Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahiratan-tsaina

Fahiratan-tsaina

Mety hidika fotsiny hoe fahazoana hevitra ny teny tany am-boalohany nadika hoe “fahiratan-tsaina.” Lazaina koa hoe mahira-tsaina ny olona raha mahatakatra tsara ny tena fototry ny raharaha sarotra iray, sy ny tena antony mahatonga an’ilay izy, ary ny dikany. Mitovitovy ny dikan’ny hoe mahira-tsaina, lalin-tsaina, mahay manavaka, ary mahataka-javatra.

Matetika no misy ifandraisany amin’ny hoe mahira-tsaina ny matoanteny hebreo hoe bin sy ny anarana hebreo hoe binah. Mety ho voafaritra kokoa ny hevitry ny bin sy binah indraindray ka natao hoe mahafantatra (1Sa 3:8; 2Sa 12:19; Da 9:2), mahatsapa (Sl 19:12), mieritreritra na mandinika (De 32:7; Sl 37:10; Oh 14:15; 23:1; Je 2:10), na mijerijery na mihaino tsara na mifantoka (Jb 31:1; 32:12; 37:14), ary azo adika toy izany mihitsy koa izy ireo. Hoy ny Pr. R. Dentan: “Ny fototeny hoe בין [bin] dia midika voalohany hoe ‘mamantatra amin’ny alalan’ny vavahadin-tsaina’, ‘mahatakatra ny fahasamihafana.’ Mety hidika koa izy io hoe ‘mandinika tsara.’ Mbola hevitr’izy io koa (ary indrindra fa ireo teny iray tarika aminy) ny hoe ‘mahazo hevitra’ na ‘milaza’ izany amin’ny hafa.” (Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-4, p. 733) Izao no namaritan’i Gesenius, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, azy io: “Manasaraka, manavaka; ... izany hoe mamantatra, manamarika, mahazo hevitra, ka izany rehetra izany dia miankina amin’ny fahaizana manasaraka sy manavaka.” (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nadikan’i E. Robinson, 1836, p. 140) Anarana mitovy fototeny amin’ny hoe binah ny hoe tevonah, ary azo adika hoe ‘fahaiza-manavaka’ (Oh 10:23; 11:12) na “fahiratan-tsaina” (Ek 31:3; De 32:28) izy io, arakaraka ny zavatra resahina.

Hita amin’ny hevitr’ireo teny ireo fa ny olona mahira-tsaina dia olona mahatakatra ny tena fototry ny zava-misy iray, sy mahay mamantatra ny zava-drehetra voafaoka ao anatin’izy io satria mahay manavaka hoe inona avy no mahatonga azy io, na inona avy ny zavatra miara-miasa mba hampisy azy io. Mahalala ny fifandraisan’ireny zavatra ireny àry ny olona mahira-tsaina, ka mahazo tsara ny dikan’ilay zava-misy. Intỳ misy ohatra: Raha te hahazo ny zavatra lazaina amin’ny fiteny iray ny olona iray, dia tsy maintsy mahay manavaka ny teny tsirairay ao anaty fehezanteny iray ary mahazo ny dikan’ireo teny tsirairay ireo sy ny fifandraisan’izy ireo. (De 28:49) Mety ho azon’ilay olona amin’ny ankapobeny àry izay nolazaina taminy. Tsy izay fotsiny anefa ny hoe mahira-tsaina. Midika koa izy io hoe azon’ilay olona tsara ny tena hevitry ny zavatra nolazaina taminy, ka hainy ny maha zava-dehibe an’izany ary afaka mandray soa avy amin’izany izy sady fantany izay tokony hataony. Rehefa namaky ny Lalàna teo anatrehan’ny vahoaka tany Jerosalema, ohatra, i Ezra mpisorona, dia novoriny ‘izay rehetra afaka nihaino ka nahazo [avy amin’ny teny heb. bin] ny hevitr’izay reny.’ Efa vory saina tsara ireo olona ireo ka afaka nahazo ny dikan’ny teny rehetra reny. Na izany aza, dia mbola “nanazava [nampianatra na nanao izay ahazoana (endriny hafa amin’ny hoe bin) ny hevitry] ny lalàna tamin’ny vahoaka ireo Levita, ... namaky mafy an’ilay boky, izany hoe ny lalàn’Andriamanitra, ka namelabelatra sy nanazava ny heviny. Dia nataon’izy ireo azon’ny olona tsara izay novakina.”​—Ne 8:2, 3, 7, 8.

