Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahendrena

Fahendrena

FAHENDRENA

Lazain’ny Baiboly hoe manam-pahendrena ny olona raha mahay manapa-kevitra tsara satria manana fahalalana sy mahira-tsaina. Faritan’ny Baiboly hoe fahendrena ny fahaizana mampiasa ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina mba hamahana olana, hisorohana loza, hanatratrarana tanjona na hampirisihana ny hafa hanao toy izany koa. Mifanohitra ny fahendrena sy ny hadalana, ary matetika izy ireo no ampifanoherina.—De 32:6; Oh 11:29; Mpto 6:8.

Midika hoe “fahendrena” ny teny hebreo hoe hôkmah (hakam ny matoanteny avy aminy), sy ny teny grika hoe sôfia, ary ny teny iray tarika amin’ireo. Eo koa ny teny hebreo hoe toshiyah (azo adika hoe “fanaovana asa mitondra voka-tsoa” na “fahendrena hita amin’izay atao”), sy ny teny grika hoe frônimôs sy frônesis (avy amin’ny hoe fren, midika hoe “saina”), izay mitovitovy amin’ny hoe “fahaizana manapa-kevitra”, “fahamalinana”, na “fahendrena hita amin’izay atao.”

Manana fahalalana be sy tena mahira-tsaina ny olona manana fahendrena, ary izany no manampy azy hahay handinika sy hahita tsara ny zava-misy ka hahay hanatsoaka hevitra marina. “Mitahiry fahalalana” ny hendry, ka azony ampiasaina foana izany. (Oh 10:14) “Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra”, nefa ilaina koa ny fahiratan-tsaina satria voalaza hoe: “Izay rehetra azonao dia ampiasao hahazoana fahiratan-tsaina.” (Oh 4:5-7) Hitombo fahendrena ny olona raha mahira-tsaina (matetika koa ny olona mahira-tsaina no mahay manavaka). Ny fahiratan-tsaina mantsy no tena mahatonga ny olona ho malina sy hahay hitsinjo mialoha. Mampiavaka ny olona manam-pahendrena koa izany. Mitandrina be sy mailo sy mahafehy tena ary mahay mandanjalanja ny olona malina. Manorina ny tranony eo ambony vatolampy, ohatra, ny “lehilahy malina [endriny hafa amin’ny hoe frônimôs]”, ho fitsinjovana ny oram-baratra. Eo ambony fasika kosa ny adala no manorina ny tranony, ka loza ny vokany.—Mt 7:24-27.

Misy fomba hafa koa ahitana hoe mitombo fahendrena ny olona raha mahira-tsaina. Mety hankatò ny didin’Andriamanitra, ohatra, izy satria hendry ka fantany hoe tokony hankatò izy. Raha mahira-tsaina koa anefa izy ka takany ny anton’ilay didy, sy ny tanjona amin’ilay izy, ary ny soa ho azony raha mankatò izy, dia vao mainka izy ho tapa-kevitra hanao zavatra amim-pahendrena. (Oh 14:33) Milaza ny Ohabolana 21:11 fa “hahazo fahalalana” ny hendry “rehefa omena fanazavana.” Faly ny hendry rehefa omena fanazavana manampy azy hahazo tsara ny zava-misy rehetra sy ny anton’ny olana. ‘Mahazo fahalalana’ izy ka fantany izay tokony hatao sy izay ilaina mba hamahana ilay olana.—Ampit. Oh 9:9; Mpto 7:25; 8:1; Ezk 28:3; jereo LALIN-TSAINA.

Fahendren’Andriamanitra. Faran’izay hendry i Jehovah Andriamanitra, ary izany no dikan’ny hoe izy no “hany manam-pahendrena.” (Ro 16:27; Ap 7:12) Mpamorona izy sady efa nisy “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Sl 90:1, 2) Mahalala tsara momba an’izao rehetra izao sy ny fomba namoronana azy ary ny tantarany izy. Fahafantarana ny zava-misy mantsy no atao hoe fahalalana. Izy no nanao ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny natiora, ary ny tsingerina rehetra. Tena ilain’ny mpikaroka sy ny mpamorona zava-baovao ireny fitsipika sy tsingerina tsy miovaova ireny, raha tsy izany dia tsy mahavita na inona na inona izy ireo. (Jb 38:34-38; Sl 104:24; Oh 3:19; Je 10:12, 13) Nanome fitsipika momba ny fitondran-tena koa i Jehovah ary tena ilaina ireny mba hampety tsara ny fiainana, sy hahaizana manapa-kevitra ary hahombiazana. (De 32:4-6; jereo JEHOVAH [Manana fitsipika Andriamanitra].) Mahira-tsaina i Jehovah ka tsy misy tsy takatry ny sainy. (Is 40:13, 14) Misy zava-mitranga sasany mety havelany hisy mandritra ny fotoana kelikely na dia mifanohitra amin’ny fitsipiny ara-drariny aza. Tena voafehiny tanteraka anefa ny hoavy, ka tsy maintsy hifanaraka amin’ny sitrapony. Tsy maintsy “hahomby” izay rehetra nolazainy.—Is 55:8-11; 46:9-11.

