan’Andriamanitra ho azy irery io fahalalana io, kanefa nitady hahazo azy io ny olombelona rehefa nanota, [Ge] 3:5, 22. Tsy hoe fahalalana ny zava-drehetra akory izy io, satria tsy lasa nahalala ny zava-drehetra ny olombelona rehefa nanota. Tsy hoe fahaizana manavaka izay tsara sy ratsy koa izy io, satria efa nanana izany fahaizana izany ny olombelona na dia mbola tsy nanota aza, ary azo antoka fa nomen’Andriamanitra an’izany ny zavaboary manan-tsaina. Ny fahefana hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy kosa izy io, sy ny fahefana hanao izay tiana fotsiny. Te hahaleo tena tanteraka ny olombelona, ary tsy te hanaiky intsony hoe noforonina izy. Fieboeboana sy fanoherana ny zon’Andriamanitra hitondra àry ny fahotana voalohany.”
Nampangaina ho tia tena ny mpanompon’Andriamanitra. Mbola nitarin’i Satana ihany ilay adihevitra, rehefa nilaza toy izao tamin’Andriamanitra izy momba an’i Joba, mpanompony tsy Jb 1:9-11; 2:4) Niampanga an’i Joba ho tsy tena tia an’Andriamanitra àry i Satana. Nanompo sy nankatò an’Andriamanitra, hono, i Joba noho ny fitiavan-tena sy fitadiavana tombontsoa fotsiny. Nendrikendrehin’i Satana ho tsy mahay mitondra àry Andriamanitra, ary ho tsy tena manohana ny fitondrany ny mpanompony. Te hilaza izy hoe tsy hisy hanohana ny zon’i Jehovah hitondra ny olombelona fa hivadika aminy daholo, raha avela hitsapa azy ireo izy.
nivadika: “Hatahotra an’Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao? Tsy ianao ve no niaro azy sy ny tranony ary ny fananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” Hoy koa izy: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Neken’i Jehovah ny handaminana an’ilay adihevitra. Tsy nila nanaporofo na inona na inona tamin’ny tenany izy akory, ary tsy nisalasala raha tena ara-drariny tokoa ny fitondrany. Nanome fotoana handaminana an’ilay adihevitra kosa izy, satria tiany ny zavaboariny manan-tsaina. Navelany hotsapain’i Satana teo imason’ny zavaboariny rehetra ny olombelona. Navelany hoporofoin’ny zavaboariny fa mpandainga ny Devoly, mba tsy halam-baraka intsony ny anaran’Andriamanitra sy ny anaran’izy ireo. Nieboebo loatra i Satana, ka “navelan’Andriamanitra hanana toe-tsaina tsy ankasitrahany.” Mifanohitra tokoa ny zavatra nolazain’i Satana tamin’i Eva sy ny fomba fisainany. (Ro 1:28) Nilaza mantsy izy fa tsy ara-drariny ny fitondran’Andriamanitra, nefa nanantena koa izy fa hitondra azy amin’ny fomba ara-drariny Andriamanitra ka tsy handringana azy, raha vitany ny hampivadika ny zavaboariny rehetra.
Tena ilaina halamina ilay adihevitra. Tsy maintsy asehon’ny zavamananaina rehetra raha manohana ny zon’Andriamanitra hitondra izy ireo na tsia. Tsy avela hipoitra intsony mantsy io adihevitra io rehefa voalamina. Toa irin’i Jehovah hahalala tsara sy hahazo tsara an’izay fanontaniana rehetra mifandray amin’izy io ny zavaboary rehetra. Manjary matoky kokoa àry ireo mifidy ny hanohana ny fitondrany, fa tena Andriamanitra tsy miovaova izy. Vao mainka koa izy ireo hiaiky fa tena manan-jo hitondra izy ary ny fitondrany no tsara indrindra.—Ampit. Ml 3:6.
Iza no tena manan-jo hitondra? Tsy ny hery ananan’Andriamanitra àry no niadian-kevitra, fa ny zony hitondra. Tsy hita maso anefa Andriamanitra sady miezaka mafy koa i Satana hanajamba ny sain’ny olona, ka lasa nisy nisalasala ny amin’ny hery ananan’i Jehovah sy ny fisiany. (1Jn 5:19; Ap 12:9) Tsy azon’ny olona ny antony mbola anehoan’Andriamanitra faharetana sy hatsaram-panahy, ka vao mainka izy ireo mikomy. (Mpto 8:11; 2Pe 3:9) Mila manam-pinoana sy vonona hijaly àry ireo mpanompon’Andriamanitra tsy te hivadika aminy. (He 11:6, 35-38) Mikasa hanamarina ny zony hitondra sy hampahafantatra ny anarany anefa i Jehovah. Hoy izy tamin’i Faraon’i Ejipta: ‘Raha ny marina, dia izao no mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.’ (Ek 9:16) Mbola avelan’Andriamanitra hisy koa ity tontolo ity sy ny andriamaniny (Satana Devoly), ary mbola avelany hitombo ny faharatsiana. Efa misy fotoana noferany handringanana azy ireo anefa. (2Ko 4:4; 2Pe 3:7) Hoy ny mpanao salamo: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” (Sl 83:18) I Jehovah mihitsy koa no nianiana hoe: “Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra sy hianianan’ny lela rehetra, ka hilazany hoe: ‘Ao amin’i Jehovah tokoa no misy fahamarinana sy hery be dia be.’”—Is 45:23, 24.