Ny matoanteny hoe syniemi (a.b.t.: mampiaraka zavatra) sy ny anarana iray tarika aminy hoe synesis no tena nadika hoe “fahiratan-tsaina”, ao amin’ny Soratra Grika, ka ny heviny amin’izay dia hoe mahazo ny dikan’ny zavatra iray. Teny grika hafa koa ny hoe epistamai, izay midika hoe “mahalala tsara”, sy ny hoe ginôskô midika hoe “mahalala.”

Loharanon’ny fahiratan-tsaina. I Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny fahiratan-tsaina, ary asehony amin’ny zavatra ataony fa faran’izay mahira-tsaina izy. Diniho ireo zavatra eny amin’ny habakabaka. Mirindra tsara ny fihetsehan’izy ireo tsirairay, ary mahavariana ny fomba fiasany. Mihetsika izy ireny nefa tsy mifandona na miteraka olana. Misy antony daholo ny nanaovana azy rehetra, ary mifandray ireny antony ireny. Hita amin’izany fa tena mahira-tsaina mihitsy ny Mpamorona azy ireny. (Jb 38:36; Sl 136:5-9; Oh 3:19, 20; Je 10:12, 13) Fahaizana avy amin’Andriamanitra koa no mahatonga ny biby hahira-tsaina, arakaraka ny karazany. Mety hianatra an-taonany maro ny olona mba hahaizana momba ny fihetsehan’ny rivotra, nefa ny hitsikitsika tonga dia mahafantatra ny lalan’ny rivotra samihafa sy ny fampiasana azy ireny. (Jb 39:26) Na izany aza dia tsy ananan’ny biby ny lafiny sasany amin’ny fahiratan-tsaina mampiavaka ny olombelona.​—Ampit. Sl 32:9.

Manaraka lalàna napetrak’Andriamanitra ny zavaboary sy ny tsingerina maro. Betsaka amin’izy ireny no mbola tsy azon’ny olona tsara, na dia nanao fikarohana lalina an-jatony taona maro aza izy ireo. (Jb 36:29; 38:19, 20) Izay takatry ny sain’ny mpandinika zavaboary dia “vao ampahany kely” monja amin’ny zava-bitan’Andriamanitra, ary “vao bitsibitsika ihany” raha oharina amin’ny “kotroka mafy.” Vao mainka marina izany, raha ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy ny famonjeny no resahina. Tena lalina mantsy ny fisainany ka tsy takatry ny olona tsy matahotra Azy. (Jb 26:7-14; Sl 92:5, 6) Hendry sady mahira-tsaina Andriamanitra, ary hita eo amin’ny zavaboary izany. Nandinika izany i Joba ka nahatakatra fa bitika izy raha oharina amin’ny Mpamorona. Nanetry tena izy ka niaiky fa tsy nahira-tsaina.​—Jb 42:1-6.

Afaka mamantatra ny eritreritra sy izay ataon’ny olona rehetra i Jehovah. (1Ta 28:9; Sl 139:1-6) Azony ‘dinihina’ (heb.: bin) koa ny olona tsirairay na ny antokon’olona, raha tiany. (Oh 21:12; Sl 5:1, 2) Fantany fa tsy azo toherina ny fikasany, ary fantany koa izay zavatra hataony amin’ny hoavy. Tsy miova sady tsy azo ovana ary marina ny fitsipiny. “Tsy misy” àry “fahendrena na fahaiza-manavaka na torohevitra mahatohitra an’i Jehovah.” (Oh 21:30; ampit. Is 29:13, 14; Je 23:20; 30:24.) Tsy mila manontany na iza na iza izy mba hahitana fomba tsara hanampiana ny mpanompony, na mba hanafahana azy ireny raha ory sy mijaly izy ireny.​—Is 40:10-15, 27-31.