Rariny àry raha lazaina fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” (Oh 9:10) “Iza no tsy hatahotra anao, ry Mpanjakan’ireo firenena ô? Fa ianao no mendrika hatahorana. Tsy misy toa anao mihitsy eo amin’ny olon-kendry rehetra eo amin’ireo firenena, ary tsy misy toa anao koa eo amin’ny fanjakany rehetra.” (Je 10:7) “Manana fo hendry mantsy [i Jehovah], ary tena mahery. Koa iza no hikiry hanohitra azy ka ho afa-maina?” (Jb 9:4; Oh 14:16) Mahery i Jehovah ka afaka miditra an-tsehatra amin’ny raharahan’ny tany: Afaka mampiasa mpanjaka izy na manaisotra azy ireo mba hahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny faminaniany. (Da 2:20-23) Niseho ho hendry ireo mpanjaka mahery sy ny mpanolo-tsaina mahay ka nanohitra an’Andriamanitra. Asehon’ny Baiboly anefa fa sasa-poana izy ireny, ary nataon’i Jehovah nandresy azy ireny kosa ireo mpanompony izay tsy nitsahatra nitory ny hafatra nampitondrainy.—Is 31:2; 44:25-28; ampit. Jb 12:12, 13.

“Fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina.” Toe-javatra vaovao nitaky ny hanehoan’Andriamanitra fahendrena ilay fikomiana tao Edena. Nahita fomba izy hamaranana ilay fikomiana, izany hoe hanafoanana ny voka-dratsin’izy io sy hahatonga ny fianakaviany manerana izao rehetra izao hilamina sy hiadana indray. Io fomba nampiasain’i Jehovah io no antsoina hoe “zava-miafina masina, dia ilay fahendrena nafenina, izay efa nomanin’Andriamanitra mialoha, talohan’ny niorenan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity”, izany hoe nisy taorian’ny nialan’ny olombelona tao Edena. (1Ko 2:7) Efa nandritra ny taonjato maro Andriamanitra no nampahafantatra ny ambangovangon’io “zava-miafina masina” io tamin’ny alalan’ny fifampiraharahany tamin’ny mpanompony tsy nivadika sy tamin’ny alalan’ny fampanantenana nolazainy tamin’izy ireo. Nisy zavatra nifanitsy tamin’io zava-miafina masina io tao amin’ny Fifaneken’ny Lalàna, ka anisan’izany ny asan’ny mpisorona sy ireo sorona. Voaresaka tao amin’ny faminaniana sy fahitana maro koa izy io.

Efa 4 000 taona mahery tatỳ aoriana vao naharihary tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ilay fahendrena nafenina, izany hoe ilay zava-miafina masina. (Kl 1:26-28) Tamin’ny alalany mantsy Andriamanitra no nikasa hanangana “fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.” (Ef 1:8-11) Nanjary fantatra fa hanome ny vidim-panavotana Andriamanitra mba hamonjena an’ireo olona mankatò, ary hanangana Fanjakana hotarihin’ny Zanany izy mba hanafoanana ny faharatsiana rehetra. “Tonga fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika [Kristianina]” i Kristy Jesosy, satria izy no fototra iorenan’ny fikasan’Andriamanitra, sady manana anjara asa lehibe ao amin’izany. (1Ko 1:30) “Tsara afina ao aminy tokoa mantsy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.” (Kl 2:3) Izy no “Mpitarika Lehibe Indrindra” notendren’Andriamanitra, ka amin’ny alalany ihany no hahazoana famonjena sy fiainana, ary tsy hahazo izany ny olona raha tsy mino azy. (As 3:15; Jn 14:6; 2Ti 3:15) Tsy manana ny tena fahendrena mihitsy àry ny olona lazaina fa hendry nefa tsy miraharaha an’i Jesosy Kristy, sy tsy manao zavatra na mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra, izay naharihariny tamin’ny alalan’i Jesosy.—Jereo JESOSY KRISTY (Manana anjara asa lehibe ao amin’ny fikasan’Andriamanitra).

Fahendren’olombelona. Oharina amin’ny vehivavy iray ny fahendrena, ao amin’ny Ohabolana. Manasa ny olona izy mba handray izay zavatra atolony. Voalaza ao sy ao amin’ireo andininy hafa mifandray aminy fa ny olona manana fahendrena dia manana fahalalana, mahira-tsaina (mahay manavaka koa), mahay misaina, manana traikefa, mazoto, malina (tsy mora fitahina na ambakaina [Oh 14:15, 18]), ary mahay mitsara zavatra. Voalaza anefa fa ny fahatahorana an’i Jehovah Andriamanitra no fiandohan’ny tena fahendrena. (Sl 111:10; Oh 9:10) Ambony kokoa noho ny fahendrena tsotra io tena fahendrena io, satria manaraka fitsipika ambony momba ny fitondran-tena ny olona manana azy io, sady manao ny rariny sy ny hitsiny no mifikitra amin’ny fahamarinana. (Oh 1:2, 3, 20-22; 2:2-11; 6:6; 8:1, 5-12) Tsy misy fahendrena afaka mifampitaha amin’io fahendrena ambony karazana io.