Ireo tafiditra amin’ilay adihevitra. Tsy olombelona ihany no nanota fa nisy anjely koa. Voakasik’ilay adihevitra koa àry ny zavaboary any an-danitra, anisan’izany ilay Zanak’Andriamanitra lahitokana, izay akaiky azy indrindra. Nanao izay sitraky ny Rainy foana io Zanany io, ka naniry mafy hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra. (Jn 8:29; He 1:9) Nofidin’Andriamanitra àry izy, ka nirahiny tetỳ an-tany. Nateraky ny virjiny atao hoe Maria izy. (Lk 1:35) Lavorary sy tsy nanan-tsiny foana izy mandra-pahafatiny. (He 7:26) Hoy izy talohan’ny nahafatesany: “Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” Hoy koa izy: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Jn 12:31; 14:30) Tsy nahavita nampivadika an’i Kristy i Satana, ka horoahina. “Naharesy an’izao tontolo izao” àry i Jesosy.—Jn 16:33.
Nanamarina ny zon’i Jehovah hitondra i Jesosy Kristy. Noporofoin’i Jesosy Kristy tanteraka fa mpandainga ny Devoly. Voavaly ilay fanontaniana hoe: ‘Hisy olona tsy hivadika amin’Andriamanitra ve na inona na inona fitsapana atrehiny?’ Notendren’ilay Andriamanitra Fara Tampony ho Mpanatanteraka ny fikasany àry i Jesosy. Izy no asainy handringana ny mpanao ratsy rehetra, anisan’izany ny Devoly. Hanana izany fahefana izany tokoa i Jesosy, mba ho amin’ny anarany no ‘handohalehan’ny lohalika rehetra sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo Fi 2:5-11; He 2:14; 1Jn 3:8.
ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’—Hanjaka amin’ny anaran’ny Rainy ilay Zanaka, ary ‘hofoanany’ avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra manohitra ny fitondran’i Jehovah. Noresahin’ny apostoly Paoly izay hataon’i Jesosy Kristy aorian’izay. Hoy izy: “Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.” Izany no porofo lehibe indrindra ampisehoan’i Jesosy fa manaiky ny fitondran’i Jehovah izy.—1Ko 15:24-28.
Resahin’ny Apokalypsy fa efa ho nofoanan’i Kristy daholo izay fahefana na fitondrana rehetra mitady hifaninana amin’ny fitondran’i Jehovah, rehefa mifarana ny Fanjakany Arivo Taona. Hovahana vetivety ny Devoly aorian’izay. Hanandrana hampipoitra an’ilay adihevitra indray izy, kanefa tsy homena fotoana intsony satria efa voalamina tanteraka izy io. Haringana izy sy ny mpomba azy avy eo.—Ap 20:7-10.
Misy hafa koa miandany amin’i Jehovah. Efa noporofoin’i Kristy fa tena manan-jo hitondra Andriamanitra. Hisy hafa koa anefa afaka ny hanaporofo izany. (Oh 27:11) Noresahin’ny apostoly Paoly ny soa azo, noho i Kristy tsy nivadika sy nanolotra ny ainy ho sorona. Nilaza izy fa ‘hambara ho marina ho amin’ny fiainana ny karazan’olona rehetra, noho ny asa fanamarinana iray.’ (Ro 5:18) Notendrena ho Lohan’ny fiangonana i Kristy. (Kl 1:18) Faly izy fa handova an’ilay Fanjakana ka hiara-manjaka aminy ny Kristianina sasany, izay tsy mivadika mandra-pahafatiny toa azy koa. (Lk 22:28-30; Ro 6:3-5; 8:17; Ap 20:4, 6) Efa niandrandra ny hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany ny olona nanam-pinoana fahiny, ka tsy nivadika na dia tsy lavorary aza. (He 11:13-16) Maro koa no hanaiky amin’ny fo manontolo fa ara-drariny ny fitondran’Andriamanitra sady mendrika ny ho mpitondra izy, araka ny hiran’ny mpanao salamo hoe: “Aoka hidera an’i Jah ny zavamiaina rehetra. Miderà an’i Jah!”—Sl 150:6.