Tsy maintsy mahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy mahafantatra ny sitrapony ary mino sy matoky azy àry ny zavaboariny manan-tsaina, vao hanana ny tena fahiratan-tsaina. “Ny fahalalana an’Ilay Masina Indrindra no atao hoe fahiratan-tsaina”, ary anisan’izany ny fahalalana “ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana, eny, izay tsara rehetra.” (Oh 9:10; 2:6-9; 16:20) Raha tiana ho azo tsara ny raharaha lehibe iray, dia tsy maintsy jerena araka ny fomba fahitan’i Jehovah azy, ary mila fantarina izay fitsipik’i Jehovah sy toetrany ary fikasany mandrakizay voakasika amin’ilay izy.

Miala amin’ilay Loharanon’izy io. Matoa mandika ny lalàn’Andriamanitra ny olona iray, dia efa nanomboka tsy niraharaha an’Andriamanitra izy rehefa nanapa-kevitra na rehefa nisy zavatra nokasainy hatao. (Jb 34:27) Manaraka an-jambany ny fony izy, ka tsy hitany hoe ratsy ny ataony, ary tsy manam-pahendrena intsony izy. (Sl 36:1-4) Mety hilaza izy fa manompo an’Andriamanitra, nefa didin’olombelona no tiany kokoa sy ataony ambony noho ny an’Andriamanitra. (Is 29:13, 14) Baranahiny ny fitondran-tenany nefa lazainy hoe “kilalao” fotsiny izany. (Oh 10:23) Lasa vetaveta sy maty eritreritra ary tsy misaina izy, ka mety hihevitra mihitsy hoe tsy mahita na tsy mahalala ny ratsy ataony ilay Andriamanitra tsy hita maso, toy ny hoe tsy mahira-tsaina Andriamanitra. (Sl 94:4-10; Is 29:15, 16; Je 10:21) Asehony amin’ny ataony fa toy ny milaza izy hoe: “Tsy misy izany Jehovah izany.” (Sl 14:1-3) Tsy miraharaha an’i Jehovah mihitsy izy. Tsy tarihin’ny fitsipik’Andriamanitra izy, ka diso ny fahitany ny toe-javatra, tsy azony tsara ny tena zava-misy, tsy fantany tsara ny zava-drehetra voakasika amin’izany, ary tsy mahay mandray fanapahan-kevitra izy.​—Oh 28:5.

Izay mety ho takatry ny sain’olombelona. Mety hilana fahiratan-tsaina ny fahaizana asa tanana sy taozavatra toy ny asa fanorenana, fanaovana mari-trano na fanamboaran-javatra amin’ny hazo, metaly, vato na lamba. Mpanao asa tanana ‘nahay sy nahira-tsaina’ i Hirama avy any Tyro, ary havanana tamin’ny asa tanana isan-karazany. (2Ta 2:13, 14; 1Mp 7:13, 14) Nahavita zavatra tsara izy noho izany fahiratan-tsainy izany, ka nateza be ny zava-bitany.

Nahira-tsaina ny olona sasany ka “tena nahay [endriny hafa amin’ny hoe bin]” teo amin’ny sehatry ny fitaterana na ny mozika. (1Ta 15:22; 25:7, 8; 2Ta 34:12) Nisy kosa nahay fiteny, haisoratra, na zavatra hafa nilana fikarohana lalina. (Da 1:4, 17, 20) Mety ho efa talentan’ny olona iray izany, na koa nianarany. Afaka nanampy azy hahira-tsaina kokoa ny fanahin’Andriamanitra ka nahatonga azy hahay hampianatra an’ilay asa tanana na asa hafa fanaony.​—Ek 31:2-5; 35:30-35; 36:1; 1Ta 28:19.

Misy olona mahalala tsara ny toetoetran’olombelona satria mahay mandinika sy mahay maminavina. Hitan’i Davida, ohatra, fa nifampibitsibitsika ny mpanompony, ka “fantany” fa maty ny zanak’izy sy Batseba. (2Sa 12:19) Nahira-tsaina koa i Rehoboama ka fantany hoe mora mitsiriritra sy mialona ny olombelona mpanota. Nitadidy izany izy rehefa nizara lova tamin’ny zanany.​—2Ta 11:21-23.