Voafetra ihany ny fahendren’olombelona, ary mety hanana azy io ny olona rehefa miezaka. Tsy maintsy mampiasa ilay saina efa nomen’Andriamanitra azy anefa izy mba hananana an’io fahendrena io (nomen’Andriamanitra fahendrena voajanahary kosa ny biby [Jb 35:11; Oh 30:24-28]). Miana-javatra ny olona rehefa mandinika sy mampiasa ny zavatra noforonin’Andriamanitra, ka mety hahazo fahendrena be na kely eo amin’ny sehatra samihafa. Matetika ilay teny grika hoe sôfia no midika hoe fahaizana asa tanana na taozavatra, fahaizana mitondra firenena sy mitantana raharaham-barotra, na fananana fahalalana be dia be eo amin’ny sehatry ny siansa na fanaovana fikarohana. Toy izany koa ny teny hebreo hoe hôkmah sy hoe hakam. Ampiasaina izy ireo mba hilazana ny ‘fahaizan’ireo’ tantsambo sy mpanentsina ny loaka amin’ny sambo (Ezk 27:8, 9; ampit. Sl 107:23, 27), sy ny fahaizan’ireo mpanao vato sy mpandrafitra (1Ta 22:15), ary ny fahendrena sy ny fahaizan’ireo mpanao asa tanana isan-karazany. (1Mp 7:14; 2Ta 2:7, 13, 14) Ampiasaina koa ireo teny hebreo ireo mba hilazana ny fahaizan’ireo mpanao sary sokitra na sampy. (Is 40:20; Je 10:3-9) Lazaina hoe hendry koa ny olona manao raharaham-barotra raha malina.—Ezk 28:4, 5.

Mety hanana an’ireo karazam-pahendrena rehetra ireo ny olona na dia tsy manana an’ilay fahendrena ampirisihin’ny Soratra Masina aza. Afaka mampitombo ny sasany amin’ireo karazam-pahendrena ireo anefa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa ilaina izany mba hahatanteraka ny fikasany. Niasa tamin’ireo lehilahy sy vehivavy nanamboatra ny tranolay masina sy ny fitaovana tao, ohatra, ny fanahy masina, ka nanome azy ireo “fahendrena sy fahiratan-tsaina” mba hanaovana an’izany asa izany sy ny fanenomana ny fitafian’ny mpisorona. Azon’izy ireo tsara ny asa nasaina nataony sy ny fomba hanatanterahana izany. Nanan-talenta koa izy ireo ary nahalala ny atao hoe tsara sady nanana saina tia karokaroka ka hainy ny namorona sy nahavita zavatra faran’izay kanto.—Ek 28:3; 31:3-6; 35:10, 25, 26, 31, 35; 36:1, 2, 4, 8.

Olon-kendry fahiny. Nilain’ny mpanjaka sy ny olona fahiny ny olona nanam-pahendrena niavaka sy tena nahay nanoro hevitra, ary toy izany koa ankehitriny. Nanana “olon-kendry” i Ejipta, Persa, Kaldea, Edoma, ary firenen-kafa. (Ek 7:11; Es 1:13; Je 10:7; 50:35; Ob 8) Azo inoana fa anisan’ny olon-kendry teo amin’ireny firenena ireny ny mpisorona sy ny olona ambony teo amin’ny fitondrana. Anisany koa ny “zokiolona” rehetra, izay nalaza ho nanam-pahendrena ary nonina akaikin’ny renivohitra mba ho mora hakana torohevitra. (Ampit. Ge 41:8; Sl 105:17-22; Is 19:11, 12; Je 51:57.) Nisy olon-kendry fito lahy, ohatra, nanolo-tsaina an’ireo mpanjakan’i Persa. Vonona foana izy ireo rehefa nisy nilana torohevitra maika. (Es 1:13-15) Nety ho nisy olona ambony nanana ny olon-kendriny manokana koa teo amin’ny fanjakana persianina.—Es 6:13.

Malina sy hendry i Josefa noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, ka nataon’i Faraon’i Ejipta praiminisitra. (Ge 41:38-41; As 7:9, 10) I Mosesy kosa “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” sady “nahery tamin’ny teniny sy ny nataony”, na dia mbola tsy nataon’Andriamanitra mpitondra teniny aza. Fahendrena sy fahaizan’olombelona anefa izany, ka tsy nahatonga azy ho azon’Andriamanitra nampiasaina hanatanterahana ny fikasany. Nanandrana nanafaka an’ireo Israelita rahalahiny izy, tamin’izy 40 taona teo ho eo. Tsy maintsy mbola niandry 40 taona anefa izy, vao nirahin’Andriamanitra hanafaka ny Israely avy tao Ejipta. Efa nanana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra izy tamin’izay.—As 7:22-36; ampit. De 34:9.

Efa hendry i Solomona na dia mbola tsy mpanjaka aza. (1Mp 2:1, 6, 9) Nanetry tena anefa izy, ka niaiky fa “mbola zaza”, ary nangataka fanampiana tamin’i Jehovah mba hahaizany hitsara ny vahoakan’Andriamanitra. Novalian-tsoa izy ka nahazo “fo hendry sy mahiratra” mihoatra noho ny mpanjaka rehetra tao Joda. (1Mp 3:7-12) Nalaza ho nanam-pahendrena ny Tatsinanana sy ny Ejipsianina, nefa mbola nanan-tombo noho ireny i Solomona. Lasa zatra nankany Jerosalema àry ny mpanjaka maro na ny solontenany mba hianatra fahendrena avy tamin’ilay mpanjaka hendry. (1Mp 4:29-34; 10:1-9, 23-25) Nisy vehivavy nanana fahendrena niavaka koa fahiny.—2Sa 14:1-20; 20:16-22; ampit. Mpts 5:28, 29.