Mety hisy koa olona na antokon’olona kinga saina eo amin’ny resaka raharaham-barotra ka lasa mpanankarena, anisan’ireny ny “mpitondra” an’i Tyro. (Ezk 28:2, 4) Mety hisy mpitondra mahira-tsaina ka mahay mitari-tafika sy mahay paikady (Is 10:12, 13) na havanana rehefa mifampiraharaha amin’ny firenen-kafa. (Da 8:23) Mety ho voafetra ihany anefa ny zavatra takatry ny sain’izy ireny, ary mihelina ny soa azony noho izany, araka ny hitantsika teo aloha.

Asehon’ny Soratra Masina àry fa mety ho voajanahary ny fahiratan-tsaina. Mety hisy, ohatra, olona “mahira-tsaina” (synetôi) eto amin’ity tontolo ity. Ho hadalana sy ho very maina anefa izany ‘fahiratan-tsainy’ (synesis) izany, raha tsy miraharaha ny fikasan’Andriamanitra izy. (1Ko 1:19, 20) Mampirisika antsika àry ny Soratra Masina mba haniry hahazo fahiratan-tsaina ambony kokoa, izany hoe ilay avy amin’Andriamanitra. Na dia hitrandraka ny harena voajanahary aza ny olona ka hikaroka ny any ambanin’ny tany sy ny any anaty ranomasina, ary handinika ny lanitra, dia tsy ho hitany amin’izao fotsiny mihitsy ny toerana “misy ny fahiratan-tsaina” sy ny fahendrena izay mitondra fahombiazana sy fahamarinana ary fahasambarana. (Jb 28:1-21, 28) Tsara noho ny “volafotsy” io fahiratan-tsaina io, sady ahazoana hoavy tsara izay tsy ho azo amin’alalan’ny harena sy ny voninahitra mihelina eto amin’ity tontolo ity.​—Oh 16:16, 22; 23:4, 5; Sl 49:6-8, 14, 20.

Misy ifandraisany amin’ny fahalalana sy ny fahendrena. Tsy maintsy manana fahalalana ny olona raha te hahira-tsaina, kanefa tsy fahalalana fotsiny no atao hoe fahiratan-tsaina. Hahira-tsaina kokoa ny olona iray raha betsaka sady ambony karazana kokoa ny fahalalana ananany. Fahafantarana ny zava-misy no atao hoe fahalalana, ary ny marina momba an’Andriamanitra no voalohany indrindra amin’izany, ohatra hoe momba ny fisian’Andriamanitra, ny fikasany tsy hay toherina, ary ny fomba fanaovany zavatra. Ny fahiratan-tsaina kosa no manampy ny olona hampifandray ny fahalalana amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny fitsipiny, ka ahafantaran’ilay olona hoe marina sa tsia ny fahalalana ananany. “Mitady fahalalana ny fon’ny mahira-tsaina”, ary tsy fahalalana ivelany fotsiny fa fahalalana tsara ny zava-misy rehetra. (Oh 15:14) Tokony ‘hahafinaritra anao ny fahalalana’, raha tianao hiambina anao ny fahaiza-misaina ary hiaro anao ny fahaiza-manavaka.​—Oh 2:10, 11; 18:15; jereo FAHALALANA.

Milaza ny Ohabolana 1:1-6 fa “ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara, mba hahazoana ny dikan’ny ohabolana, sy ny teny saro-takarina, ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantatra ataony.” Tsy teny na ankamantatra fanaon’ny olona tsy manan-katao sy mandany andro fotsiny izany, satria tsy mandany fotoana amin’izany ny olon-kendry. Tsy maintsy ho teny na ankamantatra ianaran-javatra kosa izany, ary koa fanontaniana sy zava-tsarotra mamolavola ny saina sy ny fo mba hanarahana fitsipika marina, ka manome fahendrena hiatrehana ny hoavy. (Ampit. Sl 49:3, 4.) Ho lasa hendry ny olona iray raha sady manam-pahalalana no mahira-tsaina. “Zava-dehibe indrindra” ny fahendrena, izay tsy inona fa ny fahaizana mampiasa fahalalana sy fahiratan-tsaina mba hahaizana hamaha olana. (Oh 4:7) Tsy tsara raha noho ny fitia te hahalala zavatra fotsiny na te hisongadina no mahatonga ny olona ho te hahira-tsaina. Tsara kosa izany raha noho ny faniriana ho hendry amin’izay atao. ‘Eo anatrehany ny fahendrena’ amin’izay. (Oh 17:24; jereo FAHENDRENA.) Hafa izy fa tsy toy ny olona tamin’ny andron’ny apostoly Paoly. Nilaza ny tenany ho mpampianatra ireny olona ireny, nefa ‘nieboebo’, ‘tsy nahalala na inona na inona’, ary tsy nanam-pahendrena fa “adalam-panontaniana sy adihevitra momba ny teny”, ka nampisara-bazana sy nitondra loza isan-karazany.​—1Ti 6:3-5.

Raha te hahira-tsaina. Mivavaka toy izao ny olona te hahira-tsaina: “Ataovy azoko tsara izany, mba hanarahako ny lalànao sy hitandremako azy amin’ny foko manontolo ... mba ho velona foana aho.” (Sl 119:34, 144, jereo koa and. 27, 73, 125, 169) Izany àry no tokony ho antony mahatonga antsika ho te hahira-tsaina. Nivavaka ny apostoly Paoly mba “hofenoina fahalalana marina tsara” ny sitrapon’Andriamanitra ireo Kristianina tany Kolosia, “ka hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra [synesei] izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy. Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah” izy ireo.​—Kl 1:9, 10.

Ara-dalàna raha mahira-tsaina kokoa ny olona efa ela niainana sy nahita fiainana. (Jb 12:12) Tsy voatery ho izany foana anefa. Nirehareha ho nahira-tsaina, ohatra, ireo zokiolona mpampionona an’i Joba. Nandoka tena sy nandoka ny namany izy ireo. Nananatra azy ireo anefa i Eliho, na dia mbola tanora aza. (Jb 15:7-10; 32:6-12) I Jehovah no “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be” (Da 7:13), ka mahira-tsaina lavitra noho ny olombelona rehetra izy. Ny olona mantsy vao an’arivony taona monja no nisy sady tsy mahatakatra akory na dia ny fomba namoronana ny Tany onenany aza. (Jb 38:4-13, 21) Ny Tenin’Andriamanitra àry no tena hahazoana fahiratan-tsaina.​—Sl 119:130.

Tokony hihaino tsara ny torohevitry ny ray aman-dreniny ny ankizy sy ny tanora, indrindra raha mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ny ray aman-dreniny. Ela niainana sy efa nahita fiainana mantsy izy ireny. (Oh 2:1-5; 3:1-3; 4:1; 5:1) Mety hahazoana fahiratan-tsaina ny ‘fieritreretana’ (heb.: bin) na fandinihana ny tantaran’ny olona taloha, ary matetika ny zokiolona no tena mahalala tsara an’ireny tantara ireny. (De 32:7) Tsy “ny tanora fanahy” àry no tokony hifaneraserana fa ny olon-kendry. Tokony horaisina tsara ny torohevitry ny hendry sy ny fananarany, raha tiana ny “ho ela velona” sy handeha foana “amin’ny lalan’ny fahiratan-tsaina.” (Oh 9:5, 6) Raha mihaino sy mandinika ny olona iray, dia tsy ho bado intsony ary tsy ho mora ambakaina. Afaka ‘miezaka mba ho malina’ koa izy, ary tsy hahita olana firy.​—Oh 8:4, 5.