Tsy ampiasaina amin’ny fomba tsara foana. Azo ampiasaina amin’ny fomba tsara ny fahendren’olombelona. Ampiasaina amin’ny fomba ratsy koa anefa izy io, ary fahendrena araka ny nofo izy amin’izay, fa tsy fahendrena avy amin’Andriamanitra. Lehilahy hendry na “tena marani-tsaina”, ohatra, i Jonadaba nefa torohevitra feno hafetsena sy fitaka no nomeny an’i Amnona zanakalahin’i Davida. Tsy azo antoka hoe hahomby ny toroheviny. Loza mihitsy aza ny vokany. (2Sa 13:1-31) I Absaloma indray nanao tetika feno hafetsena mba hahazoana ny seza fiandrianan’i Davida rainy. (2Sa 14:28-33; 15:1-6) Nangataka torohevitra tamin’i Ahitofela sy Hosay, mpanolo-tsain’i Davida, izy rehefa azony i Jerosalema. Nanontaniany izy ireo hoe inona koa no tetika tokony hataony. Toa marina sy feno fahendrena foana ny torohevitr’i Ahitofela ka noheverina hoe avy amin’Andriamanitra. Nivadika tamin’ilay voahosotr’i Jehovah anefa izy, ka nataon’i Jehovah izay tsy hanarahana ny paikadiny (na dia toa feno fahendrena aza izany), fa ny paikadin’i Hosay tsy nivadika kosa no narahina. Fantatr’i Hosay fa ratsy toetra sy be hambo i Absaloma ka nohararaotiny izany mba handresena azy. (2Sa 16:15-23; 17:1-14) Hoy i Paoly momba an’Andriamanitra: “ ‘Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy.’ Ary koa hoe: ‘Fantatr’i Jehovah fa zava-poana ny fisainan’ny olon-kendry.’ ”—1Ko 3:19, 20; ampit. Ek 1:9, 10, 20, 21; Lk 20:19-26.

Nivadi-pinoana ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny olon-kendry teo amin’ny firenen’Israely tatỳ aoriana. Notaomin’izy ireo ny olona mba hanohitra ny torohevitra sy ny didy nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpanompony tsy nivadika. (Je 18:18) Nataon’i Jehovah àry izay ‘hahafoana ny fahendren’ny olon-kendrin’izy ireo, ary hanafenana ny fahiratan-tsain’ny olona malina [teo amin’izy ireo].’ (Is 29:13, 14; Je 8:8, 9) Nofaranan’i Jehovah hatreo ilay fanjakana naharitra 500 taona (noravany koa tatỳ aoriana i Babylona mpirehareha izay nandrava an’i Jerosalema, ary koa i Tyro mpieboebo). (Is 47:10-15; Ezk 28:2-17) Naleon’ireny ‘olon-kendry’ ireny fahendren’olombelona toy izay fahendrena avy amin’Andriamanitra.

Matetika no zava-poana ny fahendren’olombelona. Mpanota sy tsy lavorary ny olombelona, ka “asa mampahory” no mameno ny fiainany. Niezaka nandinika an’ireny asa ireny i Solomona Mpanjaka ary nahita fa na dia miezaka mampitombo ny fahendreny aza ny olona, dia “toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Tena mikorontana sy mikororosy ary simba be mantsy ny fiaraha-monina ka tsy ho vitan’ny olona intsony ny hanitsy na hanarina izany. Vao mainka àry sorena sy sosotra izay olona ‘be fahendrena’, satria hitany hoe zara raha misy azony atao mba hanatsarana izany.—Mpto 1:13-18; 7:29; ampitahao amin’ny Ro 8:19-22 izay miresaka momba ny zavatra ataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ary tsy ho zava-poana intsony.

Hitan’i Solomona koa fa tsy afaka mitondra tena fahasambarana sy fahafaham-po maharitra ny fahendren’olombelona, na dia mety hitondra fahafinaretana isan-karazany sy fahaiza-miasa izay mampanan-karena aza. Mety ho faty toy ny adala ihany ny hendry ary tsy fantany izay hiafaran’ny fananany, sady mifarana eo amin’ny fahafatesany ny fahendreny. (Mpto 2:3-11, 16, 18-21; 4:4; 9:10; ampit. Sl 49:10.) “Mety ho azon-tsampona ... amin’ny fotoana tsy ampoizina” koa ny hendry, ka mety tsy hananany na dia ny zavatra tsotra toy ny sakafo aza, rehefa tonga tampoka ny loza. (Mpto 9:11, 12) Raha ny fahendren’olombelona fotsiny no ampiasainy, dia tsy ho fantany mihitsy “ny asa rehetra nataon’Andriamanitra” sady tsy ho azony mihitsy ilay fahalalana tena ilaina mba hamahana an’ireo olana lehibe mpahazo ny olona.—Mpto 8:16, 17; ampit. Jb toko 28.

Tsy nilaza i Solomona hoe tena tsy misy ilana azy ny fahendren’olombelona. Nandinika ny hadalana koa mantsy izy ka hitany fa aleo fahendrena toy izay hadalana. Toy ny tsy itovizan’ny “hazavana raha oharina amin’ny haizina” izany. “Mahita tsara izay lalan-kizorany” ny hendry satria mampiasa ny fahaizany misaina, fa ny mason’ny adala kosa tsy mandinika tsara ka tsy mahay manavaka izy. (Mpto 2:12-14; ampit. Oh 17:24; Mt 6:22, 23.) Miaro kokoa noho ny vola ny fahendrena. (Mpto 7:11, 12) Nasehon’i Solomona anefa fa tsy tena hahasoa ny fahendrena raha tsy mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fikasany. (Mpto 2:24; 3:11-15, 17; 8:12, 13; 9:1) Mety hanao zavatra tafahoatra, ohatra, ny olona te hiseho ho hendry, ka ho voan’ny ataony ihany izy satria miezaka manakatra zavatra tsy ho vitan’ny olona tsy lavorary. (Mpto 7:16; ampit. 12:12.) Homen’Andriamanitra azy ihany anefa ny “fahendrena sy fahalalana ary fifaliana” ilainy, raha manompo sy mankatò ny Mpamorona izy ka afa-po amin’izay sakafo sy zava-pisotro ary zava-tsoa azony vokatry ny asa mafy ataony.—Mpto 2:24-26; 12:13.

Mifanohitra amin’ny zava-miafina masin’Andriamanitra. Efa hatry ny ela ny olona no nanangona fahendrena, ary be dia be amin’izany no ampianarina any amin’ireo sekoly eto amin’ity tontolo ity, na ampitaina amin’ny fomba hafa. Misy indray fahendrena azon’ny olona noho izy ireo mifanerasera amin’ny hafa na noho ny fiainana nodiaviny. Ny Kristianina kosa mila mamantatra hoe ahoana no tokony hiheverany an’izany fahendren’olombelona izany. Nitantara fanoharana momba ny mpanompo iray tsy marina i Jesosy, ary nilaza fa namboamboarin’izy io ny kaontin’ny tompony ho fitsinjovany ny hoaviny. Nilaza i Jesosy fa hita tamin’izay nataon’io mpanompo io hoe hendry, na “malina [frônimôs]” izy. Io fahamalinana, na fahaiza-mitsinjo ny hoavy io, anefa no nolazain’i Jesosy hoe fahendren’ny “zanak’ity tontolo ity” fa tsy fahendren’ny “zanaky ny mazava.” (Lk 16:1-8) Nidera an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy talohan’izay, satria nisy fahamarinana nafenin’ny Rainy tamin’ny “hendry sy ny mahira-tsaina” fa naharihariny kosa tamin’ny mpianatr’i Jesosy izay azo noharina tamin’ny “zaza.” (Lk 10:21-24) Iza ireo “hendry sy mahira-tsaina” ireo? Anisan’ireny ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, izay nianatra tany amin’ny sekolin’ireo raby.—Ampit. Mt 13:54-57; Jn 7:15.

Tena nampahalaza ny Grika tamin’ny taonjato voalohany ny kolontsainy, ny fahalalana be dia be nananany, ireo sekoliny ary ny filozofiany isan-karazany. Mety ho izany no nahatonga an’i Paoly hiresaka momba ny “Grika sy ny tsy Grika” mba hilazana ny “hendry sy ny tsy hendry.” (Ro 1:14) Nantitranterin’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Korinto, any Gresy, fa ny Fivavahana Kristianina dia tsy miankina sady tsy misy ifandraisany amin’ny “fahendren’izao [sôfian] tontolo izao”, izany hoe ny tontolon’ireo olona tafasaraka amin’Andriamanitra. (1Ko 1:20; jereo IZAO TONTOLO IZAO [Ilay tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra].) Tsy midika izany hoe tsy misy ilana azy na tsy mahasoa mihitsy ny fahendren’ity tontolo ity. Nianatra momba ny fanaovana tranolay, ohatra, i Paoly, ary nilainy izany fahaizana izany. Naka teny avy tamin’ny asa soratry ny mpanoratra teo amin’ity tontolo ity koa izy indraindray mba hanazavana hevi-dehibe sasany momba ny fahamarinana. (As 18:2, 3; 17:28, 29; Tit 1:12) Na izany aza, dia tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana sady mifanohitra amin’ny “fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina” ny filozofian’ity tontolo ity, izany hoe ny toe-tsainy, ny fomba fanaony, ny fitsipika arahiny ary ny tanjony.

Niseho ho hendry ity tontolo ity ka nolaviny sy noheveriny ho hadalana ny famonjen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy. Toa nahay sy hendry koa ireo mpitondra teo aminy nefa “nofantsihany tamin’ny hazo fijaliana ny Tompo be voninahitra.” (1Ko 1:18; 2:7, 8) Noporofoin’Andriamanitra anefa hoe hadalana ny fahendren’ny hendry eto amin’ity tontolo ity. Nataony afa-baraka ireo olon-kendry ireo satria izay noheverin’izy ireo ho “hadalana avy amin’Andriamanitra” sy ‘adala sy malemy ary ambany’ no nampiasain’Andriamanitra mba hanatanteraka ny fikasany tsy hay toherina. (1Ko 1:19-28) Nampahatsiahy an’ireo Kristianina tao Korinto i Paoly fa ho levona “ny fahendren’ity tontolo ity [sy] ny an’ny mpitondrany.” Tsy anisan’ny hafatra nampitain’ilay apostoly àry io karazana fahendrena io. (1Ko 2:6, 13) Nampitandrina ny Kristianina tany Kolosia izy mba tsy ho voafandriky ny “filozofia [filôsôfias, a.b.t.: fitiavana fahendrena] sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona.”—Kl 2:8; ampit. and. 20-23.