Lasa lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra azy sy noho ny zokiolona ny olona mazoto mianatra sy mankatò ny Tenin’Andriamanitra. (Sl 119:99, 100, 130; ampit. Lk 2:46, 47.) Ny fitsipik’Andriamanitra sy ny didiny mantsy no ahazoana fahendrena sy fahiratan-tsaina. Rehefa nankatò izany an-tsakany sy an-davany ny Israely, dia niaiky ireo firenena nanodidina hoe “hendry sy mahira-tsaina” izy ireo. (De 4:5-8; Sl 111:7, 8, 10; ampit. 1Mp 2:3.) Takatry ny olona mahira-tsaina fa tsy maintsy misy vokany ny tsy fanarahana ny Tenin’Andriamanitra. Te hampifanaraka ny fiainany amin’izy io izy, ka mangataka ny fanampian’Andriamanitra. (Sl 119:169) Ataony tafalatsaka lalina ao am-pony ny tenin’Andriamanitra (Mt 13:19-23), ary soratany eo amin’ny fony (Oh 3:3-6; 7:1-4), ka manjary halany ny “lalan-diso rehetra” (Sl 119:104). Toy izany no nanehoan’ilay Zanak’Andriamanitra ny fahiratan-tsainy tamin’izy tetỳ an-tany, ka tsy natahotra ny ho faty teo amin’ny hazo fijaliana izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina izay nilaza fa toy izany no fomba hahafatesany.​—Mt 26:51-54.

Ilana fotoana sy fisaintsainana. Matetika ny olona “maimaika” no tsy ‘mandinika [na misaintsaina; endriny hafa amin’ny hoe bin] fahalalana.’ (Is 32:4; ampit. Oh 29:20.) Ny olona mahira-tsaina dia mahalala hoe rahoviana izy no tokony hangina. (Oh 11:12) Tsy maimaika hiteny izy, ary tony foana na dia efa mitady hivadika ho ady aza ny resaka. (Oh 14:29; 17:27, 28; 19:11; Jb 32:11, 18; ampit. Jk 3:13-18.) Saintsaininy tsara ny torohevitra nomena azy mba ho azony tsara ny teny sy ny votoatin’izay nolazaina taminy. (Jb 23:5; Sl 49:3) Manontany izy mba hahalalany ny anton’ny zavatra iray. Amin’izay dia ho fantany hoe nahoana no nahomby na tsy nahomby ilay izy, ary ankasitrahan’Andriamanitra ve ilay izy sa tsia. Mandinika ny ho vokatry ny safidy tsirairay koa izy. (Sl 73:2, 3, 16-18; Je 2:10-19; ampit. Is 44:14-20.) Tsy mba nanao toy izany ny Israely, ary tsy nandinika tao am-pony hoe hanao ahoana no “hiafarany aorian’izay.”​—De 32:28-30.

Manaiky famaizana. Tsy hahira-tsaina mihitsy ny olona raha be hambo, mafy loha, be di-doha, ary te hanao izay tiany fotsiny. (Je 4:22; Ho 4:14, 16) Misy mihevitra ny tenany hoe mahalala ny zava-drehetra. Tsy mba toy izany kosa ny olona manana ny tena fahiratan-tsaina. Izany no mahatonga ny Ohabolana 19:25 hilaza hoe: “Anaro ny mahira-tsaina mba hahazoany fahalalana.” (Ampit. Jb 6:24, 25; Sl 19:12, 13.) Vonon-kihaino ny olona mahira-tsaina, ary mamantatra ny antony ananarana azy. Mahasoa azy mihoatra noho ny kapoka injato atao amin’ny tsisy saina ilay fananarana.​—Oh 17:10; ampit. 29:19.

Mahazo ny hevitry ny faminaniana ny mahira-tsaina. Ny olona voadio sy manetry tena ary mangataka fahiratan-tsaina ihany no hahazo ny hevitry ny faminaniana avy amin’Andriamanitra. (Da 9:22, 23; 10:12; 12:10) Mety ho fantapantatra ihany ny fotoana ahatanterahan’ny faminaniana, saingy mila miandry ny fotoana voatondron’Andriamanitra hanatanterahana azy ny olona vao ho azony tsara hoe mihatra amin’inona na amin’iza ilay izy. (Da 8:17; 10:14; 12:8-10; ampit. Mr 9:31, 32; Lk 24:44-48.) Tsy hahazo ny hevitry ny faminaniana ny olona matoky olona, sy manambany ny herin’Andriamanitra, ary tsy miraharaha ny fikasany. Tsy ho azony mihitsy ilay faminaniana raha tsy rehefa manomboka mihatra aminy ny loza nambaran’ilay izy.​—Sl 50:21, 22; Is 28:19; 46:10-12.