Azo antoka fa tsy hahomby ny fahendren’ity tontolo ity, na dia mitondra soa vetivety ihany aza. Ahazoana ny “harena tsy hita fetran’i Kristy” kosa ilay fahendrena avy amin’Andriamanitra, izay nananan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. Anisan’ny zava-miafina masin’Andriamanitra io fiangonana io, ka rehefa nifandray tamin’izy io Andriamanitra sady nanatanteraka ny fikasany tamin’ny alalan’izy io, dia nampahafantatra ‘ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendreny’ izy, ary nampahafantatra izany tamin’ireo “fanjakana sy fahefana ... izay mitana toerana any amin’ny faritry ny lanitra.” (Ef 3:8-11; 1:17, 18; ampit. 1Pe 1:12.) Manana “ny sain’i Kristy” ireo anisan’io fiangonana io (ampit. Fi 2:5-8), ka ambony lavitra noho ny an’ity tontolo ity ny fahalalany sy ny fahiratan-tsainy. Afaka nampiasa “teny ampianarin’ny fanahy” sy niteny tamin’ny “vava sy fahendrena” tsy voatohitry ny mpanohitra àry izy ireo, na dia lazain’ity tontolo ity hoe “tsy dia nahita fianarana” sy “olon-tsotra” aza. Tsy nampiasa “teny ampianarin’ny fahendren’olombelona” izy ireo.—1Ko 2:11-16; Lk 21:15; As 4:13; 6:9, 10.

Ady ara-panahy. Ny fahendren’Andriamanitra no nentin’ny apostoly Paoly niady tamin’ireo nitady hanimba ny fiangonana kristianina, toy ny fiangonana tao Korinto. (1Ko 5:6, 7, 13; 2Ko 10:3-6; ampit. 2Ko 6:7.) Fantatr’i Paoly mantsy ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Aleo fahendrena toy izay fitaovam-piadiana. Ary afaka manimba zava-tsoa maro na dia mpanota iray monja aza.” (Mpto 9:18; 7:19) Niresaka momba ny “handravana zavatra efa mafy orina” izy (2Ko 10:4), ary misy hevitra mitovitovy amin’izany voalazan’ny ampahany amin’ny Ohabolana 21:22 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Fantatr’i Paoly fa eken-teny kokoa ny olona hita hoe miavaka, manan-talenta, na olona ambony sy mahay miteny. Fantany koa fa matetika no tsy misy miraharaha ‘ny teny malefaka avy amin’ny olona mahantra nefa hendry.’ (Ampit. Mpto 9:13-17.) Na i Jesosy aza tsy nohajaina sy tsy noraharahain’ny mpitondra sy ny vahoaka. Tsy mba nanana harena sy toerana ambony toa an’i Solomona mantsy izy, nefa hendry lavitra noho i Solomona.—Ampit. Mt 12:42; 13:54-58; Is 52:13-15; 53:1-3.

Ny fahaizana no ireharehan’ny olona sasany (ampifan. Je 9:23, 24), fa tsy izay ao am-po. Tamin’ny olona toy ireny dia “malemy” i Paoly, “ary tsy misy vidiny ny teniny.” (2Ko 5:12; 10:10) Tsy nampiasa teny mampiaiky volana na nampideradera fahendren’olombelona mba handresena lahatra anefa i Paoly. Tiany mantsy raha ny fanahy masina sy ny herin’Andriamanitra no hiorenan’ny finoan’ny mpihaino azy, ary i Kristy no fototry ny finoan’izy ireo fa tsy ny “fahendren’olombelona.” (1Ko 1:17; 2:1-5; 2Ko 5:12) “Olon-kendry lehiben’ny fanorenana” i Paoly noho izy nahay nitsinjo lavitra. Tsy fanorenana trano anefa no tiany horesahina fa fanorenana ara-panahy, izany hoe fiaraha-miasa amin’Andriamanitra mba hanampiana olona ho lasa mpianatra manana toetra kristianina.—1Ko 3:9-16.

Mety hanam-pahendrena be eto amin’ity tontolo ity ny olona iray, satria nianatra momba ny asa tanana, varotra, fahaiza-mitantana, siansa, na filozofia. Izao anefa no tokony hotadidiny: “Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry eto amin’ity tontolo ity, dia aoka izy ho adala, mba ho hendry.” (1Ko 3:18) Raha hirehareha àry izy, dia tokony hirehareha noho ‘ny fahafantarany tsara an’i Jehovah, dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany’, satria izany no mahafinaritra an’i Jehovah.—Je 9:23, 24; 1Ko 1:31; 3:19-23.

Hendry sy mahay mitantana. Hoy ilay fahendrena, izay oharina amin’ny olona: “Manana torohevitra sy fahendrena aho, ary mahira-tsaina sy mahery. Mila ahy ny mpanjaka rehefa manjaka, ary mila ahy koa ny manam-pahefana raha te hamoaka didy ara-drariny. Mila ahy ny andriana rehefa mitondra, ary mila ahy koa ny lehibe raha te hitsara araka ny rariny. Izay tia ahy dia mba tiako, ary izay mitady ahy no hahita ahy.” (Oh 8:12, 14-17) Ambony karazana io fahendrena avy amin’Andriamanitra io, ary manana azy io ny Mesia Mpanjaka. (Is 11:1-5; ampit. Ap 5:12.) Ambony lavitra noho ny fahaizana mety hananan’ny olona na iezahany hananana amin’izao fotsiny anefa io fahendrena io, ary mahatonga ny olona ho hendry ka lasa hainy ny mamantatra ny toro lalana avy ao amin’ny lalàn’Andriamanitra ary hainy ny mamoaka didim-pitsarana ara-drariny sy tsy miangatra rehefa ampian’ny fanahy masina izy. (Ezr 7:25; 1Mp 3:28; Oh 24:23; ampit. De 16:18, 19; Jk 2:1-9.) Tsy hoe tsy miraika amin’ny faharatsiana ny olona manana an’io fahendrena io, fa manohitra mafy an’izany kosa.—Oh 20:26.

Notendrena ho mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana ny lehilahy iray raha “feno fanahy masina sy fahendrena” avy amin’Andriamanitra, fa tsy hoe satria tafita teo amin’ny fiainana, na nanana fahendren’olombelona, na nanan-talenta. (As 6:1-5; ampit. 1Ti 3:1-13; Tit 1:5-9.) Anisan’ireo “mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso” nampanantenain’i Jesosy izy ireny. (Mt 23:34) Afaka nitsara raharaha teo anivon’ny fiangonana, sy nanome torohevitra koa izy ireny, toa an’ireo olon-kendry teo amin’ny firenen’Israely. (1Ko 6:5) Niaiky izy ireo fa tena ilainy ny mifampidinika ahalalana ny hevitry ny hafa.—Oh 13:10; 24:5, 6; ampit. As 15:1-22.

Miezaha hanana ny tena fahendrena. Hoy ny Ohabolana 23:23: “Vidio ny fahamarinana ka aza amidy, ary vidio koa ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahiratan-tsaina.” I Jehovah no Loharanon’ny tena fahendrena, ary malala-tanana izy ka manome azy io ho an’izay olona tena mikatsaka sy mangataka izany amim-pinoana, ary matahotra sy manaja Azy. (Oh 2:1-7; Jk 1:5-8) Tsy maintsy manokana fotoana anefa ilay olona mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny didiny, ny lalàny, ny fampahatsiahivany, ary ny toroheviny. Tsy maintsy misaintsaina momba izay nataon’Andriamanitra koa izy ary mankatò azy. (De 4:5, 6; Sl 19:7; 107:43; 119:98-101; Oh 10:8; ampit. 2Ti 3:15-17.) Tokony haneho fahendrena izy ka hanararaotra tsara ny fotoana, fa tsy hitondra tena toy ny adala satria ratsy izao andro izao. Miezaka mamantatra “izay sitrapon’i Jehovah” kosa izy. (Ef 5:15-20; Kl 4:5, 6) Tsy maintsy miezaka hanana finoana matanjaka izy, ka hiaiky tanteraka fa faran’izay mahery Andriamanitra, ary azo antoka fa ho tanteraka ny sitrapony, ary ho vitany ny hamaly soa an’izay tsy mivadika aminy, araka ny efa nampanantenainy.—He 11:1, 6; 1Ko 15:13, 14, 19.

Amin’izay ihany ilay olona vao hahay hanapa-kevitra ka tsy ho baikoin’ny tahotra, ny faniriana tsy mety afa-po, ny filan’ny nofo, ary ny fihetseham-po ratsy hafa. (Oh 2:6-16; 3:21-26; Is 33:2, 6) Hoy ihany ilay fahendrena oharina amin’ny olona: “Sambatra ny olona mihaino ahy, ka miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miambina eo amin’ny tolàm-baravarako. Fa hahazo fiainana tokoa izay olona mahita ahy, sady hahazo sitraka amin’i Jehovah. Fa izay tsy manana ahy kosa manao tsinontsinona ny ainy, ary izay rehetra te ho faty no mankahala mafy ahy.”—Oh 8:34-36; 13:14; 24:13, 14.

Ny fahendrena sy ny fo. Mazava ho azy fa tena ilaina ny fahiratan-tsaina mba hananana fahendrena. Ny fo anefa no tena ahazoana ny tena fahendrena. Ny fo mantsy misy ifandraisany amin’ny firaiketam-po sy ny antony mahatonga ny olona hanao zavatra, fa tsy amin’ny eritreritra fotsiny. (Sl 49:3, 4; Oh 14:33; jereo FO.) Te hahazo ‘fahendrena ao am-po’ ny mpanompon’Andriamanitra, ary tiany raha ny fahendrena no mitarika azy amin’izay kasainy hatao eo amin’ny fiainana. (Ampit. Sl 51:6, 10; 90:12.) “Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany [izany hoe vonona hanampy sy hiaro azy amin’ny fotoan-tsarotra (ampit. Sl 16:8; 109:31)], fa ny fon’ny adala kosa eo ankaviany [tsy mahavita mitari-dalana azy ho amin’ny fahendrena].” (Mpto 10:2, 3; ampit. Oh 17:16; Ro 1:21, 22.) Namolavola sy nibaiko ny fony hanaraka ny fahendrena ny olona tena hendry. (Oh 23:15, 16, 19; 28:26) Toy ny hoe nosoratany ‘eo amin’ny fony’ ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny.—Oh 7:1-3; 2:2, 10.

Ilaina ny olona za-draharaha sy ny namana tsara. Mihahendry ny olona rehefa mihalehibe ka lasa za-draharaha. Na i Jesosy aza nihanitombo fahendrena rehefa nihalehibe. (Lk 2:52) Lehilahy “hendry sy malina ary za-draharaha” no nofidin’i Mosesy ho lehibem-poko. (De 1:13-15) Marina fa mety ho hendry kokoa ny olona rehefa nahazo fanitsiana na nahita olona voasazy. (Oh 21:11) Fomba mihaja sy haingana kokoa hahazoana fahendrena anefa ny miana-javatra avy amin’ny olona efa hendry sy za-draharaha na nandia fiainana, ka aleo miaraka amin’izy ireny toy izay miaraka amin’ny “tanora fanahy.” (Oh 9:1-6; 13:20; 22:17, 18; ampit. 2Ta 9:7.) Azo inoana kokoa ho hendry ny zokiolona, indrindra fa ireo fantatra hoe manana ny fanahin’Andriamanitra. (Jb 32:7-9) Hita indrindra izany nandritra ny fanjakan’i Rehoboama. (1Mp 12:5-16) Na izany aza, dia “aleo ankizy mahantra nefa hendry, toy izay mpanjaka antitra nefa adala, izay tsy mahatsapa intsony hoe mila fampitandremana.”—Mpto 4:13-15.

Matetika no teo akaikin’ny tany malalaka no nisy ny vavahadin’ny tanàna, ary teo ny zokiolona sy ny anti-panahy no nanome torohevitra feno fahendrena sy namoaka didim-pitsarana. (Ampit. Oh 1:20, 21; 8:1-3.) Mazàna no tsy re firy teo am-bavahady ny adala: Tsy nangataka na nilaza tenim-pahendrena teo izy. Tany an-toeran-kafa kosa no nandrenesana azy ireny. (Oh 24:7) Marina fa manitsy ny fiainan’ny olona iray ny fiarahany amin’ny hendry ary mety hananatra mafy azy mihitsy aza izy ireny indraindray. Aleo anefa izany toy izay mandre ny hira sy ny fihomehezan’ny adala. (Mpto 7:5, 6) Tsy hanao zavatra amim-pahendrena intsony, amin’ny farany, ny olona mitokantokana, sy tsy manaraka afa-tsy ny heviny momba ny fiainana, ary tia tena ka tsy manao afa-tsy izay tiany fotsiny.—Oh 18:1.

Miseho eo amin’ny fitondran-tena sy ny teny. “Izay manetry tena”, hoy ny Ohabolana 11:2, “no hendry.” Niresaka momba ny “fahalemem-panahy avy amin’ny fahendrena” i Jakoba. (Jk 3:13) Tsy manana ny tena fahendrena ny olona be fialonana, tia mifanditra, mirehareha, na be di-doha. Fahendrena “avy eto an-tany sy araka ny nofo ary araka ny demonia” no mibaiko azy. Ny tena fahendrena kosa “tia fihavanana, mahay mandanjalanja, [ary] vonona hankatò.” (Jk 3:13-18) “Ny teny an’avona ataon’ny adala dia toy ny tsorakazo hoenti-mamely, fa ny molotry ny hendry kosa hiaro azy.” Mifehy ny vavany ny hendry ka tsy milaza izay tsy tokony holazaina, ary tsy manao teny masiaka na tsy voahevitra. (Oh 14:3; 17:27, 28; Mpto 10:12-14) Mandinika tsara izay holazainy ny hendry, ary manao teny manasitrana, mahafinaritra, ary mahasoa. (Oh 12:18; 16:21; Mpto 12:9-11; Kl 3:15, 16) Tsy tia manetsika ady izy fa miezaka hampitony sy ‘hitaona olona’ kosa noho ny fahendreny sy ny fahaizany mandresy lahatra.—Oh 11:30; 15:1-7; 16:21-23; 29:8.

Misy “mihevi-tena ho hendry” ka manandra-tena ho ambony noho ny hafa, na ambony noho Andriamanitra mihitsy aza. Mbola ratsy kokoa anefa ny olona toy izany raha oharina amin’ny olona adala, izay manaiky ny tenany ho adala. (Oh 26:5, 12; 12:15) Be hambo loatra ny olona mieboebo toy izany, ka tsy mandray anatra. (Oh 3:7; 15:12; Is 5:20, 21) Mahagaga fa mora manao toy izany koa na ny kamo na ny manankarena. (Oh 26:16; 28:11; ampit. 1Ti 6:17.) “Ny olon-kendry izay manome anatra” kosa “dia toy ny kavina volamena sy firavaka volamena tena tsara eo amin’ny sofin’ny olona mihaino anatra.” (Oh 25:12) “Anaro [àry] ny hendry dia ho tiany ianao.”—Oh 9:8; 15:31-33.

Eo anivon’ny fianakaviana. Ilana fahendrena ny fanorenana trano, ary tsy ny trano ara-bakiteny ihany, fa ny tokantrano vanona koa. (Oh 24:3, 4; ampit. Oh 3:19, 20; Sl 104:5-24.) Tsy mitsitsy tsorakazo sy anatra ny ray aman-dreny hendry. Miaro ny zanany tsy haditra kosa izy matoa manasazy sy manoro hevitra azy. (Oh 29:15) Tena manampy ny ankohonany hahomby sy ho sambatra ny vehivavy hendry. (Oh 14:1; 31:26) Manaiky ny anatry ny ray aman-dreniny ny zanaka hendry ka mahafaly sy manome voninahitra ny fianakaviana. Miaro ny lazan’ny fianakaviany tsy ho voahoso-potaka mantsy izy ireo. Asehon’izy ireo amin’izany fa hendry sy mahay mitaiza ny rainy.—Oh 10:1; 13:1; 15:20; 23:24, 25; 27:11.